Iza no ho Tafita Velona Amin’ny “Andron’i Jehovah”?
“Tokony ho karazan’olona manao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra, amin’ny fiandrasana sy amin’ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!” — 2 PETERA 3:11, 12, NW.
1. Iza moa no miasa amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia?
I JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia nifidy avy teo amin’ny olombelona, ireo izay ho mpiray lova amin’i Jesosy Kristy Zanany, ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. (Romana 8:16, 17). Raha mbola eto an-tany ireo Kristiana voahosotra, dia miasa amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia. (Lioka 1:17). Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha isika dia nanamarika zavatra nifanitsy sasany teo amin’ny asan’izy ireo sy ny an’i Elia mpaminany. Ahoana anefa ny amin’ny asan’i Elisa mpaminany, mpandimby an’i Elia? — 1 Mpanjaka 19:15, 16.
2. a) Inona no fahagagana farany nataon’i Elia, ary ny fahagagana voalohany nataon’i Elisa? b) Inona no porofo fa tsy nankany an-danitra i Elia?
2 Ny fahagagana farany nataon’i Elia dia ny fampisarahana ny ranon’ny Ony Jordana, tamin’ny fikapohana azy io tamin’ny kapaotiny. Izany dia nahafahan’i Elia sy i Elisa nita tamin’ny tany maina. Fony izy ireo nandeha teo amin’ny andaniny atsinanan’ilay ony, dia nisy tafio-drivotra nitondra an’i Elia ho any amin’ny toerana iray hafa teto an-tany. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 15, mitondra ny lohateny hoe “Iza Amin’ireto Lanitra Ireto no Niakaran’i Elia?”). Tavela teo ilay kapaotin’i Elia. Rehefa nampiasa azy io mba hikapohana ny onin’i Jordana i Elisa, dia nisaraka indray ny ranony, ka afaka nandia tany maina koa izy, rehefa niverina. Mazava tsara tamin’io fahagagana io fa tonga mpandimby an’i Elia i Elisa mba hampandroso ny fivavahana marina teo amin’ny Isiraely. — 2 Mpanjaka 2:6-15.
Tena ilaina ny toetra tsara
3. Inona no nolazain’i Paoly sy i Petera momba ny fanatrehan’i Jesosy sy ny “andron’i Jehovah”?
3 Taonjato maro taorian’ny andron’i Elia sy i Elisa, ny apostoly Paoly sy Petera dia nampifandray ny “andron’i Jehovah” iray ho avy tamin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy sy ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” mbola ho avy tamin’izay. (2 Tesaloniana 2:1, 2, NW; 2 Petera 3:10-13). Raha tiantsika ny ho tafita velona amin’ny andro lehiben’i Jehovah — rehefa handringana ny fahavalony sy hamonjy ny vahoakany izy — dia tsy maintsy mitady an’i Jehovah sy maneho fandeferana sy fahamarinana isika. (Zefania 2:1-3). Misy toetra hafa anefa manjary misongadina, rehefa mandinika ireo fisehoan-javatra nahakasika an’i Elisa mpaminany isika.
4. Inona no anjara asan’ny zotom-po eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
4 Ny zotom-po ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra dia tena ilaina, raha tiantsika ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah”. Samy be zotom-po teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Elia sy i Elisa. Manana zotom-po mitovy amin’izany ny sisa amin’ny Kristiana voahosotra amin’izao andro izao, ka manolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah ary mitarika ny fitoriana ny vaovao tsara.a Nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1930, izay rehetra nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ka nanantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, dia nampirisihin’izy ireo hanolo-tena ho an’i Jehovah ka hatao batisa. (Marka 8:34; 1 Petera 3:21). Olona an-tapitrisany maro no nanaiky tsara izany fampirisihana izany. Taloha izy ireo dia tao amin’ny haizina ara-panahy ary maty tao amin’ny fahotany. Izao anefa dia nianatra ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo, ka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, ary be zotom-po eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3-5). Mitondra famelombelomana lehibe ho an’ireo rahalahy ara-panahin’i Kristy mbola eto an-tany izy ireo, amin’ny zotom-pony, ny fiarahany miasa aminy, ny fahaizany mandray vahiny ary ny asa tsara hafa ataony. — Matio 25:31-46.
5. Nahoana no tena zava-dehibe ny manao soa amin’ireo ‘rahalahin’i Jesosy’, ary inona no ohatra tamin’ny andron’i Elisa ananantsika?
5 Ireo izay manao soa amin’ireo ‘rahalahin’i Jesosy’ voahosotra noho izy ireo mpanara-dia azy, dia manantena ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah”. Ny mpivady iray tao amin’ny tanàna kelin’i Sonema dia nahazo fitahiana be, noho izy ireo naneho hatsaram-panahy sy fahaiza-mandray vahiny tamin’i Elisa sy ny mpanampy azy. Tsy nanan-janaka io mpivady io, ary efa antitra ralehilahy. Nampanantena an’ilay vehivavy sonemita anefa i Elisa fa hiteraka zazalahy izy, ary dia izany tokoa no nitranga. Rehefa maty io zanaka lahitokana io, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nankany Sonema i Elisa ka nanangana azy tamin’ny maty. (2 Mpanjaka 4:8-17, 32-37). Endre izany valisoa azo, noho ny fanehoana fahaiza-mandray vahiny tamin’i Elisa!
6, 7. Inona no ohatra navelan’i Namàna, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fahatafitana velona amin’ny “andron’i Jehovah”?
6 Ny fanetren-tena dia ilaina mba hanekena ny fitarihana miorina amin’ny Baiboly avy amin’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy, amin’ny fanantenana ny ho tafita velona amin’ny andron’i Jehovah. I Namàna, komandin’ny miaramila syriana, dia boka ary tsy maintsy naneho fanetren-tena, raha tiany ny hanaraka ilay fanipazan-kevitry ny ankizivavy kely isiraelita iray babo, ka handeha hitady an’i Elisa tany amin’ny Isiraely mba ho sitrana. Tsy nivoaka ny tranony mba hitsena an’i Namàna i Elisa, fa nandefa izao hafatra izao taminy: “Mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao.” (2 Mpanjaka 5:10). Voadona ny hambom-pon’i Namàna, ka tezitra izy. Nanetry tena anefa izy, ka nandeha nisitrika impito tao Jordana, ary dia ‘tonga tahaka ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy’. (2 Mpanjaka 5:14). Talohan’ny nodiany tany aminy, dia niverina hatrany Samaria mihitsy i Namàna, mba hisaotra an’ilay mpaminanin’i Jehovah. Tapa-kevitra ny tsy handray tombony ara-nofo avy amin’ny hery nomen’Andriamanitra azy i Elisa, ka nivoaka hitsena an’i Namàna, saingy tsy nandray fanomezana. Nilaza tamim-panetren-tena tamin’i Elisa i Namàna hoe: “Ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an’ny andriamani-kafa, fa ho an’i Jehovah ihany.” — 2 Mpanjaka 5:17.
7 Amin’ny fanarahany amim-panetren-tena ny torohevitra araka ny Soratra Masina omen’ireo voahosotra, dia olona an-tapitrisany maro no mahazo fitahiana tondraka ankehitriny. Ambonin’izany, amin’ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia voadio ara-panahy ireo olona tso-po ireo. Manana ny tombontsoa ho sakaizan’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy izy ireo ankehitriny. (Salamo 15:1, 2; Lioka 16:9). Ary hovalian-tsoa ny fifikiran’izy ireo amin’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana azy, ka tsy hahazo azy ireo ilay fandringanana mandrakizay hanjo an’ireo mpanota be hambom-po sy tsy mibebaka, amin’ilay “andron’i Jehovah” mihamanatona haingana. — Lioka 13:24; 1 Jaona 1:7.
“Iza aminareo no momba ahy? Iza?”
8. a) Manao ahoana ny fihetsik’ireo izay ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah”, raha ny amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? b) Inona no asa nasaina nataon’i Jeho? d) Inona no tsy maintsy hanjo an’i Jezebela?
8 Ireo izay manantena ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah” dia tsy maintsy tapa-kevitra koa eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra. I Elia dia nanambara mialoha tamim-pahasahiana ny handringanana ny taranak’i Ahaba mpamono olona sy mpivavaka tamin’i Bala. (1 Mpanjaka 21:17-26). Talohan’ny nanatanterahana io didim-pitsarana io anefa, dia tsy maintsy namita asa iray mbola tsy vita i Elisa, mpandimby an’i Elia. (1 Mpanjaka 19:15-17). Tamin’ny fotoana nolazain’i Jehovah, i Elisa dia naniraka mpanampy iray handeha hanosotra an’i Jeho, komandin’ny tafika, mba ho ny mpanjaka vaovaon’ny Isiraely. Rehefa avy nanidina diloilo tamin’ny lohan’i Jeho ilay iraka, dia nilaza taminy hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan’ny Isiraely oloko. Ary hamely ny tamingan’i Ahaba tomponao hianao, mba hampanodiaviko an’i Jezebela ny ran’ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Eny, ho fongotra ny taranak’i Ahaba rehetra”. Hatsipy ho an’ny alika i Jezebela Mpanjakavavy ratsy fanahy, ary tsy hanana fandevenana mendri-kaja. — 2 Mpanjaka 9:1-10.
9, 10. Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Elia momba an’i Jezebela?
9 Nanaiky ireo lehilahin’i Jeho fa marim-pototra ny fanosorana azy, ka nanambara azy ho ny mpanjaka vaovaon’ny Isiraely izy ireo. Tapa-kevitra i Jeho, ka niriotra nankany Jezirela mba hanomboka ny asany hamono ireo mpivadi-pinoana nitarika ny fivavahana tamin’i Bala. Ny voalohany voan’ny zana-tsipìkan’i Jeho dia i Jorama Mpanjaka, zanak’i Ahaba. Nivoaka ny tanàna izy mba hanontany raha fihavanana no anton-dian’i Jeho. “Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?”, hoy ny navalin’i Jeho. Tamin’izay, dia nanagorobaka ny fon’i Jorama ny zana-tsipìkan’i Jeho. — 2 Mpanjaka 9:22-24.
10 Ny vehivavy araka an’Andriamanitra dia miezaka tsy ho sahala amin’i Jezebela na amin’izay tahaka azy rehetra. (Apokalypsy 2:18-23). Rehefa tonga tao Jezirela i Jeho, dia nitady hanamboaboa-tena i Jezebela mba ho tsara tarehy. Nijery teo am-baravarankely izy, ka niarahaba an’i Jeho tamin’ny teny nifono fandrahonana. Hoy i Jeho nanontany ny mpanampy an’i Jezebela: “Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza?” Avy hatrany dia nisy tandapa roa na telo nijery tany ambany. Niandany tamin’i Jeho ve izy ireo? “Azerao io vehivavy io”, hoy izy tamin’izy ireo. Tamin’izay, dia tapa-kevitra izy ireo, ka nanipy an’i Jezebela ratsy fanahy avy tamin’ny varavarankely. Voahitsakitsaka izy, azo inoana fa teo ambanin’ny tongotr’ireo soavaly. Rehefa tonga mba handevina azy ny olona, dia “tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny fela-tànany ihany”. Endre izany fahatanterahan’ny tenin’i Elia hoe: ‘Hohanin’ny alika ny nofon’i Jezebela’! — 2 Mpanjaka 9:30-37.
Fanohanana amim-pahatsoram-po ny fivavahana marina
11. Iza moa i Jonadaba, ary ahoana no nampisehoany ny fanohanany ny fivavahana marina?
11 Ireo izay manantena ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah” sy hiaina mandrakizay eto an-tany, dia tsy maintsy manohana ny fivavahana marina amin’ny fony manontolo. Tsy maintsy ho sahala amin’i Jonadaba, izay tsy Isiraelita nefa nivavaka tamin’i Jehovah, izy ireo. Fony i Jeho nanohy nanatontosa tamin-jotom-po ny asa nasaina nataony, i Jonadaba dia naniry hampiseho ny fankasitrahany sy ny fanohanany. Koa nivoaka àry izy hitsena an’ilay mpanjaka vaovaon’ny Isiraely, izay nankany Samaria mba hamono ny sisa tavela tamin’ny taranak’i Ahaba. Rehefa nahita an’i Jonadaba i Jeho, dia nanontany hoe: “Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ny fonao?” Ny valin-tenin’i Jonadaba hoe eny dia nanosika an’i Jeho haninjitra ny tanany sy hanasa an’i Jonadaba hiakatra tao anaty kalesiny. Hoy izy: “Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’i Jehovah.” Tsy nangataka andro i Jonadaba, fa nanaiky ny tombontsoa hampiseho ny fanohanany an’ilay voahosotra ho mpampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah. — 2 Mpanjaka 10:15-17.
12. Nahoana no ara-drariny raha mitaky fifikirana tsy mizarazara aminy i Jehovah?
12 Tena mety ny fanohanana amim-pahatsoram-po ny fivavahana marina, satria i Jehovah no Mpamorona sady Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao, ary ara-drariny raha mitaky sy mendrika ny hahazo ny fifikirantsika tsy mizarazara izy. Hoy ny didiny tamin’ny Isiraelita: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra [mitaky fifikirana tsy mizarazara, NW ]”. (Eksodosy 20:4, 5). Ireo izay manantena ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah” dia tsy maintsy mivavaka aminy irery ihany, ka hanao izany “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23, 24). Tsy maintsy hentitra ho an’ny fivavahana marina izy ireo, sahala amin’i Elia sy i Elisa ary i Jonadaba.
13. Toy ny fon’i Jonadaba izay marina tamin’ny fon’i Jeho, iza no manaiky ilay Mpanjaka Mesianika, ary ahoana no ampisehoan’izy ireo izany?
13 Rehefa avy namono ny taranak’i Ahaba i Jeho Mpanjaka, dia nanao zavatra hafa mba hahafantarana an’ireo mpivavaka tamin’i Bala sy hanafoanana io fivavahan-diso io teo amin’ny Isiraely. (2 Mpanjaka 10:18-28). Amin’izao andro izao, ilay Mpanjaka any an-danitra, i Jesosy Kristy, dia notendrena mba hamono ny fahavalon’i Jehovah sy hanamarina ny Fiandrianany. Toy ny fon’i Jonadaba izay marina tamin’ny fon’i Jeho, ny “olona betsaka” amin’ireo ‘ondry hafan’i’ Jesosy amin’izao andro izao dia manaiky amin’ny fony manontolo fa i Kristy no Mpanjaka Mesianika, ary miara-miasa amin’ireo rahalahiny ara-panahy eto an-tany. (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). Manome porofon’izany izy ireo, amin’ny fanarahana ny fivavahana marina sy amin’ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana kristiana, ho fampitandremana an’ireo fahavalon’Andriamanitra ny amin’ny “andron’i Jehovah” mihamanatona haingana. — Matio 10:32, 33; Romana 10:9, 10.
Hisy fisehoan-javatra hanaitra mafy tsy ho ela!
14. Inona no miandry ny fivavahan-diso?
14 Nanao zavatra i Jeho mba hamaranana ny fivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Isiraely. Amin’izao androntsika izao, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Jeho Lehibe, Andriamanitra dia handringana an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Tsy ho ela isika dia hahita ny fahatanterahan’ny tenin’ilay anjely tamin’ny apostoly Jaona, nanao hoe: “Ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga [Babylona Lehibe] ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo. Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.” (Apokalypsy 17:16, 17; 18:2-5). “Ny tandroka folo” dia mampiseho ireo fahefana ara-politika manan-tafika izay manapaka ny tany. Na dia mijangajanga ara-panahy amin’i Babylona Lehibe aza izy ireo ankehitriny, dia kely sisa ny andron’izy io. Ny lafiny ara-politika amin’itỳ tontolo itỳ dia handringana ny fivavahan-diso, ary “ny bibi-dia” — ny Firenena Mikambana — sy ny “tandroka folo” no hifarimbona indrindra mba hamotipotika azy.b Endre izany fahafahana tsara hidera an’i Jehovah! — Apokalypsy 19:1-6.
15. Inona no hitranga rehefa hisy fitadiavana handringana ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany?
15 Rehefa avy namely ny fivavahana tamin’i Bala i Jeho Mpanjaka, dia nitodika tany amin’ny fahavalo ara-politikan’ny Isiraely ny fianakaviany. I Jesosy Kristy Mpanjaka dia hanao zavatra mitovy amin’izany. Mbola ho eo ireo fahefana ara-politika, aorian’ny fandringanana ny fivavahan-diso mitovy amin’ny fivavahana tamin’i Bala. Eo ambany fitaoman’i Satana Devoly, ireo fahavalon’ny fiandrianan’i Jehovah ireo dia hanampatra ny fara heriny mba hitadiavana handringana ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany. (Ezekiela 38:14-16). Hasain’i Jehovah hamely azy ireo anefa i Jesosy Kristy Mpanjaka, amin’ny fandringanana azy ireo ao Haramagedona, “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ka hamita hatramin’ny farany ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah! — Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21; Ezekiela 38:18-23.
Fanompoana amin’ny fananana ny zotom-pon’i Elisa
16, 17. a) Ahoana no ahafantarantsika fa be zotom-po hatramin’ny faran’ny fiainany i Elisa? b) Inona no tokony hataontsika amin’ireo zana-tsipìkan’ny fahamarinana?
16 Mandra-pamaran’ny “andron’i Jehovah” ny fandehan-javatra ratsin’i Satana manontolo, ny mpanompon’Andriamanitra dia ho be herim-po sy zotom-po sahala amin’i Elisa. Ankoatra ny asany fony izy nanampy an’i Elia, dia mpaminanin’i Jehovah nanompo irery nandritra ny 50 taona mahery koa i Elisa! Ary be zotom-po hatramin’ny faran’ny fiainany lava be i Elisa. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia notsidihin’i Joasy Mpanjaka, zafikelin’i Jeho, izy. Nasain’i Elisa nitifitra zana-tsipìka avy teo am-baravarankely izy. Voan’ilay zana-tsipìka ilay zava-nokendreny, ka nihiaka i Elisa hoe: “Zana-tsipìkan’ny famonjen’i Jehovah, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka hianao mandra-pandringanao azy.” Araka ny fangatahan’i Elisa, avy eo i Joasy dia nikapoka ny tany tamin’ny zana-tsipìkany. Tsy tamin-jotom-po anefa no nanaovany izany, satria tsy nikapoka afa-tsy intelo izy. Nilaza àry i Elisa fa ho vokatr’izany, dia tsy havela handresy an’i Syria afa-tsy intelo i Joasy. Ary izany tokoa no nitranga. (2 Mpanjaka 13:14-19, 25). Tsy namely ny Syriana hatramin’ny farany, ‘mandra-pandringany’ azy, i Joasy Mpanjaka.
17 Ny sisa voahosotra kosa dia manana zotom-po sahala amin’ny an’i Elisa, ka manohy manafika ny fivavahan-diso. Manao toy izany koa ireo namany manantena ny hiaina eto an-tany. Ambonin’izany, izay rehetra manantena ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah” dia haneho fahendrena raha mitadidy ao an-tsaina ny tenin’i Elisa momba ny fikapohana ny tany. Aoka isika handray ny zana-tsipìkan’ny fahamarinana, ka hampiasa azy ireo amin-jotom-po, tsy an-kijanona, eny, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asantsika nampiasantsika azy ireo.
18. Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika eo anoloan’ireo teny ao amin’ny 2 Petera 3:11, 12?
18 Tsy ho ela dia hamarana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny ny “andron’i Jehovah”. Noho izany, dia aoka isika hanaiky ho voatosik’ireo teny feno fandrisihan’ny apostoly Petera. “Koa satria natao holevonina, araka izany, ireo zavatra rehetra ireo”, hoy ny fihiakan’i Petera, “tokony ho karazan’olona manao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra, amin’ny fiandrasana sy amin’ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!” (2 Petera 3:11, 12, NW ). Rehefa ho levon’ny afon’ny fahatezeran’Andriamanitra, ampiharin’i Jesosy Kristy, ny lafiny rehetra amin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia ireo manana fitondran-tena mahitsy sy fifikirana amin’Andriamanitra ihany no ho afa-mandositra. Tena ilaina ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Toy izany koa ny fitiavana ny mpiara-belona, izay asehontsika amin’ny fanomezana azy ireo izay ilainy, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy amin’ny alalan’ny fanompoantsika kristiana.
19. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah”?
19 Moa ve ny teninao sy ny ataonao mampahafantatra anao ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy be zotom-po? Raha izany no izy, dia afaka manantena ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah” ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ianao. Eny, mety ho tafita velona ianao, raha manao soa amin’ireo rahalahy ara-panahin’i Kristy noho izy ireo mpanara-dia azy, toy ilay mpivady sonemita izay nandray tsara an’i Elisa. Raha tianao ny ho tafita velona, dia tsy maintsy ho sahala amin’i Namàna, izay nanaiky tamim-panetren-tena ny toromarik’Andriamanitra ka tonga mpivavaka tamin’i Jehovah, koa ianao. Raha maniry mafy ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ianao, dia tsy maintsy mampiseho fa manohana amim-pahatsoram-po ny fivavahana marina ianao, toy ny nataon’i Jonadaba. Amin’izay ianao dia mety ho anisan’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah, izay tsy ho ela dia hiaina ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy, manao hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. — Matio 25:34.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko 18 sy 19 ao amin’ny boky “Que ton nom soit sanctifié”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Jereo ny pejy 254-256 ao amin’ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ahoana no Havalinao?
◻ Toetra sasany inona avy no ilaina raha tiana ny ho tafita velona amin’ny “andron’i Jehovah”?
◻ Inona no ohatra navelan’ilay mpivady sonemita tamin’ny andron’i Elisa?
◻ Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’i Namàna?
◻ Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’i Jonadaba?
◻ Tokony hanosika antsika hanao inona ny 2 Petera 3:11, 12?