Ny Mishnah sy ny Lalàn’Andriamanitra Nomena An’i Mosesy
“VAO eo am-piandohana isika dia efa mahatsapa ny tenantsika ho toy ny miditra amin’ny resaka iray efa nitohy ela be, momba ny loha hevitra tsy mety ho takatry ny saintsika na oviana na oviana (...). Mahatsiaro ny tenantsika ho toy ny ao amin’ny efitrano fiandrasana any amin’ny seranam-piaramanidina lavitra iray (...) isika. Azontsika ny teny lazain’ny olona, saingy mahavaka antsika ny tiany holazaina sy ny zavatra ahiny, indrindra moa fa ilay feony mandodona.” Izany no fomba ilazalazan’i Jacob Neusner, manam-pahaizana jiosy, ny mety ho fihetseham-pon’ny mpamaky, eo am-pamakiana voalohany ny Mishnah. Hoy ny teny nanampin’i Neusner: “Tsy hita izay fanombohan’ny Mishnah. Mifarana tampoka izy io.”
Ao amin’ny hoe A History of Judaism, i Daniel Jeremy Silver dia miantso ny Mishnah ho “ny soratra iorenan’ny Jodaisman’ireo raby”. Raha ny marina, dia nanampy teny toy izao izy: “Nisolo ny Baiboly ny Mishnah ka izy io indray no nanjary fandaharam-pampianarana lehibe indrindra teo amin’ny fianarana fanampiny [nataon’ny Jiosy].” Nahoana no nanjary tena nanan-danja ny boky iray tsy mora azo toy izany?
Hita ao amin’itỳ fanambarana ao amin’ny Mishnah itỳ ny ampahany amin’ny valin’izany: “Nandray ny Torah tao Sinay i Mosesy ary nanolotra azy io tamin’i Josoa, i Josoa tamin’ireo loholona, ary ireo loholona tamin’ireo mpaminany. Ary ireo mpaminany nanolotra azy io tamin’ireo lehilahy tao amin’ny fitambara-mpifehy.” (Avot 1:1). Ny Mishnah dia milaza ho mivaofy ny fanazavana natolotra an’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay — tapany tsy natao an-tsoratra tamin’ny Lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely. Ireo lehilahy tao amin’ny fitambara-mpifehy (nantsoina hoe Synedriona tatỳ aoriana) dia noheverina ho anisan’ireo manam-pahaizana hendry na olon-kendry maro be nifandimby, izay nampitampita am-bava ny fampianarana sasany avy tamin’ny taranaka iray ho amin’ny taranaka iray, mandra-pahatongan’ny fotoana nandraketana an-tsoratra azy ireny tao amin’ny Mishnah. Izany ve anefa no tena izy? Iza marina no nanoratra ny Mishnah, ary nahoana? Avy tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ve ny zavatra raketin’izy io? Misy heviny ho antsika amin’izao andro izao ve izy io?
Jodaisma tsy nanana tempoly
Fony nosoratana teo ambany tsindrimandry ny Soratra Masina dia mbola tsy hita soritra akory ny finoana fa nisy lalàna am-bava avy tamin’Andriamanitra nomena mba ho fanampin’ny Lalàn’i Mosesy an-tsoratra.a (Eksodosy 34:27). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia ny Fariseo no antokon’olona tao anatin’ny Jodaisma nampipoitra sy nampandroso an’io hevitra io. Nandritra ny taonjato voalohany am.f.i., ny Sadoseo sy ny Jiosy hafa dia nanohitra an’io fampianarana tsy araka ny Baiboly io. Raha mbola foiben’ny fivavahana jiosy koa anefa ny tempoly tao Jerosalema, dia tsy noheverina ho zava-dehibe loatra io fiadian-kevitra momba ny lalàna am-bava io. Ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly dia nandamina sy tsy nampiova firy ny fiaimpiainan’ny Jiosy rehetra.
Tamin’ny 70 am.f.i. anefa, dia tojo zava-tsarotra ara-pivavahana tsy hita pesipesenina ny firenena jiosy. Noravan’ny miaramila romana i Jerosalema, ary maherin’ny iray tapitrisa ny Jiosy maty. Tsy nisy intsony ny tempoly, ilay foiben’ny fiainany ara-panahy. Tsy azo natao intsony ny nanao zavatra nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nitaky fanatitra sy fanompoan’ny mpisorona tao amin’ny tempoly. Tsy nisy intsony ilay vato fanorenan’ny Jodaisma. Nanoratra toy izao ilay manam-pahaizana momba ny Talmoda atao hoe Adin Steinsaltz: “Noho ilay fandravana (...) tamin’ny 70 am.f.i., dia nanjary tena nilaina maika ny fanorenana indray ilay rafitra manontolon’ny fiainana ara-pivavahana.” Ary dia tena nanorina azy io indray tokoa izy ireo.
Na dia talohan’ny naharavan’ny tempoly aza, i Yohanan Ben Zakkai, izay mpianatra nohajaina nampianarin’ilay mpitarika fariseo atao hoe Hillel, dia nahazo lalana avy tamin’i Vespasien (ho tonga emperora tsy ho ela) mba hamindra ilay foibe ara-panahin’ny Jodaisma sy ny Synedriona ho any Yavneh, fa tsy ho ao Jerosalema intsony. Araka ny fanazavan’i Steinsaltz, taorian’ny naharavan’i Jerosalema, i Yohanan Ben Zakkai dia “tojo zava-tsarotra, dia ny fanorenana foibe vaovao iray ho an’ny olona, sy ny fanampiana azy ireo mba hanao fanitsiana nifanaraka tamin’ilay tarehin-javatra vaovao. Tamin’ny alalan’io tarehin-javatra io no tsy maintsy namiliana ny hafanam-po ara-pivavahana mba hifantoka tamin-javatra hafa iray, satria efa tsy nisy intsony ny Tempoly”. Ny lalàna am-bava io zava-baovao nifantohana io.
Rehefa rava ny tempoly, ny Sadoseo sy ny sekta jiosy hafa dia tsy nanolotra safidy nampiaiky. Nanjary nahazo vahana teo amin’ny Jiosy ny Fariseo, ka nahazo ireo mpanohitra. Nanantitrantitra ny amin’ny firaisan-tsaina ireo raby lohandohany ka tsy niantso ny tenany intsony ho Fariseo, teny iray namofompofona fitsitokotokoana sy fiandaniana. Nanjary fantatra tsotra fotsiny ho raby, “ireo olon-kendrin’ny Isiraely”, izy ireo. Namorona rafi-pinoana nirakitra ny heviny momba ny lalàna am-bava ireny olon-kendry ireny. Izy io dia trano ara-panahy izay sarotra lavitra amin’ny olombelona ny manafika azy, raha oharina amin’ny tempoly.
Fanamafisana ny lalàna am-bava
Na dia ilay sekoly ambonin’ireo raby tao Yavneh (40 kilaometatra any andrefan’i Jerosalema) aza izao no foibe lehibe indrindra, dia nisy sekoly ambony hafa nampianarana ny lalàna am-bava nanomboka nipoitra nanerana an’i Israely ary na dia tany an-tany lavitra toa an’i Babylona sy i Roma aza. Niteraka olana anefa izany. Hoy ny fanazavan’i Steinsaltz: “Raha mbola tafangona avokoa ireo olon-kendry ary notontosain’ny antokon-dehilahy iray [tao Jerosalema] ilay asa lehibe indrindra nitaky fahaizana manokana, dia voaro ny fitovian’ny lovantsofina. Ny fitomboana be teo amin’ny isan’ny mpampianatra sy ny fanorenana sekoly mahaleo tena anefa dia namorona (...) fomba filaza zavatra sy fomba fiteny maro loatra.”
Ireo mpampianatra ny lalàna am-bava dia nantsoina hoe Tannaim, teny avy amin’ny fototeny aramiana midika hoe “mianatra”, “mamerimberina”, na “mampianatra”. Izany dia nanantitrantitra ilay fomba nianaran’izy ireo sy nampianarany ny lalàna am-bava, tamin’ny alalan’ny famerimberenana sy fanaovana tsianjery izaitsizy. Mba hanamorana ny fanaovana tsianjery ny lovantsofina am-bava, dia nofintinina ho teny fohy sy tsotra ny didy na ny lovantsofina tsirairay. Arakaraka ny naha-vitsy ny teny no nahatsara azy. Natao izay hahitana endriny iray nahazatra sy poetika, ary matetika no naverimberina na nohiraina ireo teny. Tsy nifanaraka anefa ireny didy ireny, ary niovaova be isaky ny mpampianatra.
I Akiba ben Joseph (50-135 am.f.i. tany ho any) no raby voalohany nanome endrika sy nandamina tamin’ny fomba voafaritra tsara ireo lovantsofina am-bava maro samy hafa. Toy izao no nosoratan’i Steinsaltz momba azy: “Ny mpiara-belona taminy dia nampitaha ny asany tamin’ny an’ny mpiasa tany izay nandeha tany an-tsaha ka nanangona tao an-karony izay zavatra rehetra sendra ny masony, dia niverina nody ary nandahatra nitsitokantokana ny karazany tsirairay avy. Nianatra foto-kevitra tsy nifanaraka maro be i Akiba ary nanakilasy azy ireny ho sokajy samy hafa.”
Tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. — maherin’ny 60 taona taorian’ny naharavan’i Jerosalema — dia nisy fikomiana lehibe faharoa nataon’ny Jiosy tamin’i Roma. I Bar Kokhba no nitarika an’izany. Teo indray koa, dia nitondra loza ny fikomiana. Anisan’ireo Jiosy efa ho iray tapitrisa niharam-pahavoazana i Akiba sy ny maro tamin’ny mpianany. Nirodana avokoa izay rehetra nety ho fanantenana ny hanorenana indray ny tempoly, satria nanambara i Hadrien, Emperora romana, fa tsy azon’ny Jiosy nidirana i Jerosalema, afa-tsy tamin’ny fitsingerenan’ny andro nandravana ny tempoly.
Tsy nahita na oviana na oviana ny tempoly tao Jerosalema ny Tannaim niaina taorian’i Akiba. Ilay fomba voalamina fianarana lovantsofina momba ny lalàna am-bava anefa no nanjary “tempoly” na foiben’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. Ny asa natombok’i Akiba sy ny mpianany teo amin’ny fanamafisana an’io rafitry ny lalàna am-bava io dia notohizin’i Judah ha-Nasi, ilay farany tamin’ny Tannaim.
Ny nanaovana ny Mishnah
I Judah ha-Nasi dia taranak’i Hillel sy i Gamaliela.b Teraka nandritra ilay vanim-potoan’ny fikomian’i Bar Kokhba izy, ary tonga filohan’ny Jiosy tany Israely, tokony ho tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa sy ny fiandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i. Ilay anaram-boninahitra hoe ha-Nasi dia midika hoe “ilay andriana”, ka izany dia manondro ny saranga nisy azy teo imason’ny Jiosy niara-belona taminy. Matetika izy no lazaina fotsiny hoe Raby. Sady talen’ilay sekoly ambony naoriny i Judah ha-Nasi no filohan’ny Synedriona, tao Bet She’arim aloha ary tao Sepphoris tany Galilia, tatỳ aoriana.
Noho ny fahatakaran’i Judah ha-Nasi fa nety hahatandindomin-doza ny fampitana ny lalàna am-bava mihitsy ny fifandonana amin’i Roma amin’ny ho avy, dia tapa-kevitra izy ny hanome azy io endrika iray izay hanome antoka ny fiarovana azy io. Novoriny tao amin’ilay sekoly ambony notantanany ireo manam-pahaizana nisongadina indrindra tamin’ny androny. Niadian-kevitra ny hevitra sy ny lovantsofina tsirairay tamin’ny lalàna am-bava. Ny famintinana an’ireny ady hevitra ireny dia naravona ho fitambaran-teny faran’izay fohy, manaraka fomba hentitra iray mampiavaka ny lahatsoratra hebreo poetika.
Ireny famintinana ireny dia nalamina ho fizarana enina lehibe, na Laharana, arakaraka ireo loha hevitra lehibe indrindra. Nizara azy ireny ho fizarana, na famoaboasana 63, i Judah. Vita izao ilay trano ara-panahy. Hatramin’io fotoana io, dia nampitaina am-bava foana ny lovantsofina. Ho fiarovana fanampiny anefa, dia natao ny dingana farany nitondra fiovana goavana — dia ny fandraketana an-tsoratra ny zava-drehetra. Io rafi-pinoana vaovao vita an-tsoratra sy manaitra ny saina io, izay iraketana ny lalàna am-bava, no nantsoina hoe Mishnah. Ny hoe Mishnah dia anarana avy amin’ny fototeny hebreo hoe sha·nahʹ, izay midika hoe “mamerimberina”, “mianatra”, na “mampianatra”. Izy io dia mitovy amin’ilay teny aramiana hoe tenaʼʹ, izay niavian’ny hoe tan·na·ʼimʹ, ilay teny ampiharina amin’ireo mpampianatra ny Mishnah.
Ny zava-kendren’ny Mishnah dia tsy hoe hanorina fehezan-dalàna farany akory. Nivaofy bebe kokoa momba ny zavatra maningana izy io, noho ny fiheverana fa efa nahafantatra ny fitsipika fototra ny mpamaky. Raha ny marina, izy io dia namintina ny zavatra niadian-kevitra sy nampianarina tao amin’ireo sekoly ambonin’ireo raby, nandritra ny andron’i Judah ha-Nasi. Natao ho famintinana ny lalàna am-bava ny Mishnah mba hanaovana ady hevitra bebe kokoa, izany hoe ho votoaty na rafitra fototra iray natao hanorenana.
Tsy manambara zavatra na inona na inona nomena an’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Mishnah, fa ahatakarana kosa ny fomba nivoaran’ny lalàna am-bava, izay hevitra iray niandoha tamin’ny Fariseo. Ny fanazavana raketin’ny Mishnah dia manazava ihany ny fanambarana sasany ao amin’ny Soratra Grika Kristiana sy ny resaka sasany nifanaovan’i Jesosy Kristy sy ny Fariseo. Ilaina anefa ny mitandrina, satria taratry ny fomba fijerin’ny Jiosy nanomboka tamin’ny taonjato faharoa am.f.i ireo hevitra hita ao amin’ny Mishnah. Ny Mishnah no tetezana mampifandray ny vanim-potoan’ny tempoly faharoa sy ny Talmoda.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy faha-8-11 amin’ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Gamaliela — Nampianatra An’i Saoly avy any Tarsosy Izy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1996.
[Efajoro, pejy 26]
IREO FIZARANA AO AMIN’NY MISHNAH
Ny Mishnah dia mizara ho Laharana enina. Ireo indray kosa dia fitambaran’ny boky kely kokoa, na famoaboasana 63, izay mizara ho toko sy mishnayot, na fehintsoratra (fa tsy andininy).
1. ZERAIM (Lalàna Momba ny Fambolena)
Tafiditra amin’ireo famoaboasana ao amin’izy itỳ ny fandinihana ny amin’ny vavaka fanao amin’ny sakafo sy ny raharaha mifandray amin’ny fambolena. Tafiditra amin’izy ireo koa ny fitsipika momba ny ampahafolon-karena, ny anjaran’ny mpisorona, ny fitsimponana voa, ary ny taona sabata.
2. MOED (Fotoan-dehibe sy Andro Firavoravoana Masina)
Ireo famoaboasana ao amin’itỳ Laharana itỳ dia miompana amin’ireo lalàna momba ny Sabata sy ny Andro Fanavotana ary ny andro firavoravoana hafa.
3. NASHIM (Vehivavy, Lalàna Momba ny Fanambadiana)
Ireo dia famoaboasana miompana amin’ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana, ny voady, ny Nazirita, ary ny fiahiahiana ho nanitsakitsa-bady.
4. NEZIKIN (Onitra sy Lalàna Sivily)
Ireo famoaboasana ao amin’itỳ Laharana itỳ dia mahafaoka foto-kevitra momba ny lalàna sivily sy ny lalàna momba ny fananana, ny fitsarana sy ny sazy, ny anjara asan’ny Synedriona, ny fanompoan-tsampy, ny fianianana, ary ny Fitsipika Harahina Momba Ireo Lehilahy Mpitondra (Avot).
5. KODASHIM (Fanatitra)
Ireo famoaboasana ao amin’izy itỳ dia miompana amin’ireo fitsipika momba ny biby sy ny voa madinika atao fanatitra, ary ireo refin’ny tempoly.
6. TOHAROT (Fombafomba Fanadiovana)
Itỳ Laharana itỳ dia famoaboasana miompana amin’ny fanadiovana ara-pomba, ny fandroana, ny fanasana tanana, ny aretin-koditra, ary ny fahalotoan-javatra samy hafa.
[Efajoro, pejy 28]
NY MISHNAH SY NY SORATRA GRIKA KRISTIANA
Matio 12:1, 2: “Tamin’izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ny Sabata.” Tsy nandrara izay nataon’ny mpianatr’i Jesosy ny Soratra Hebreo. Ao amin’ny Mishnah anefa, dia ahitantsika lisitra misy zavatra 39, izay voararan’ireo raby tsy hatao amin’ny Sabata. — Shabbat 7:2.
Matio 15:3 (Fandikan-teny Katolika): “Ary hoy ny navaliny [Jesosy] azy: Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofin-drazanareo?” Hamafisin’ny Mishnah io fihetsika io. (Sanhedrin 11:3). Toy izao no vakintsika: “Hentitra kokoa [ny fitandremana] ny tenin’ny Mpanora-dalàna noho [ny fitandremana] ny tenin’ny Lalàna [an-tsoratra]. Raha hoy ny olona iray: ‘Tsy anerena akory ny fitondrana filakitera’, ka mandika ny tenin’ny Lalàna izy, dia tsy meloka; [fa raha hoy kosa izy]: ‘Tokony hisy fizarazarana dimy ao amin’izy ireny’, ka manampy ny tenin’ny Mpanora-dalàna izy, dia meloka.” — The Mishnah, nataon’i Herbert Danby, pejy faha-400.
Efesiana 2:14: “Fa Izy [Jesosy] no fihavanantsika, Izay naha-iray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana”. Hoy ny Mishnah: “Tao amin’ny Tendrombohitry ny Tempoly dia nisy fefy hazo nifanapatapaka (ny Soreg), folo vodivoampelatanana ny haavony.” (Middot 2:3). Norarana ny Jentilisa mba tsy hihoatra an’io ka hoe hiditra tao amin’ny kianja anatiny. Ny apostoly Paoly dia mety ho niresaka an-kolaka an’io efitra na rindrina io amin’ny heviny ara-panoharana, rehefa nanoratra ho an’ny Efesiana tamin’ny taona 60 na 61 am.f.i., fony mbola nijoro teo izy io. Io efitra ara-panoharana io dia ny faneken’ny Lalàna, izay nampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa efa hatramin’ny ela. Miorina amin’ny fahafatesan’i Kristy tamin’ny taona 33 am.f.i. anefa, dia nofoanana io efitra io.