Fitondrana ny Vaovao Tsara any Amin’ny Olona Maro Kokoa Hatrany
REHEFA nieritreritra ny olona eto amin’ny tany misy ahy aho, dia hitako fa tsy mahalala ny Vavolombelon’i Jehovah afa-tsy amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao, izy ireo. Tokony hohatonina ireny olona ireny, araka ny hevitro, mba hahafahany hahafantatra hoe iza ny Vavolombelon’i Jehovah ary koa hoe inona marina no inoan’izy ireny. Ahoana anefa no hahafahako hitondra fanampiana? Loholona kristiana ny vadiko, ary nanome ahy tari-dalana sy fanoloran-kevitra feno fahendrena izy.
Nahita hevi-dehibe avy tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Gazety Izay Manome Fampiononana Mahasoa”, navoaka tao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! Aprily-Jona 1995, izahay. Hoy ilay lahatsoratra, mahakasika ny fanompoan’ny Vavolombelona iray: “Nanao ezaka manokana izy mba hanangonana ireo nomerao tranainy tamin’ny gazety Mifohaza! sasany, izay niangona tany an-tokantranon’ireo Vavolombelona hafa. Avy eo izy dia nitsidika ireo fikambanana izay noheveriny fa mety hampiseho fahalianana manokana amin’ireo foto-kevitra sasany ao anatiny.”
Tsy ela aho dia nahangona gazety an-jatony maromaro, noho ny fanampian’ny vadiko. Avy amin’izy ireo, dia afaka nifidy loha hevitra isan-karazany mifanentana amin’ireo olona handramako hiresahana, aho.
Nanangona lisitra mampiseho ny hopitaly sy hotelin’ny tanora ary ireo trano manokana mikarakara ny be antitra sy ny kilemaina aho, tamin’ny fampiasana ny annuaire-n’ny telefaonina sy ny boky misy adiresin’ny olona. Nataoko lisitra koa ireo mpikarakara fandevenana sy ireo mpiandraikitra sy mpanolo-tsaina amin’ny fampianarana sy ireo mpizaha fahasalamana ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fonja sy ny fitsarana. Tafiditra tao amin’ny lisitra nataoko ireo lehiben’ny sampan-draharaha mikarakara ireo alkaolika sy mpidoroka zava-mahadomelina, ireo fikambanana mikarakara ny tontolo iainana sy ireo bekotromaroholatra ary ireo mpanao fikarohana ara-tsakafo. Tsy nodiako tsy hita koa ny mpitantana ny biraon’ny fanatsarana ny fari-piainana sy ny asa sosialy ary ny raharaha ara-pianakaviana.
Inona no holazaiko?
Ny zavatra voalohany nataoko rehefa nanao fitsidihana aho, dia ny nampahafantatra mazava hoe iza aho. Avy eo, dia nolazaiko fa tsy haharitra afa-tsy minitra vitsy monja ny fitsidihako.
Rehefa mifanatrika amin’ilay olona tompon’andraikitra aho, dia hilaza hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho. Kanefa, tsy hanao dinidinika ara-pivavahana akory no ahatongavako eto, satria angamba tsy hety ny hanaovana izany mandritra ny ora fiasana.” Matetika dia manjary tony kokoa ny rivo-piainana. Avy eo, amin’ny fanamboarana ny fanazavako hifanaraka amin’ny tarehin-javatra, dia hanohy ny teniko toy izao aho: “Roa sosona no anton’ny fitsidihako. Voalohany, dia maniry ny haneho ny fankasitrahako ny asa alamin’ny biraonao aho. Raha dinihina tokoa, dia tsy tokony hohamaivanina ny fandanian’ny olona iray fotoana sy hery ho tombontsoan’ny besinimaro. Tena mendri-piderana izany.” Amin’ny tarehin-javatra maro, dia gaga ilay olona nanaovana tari-dresaka tamin’izany fomba izany.
Izao ilay olona dia azo inoana tokoa fa nanontany tena ny amin’ilay antony faharoa tamin’ny fitsidihako. Nanohy ny teniko toy izao aho: “Ny antony faharoa amin’ny fitsidihako dia izao: Nifidy lahatsoratra sasany miresaka manokana ny karazan’asa ataonao sy ireo zava-manahirana mifandray amin’izany aho, avy ao amin’ilay gazetinay hoe Mifohaza!, izay avoaka maneran-tany. Azoko antoka fa ho tianao ny hahafantatra ny fomba fijerin’ny gazety iray iraisam-pirenena momba ireny zava-manahirana ireny. Ho faly aho hametraka ireto gazety ireto aminao.” Matetika aho no nilazana fa nankasitrahana ny ezaka nataoko.
Vokatra nanaitra sy nahafa-po
Rehefa nampiasa io tari-dresaka io aho, dia maro no nandray tamim-pisakaizana; iray tao anatin’ny 17 monja no nanda. Nahita fanandraman-javatra maro, izay sady nanaitra no nahafa-po, aho.
Ohatra, rehefa nanandrana inefatra sy niandry tamim-paharetana aho, dia afaka nihaona tamin’ny inspekteran’ny fampianarana iray. Lehilahy tena feno zavatra atao izy. Tena sariaka anefa izy, ary niresaka tamiko nandritra ny fotoana kelikely. Rehefa handeha aho, dia hoy izy: “Tena ankasitrahako mihitsy ny ezaka ataonao, ary tena hovakiko amim-pitandremana tokoa ireo zavatra vita an-tsoratra napetrakao.”
Tamin’ny fotoana iray hafa, dia nitsidika ny fitsaram-paritra aho, ka nihaona tamin’ny lehiben’ny mpitsara, lehilahy iray efa zokinjokiny. Rehefa niditra ny biraony aho, dia natrakany tsy hijery ireo taratasiny ny lohany, toa tezitra ny fahitana azy.
“Talata maraina ihany no fandraisana olona, amin’izay aho dia ho afaka hanome izay fanazavana rehetra”, hoy izy tamim-pahasiahana.
“Mamelà ahy hiala tsiny noho izaho tonga amin’ny fotoana tsy mety”, hoy aho namaly haingana, sady nanampy hoe: “Mazava ho azy fa ho faly aho ny hiverina amin’ny fotoana iray hafa. Fa raha ny tena izy dia noho ny antony manokana no nahatongavako.”
Teo ilay mpitsara dia ta hahafanta-javatra. Nanontany ahy tamin’ny fomba tsy dia nasiaka loatra ny amin’izay tadiaviko izy. Naveriko indray fa hiverina aho amin’ny talata.
“Mipetrapetraha re!”, hoy izy nisisika. Nahagaga ahy izany. “Inona no tadiavinao?”
Nisy dinidinika nafana nanaraka izany, ary niala tsiny izy noho izy niavonavona tamin’ny voalohany, satria tena feno zavatra natao tokoa izy.
“Fantatrao ve hoe inona no mahafinaritra ahy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?”, hoy ilay mpitsara nanontany rehefa afaka kelikely. “Manana foto-pitsipika mafy orina izay tsy iviliany, izy ireo. Nanandrana izay rehetra azony natao i Hitler, fa mbola tsy nandeha tany amin’ny ady ihany ireo Vavolombelona.”
Rehefa niditra tao amin’ny birao iray izaho sy ny rahavavy iray, dia tadidin’ilay sekretera. Avy eo izy dia niteny mafy tsy rototra hoe: “Tsy mandray antoko na iza na iza na oviana na oviana ny prezidà.”
“Handray anay anefa izy”, hoy aho namaly tamim-pahatoniana, “satria Vavolombelon’i Jehovah izahay. Tsy mpanao fangatahana izahay, ary tsy hihoatra ny telo minitra ny fitsidihanay.” Nivavaka mafy anakampo aho hoe: “Jehovah ô, enga anie ka handeha tsara ny zava-drehetra!”
Namaly tamin’ny fomba miala andraikitra ilay sekretera hoe: “Eny àry fa hanandrana aho.” Lasa izy. Rehefa afaka roa minitra teo ho eo, izay toy ny tsy nety tapitra tamiko, dia nipoitra izy, niaraka tamin’ilay prezidà mihitsy. Tsy nilaza na inona na inona ilay prezidà, fa nitarika anay ho any amin’ny biraony, nandalo tamin’ny efitra roa hafa.
Rehefa nanomboka niresaka izahay, dia nihasariaka tsikelikely izy. Nanaiky an-tsitrapo ireo nomerao manokana tamin’ny gazety Mifohaza! izy rehefa nanolotra izany izahay. Nisaotra an’i Jehovah izahay noho io fahafahana tsara hanao fanambarana momba ny zava-kendren’ny asantsika io.
Rehefa manao jery todika ireo fanandraman-javatra nahafinaritra maro hitako aho, dia manjary mahatakatra amin’ny fomba feno kokoa izay nolazain’ny apostoly Petera hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanomezana fahafahana ny olona avy amin’ny fiaviana sy fiteny ary toerana ara-tsosialy rehetra, hahafantatra ny fikasany ho an’ny olombelona sy ny tany. — Nisy nanome.