Ny Finoana sy ny Hoavinao
“Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina”. — HEBREO 11:1.
1. Karazana hoavy manao ahoana no irin’ny ankamaroan’ny olona?
LIANA ny amin’ny hoavy ve ianao? Liana ny amin’izany ny ankamaroan’ny olona. Ny antenain’izy ireo dia hoavy feno fiadanana, tsy fisian’ny tahotra intsony, toe-piainana hahafa-po, asa hahitam-bokatra sy hahafinaritra, fahasalamana tsara sy fiainana mateza. Tsy isalasalana fa naniry an’ireo zavatra ireo avokoa ireo taranaka rehetra teo amin’ny tantara. Amin’izao andro izao anefa, dia vao mainka irina kokoa noho ny hatramin’izay izany toe-piainana izany, satria tototry ny zava-manahirana itỳ tontolo itỳ.
2. Fomba fijery ny hoavy manao ahoana no nambaran’ny mpanao politika iray?
2 Misy fomba ahafahana mamantatra izay ho toetoetry ny hoavy ve, eo am-panatonan’ny olombelona ny taonjato faha-21? Maherin’ny 200 taona lasa izay, dia nisy fomba iray nambaran’i Patrick Henry, mpanao politika amerikana. Hoy izy: “Tsy mahalala fomba hitsarana ny amin’ny hoavy afa-tsy amin’ny alalan’ny lasa aho.” Araka an’io fomba fijery io, dia be ihany no azo fantarina momba ny hoavin’ny fianakavian’olombelona, raha ny zavatra nataon’ny olona tamin’ny lasa no itarafana azy. Olona maro no miombon-kevitra amin’izany.
Nanao ahoana ny lasa?
3. Inona no tondroin’ny tantara, raha ny azo antenaina fa hoentin’ny hoavy no asian-teny?
3 Mampahery ve, aminao, raha ny lasa ihany no ho taratry ny hoavy? Nihatsara ve ny hoavin’ireo taranaka teo aloha, nandritra ireo taonjato maro nifanesy? Tsy dia izany loatra. Tsindry hazo lena, heloka bevava, herisetra, ady, sy fahantrana, no nameno ireo pejin’ny tantara, na dia teo aza ireo fanantenana nananan’ny olona nandritra ny an’arivony taona maro, sy ny fandrosoana tany amin’ny toerana sasany. Loza sesilany no nihatra tamin’itỳ tontolo itỳ. Tsy nahafa-po ny fitondran’olombelona, ka izany indrindra indrindra no rangory fototry ny afo nahatonga izany loza izany. Marina tokoa ny filazan’ny Baiboly, manao hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” — Mpitoriteny 8:9.
4, 5. a) Nahoana no be fanantenana ny olona tany am-piandohan’ny taonjato faha-20? b) Nanao ahoana ireo fanantenany momba ny hoavy?
4 Ny zava-misy dia hoe miverimberina hatrany ny tantara ratsin’ny olombelona — saingy vao mainka mihalehibe sy mihamanimba kokoa. Porofon’izany itỳ taonjato faha-20 itỳ. Niana-javatra avy tamin’ny fahadisoana nataony tamin’ny lasa ve ny olombelona ka nanalavitra izany? Tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia olona maro no nino fa ho tsara kokoa ny hoavy satria efa mba nisy vanim-potoana lavalava ihany nampisy fiadanana tamin’izany, ary teo rahateo koa moa ireo fandrosoana teo amin’ny indostria sy ny siansa ary ny fanabeazana. Tany am-piandohan’ireo taona 1900, hoy ny profesora tany amin’ny oniversite iray, dia ninoana fa tsy hety hisy intsony ny ady satria “efa nandroso loatra ny olona”. Nilaza toy izao momba ny fihevitry ny olona tamin’izany fotoana izany ny praiminisitra britanika taloha iray: “Hihatsara kokoa hatrany ny zava-drehetra. Izany no tontolo nahaterahako.” Nilaza toy izao anefa izy avy eo: “Tampoka teo, ary tsy nampoizina velively, indray maraina tamin’ny 1914, dia nifarana daholo ny zava-drehetra.”
5 Nanjaka tamin’izany fotoana izany ny finoana fa ho tsara kokoa ny hoavy. Vao nosantarina kelikely fotsiny anefa ilay taonjato vaovao, dia indro izao tontolo izao fa efa tafalatsaka sahady tao anatin’ilay loza ratsy indrindra nataon’olombelona hatramin’izay — ny Ady Lehibe Voalohany. Ho santionan’ny toetra nampiavaka azy io, dia diniho izay nitranga tamin’ny ady iray tamin’ny 1916, izany hoe tamin’ny fotoana nanafihan’ny andian-tafika britanika ny miaramila alemà, teo akaikin’ny Ony Somme, any Frantsa. Tao anatin’ny ora vitsivitsy monja, dia miaramila britanika 20 000 no namoy ny ainy, ary maro no maty tamin’ny miaramila alemà. Miaramila efa ho folo tapitrisa sy sivily maro no namoy ny ainy tao anatin’ireo efa-taona nifandripahana. Nihena nandritra ny fotoana kelikely ny mponin’i Frantsa, satria lehilahy maro dia maro no maty. Potika ny toe-karena, ka nitarika ho amin’ilay Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe tamin’ireo taona 1930 izany. Tsy mahagaga raha nilaza ny sasany fa andro nahalasa adala an’izao tontolo izao ny andro nanombohan’ny Ady Lehibe Voalohany!
6. Nihatsara kokoa ve ny fiainana taorian’ny Ady Lehibe Voalohany?
6 Izany ve ilay hoavy nantenain’io taranaka io? Tsia, tsy izany velively. Nirodana tanteraka ny fanantenan’izy ireo, kanefa koa dia tsy nisy na inona na inona tsara kokoa nentin’ireny ady rehetra ireny. Iraika amby roapolo taona monja taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, na tamin’ny 1939, dia nanomboka ny loza ratsy lavitra iray nataon’olombelona — Ady Lehibe Faharoa. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy niisa 50 tapitrisa no namoy ny ainy tamin’izy io. Nanamontsana tanàna maro ny zera baomba variraraka. Tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia miaramila an’arivony maro teo ho eo no maty tao anatin’ny ora vitsivitsy monja, tamin’ny ady iray. Tamin’ny Ady Lehibe Faharoa kosa anefa, dia baomba ataomika roa monja dia efa namono olona maherin’ny 100 000 tao anatin’ny segondra vitsivitsy fotsiny. Mihevitra ny maro fa mbola ratsy lavitra noho izany ilay vonoan’olona tsy an-kanavaka tany amin’ireo toby fitanana nazia.
7. Zava-misy inona no nitranga nandritra itỳ taonjato itỳ?
7 Misy loharanon-kevitra maromaro milaza fa raha raisintsika koa ireo ady nifanaovan’ny samy firenena, ny ady an-trano, sy ny famonoan’ny fitondram-panjakana ny olom-pireneny, dia 200 tapitrisa eo ho eo ny isan’ireo maty novonoina tamin’itỳ taonjato itỳ. Manome isa 360 tapitrisa mihitsy aza ny loharanon-kevitra iray. Eritrereto ange ilay zava-nahatsiravina nentin’izany rehetra izany e: fijaliana, ranomaso, fahorian-tsaina mafy ary fiainan’olona rava! Fanampin’izany, dia olona tokony ho 40 000 amin’ny antsalany, no maty isan’andro noho ny antony mifandray amin’ny fahantrana, ka ankizy ny ankamaroany. Avo telo heny noho io isa io ny isan’ny zazakely maty isan’andro noho ny fanalana zaza. Afa-tsy izany koa, dia olona tokony ho 1 000 tapitrisa no mahantra loatra ka tsy afaka mahazo ny sakafo ilainy hoenti-manao ny asa ara-dalàna fanao isan’andro. Ireo toe-piainana rehetra ireo dia porofon’izay nambara mialoha ao amin’ny faminanian’ny Baiboly fa miaina ao anatin’ny “andro farany” ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ isika. — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW; Matio 24:3-12; Lioka 21:10, 11; Apokalypsy 6:3-8.
Tsy misy vahaolana avy amin’olombelona
8. Nahoana ny mpitondra olombelona no tsy afaka mamaha ireo olana eo amin’izao tontolo izao?
8 Amin’izao taonjato faha-20 efa madiva hifarana izao, dia azontsika anampy ny zava-nitranga tamin’ireo taonjato lasa ny zava-nitranga tamin’itỳ taonjato itỳ. Koa milaza inona àry io tantara io? Milaza amintsika izy io fa tsy afaka namaha mihitsy ireo olana lehibe mahazo an’izao tontolo izao ireo mpitondra olombelona, no sady tsy mahavaha azy ireny ankehitriny, ary tsy hahavaha azy ireny koa amin’ny hoavy. Tsy efan’izy ireo tsotra izao ny hanome ilay karazana hoavy irintsika, na dia mety ho tsara fikasa toy inona aza izy. Tsy dia tsara fikasa loatra anefa ny sasany manana fahefana; mitady seza sy mikatsaka fahefana izy ireo mba hahafahana hizahozaho sy hahazo tombontsoa ara-nofo, fa tsy hoe mba hanasoavana ny hafa.
9. Nahoana no misy antony tokony hisalasalana ny amin’ny hoe ny siansa no hahitana vahaolana amin’ireo zava-manahirana ny olombelona?
9 Any amin’ny siansa ve no ahitana vahaolana? Tsy izany no izy raha itodihantsika ny lasa. Nilofo mafy sy nandany vola sy fotoana tsy hita pesipesenina ireo mpahay siansa ampiasain’ny fitondram-panjakana mba hanamboarana fitaovam-piadiana simika sy biôlôjika ary karazana fitaovam-piadiana hafa, faran’izay mandrava. Mandany maherin’ny fito hetsy tapitrisa dolara isan-taona, amin’ny fitaovam-piadiana, ireo firenena, anisan’izany ireo tany faran’izay mahantra! Tsy vitan’izany ihany fa anisan’ny tompon’antoka amin’ireo zavatra simika mandoto ny rivotra sy ny tany sy ny rano mbamin’ny sakafo, ny ‘fandrosoana ara-tsiansa’.
10. Nahoana no tsy miantoka hoavy tsara kokoa na dia ny fanabeazana aza?
10 Afaka manantena ve isika fa ireo rafi-panabeazana eo amin’izao tontolo izao dia hitondra fanampiana eo amin’ny fanorenana hoavy tsara kokoa, amin’ny fampianarana fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony sy fiheverana ny hafa ary fitiavana ny mpiara-belona? Tsia. Fisondrotana eo amin’ny asa sy ny fahazoam-bola kosa no ifantohan’izy ireo. Mampisy toe-tsaina tia mifaninana fatratra, fa tsy toe-tsaina tia miara-miasa, izy ireo. Tsy mampianatra fitsipi-pitondran-tena koa ny sekoly, etsy an-danin’izany. Maro amin’izy ireny kosa aza no manala tsiny ny fanaovana firaisana malalaka, izay niteraka fitomboana izaitsizy teo amin’ny isan’ny tovovavy bevohoka sy ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana.
11. Amin’ny ahoana no mampisy fisalasalana momba ny hoavy ny tantaran’ny fandraharahana lehibe?
11 Moa ve ireo fandraharahana lehibe eo amin’izao tontolo izao ho voatosika tampoka hikajy tsara ny planetantsika sy hampiseho fitiavana ny hafa, amin’ny famokarana zavatra izay tena hahasoa marina fa tsy natao hahazoan-tombony fotsiny? Tsy azo inoana loatra izany. Moa ve izy ireo hitsahatra tsy hamokatra fandaharana feno herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena ao amin’ny televiziona, izay anisan’ny manimba ny sain’ny olona, indrindra fa ny tanora? Tsy mampahery velively ny zava-nisy tato ho ato, satria, tamin’ny ankapobeny, ny televiziona dia nanjary lavaka ivarinan’ny rano maloto toy ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra.
12. Manao ahoana ny olombelona eo amin’ny sehatry ny aretina sy ny fahafatesana?
12 Ambonin’izany, na dia tso-po toy inona aza ireo dokotera, dia tsy afaka mandresy ny aretina sy ny fahafatesana izy ireo. Tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany, ohatra, dia tsy hain’izy ireo nofehezina ny fielezan’ny gripa espaniola; maneran-tany, dia olona tokony ho 20 tapitrisa no namoy ny ainy tamin’izy io. Amin’izao andro izao, dia miely patrana ny aretim-po sy ny kansera ary aretina mahafaty hafa. Tsy naharesy ny SIDA, areti-mandringana maoderina, ihany koa ny tontolon’ny fitsaboana. Mifanohitra amin’izany fa nanatsoaka hevitra ny tatitra iray navoakan’ny Firenena Mikambana tamin’ny Novambra 1997 fa avo roa heny noho ny tombana natao teo aloha ny hafaingan’ny fielezan’ny virosin’ny SIDA. Efa olona an-tapitrisany maro sahady no matin’izy io. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy olona telo tapitrisa hafa koa nanjary voan’izy io.
Ny fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hoavy
13, 14. a) Ahoana no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hoavy? b) Nahoana ny olombelona no tsy afaka mitondra hoavy tsara kokoa?
13 Mino kosa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny olombelona dia manana hoavy mamirapiratra, ny hoavy tsara indrindra! Tsy manantena anefa izy ireo hoe ho tonga amin’ny alalan’ny ezaka ataon’olombelona izany hoavy tsara kokoa izany. Mitodika any amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona, kosa izy ireo. Fantatr’i Jehovah hoe hanao ahoana ny hoavy, ary hoavy mahatalanjona ilay izy! Fantany ihany koa fa tsy afaka mitondra hoavy toy izany ny olombelona. Koa satria Andriamanitra no namorona azy ireo, dia mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitan’izy ireo, mihoatra noho ny olona hafa rehetra, izy. Ao amin’ny Teniny, dia milaza mazava amintsika izy fa tsy noforoniny hanana fahaiza-mitantana amim-pahombiazana tsy misy ny fitarihan’Andriamanitra, ny olombelona. Nampibaribary tanteraka an’izany tsy fahaizana izany ilay fotoana lava dia lava namelan’Andriamanitra ny hisian’ny fitondran’olombelona tsy niankina taminy. Niaiky toy izao ny mpanoratra iray: “Nandraman’ny sain’olombelona avokoa rehefa mety ho fampivadiana karazam-pitondrana azo atao, saingy tsy nahomby.”
14 Ao amin’ny Jeremia 10:23, dia amakiantsika izao tenin’ny mpaminany nahazo tsindrimandry izao: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Manambara toy izao koa ny Salamo 146:3: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Raha ny marina, noho isika teraka tsy lavorary, araka ny asehon’ny Romana 5:12, dia mampitandrina antsika tsy hitoky amin’ny tenantsika koa ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny Jeremia 17:9: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra”. Araka izany, dia milaza toy izao ny Ohabolana 28:26: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.”
15. Aiza no ahitantsika ny fahendrena hitari-dalana antsika?
15 Aiza no ahafahantsika mahita an’io fahendrena io? “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 9:10). I Jehovah irery ihany no manana ny fahendrena afaka mitarika antsika amin’izao andro mahatahotra izao. Nomeny fahafahana hahazo ny fahendreny isika, amin’ny alalan’ny Soratra Masina, izay nomeny tamin’ny alalan’ny tsindrimandry mba hitarika antsika. — Ohabolana 2:1-9; 3:1-6; 2 Timoty 3:16, 17.
Ny hoavin’ny fitondran’olombelona
16. Iza no namaritra ny hoavy?
16 Inona àry no lazain’ny Tenin’Andriamanitra amintsika momba ny hoavy? Milaza amintsika izy io fa tsy ho taratr’izay nataon’ny olombelona tamin’ny lasa velively akory ny hoavy. Diso àry ilay fomba fijerin’i Patrick Henry. Tsy ny olombelona, fa i Jehovah Andriamanitra no hamaritra ny hoavin’itỳ tany itỳ sy ny olona eo aminy. Ny sitrapony no hatao eto an-tany, fa tsy ny an’ny olona na firenena, na iza na iza, eto amin’itỳ tontolo itỳ. “Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa ny fisainan’i Jehovah no haharitra.” — Ohabolana 19:21.
17, 18. Inona no sitrapon’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao?
17 Inona ny sitrapon’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao? Efa nikasa ny hamarana an’itỳ fandehan-javatra mahery setra sy maloto fitondran-tena itỳ izy. Tsy ho ela dia hisolo toerana ny fanjakana ratsin’olombelona tao anatin’ireo taonjato lasa ny fitondrana iray haorin’Andriamanitra. Hoy ilay faminaniana hita ao amin’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [misy ankehitriny] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Hanaisotra ny fitaoman-dratsin’i Satana Devoly koa ilay Fanjakana, ary izany dia zavatra tsy ho vitan’olombelona na oviana na oviana. Hitsahatra mandrakizay ny fitondran’i Satana an’itỳ tontolo itỳ. — Romana 16:20; 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19.
18 Mariho fa hanorotoro tanteraka ny endri-pitondran’olombelona rehetra ilay fitondram-panjakana any an-danitra. Tsy havela ho an’ny olona ny fitantanana itỳ tany itỳ. Any an-danitra, ireo anisan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia handray an-tanana ny raharahan’ny tany rehetra mba ho tombontsoan’ny olombelona. (Apokalypsy 5:10; 20:4-6). Etỳ an-tany, ireo olombelona mahatoky dia hiasa araka ireo tari-dalana havoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ilay fitondrana nampianarin’i Jesosy antsika mba hangatahina amin’ny vavaka, fony izy nilaza toy izao: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.
19, 20. a) Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ilay Fanjakana? b) Hanao inona ho an’ny olombelona izy io rehefa hitondra?
19 Mametraka ny finoany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy io ilay “lanitra vaovao” izay nanoratan’ny apostoly Petera toy izao: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Ilay “tany vaovao” dia ilay fitambaran’olona vaovao izay ho eo ambany fitantanan’ilay lanitra vaovao, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ilay fandaharana nataon’Andriamanitra, izay naharihariny tamin’ny fahitana iray nomena ny apostoly Jaona, izay nanoratra hoe: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany (...). Ary hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:1, 4.
20 Mariho fa hitoeran’ny fahamarinana ilay tany vaovao. Hiditra an-tsehatra Andriamanitra amin’ny adin’ny Haramagedona ka ho voaesotra avokoa ny olona tsy marina rehetra. (Apokalypsy 16:14, 16). Milaza izany amin’izao fomba izao ny faminaniana ao amin’ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany”. Mampanantena toy izao koa ny Salamo 37:9: “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” Tsy ho tianao ve ny hiaina ao amin’izany tontolo vaovao izany?
Minoa an’ireo fampanantenan’i Jehovah
21. Nahoana isika no afaka mino ireo fampanantenan’i Jehovah?
21 Afaka mino ireo fampanantenan’i Jehovah ve isika? Henoy izay ambarany amin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny: “Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory”. Milaza toy izao ny tapany farany amin’ny andininy faha-11: “Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” (Isaia 46:9-11). Eny, afaka mino an’i Jehovah sy ireo fampanantenany isika. Azo antoka aoka izany ireny fampanantenana ireny ka toy ny hoe efa tanteraka sahady. Manambara izany toy izao ny Baiboly: “Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” — Hebreo 11:1.
22. Nahoana isika no afaka matoky fa hotanterahin’i Jehovah ireo fampanantenany?
22 Mampiseho finoana toy izany ny olona manetry tena, satria fantany fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. Toy izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Afaka mino izany ve isika? Eny, satria milaza ny Hebreo 6:18 fa ‘tsy hain’Andriamanitra ny mandainga’. An’Andriamanitra angaha moa ny tany, no afaka manome azy io ho an’ny manetry tena izy? Hoy ny ambaran’ny Apokalypsy 4:11: “Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Araka izany, dia milaza ny Salamo 24:1 hoe: “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.” I Jehovah no namorona ny tany, sy tompony, ary hanome azy io an’ireo mino azy. Mba hanampiana antsika hanatanjaka ny fatokiantsika an’izany, ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho ny fomba nitanan’i Jehovah ny fampanantenany tamin’ny vahoakany tamin’ny lasa sy amin’izao androntsika izao, ary koa ny antony ahafahantsika matoky tanteraka fa hanao toy izany koa izy amin’ny hoavy.
Famerenana
◻ Nanao ahoana ireo fanantenana nananan’ny olona tao anatin’ny tantara manontolo?
◻ Nahoana isika no tsy tokony hitodika any amin’ny olombelona mba hananana hoavy tsara kokoa?
◻ Inona ny sitrapon’Andriamanitra momba ny hoavy?
◻ Nahoana isika no matoky fa hotanterahin’Andriamanitra ireo fampanantenany?
[Sary, pejy 10]
Manambara araka ny marina toy izao ny Baiboly: “Tsy an’ny olombelona (...) ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23
[Sary nahazoan-dalana]
Baomba: U.S. National Archives photo; ankizy mosarena: WHO/OXFAM; mpitsoa-ponenana: UN PHOTO 186763/J. Isaac; Mussolini sy Hitler: U.S. National Archives photo