‘Mandehana ao Amin’i Kristy’
“Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa”. — KOLOSIANA 2:6.
1, 2. a) Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny fiainana nanompoan’i Enoka an’i Jehovah tamim-pahatokiana? b) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiara-mandeha aminy, araka ny asehon’ny Kolosiana 2:6, 7?
EFA mba nijery zazalahy kely miara-mandeha amin-drainy ve ianareo? Tahafin’ilay kely avokoa izay fihetsika rehetra ataon-drainy, ka ny endriny amin’izay miramirana erỳ mampiseho taratry ny fiderany azy; ilay ray moa manampy azy eny an-dalana, mba mirana endrika koa satria entanim-pitiavana sy fankasitrahana. Mety indrindra ny nampiasan’i Jehovah io sary io mba hilazalazana fiainana anompoana azy amim-pahatokiana. Milaza, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra fa “niara-nandeha tamin’Andriamanitra [marina]”, ilay lehilahy nahatoky atao hoe Enoka. — Genesisy 5:24; 6:9.
2 Toy ny anampian’ny ray be fiheverana ny zanany lahy kely hiara-mandeha aminy, no anomezan’i Jehovah antsika ny fanampiana tsara indrindra. Naniraka ny Zanany lahitokana teto an-tany izy. Isaky ny namindra i Jesosy Kristy, tamin’ilay diany manontolo teto an-tany, dia nampiseho taratra tanterak’ilay Rainy any an-danitra. (Jaona 14:9, 10; Hebreo 1:3). Koa mba hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra, dia ilaintsika ny miara-mandeha amin’i Jesosy. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.” — Kolosiana 2:6, 7.
3. Araka ny Kolosiana 2:6, 7, nahoana no azontsika lazaina fa tsy vitan’ny manaiky hatao batisa fotsiny ny hoe mandeha ao amin’i Kristy?
3 Noho izy ireo maniry handeha ao amin’i Kristy, ka miezaka mafy hanaraka ny diany tonga lafatra, dia manaiky hatao batisa ireo tso-po mianatra ny Baiboly. (Lioka 3:21; Hebreo 10:7-9). Tamin’ny 1997 fotsiny, naneran-tany, dia maherin’ny 375 000 no nanao io dingana tena lehibe io, izany hoe, maherin’ny 1 000 isan’andro tamin’ny antsalany. Mampientam-po erỳ izany fitomboana izany! Asehon’ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny Kolosiana 2:6, 7 anefa fa tsy vitan’ny manaiky hatao batisa fotsiny ny hoe mandeha ao amin’i Kristy. Ilay matoanteny grika nadika hoe “mandehana” dia milazalaza fanaovan-javatra tsy maintsy mitohy, mandroso hatrany. Ankoatra izany, dia nanampy teny i Paoly fa misy zavatra efatra voafaoka amin’ny hoe miara-mandeha amin’i Kristy, dia izao izany: Mamaka tsara ao amin’i Kristy, miorina mafy ao aminy, tafatoetra amin’ny finoana, sy mazoto amin’ny fisaorana. Andeha isika handinika azy ireo tsirairay, ka hijery ny fomba anampian’izany antsika hanohy handeha ao amin’i Kristy.
‘Mamaka tsara ao amin’i Kristy’ ve ianao?
4. Inona no dikan’ny hoe ‘mamaka tsara ao amin’i Kristy’?
4 Voalohany aloha, dia ilaintsika ny ‘mamaka tsara ao amin’i Kristy’, hoy ny nosoratan’i Paoly. (Ampitahao amin’ny Matio 13:20, 21.) Ahoana no ahafahan’ny olona iray miezaka mba hamaka tsara ao amin’i Kristy? Tsy hitantsika ireo fakan-javamaniry, kanefa dia tena ilain’ilay zavamaniry izy ireny — mahatonga azy hifahatra tsara sy mamatsy sakafo azy. Tsy misy hafa amin’izany ny ohatra sy ny fampianaran’i Kristy. Amin’ny voalohany, dia misy heriny tsy hita maso eo amintsika izy ireo, ka manjary miraikitra mafy ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Ao izy ireo dia mamelona sy manatanjaka antsika. Rehefa avelantsika hanapaka ny fisainantsika sy izay ataontsika ary ny fanapahan-kevitsika izy ireo, dia voatosika hanolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah isika. — 1 Petera 2:21.
5. Inona no azontsika atao mba hananana ‘faniriana’ sakafo ara-panahy?
5 Tian’i Jesosy ilay fahalalana avy amin’Andriamanitra. Nampitoviny tamin’ny sakafo mihitsy aza izy io. (Matio 4:4). Tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia naka teny in-21 tao amin’ny boky valo samy hafa ao amin’ny Soratra Hebreo, izy. Mba hanarahana ny ohatra nomeny, dia tsy maintsy manao izay nampirisihan’ny apostoly Petera isika, dia ny ‘haniry’ sakafo ara-panahy “tahaka ny zaza vao teraka”. (1 Petera 2:2). Rehefa maniry sakafo izay ny zaza vao teraka, dia ampahafantariny mazava tsara ilay faniriany mafy. Raha mbola tsy toy izany no tsapantsika amin’izao fotoana izao, momba ny sakafo ara-panahy, dia mampirisika antsika ny tenin’i Petera mba hanana io faniriana io. Amin’ny fomba ahoana? Mety hanampy ilay foto-pitsipika hita ao amin’ny Salamo 34:8 manao hoe: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah”. Raha ‘andramantsika’ tsy tapaka ny Baiboly, Tenin’i Jehovah, amin’ny famakiana ampahany aminy isan’andro angamba, dia ho hitantsika fa sady mamelona ara-panahy izy io no tsara. Rehefa mandeha ny fotoana, dia hitombo ny faniriantsika azy io.
6. Nahoana no zava-dehibe ny hisaintsainana ny amin’izay novakintsika?
6 Zava-dehibe anefa ny mandevon-kanina tsara raha vantany vao avy nihinana isika. Koa mila misaintsaina izay novakintsika àry isika. (Salamo 77:11, 12). Eo am-pamakiantsika ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, ohatra, dia hitondra soa kokoa ny toko tsirairay, raha miato kely isika, ka manontany tena hoe: ‘Lafiny inona amin’ny toetran’i Kristy no hitako eto amin’itỳ fitantarana itỳ, ary ahoana no ahafahako manahaka izany eo amin’ny fiainako manokana?’ Mahatonga antsika ho afaka hampihatra izay ianarantsika, ny fisaintsainana toy izany. Amin’izay, rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy atao, dia afaka manontany tena ny amin’izay mety ho nataon’i Jesosy, isika, raha izy no teo. Raha manao ny fanapahan-kevitsika mifanaraka amin’izany isika, dia manome porofo fa tena mamaka tsara ao amin’i Kristy tokoa isika.
7. Ahoana no tokony hiheverantsika ny ventin-kanina ara-panahy?
7 Nampirisika antsika koa i Paoly mba hihinana “ventin-kanina”, dia ireo fahamarinana lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 5:14). Azontsika atao ho tanjona voalohany amin’io lafiny io ny famakiana ny Baiboly manontolo. Avy eo, dia misy foto-kevitra voafaritra tsara kokoa azo ianarana, toy ny sorom-panavotan’i Kristy, ireo fanekena maro samihafa izay nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany, na ny sasany amin’ireo hafatra ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly. Misy fitaovana maro be hanampy antsika hitelina sy handevona izany ventin-kanina ara-panahy izany. Inona no tanjona rehefa mandray fahalalana toy izany? Tsy hoe mba hanomezana antsika antony hireharehana akory izany, fa mba hampitomboana ny fitiavantsika an’i Jehovah sy mba hampanakaiky kokoa antsika aminy. (1 Korintiana 8:1; Jakoba 4:8). Raha mazoto dia mazoto isika mandray io fahalalana io ka mampihatra azy io amin’ny tenantsika sady mampiasa azy mba hanampiana ny hafa, dia tena hanahaka an’i Kristy tokoa, isika. Hanampy antsika izany mba hamaka tsara araka ny tokony ho izy, ao amin’i Kristy.
‘Miorina mafy ao amin’i Kristy’ ve ianao?
8. Inona no dikan’ny hoe ‘miorina mafy ao amin’i Kristy’?
8 Raha nilaza ilay lafiny manaraka amin’ny fandehanana ao amin’i Kristy i Paoly, dia nifindra haingana avy tamin’ny sary velombelona iray ho amin’ny iray hafa, avy tamin’ny an’ny zavamaniry ho amin’ny trano. Rehefa mieritreritra ny amin’ny trano iray eo an-dalam-panorenana isika, dia tsy ny fototra ihany no eritreretintsika, fa ilay rafitra lehibe koa, izay mitsangana tsy takona afenina, amin’ny alalan’ny asa mafy. Tsy misy hafa amin’izany koa fa tsy maintsy manao asa mafy maro be isika mba hambolena toetra sy fahazarana toy ny an’i Kristy. Tsy takona afenina izany ezaka mafy izany, araka ny nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty manao hoe: ‘Aoka hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.’ (1 Timoty 4:15; Matio 5:16). Inona avy ireo asa kristiana sasany izay mahatonga antsika hiorina mafy?
9. a) Mba hanahafana an’i Kristy eo amin’ny fanompoantsika, dia tanjona azo tratrarina inona avy no azontsika ferana? b) Ahoana no ahafantarantsika fa maniry ny hifaliantsika amin’ny fanompoantsika i Jehovah?
9 Nanendry antsika mba hitory sy hampianatra ny vaovao tsara, i Jesosy. (Matio 24:14; 28:19, 20). Nanome ohatra tonga lafatra izy, ka nitory tamim-pahasahiana sy tamin’ny fomba mandaitra. Mazava ho azy fa tsy hahavita tsara toy ny nataony mihitsy isika. Na izany aza, dia nametraka izao tanjona izao ho antsika ny apostoly Petera: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:15). Raha heverinao fa tsy ‘vonona mandrakariva hamaly’, ny tenanao, dia aza manary toky. Aoka ianao hametra tanjona araka ny antonona, izay hanampy anao handroso miandalana ho amin’io fari-pitsipika io. Ny fiomananao mialoha dia mety hahatonga anao ho afaka hanovaova ny fomba fampisehonao, na hampiditra andinin-teny iray na roa. Azonao atao ny mametra tanjona mba hametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly bebe kokoa, na mba hanao fiverenana mitsidika bebe kokoa, na mba hanomboka fampianarana Baiboly. Tsy tokony ho ny habetsahan-javatra ihany no hoantitranterina — toy ny isan’ny ora na ny isan’ny zavatra voapetraka, na ny isan’ny fampianarana — fa tokony ho ny hatsaran-javatra koa. Ny famerana tanjona araka ny antonona sy ny filofosana hanatratra izany, dia afaka manampy antsika hifaly amin’ny fandaniana hery eo amin’ny fanompoana. Izany no irin’i Jehovah — dia ny hanompoantsika azy “amin’ny fifaliana”. — Salamo 100:2; ampitahao amin’ny 2 Korintiana 9:7.
10. Asa kristiana hafa inona avy no ilaintsika hatao, ary ahoana no anampian’izy ireny antsika?
10 Eo koa ireo asa ataontsika ao amin’ny kongregasiona, dia asa izay mampiorina mafy antsika ao amin’i Kristy. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fifanehoam-pitiavana, satria io no marika amantarana ny Kristiana marina. (Jaona 13:34, 35). Raha mbola misy mampianatra isika, dia maro amintsika no manjary miraiki-po amin’ilay mpampianatra antsika, ary ara-dalàna tsotra izao izany. Na izany aza, dia afaka manaraka ny torohevitr’i Paoly mba ‘hihamalalaka’ ve isika izao, amin’ny fanaovana izay hifankahalalana amin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona? (2 Korintiana 6:13). Mila ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika koa ireo loholona. Hanamora kokoa ny asa mafy ataon’izy ireo isika, rehefa miara-miasa aminy ka mitady sy manaiky ny toroheviny araka ny Soratra Masina. (Hebreo 13:17). Anisan’ny mahatonga antsika hiorina mafy ao amin’i Kristy koa izany.
11. Inona no fiheverana araka ny tena izy ny batisa, tokony hananantsika?
11 Fotoana mampientam-po tokoa ny batisa! Tsy tokony hanantena anefa isika hoe hampientam-po toy izany avokoa ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana, aorian’izay. Tapany lehibe mahatafaorina mafy antsika ao amin’i Kristy, ny ‘fizorana amin’izay efa andehanantsika hatramin’izao’. (Filipianina 3:16, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Tsy midika ho fomba fiaina tsy mahaliana, mankaleo, akory izany. Izao fotsiny no dikany: Mandeha mandroso manaraka lala-mahitsy — izany hoe, manorina fahazarana tsara ara-panahy ka mihazona izany isan’andro isan’andro, mandavantaona. Tadidio fa “izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”. — Matio 24:13.
“Tafatoetra amin’ny finoana” ve ianao?
12. Inona no dikan’ny hoe “tafatoetra amin’ny finoana”?
12 Tao amin’ilay lafiny fahatelo nilazalazan’i Paoly ny fandehanantsika ao amin’i Kristy, dia nampirisika antsika izy mba ho “tafatoetra amin’ny finoana”. Ny dikan-teny iray dia milaza hoe “nihamafy raha ny amin’ny finoana”, satria ilay teny grika nampiasain’i Paoly dia mety hidika hoe “manamafy, miantoka, manao izay tsy haha-azo ovana raha araka ny lalàna”. Arakaraka ny itomboantsika fahalalana, no anomezana antsika antony fanampiny mba hahitana fa tsara fototra sy mitombina ara-dalàna ny finoantsika an’i Jehovah Andriamanitra, raha ny marina. Vao mainka isika ho tafatoetra tsara kokoa hatrany, ho vokatr’izany. Mihamanjary sarotra amin’ny tontolon’i Satana ny hanozongozona antsika. Izany dia mampahatsiaro antsika ny fananaran’i Paoly mba “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana”. (Hebreo 6:1, NW ). Mifanindran-dalana mantsy ny hoe matotra sy ny hoe tafatoetra tsara.
13, 14. a) Loza inona no natrehin’ireo Kristiana tany Kolosia tamin’ny taonjato voalohany, ka nandrahona azy tsy ho tafatoetra tsara? b) Inona no nety ho nampanahy ny apostoly Paoly?
13 Ireo Kristiana tany Kolosia dia niatrika loza nandrahona azy tsy ho tafatoetra tsara. Nampitandrina toy izao i Paoly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kolosiana 2:8). Efa tonga olom-pehezin’ny ‘fanjakan’ny Zanaka malalan’Andriamanitra’ mantsy ireo Kolosiana, ka tsy nirin’i Paoly hisy hahalasa azy, na hampivily azy, hiala tamin’ilay toerany ara-panahy sambatra. (Kolosiana 1:13). Ho voavilin’ny inona? Ny ‘filôzôfia’, araka ny notondroin’i Paoly, ka eo ihany no isehoan’io teny io ao amin’ny Baiboly. Niresaka ny amin’ireo filôzôfa grika, toa an-dry Platon sy Socrate ve izy? Na dia nitondra fandrahonana ho an’ny Kristiana marina aza izy ireo tamin’izany andro izany, dia nampiasaina tamin’ny heviny maro ilay teny hoe ‘filôzôfia’. Izy io dia fampiasan’ny olona mba hanondroana antokon’olona maro sy olona maro mitovy firehan-kevitra — na dia ireo ara-pivavahana aza. Ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, toa an-dry Josèphe sy Philon, ohatra, dia niantso ny fivavahan’ny tenany ho filôzôfia — mba hahatonga azy io hanintona kokoa angamba.
14 Ara-pivavahana ny filôzôfia sasany izay nety ho nampanahy an’i Paoly. Taoriana kokoa, tao amin’io toko io ihany, ao amin’ilay taratasiny ho an’ny Kolosiana, i Paoly dia niteny tamin’ireo izay nampianatra hoe: “Aza mandray, aza manandrana, aza manendry”. Tamin’izay no nilazany tsy mivantana momba ny ampahany lehibe amin’ny Lalàn’i Mosesy izay nofaranan’ny fahafatesan’i Kristy. (Romana 10:4). Ankoatra an’ireo filôzôfian’ny mpanompo sampy, dia nisy vokany ireo fitaomana hafa ireo ka nandrahona ny fiainana ara-panahin’ny kongregasiona. (Kolosiana 2:20-22). Nampitandrina ny amin’ny filôzôfia izay anisan’ny “abidim-pianaran’izao tontolo izao”, i Paoly. Avy amin’olombelona ny fampianaran-diso toy izany.
15. Inona no azontsika atao mba tsy ho voahozongozon’ny fisainana tsy araka ny Soratra Masina, izay sendra antsika matetika, isika?
15 Ny fampandrosoana hevitra sy fisainan’olombelona tsy miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mety handrahona an’ireo Kristiana tsy ho tafatoetra tsara. Tsy maintsy mailo fatratra amin’izany loza mandrahona izany, isika amin’izao andro izao. Nampirisika toy izao ny apostoly Jaona: “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia”. (1 Jaona 4:1). Koa raha misy mpiara-mianatra aminao manandrana mandresy lahatra anao fa lany andro ny fiainana mifanaraka amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly, na misy mpiara-monina aminao mitady hitaona anao hiahy fatratra ny zavatra ara-nofo, na mpiara-miasa aminao manery anao an-kolaka handika ny feon’ny fieritreretanao voataizan’ny Baiboly, na mpiray finoana aminao mihitsy aza, ka manaratsy na manakiana ny hafa ao amin’ny kongregasiona, miorina amin’ny heviny manokana, dia aza manaiky befahatany izay lazain’izy ireo. Sivano izay tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Raha manao izany isika, dia ho tafatoetra hatrany rehefa mandeha ao amin’i Kristy.
“Mazoto amin’ny fisaorana”
16. Inona ilay lafiny fahefatra amin’ny fandehanana ao amin’i Kristy, ary inona no fanontaniana azontsika apetraka?
16 Lafiny fahefatra amin’ilay fandehanana ao amin’i Kristy voalazan’i Paoly ny hoe tokony ‘hazoto amin’ny fisaorana’ isika. (Kolosiana 2:7). Ilay teny hoe “mazoto”, nadikan’ny fandikan-teny sasany hoe “tondraka”, dia mampahatsiaro antsika ny amin’ny renirano iray tondraka, safo morona. Toa milaza izany fa, ho antsika Kristiana, ny fisaorantsika dia tokony hatao tsy an-kijanona na tokony ho fanao mahazatra. Afaka manontany tena tokoa ny tsirairay amintsika hoe: ‘Mahay misaotra ve aho?’
17. a) Nahoana no azo lazaina fa samy manan-javatra maro mahavelom-pisaorana antsika avokoa isika rehetra, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza? b) Inona avy ireo fanomezana sasany avy amin’i Jehovah izay mahavelom-pisaorana anao indrindra?
17 Isika rehetra tokoa dia samy manana antony maro tokony hampahazoto antsika hisaotra an’i Jehovah isan’andro. Na dia amin’ny fotoana faran’izay ratsy aza, dia mety hisy zavatra tsotra izay mitondra fanamaivanana vetivety. Ny namana iray miombom-pihetseham-po amintsika. Ny olon-tiana iray mametraka moramora ny tanany eo amintsika mba hanomezan-toky. Ny torimaso tsara amin’ny alina, mahafa-bizana. Ny sakafo matsiro mampitony ny fanaikitry ny hanohanana. Ny siokam-borona, ny hehin’ankizy, ny lanitra manga manganohano, ny tso-drivotra malefaka mamelombelona — izany rehetra izany mbamin’ny maro hafa koa aza no mety ho sendra anao ao anatin’ny indray andro monja. Mora erỳ ny manamaivana ireny fanomezana ireny. Moa ve ireny rehetra ireny tsy mendrika ny teny hoe misaotra? Ireny rehetra ireny dia samy avy amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. (Jakoba 1:17). Ary toa tsinontsinona ireny raha miohatra amin’ny fanomezana natolony antsika, toy ny fiainana fotsiny, ohatra. (Salamo 36:9). Ankoatra izany, dia nomeny fahafahana hiaina mandrakizay isika. Mba hanolorana io fanomezana io, dia nanao ny sorona fara tampony i Jehovah tamin’ny fanirahana ny Zanany lahitokana, “ilay tiany manokana”. — Ohabolana 8:30, NW; Jaona 3:16.
18. Ahoana no azontsika anehoana fa velom-pisaorana an’i Jehovah isika?
18 Tena marina mihitsy àry ny tenin’ny mpanao salamo manao hoe: “Tsara ny misaotra an’i Jehovah”. (Salamo 92:1, NW ). Tsy misy hafa amin’izany ny nampahatsiahivan’i Paoly ny Kristiana tany Tesalonika hoe: “Misaora amin’ny zavatra rehetra”. (1 Tesaloniana 5:18; Efesiana 5:20; Kolosiana 3:15). Afaka manapa-kevitra ny ho velom-pisaorana kokoa ny tsirairay amintsika. Tsy voatery ho fitalahoana fotsiny amin’Andriamanitra ny amin’izay ilaintsika akory ny vavaka ataontsika. Manana ny toerana sahaza azy ireny, saingy alao sary an-tsaina ange ny namana iray izay tsy miresaka aminao raha tsy rehefa mila zavatra avy aminao ihany izy e! Koa nahoana raha mivavaka amin’i Jehovah mba hisaorana na hiderana azy fotsiny? Tsy maintsy mampifaly azy erỳ ny vavaka toy izany rehefa mitazana itỳ tontolo tsy mahay misaotra itỳ izy! Mitondra soa fanampiny ny vavaka toy izany, satria afaka manampy antsika hifantoka amin’ireo lafiny tsara amin’ny fiainana ka hampahatsiaro antsika fa notahina tokoa isika.
19. Amin’ny ahoana ny tenin’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 2:6, 7, no toa milaza fa samy afaka manohy mihatsara isika rehetra eo amin’ny fiaraha-mandeha amin’i Kristy?
19 Tsy mahatalanjona ve ny hoe tari-dalana feno fahendrena be toy izany no azo raisina avy amin’ny andinin-teny iray monja ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Zavatra tokony hirintsika rehetra harahina ilay torohevitr’i Paoly mba hanohy hiara-mandeha amin’i Kristy. Aoka àry isika rehetra ho tapa-kevitra ny ‘hamaka tsara ao amin’i Kristy’, ‘hiorina mafy ao aminy’ sy ho “tafatoetra amin’ny finoana” ary ‘hazoto amin’ny fisaorana’. Tena zava-dehibe indrindra izany torohevitra izany ho an’ireo vao vita batisa. Mihatra amintsika rehetra koa anefa izany. Eritrereto ny fanirin’ny fakabe iray izay midina mihalalina kokoa hatrany, sy ny fisondrotry ny trano aorina iray izay mihaavo kokoa hatrany. Tsy misy farany toy izany koa ny fiarahantsika mandeha amin’i Kristy. Mbola misy lafiny maro azo itomboana. Hanampy antsika sy hitahy antsika i Jehovah, satria iriny tsy hifarana mihitsy ny fanohizantsika miara-mandeha aminy sy amin’ilay Zanany malala.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy no voafaoka amin’ny hoe mandeha ao amin’i Kristy?
◻ Inona no dikan’ny hoe ‘mamaka tsara ao amin’i Kristy’?
◻ Ahoana no hahatonga antsika ‘hiorina mafy ao amin’i Kristy’?
◻ Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hoe “tafatoetra amin’ny finoana”?
◻ Inona avy ireo antony mahatonga antsika ‘hazoto amin’ny fisaorana’?
[Sary, pejy 10]
Mety tsy ho hita ny fakan-kazo, kanefa dia mamatsy sakafo an’ilay hazo sy mahatonga azy hamahatra mafy izy io