Ny Tena Rariny — Rahoviana sy Amin’ny Fomba Ahoana?
TSY misy tokony hatahoran’ny olona tsy manan-tsiny ny tena rariny. Saiky hatraiza hatraiza tokoa dia manana antony mahavelom-pankasitrahana ny olom-pirenena, raha manana rafi-pitsarana izay miezaka hiantoka ny rariny, ny taniny. Voafaoka amin’izany rafitra izany ny fitambaran-dalàna iray sy ny polisy izay mampihatra azy io, ary ny fitsarana izay miantoka ny fampiharana ny rariny. Manaja ilay rafi-pitsarana misy any amin’izay misy azy ny Kristianina marina, ho fanarahana ilay fananaran’ny Baiboly mba “hanaiky ny fahefana lehibe”. — Romana 13:1-7.
Nanao fahadisoana nisy voka-dratsy sy nahasanganehana anefa, ny rafi-pitsarana, tany amin’ny tany maro samihafa.a Tsy nanasazy ny meloka sy niaro ny tsy manan-tsiny izy ireo, fa indraindray dia nisy olona tsy manan-tsiny nosazina noho ny heloka tsy nataony. Nisy hafa nandany taona maro tany am-ponja, kanefa avy eo dia navoaka talohan’ny namitany ny saziny, satria nampisalasala be ihany ny naha meloka azy ireo sy ny hoe marim-pototra ve ny fanamelohana azy ireo sa tsia. Noho izany, dia maro no manontany hoe: Mba hisy ve indray andro any ny tena rariny ho an’ny olon-drehetra? Raha eny, rahoviana ary amin’ny fomba ahoana? Iza no azontsika itokiana hiaro ny tsy manan-tsiny? Ary inona no fanantenan’ireo niharam-pahavoazana noho ny tsy rariny?
Fitsarana misy lesoka
Tamin’ireo taona 1980, dia nanatri-maso “ny iray tamin’ireo raharaham-pitsarana nanaitra ny olona indrindra taorian’ny ady” i Alemaina, ka tamin’izany dia nampidirina am-ponja ny renim-pianakaviana iray mba higadra mandra-pahafatiny noho ny namonoany ho faty ny zanany roa vavy. Taona maro tatỳ aoriana anefa, dia nodinihina indray ireo porofo nanameloka azy, ary dia nafahana izy teo am-piandrasana ny hitsarana azy indray. Nanao tatitra ny Die Zeit, tamin’ny 1995, fa “mety ho fahadisoana ara-pitsarana” ilay didim-pitsarana voalohany. Tamin’ny fotoana nanoratana itỳ lahatsoratra itỳ, dia efa nandany sivy taona tany am-ponja io vehivavy io, ka tamin’izany dia tsy azo antoka na meloka izy na tsia.
Indray takarivan’ny Novambra 1974, dia nihovitrovitra noho ny fipoahan’ny baomba roa izay nahafaty olona 21, ny tao afovoan-tanànan’i Birmingham, any Angletera. Zava-nitranga “tsy hisy hanadino mihitsy ao Birmingham” iny, hoy ny nosoratan’i Chris Mullen, solombavambahoaka iray. Tatỳ aoriana, dia “lehilahy tsy manan-tsiny enina no nomelohina ho nanao ilay vonoan’olona lehibe indrindra teo amin’ny tantara britanika”. Nofoanan’ny fitsarana ny fanamelohana azy ireo, tatỳ aoriana — saingy tsy nitranga izany raha tsy efa avy nandany 16 taona tany am-pigadrana ireo lehilahy ireo!
Ilay mpisolovava atao hoe Ken Crispin, dia nitantara ny amin’ny raharaha iray izay “nitana ny saim-bahoaka tsy nisy toy izany teo amin’ny pejin’ny tantaran’ny fitsarana tany Aostralia”. Nilasy teo akaikin’i Ayers Rock ny fianakaviana iray, ka tamin’izay dia tsy hita popòka, ary tsy hita intsony mihitsy, ny zanany menavava. Nampangaina ho namono olona ilay renim-pianakaviana, nomelohina, ary nosazina higadra mandra-pahafatiny. Tamin’ny 1987, rehefa avy nigadra nandritra ny telo taona izy, dia hita tamin’ny famotorana ofisialy iray fa tsy azo anamarinana fanamelohana ireo porofo niampangana azy. Navoaka izy ary afaka madiodio.
Nisy namono ny vehivavy iray 18 taona nipetraka tany atsimon’i Etazonia, tamin’ny 1986. Lehilahy iray efa lazondazony no voampanga, nomelohina, ary voaheloka ho faty. Efa nandany enin-taona tao amin’ny fonjan’ireo voaheloka ho faty izy vao voaporofo fa tsy nisy nifandraisany tamin’ilay heloka bevava.
Tsy fahita firy ve ireo ohatra ny amin’ny fahadisoana ara-pitsarana ireo? Izao no nomarihin’i David Rudovsky, ao amin’ny Oniversite Fianarana Lalàna any Pennsylvanie: “Efa tao amin’ny fitsarana hatramin’ny 25 taona aho, ary efa nahita raharaha maro be. Ataoko fa eo anelanelan’ny dimy ka hatramin’ny 10% eo ho eo (...) ireo nomelohina kanefa tsy manan-tsiny, raha ny marina.” Nanao fanontaniana nanahiran-tsaina toy izao i Crispin: “Misy olon-kafa tsy manan-tsiny ve mipetraka amim-pahakiviana any am-ponja?” Ahoana no mampisy ny fahadisoana mampahonena toy izany?
Rafi-pitsaran’olombelona — Misy fahalemen’olombelona
“Tsy misy rafitra natsangan’olombelona ka azo antenaina ho tonga lafatra”, hoy ny nohamafisin’ny Fitsarana Ambony Britanika, tamin’ny 1991. Tsy ho afaka hanao ny rariny sy ho azo ianteherana kokoa noho ny olona namolavola azy sy mitantana azy, ny rafi-pitsarana iray. Mirona hanao fahadisoana sy tsy fahamarinana ary fitsarana an-tendrony, ny olona. Koa tsy tokony hahagaga raha ahitana ireo kilema ireo indrindra ny rafi-pitsaran’olombelona. Diniho ange izao manaraka izao e.
Araka ny voalazan’i Rolf Bender, mpitsara any Alemaina, amin’ny 95 isan-jaton’ireo raharaha ady heloka rehetra, dia manan-kery ho toy ny porofo ireo fanambarana ataon’ny vavolombelona. Azo ianteherana foana ve anefa ireny vavolombelona eny amin’ny fitsarana ireny? Tsy mihevitra izany i Bender, mpitsara. Tombanany ho ny antsasak’ireo vavolombelona miseho amin’ny fitsarana no milaza lainga. Nanao fanamarihana mitovy amin’izany i Bernd Schünemann, profesora momba ny lalàna ady heloka, ao amin’ny Oniversiten’i Munich, any Alemaina. Tao amin’ny fanadinadinana iray nataon’ny Die Zeit, dia nohamafisin’i Schünemann fa ny fanambarana ataon’ny vavolombelona no karazana porofo lehibe indrindra — na dia tsy azo ianteherana aza. “Ataoko fa ny antony mahazatra mahatonga fahadisoana eo amin’ny fitsarana dia ny fianteheran’ny mpitsara amin’ny fanambarana tsy azo ianteherana ataon’ny vavolombelona.”
Mety diso ny vavolombelona; ary toy izany koa ny polisy. Manjary iharam-panerena hanao fisamborana ny polisy, indrindra fa rehefa aorian’ny heloka bevava iray nampitroatra ny vahoaka. Tao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia nisy polisy resin’ny fakam-panahy hanome porofo notefitefena fotsiny, na hanery olona ahiahina iray hiaiky heloka. Rehefa nafahana ireo enin-dahy nomelohina ho nanapoaka ireo baomba tao Birmingham, dia nisy izao matoam-baovao izao tao amin’ilay gazety britanika hoe The Independent: “Fanamelohana Lehilahy Enina Noho ny Polisy Tsy Manjary”. Hoy ny voalazan’ny The Times: “Nandainga sy nanao tsikombakomba ratsy ary namitaka ny polisy.”
Amin’ny raharaha sasany, ny fitsarana an-tendrony dia mety hahatonga ny polisy sy ny vahoaka hiahiahy ny olona avy amin’ny firazanana na fivavahana na firenena iray. Araka ny fanazavan’ny U.S.News & World Report, dia mety hivadika ho “ady hevitra momba ny fanavakavaham-bolon-koditra fa tsy momba ny fahaiza-misaina ara-dalàna” ny fandaminana raharaha ady heloka.
Raha vantany vao tonga any amin’ny fitsarana ny raharaha iray, dia tsy izay lazain’ny vavolombelona ihany no mety hanan-kery eo amin’ny hevi-tinapaka, fa ireo porofo ara-tsiansa koa. Mitombo hatrany ny fahasarotana eo amin’ny sehatry ny fikarohana olo-meloka amin’ny fomba siantifika, ka mety hotakina amin’ireo mpitsara sy mpitsara mpanampy ny hanapaka hoe meloka na tsy manan-tsiny ny olona iray, miorina amin’ny fandinihana fandehan’ny bala natifitra, na amin’ny famantarana dian-tanana, na sora-tanana, na sokajin-dra, na lokom-bolo, na kofehin-damba, na santionana ADN. Nomarihin’ny mpahay lalàna iray fa ny fitsarana dia mifanandrina amina “andiana mpahay siansa milazalaza fomba fanaovan-javatra saro-takarina aoka izany ka mahavaka ny saina”.
Ankoatra izany, dia nomarihin’ilay gazetiboky hoe Nature fa tsy ary miray hevitra avokoa akory ireo mpahay siansa rehetra, raha ny amin’ny fanazavana ireo porofo ara-tsiansa. “Mety hisy tena tsy fifanarahana mihitsy eo amin’ireo mpampiasa fomba ara-tsiansa mba hikarohana olo-meloka.” Mampalahelo ny milaza fa, “efa nahatonga fanamelohana diso maro be ny porofo ara-tsiansa diso”.
Na aiza na aiza onenantsika, dia ahitana taratry ny kileman’olombelona ny rafi-pitsarana rehetra am-perinasa amin’izao fotoana izao. Koa iza àry no azontsika itokiana mba hiaro ny tsy manan-tsiny? Afaka manantena hahita ny tena rariny ve isika indray andro any? Ary inona no fanantenan’ireo niharam-pahavoazana noho ny fahadisoana ara-pitsarana?
“Izaho Jehovah dia tia rariny”
Raha sanatria ka niharam-pahavoazana noho ny fahadisoana ara-pitsarana ny tenanao na ny iray amin’ny mpianakavinao, dia mahatakatra tsara izay manjo anao i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy, Zanany. Natao ny tsy rariny nahatsiravina indrindra hatrizay hatrizay, tamin’ny fotoana namonoana an’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Milaza amintsika ny apostoly Petera fa “tsy nanota akory” i Jesosy. Na izany aza, dia nampangain’ny vavolombelona mandainga izy, nomelohina, ary novonoina ho faty. — 1 Petera 2:22; Matio 26:3, 4, 59-62.
Alao sary an-tsaina izay tsy maintsy tsapan’i Jehovah tamin’izany fitondrana ratsy ny Zanany izany! Iray amin’ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra ny fitiavana ny rariny. Milaza amintsika ny Baiboly hoe: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” — Deoteronomia 32:4; Salamo 33:5.
Nanome rafi-pitsarana niavaka ho an’ny Isiraely, i Jehovah. Raha nisy vonoan’olona ka tsy fantatra izay nanao azy, ilay fahafatesana dia nonerana tamin’ny sorona. Tsy nisy niharan’ny fanerena hahita ny meloka tamin’ny heloka bevava rehetra ka mety hahatonga ny tsy manan-tsy ho voaheloka. Tsy nisy olona azo nomelohina ho namono olona satria fotsiny hoe nisy porofo tsy nivantana, na porofo ara-tsiansa; vavolombelona nanatri-maso roa fara fahakeliny no nilaina. (Deoteronomia 17:6; 21:1-9). Asehon’ireo ohatra ireo fa manana fari-pitsipika ambony i Jehovah, sady miahy ny amin’ny fampiharana ny rariny araka ny tokony ho izy. Hoy tokoa mantsy izy: “Izaho Jehovah dia tia rariny”. — Isaia 61:8.
Mazava ho azy fa ny rafi-pitsarana teo amin’ny Isiraely, dia teo am-pelatanan’olombelona izay nanana fahalemena toy ny antsika. Efa nisy ny fampiharana vilana ny lalàna. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka: “Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin’ny tany, dia aza gaga amin’izany”. — Mpitoriteny 5:7.
Afaka nanitsy ilay tsy rariny natao tamin’ny Zanany, i Jehovah. Ny fahazoana antoka ny amin’izany dia nanatanjaka an’i Jesosy izay “naharitra ny hazo fijaliana (...) mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”. Tsy misy hafa amin’izany fa ilay fanantenana mahafaly hiaina eo amin’ny tany zary paradisa, eo ambanin’ny fanapahan’ny Mesia, izay hanjakan’ny tena rariny, dia afaka manatanjaka antsika hiaritra rehefa mandre na mizaka ny tsy rariny eto amin’itỳ fandehan-javatra tonta itỳ, isika. Tsy misy fanimbana na fahavoazana tsy hain’i Jehovah arenina amin’ny fotoana mety aminy. Na dia ireo namoy ny ainy noho ny fahadisoana ara-pitsarana aza dia ho afaka hahazo fitsanganana amin’ny maty. — Hebreo 12:2; Asan’ny Apostoly 24:15.
Raha mijaly isika satria niharan’ny tsy rariny, dia afaka ny ho velom-pankasitrahana, satria rafi-pitsarana maro no manana fomba ara-dalàna izay mahatonga antsika ho afaka hanitsy ilay toe-javatra. Afaka mampiasa izany fomba izany ny Kristianina. Hataony ao an-tsaina anefa izao zava-misy izao: Ireo rafi-pitsarana tsy tonga lafatra dia taratry ny fitambaran’olona iray tena mila fanovan-drafitra goavana. Hitranga tsy ho ela izany — noho ny asan’Andriamanitra.
Hanafoana tsy ho ela itỳ fandehan-javatra manao ny tsy rariny itỳ i Jehovah, ary hanolo azy io amin’ny fandehan-javatra iray vaovao izay “itoeran’ny fahamarinana”. Afaka matoky tanteraka isika fa amin’izay, dia hampihatra ny rariny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakany Mesianika, ny Mpamorona antsika. Akaiky ny tena rariny ho an’ny rehetra! Velom-pankasitrahana erỳ isika noho io fanantenana io. — 2 Petera 3:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ireo raharaha voatonona ato, Ny Tilikambo Fiambenana dia tsy milaza an-kolaka ny maha meloka na tsy maha meloka na iza na iza, no sady tsy manandratra ny rafi-pitsaran’ny tany iray ho tsara kokoa noho ny an’ny hafa. Ankoatra izany, dia tsy manohana endri-panasaziana iray ho tsara kokoa noho ny hafa itỳ gazety itỳ. Milaza fotsiny ny zava-misy araka izay fantatra tamin’ny fotoana nanoratana azy, itỳ lahatsoratra itỳ.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Ireo rafi-pitsarana tsy tonga lafatra — mbamin’ny fitondram-panjakana mandray tsolotra, sy ny fivavahana mikororosy fahana ary ny varotry ny maty eritreritra — dia taratry ny fitambaran’olona iray tena mila fanovan-drafitra goavana
[Efajoro, pejy 28]
Fampiononana avy Amin’ny Soratra Masina
Tamin’ny Novambra 1952, dia namaky trano fitoeran’entana tany Croydon, any akaikin’i Londres, any Angletera, i Derek Bentley sy i Christopher Craig. I Bentley dia 19 taona, ary i Craig 16. Nisy niantso ny polisy, ary dia nitifitra i Craig ka nahafaty polisy iray. Nanefa sazy sivy taona tany am-ponja i Craig, fa i Bentley kosa nahantona fa hoe namono olona, tamin’ny Janoary 1953.
Nisy ezaka nataon’i Iris, anabavin’i Bentley, nandritra ny 40 taona, mba hanadiovana ny anaran’ny anadahiny tamin’ilay vonoan’olona izay tsy nataony. Tamin’ny 1993, dia namoaka fanafoanana ilay sazy ny Fanjakana, ka niaiky fa tsy tokony ho nahantona mihitsy i Derek Bentley. Nanoratra toy izao momba ilay raharaha i Iris Bentley, tao amin’ilay boky hoe Let Him Have Justice (Omeo ny Rariny Izy):
“Tokony ho herintaona talohan’ilay fitifirana, dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray teny amin’ny arabe izy [i Derek]. (...) Nipetraka tany amin’ny Fairview Road, tsy lavitra anay, ny Rahavavy Lane, ary nanasa an’i Derek tany aminy mba hihaino tantara ao amin’ny Baiboly. (...) Ny nahatsara azy dia izao, tamin’ny kapila ireo tantara ao amin’ny Baiboly nananan’ny Rahavavy Lane, ka nampindraminy azy [satria tsy nahay namaky teny tsara i Derek]. (...) Nody tany an-trano izy ka nilaza tamiko izay zavatra nolazain[’ny Rahavavy Lane] taminy, toy ny hoe mbola hiverina eto avokoa isika rehetra aorian’ny hahafatesantsika.”
Nitsidika ny anadahiny tany amin’ny fonja ho an’ireo voaheloka ho faty, i Iris Bentley, talohan’ny hamonoana ny anadahiny. Nanao ahoana izy io? “Nanampy azy hiatrika ireo andro vitsivitsy farany niainany, ireo zavatra izay nolazain’ny Rahavavy Lane taminy.” — Izahay no manao sora-mandry.
Raha sanatria ka mijaly noho ny zava-tsarotra avy amin’ny fahadisoana ara-pitsarana ianao, dia tsara ny amakianao sy isaintsainanao ireo fahamarinana ara-baiboly. Afaka mitondra fampiononana lehibe izany, satria i Jehovah Andriamanitra dia ‘Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’. — 2 Korintiana 1:3, 4.
[Sary, pejy 29]
Natao ny tsy rariny nahatsiravina iray, tamin’ny fotoana namonoana an’i Kristy