Jehovah no Tokony ho Tokintsika
“Jehovah no ho tokinao”. — OHABOLANA 3:26.
1. Na dia mihambo ho mitoky amin’Andriamanitra aza ny olona maro, inona no manondro fa tsy manao izany foana akory izy ireny?
HITA eo amin’ny vola ampiasain’i Etazonia any Amerika ny teny filamatra manao hoe: “Andriamanitra no Itokisanay”. Tena mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra tokoa ve anefa ny olona rehetra mampiasa an’io vola io, na ao amin’io tany io izany na any an-tany hafa? Sa kosa ilay vola mihitsy no ametrahany fitokisana bebe kokoa? Ny fitokisana toy izany amin’ny volan’io tany io na ny an’ny firenen-kafa, dia tsy afaka ny hifanindran-dalana amin’ny fitokisana amin’Andriamanitra tsitoha sy fitiavana, izay sady tsy mampiasa na oviana na oviana ny fahefany amin’ny fomba ratsy, no tsy mba mierina mihitsy. Manameloka an-kitsirano ny fierenana izy, raha ny marina. — Efesiana 5:5.
2. Fihetsika manao ahoana no ananan’ny Kristianina marina, manoloana ny herin’ny harena?
2 Andriamanitra no ametrahan’ny Kristianina marina ny fitokisany, fa tsy ny harena sy ny ‘famitahan’izy io’. (Matio 13:22). Takatr’izy ireo fa tena voafetra ny herin’ny vola, raha ny fanomezana fahasambarana sy ny fitanana aina no asian-teny. Tsy toy izany kosa anefa ny herin’ilay Andriamanitra Tsitoha. (Zefania 1:18). Fahendrena tokoa àry ny mihaino ilay fananarana hoe: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’ ”! — Hebreo 13:5.
3. Amin’ny ahoana ny teny manodidina ny Deoteronomia 31:6 no manazava ny antony nahatonga an’i Paoly hanonona an’io andininy io?
3 Rehefa nanoratra ireo teny etsy ambony ho an’ireo Kristianina hebreo ny apostoly Paoly, dia nanonona toromarika nomen’i Mosesy ny Isiraelita, taloha kelin’ny nahafatesany, manao hoe: “Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.” (Deoteronomia 31:6). Asehon’ny teny manodidina an’io teny io fa nampirisika ny hitokisana tamin’i Jehovah i Mosesy. Izany anefa dia tsy nidika fotsiny ho fitokisana tamin’i Jehovah mba hanomezany azy ireo izay zavatra nilainy ara-nofo. Ahoana izany?
4. Ahoana no nanaporofoan’Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita fa azo nitokisana izy?
4 Nandritra ireo 40 taona tsy maintsy nivenjivenjen’ny Isiraely tany an’efitra, dia tsy nivadika Andriamanitra ka nanome azy ireo ny zavatra nilainy teo amin’ny fiainana. (Deoteronomia 2:7; 29:4). Nanome fitarihana koa izy, ka endrika iray nisehoan’izany ny fisian’ny rahona iray nandritra ny andro, sy ny afo iray nandritra ny alina, izay samy nitarika ny Isiraelita ho any amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely”. (Eksodosy 3:8; 40:36-38). Rehefa tonga ny fotoana tena hidirana tao amin’ilay Tany Nampanantenaina, dia nifidy an’i Josoa ho mpandimby an’i Mosesy i Jehovah. Azo nampoizina fa hanohitra ireo mponina tao amin’ilay tany. Efa niara-nandeha tamin’ny vahoakany nandritra ny am-polony taona maro anefa i Jehovah, ka tsy nisy antony tokony hatahorana. Ireo Isiraelita dia nanana antony marim-pototra hahafantarana fa Andriamanitra azo nitokisana i Jehovah!
5. Amin’ny ahoana ny toe-javatra misy ny Kristianina amin’izao andro izao no mitovy amin’ny an’ireo Isiraelita talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina?
5 Eo an-dalana ho any amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra, ny Kristianina amin’izao andro izao dia mamakivaky efitra, izay tsy inona fa ny tontolo ratsy ankehitriny. Efa hatramin’ny 40 taona mahery no nandehanan’ny sasany aminy tamin’io lalana io. Eo amoron’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra izy ireo ankehitriny. Mbola misakan-dalana anefa ny fahavalo, ka tapa-kevitra hanakana na iza na iza tsy ho tafiditra ao amin’ilay ho tonga toy ny Tany Nampanantenaina iray, be voninahitra kokoa noho ilay tamin’ny andro fahiny, izay tondra-dronono sy tantely. Tena mety ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao àry ireo tenin’i Mosesy, araka izao namerenan’i Paoly azy izao: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”! Azo antoka fa handray valisoa ireo rehetra mitoetra ho matanjaka, be herim-po sy finoana ary matoky an’i Jehovah.
Toky miorina amin’ny fahalalana sy ny fisakaizana
6, 7. a) Inona no nisedra ny fatokisan’i Abrahama an’i Jehovah? b) Ahoana no nety ho fihetseham-pon’i Abrahama, teny an-dalana ho any amin’ilay toerana hanaovana sorona an’i Isaka?
6 Tamin’ny fotoana iray, i Abrahama, razamben’ireo Isiraelita, dia nodidiana hanao sorona an’i Isaka zanany ho fanatitra dorana. (Genesisy 22:2). Ray be fitiavana i Abrahama, koa ahoana no nahatonga azy hanana fatokisana an’i Jehovah tsy azo ravana toy izany, ka nahavonona azy avy hatrany hankato? Mamaly toy izao ny Hebrio 11:17-19 (Fandikan-teny Katolika): “Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe: Avy amin’Isaaka no hihavian’ny taranakao; eny, natolony io zanany lahitokana io; satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain’Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.”
7 Tsarovy fa nila telo andro i Abrahama sy i Isaka vao tonga tany amin’ilay toerana hanaovana ny sorona. (Genesisy 22:4). Nisy fotoana ampy tsara mba hahafahan’i Abrahama handinika indray izay nasain’Andriamanitra nataony, ka azony niovana hevitra. Azontsika alaina sary an-tsaina ve ny zavatra tsapany sy ny fihetseham-pony? Antom-pifaliana tsy nampoizina tokoa ny nahaterahan’i Isaka. Izany porofon’ny fisalovanan’Andriamanitra izany dia nahatonga an’i Abrahama sy i Saraha vadiny, izay momba taloha, hifikitra mafy kokoa tamin’Andriamanitra. Azo antoka fa niandrandra izay hotahirizin’ny hoavy ho an’i Isaka sy ny taranany, izy mivady, taorian’izay. Hifarana tampoka ve ny nofinofin’izy mivady, araka ny toa mety hiseho, noho ilay zavatra nangatahin’Andriamanitra?
8. Amin’ny ahoana no lasa lavitra kokoa ny fatokisan’i Abrahama an’Andriamanitra, fa tsy vitan’ny finoana ny fahaizan’Andriamanitra hanangana an’i Isaka fotsiny?
8 Na dia izany aza, dia nanana fatokisana niorina tamin’ilay fifankahalalana fahita eo amin’ny mpinamana akaiky, i Abrahama. Tamin’ny naha “Sakaizan’Andriamanitra” azy, dia “nino an’Andriamanitra [i Abrahama], ka nisaina ho fahamarinany izany”. (Jakoba 2:23). Lasa lavitra kokoa ny fatokisan’i Abrahama an’i Jehovah, fa tsy vitan’ny finoana ny fahaizan’Andriamanitra hanangana an’i Isaka fotsiny. Niaiky koa i Abrahama fa nety ilay nasain’Andriamanitra nataony, na dia tsy nomena azy avokoa aza ny fanazavana rehetra. Tsy nisy antony nisalasalany ny amin’ny fahamarinan’i Jehovah raha nanao io fangatahana io taminy Izy. Vao mainka natoky i Abrahama avy eo, rehefa niditra an-tsehatra ilay anjelin’i Jehovah mba hisorohana ny fahafatesan’i Isaka ho sorona. — Genesisy 22:9-14.
9, 10. a) Oviana i Abrahama no efa nampiseho fa natoky an’i Jehovah izy? b) Lesona lehibe inona no azontsika raisina avy amin’i Abrahama?
9 Efa nananan’i Abrahama izany fatokisana ny fahamarinan’i Jehovah izany, tokony 25 taona talohan’izay. Rehefa nampahafantarina azy mialoha fa horavana i Sodoma sy i Gomora, dia mazava ho azy fa niahy ny amin’izay hahasoa an’ireo olo-marina rehetra nipetraka tao izy, anisan’ireny i Lota zana-drahalahiny. Nitalaho tamin’Andriamanitra toy izao i Abrahama: “Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” — Genesisy 18:25.
10 Niaiky mafy i Abrahama patriarika fa tsy manao zavatra tsy marina na oviana na oviana i Jehovah. Nihira toy izao ny mpanao salamo tatỳ aoriana: “Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra, sady mamindra fo amin’ny asany rehetra.” (Salamo 145:17). Tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Manaiky izay avelan’i Jehovah hitranga amiko ve aho, nefa koa tsy hisalasala ny amin’ny fahamarinany? Miaiky mafy ve aho fa na inona na inona avelan’i Jehovah hisy, dia hitondra soa ho ahy sy ho an’ny hafa izany amin’ny farany?’ Raha afaka mamaly hoe eny isika, dia nandray lesona lehibe avy tamin’i Abrahama.
Fatokisana ny safidin’i Jehovah
11, 12. a) Lafiny inona amin’ny fatokisana no tena nilain’ireo mpanompon’Andriamanitra? b) Inona no mety ho zava-manahirana antsika indraindray?
11 Ireo izay matoky an’i Jehovah dia matoky koa ireo olona fidin’i Jehovah hampiasaina mba hanatanterahana ny fikasany. Ho an’ireo Isiraelita, dia nidika ho fatokisana an’i Mosesy izany, ary tatỳ aoriana, dia i Josoa mpandimby azy. Ho an’ireo Kristianina tany am-boalohany, dia nidika ho fatokisana an’ireo apostoly sy ireo loholona tao amin’ny kôngregasiônan’i Jerosalema, izany. Ho antsika amin’izao andro izao, dia midika ho fatokisana ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izay voatendry hanome ny ‘sakafontsika ara-panahy amin’ny fotoana mety’ izany, ary midika koa ho fatokisana an’ireo anisan’izy ireo izay mahaforona ny Fitambara-mpitantana. — Matio 24:45, NW.
12 Raha ny marina, dia isika ihany no handray soa avy amin’ny fatokisantsika ireo mitari-dalana ao amin’ny kôngregasiôna kristianina. Izao no lazaina amintsika: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.” — Hebreo 13:17.
Halaviro ny fitsikerana ny safidin’i Jehovah
13. Inona no antony mahatonga antsika hatoky an’ireo voatendry hitari-dalana antsika?
13 Manampy antsika ny Baiboly mba hahaizantsika handanjalanja rehefa matoky an’ireo mitari-dalana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Mety hanontany tena isika hoe: ‘Tsy nanao fahadisoana mihitsy ve i Mosesy? Nampiseho foana ilay fihetsika sahala amin’ny an’i Kristy izay nirin’i Jesosy hananan’izy ireo ve ireo apostoly?’ Mazava loatra ny valiny. Nifidy ny hampiasa lehilahy tsy nivadika sy be fandavan-tena i Jehovah mba hitarika ny vahoakany, na dia tsy lavorary aza izy ireny. Araka izany, na dia tsy lavorary aza ireo loholona amin’izao andro izao, dia mbola tokony hekentsika ho ‘voatendrin’ny fanahy masina ho mpitandrina [izy ireny], mba hiandry ny fiangonan’Andriamanitra’. Mendrika ny hotohanantsika sy hohajaintsika izy ireny. — Asan’ny Apostoly 20:28.
14. Inona no tsara homarihina mahakasika ny hoe i Mosesy no nofidin’i Jehovah ho mpitarika, fa tsy i Arona na i Miriama?
14 Zokin’i Mosesy telo taona i Arona, saingy mbola zandriny izy mirahalahy, miohatra amin’i Miriama anabaviny. (Eksodosy 2:3, 4; 7:7). Ary satria nahay nandaha-teny kokoa noho i Mosesy i Arona, dia notendrena ho mpitondra tenin’i Mosesy izy. (Eksodosy 6:29–7:2). Na izany aza anefa, dia tsy i Miriama zokiny indrindra, na i Arona nahay nandaha-teny indrindra, no nofidin’i Jehovah mba hitarika ny Isiraelita. Matoa nifidy an’i Mosesy izy, dia satria takatr’i Jehovah tamin’ny fomba feno ny zava-misy rehetra sy ireo zavatra nilaina tamin’izay fotoana izay. Nitaraina toy izao i Arona sy i Miriama rehefa nisy fotoana tsy nahatakaran’izy ireo mazava tsara ny amin’izany: “Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany?” I Miriama, izay azo inoana fa rangory fototry ny afo nahatonga izany, dia voasazy noho ny nananany fihetsika tsy nisy fanajana an’ilay olona nofidin’i Jehovah, izay tokony ho neken’izy mianadahy ho “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. — Nomery 12:1-3, 9-15.
15, 16. Ahoana no nanaporofoan’i Kaleba fa natoky an’i Jehovah izy?
15 Rehefa nisy mpisafo tany 12 nirahina mba hisafo ny Tany Nampanantenaina, ny 10 tamin’izy ireo dia nitondra tatitra ratsy rehefa niverina. Nahatonga tahotra tao am-pon’ireo Isiraelita izy ireo, tamin’ny firesahana ny Kananita ho “olona vaventibe”. Izany kosa indray dia nahatonga ireo Isiraelita ‘himonomonona tamin’i Mosesy sy Arona’. Tsy ireo mpisafo tany rehetra anefa no nampiseho tsy fahampiam-patokisana an’i Mosesy sy i Jehovah. Izao no vakintsika: “Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.” (Nomery 13:2, 25-33; 14:2). Niorina mafy toa an’i Kaleba koa i Josoa, olona iray niara-nisafo tany taminy. Samy nampiseho izy mirahalahy fa nanao an’i Jehovah ho tokiny, rehefa nilaza hoe: “Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa (...) aza matahotra ny tompon-tany; fa (...) Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” (Nomery 14:6-9). Novalian-tsoa izany fatokisana an’i Jehovah izany. Tamin’ilay taranaka efa olon-dehibe, velona tamin’izany fotoana izany, dia i Kaleba sy i Josoa ary Levita sasany, ihany no nanana tombontsoa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.
16 Hoy i Kaleba, taona maro tatỳ aoriana: “Izaho (...) dia tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah Andriamanitro. (...) Ary ankehitriny, indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’i Jehovah izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’izany ihany no mbola tanjako ankehitriny”. (Josoa 14:6-11). Mariho ny fihetsika tsara nananan’i Kaleba, ny fahatokiany, sy ny tanjany ara-batana. Na izany aza anefa, dia tsy nifidy an’i Kaleba ho mpandimby an’i Mosesy i Jehovah. I Josoa no notolorana an’io tombontsoa io. Afaka matoky isika fa nanana antony nanaovana an’io safidy io i Jehovah, ary ny safidy tsara indrindra izy io.
17. Inona no toa mety ho nahatonga an’i Petera ho tsy mendrika hitana andraikitra?
17 Nanda ny Tompony intelo ny apostoly Petera. Maika loatra koa izy rehefa ny tenany mihitsy no nandray an-tanana ny raharaha, tamin’ny famelezana ilay mpanompon’ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofin’ilay mpanompo. (Matio 26:47-55, 69-75; Jaona 18:10, 11). Mety hilaza ny sasany fa saro-tahotra i Petera, olona tsy nahay nandanjalanja, tsy mendrika ny hanana tombontsoa manokana. Iza anefa no nomena ny fanalahidin’ilay Fanjakana, ka nahazo tombontsoa hanokatra ny lalana ho amin’ny fiantsoana any an-danitra ho an’ny antokon’olona telo? I Petera. — Asan’ny Apostoly 2:1-41; 8:14-17; 10:1-48.
18. Fahadisoana inona voalazan’i Joda no irintsika hohalavirina?
18 Mampiseho ireo ohatra ireo fa tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hitsara miorina amin’ny fisehoana ivelany. Raha matoky an’i Jehovah isika, dia tsy hisalasala ny amin’ny safidy nataony. Na dia olombelona tsy lavorary, izay tsy afaka mihambo ho tsy mety diso, aza ireo anisan’ny kôngregasiônany eto an-tany, dia mampiasa azy ireny amin-kery izy. I Joda, rahalahin’i Jesosy, iray reny taminy, dia nampitandrina ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny amin’ireo olona “mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra”. (Joda 8-10). Tsy tokony hitovy amin’izy ireny na oviana na oviana isika.
19. Nahoana isika no tsy manana antony hitsikerana ny safidin’i Jehovah?
19 Miharihary fa mifidy olona ho amin’ny andraikitra sasany i Jehovah, ary ny olona fidiny ho amin’izany andraikitra izany dia olona manana ireo toetra manokana ilaina mba hitarihana ny vahoakany araka izay iriny handehanan’izy ireo amin’io fotoana manokana io. Tokony hiezaka mafy hanaiky izany zava-misy izany isika, ka tsy hitsikera ny safidy nataon’Andriamanitra, fa hifaly amim-panetren-tena kosa amin’ny fanompoana an’i Jehovah eo amin’ny toerana ametrahany antsika isam-batan’olona. Amin’izany, dia asehontsika fa manao an’i Jehovah ho tokintsika isika. — Efesiana 4:11-16; Filipiana 2:3.
Fatokisana ny fahamarinan’i Jehovah
20, 21. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba nitondran’Andriamanitra an’i Mosesy?
20 Raha toa isika indraindray ka mirona hatoky tena be loatra sy tsy hatoky firy an’i Jehovah, dia aoka isika hiana-javatra avy amin’i Mosesy. Fony izy 40 taona, dia nanomboka nanafaka samirery ny Isiraelita tamin’ny fahababoana egyptianina izy. Tsy isalasalana fa zavatra tsara no nokasainy hatao, saingy tsy nitondra fanafahana avy hatrany ho an’ny Isiraely izany, no sady tsy nanatsara ny toe-piainana nisy ny tenany manokana. Voatery nandositra izy, raha ny marina. Rehefa avy nandalo fampiofanana sarotra tany an-tany hafa nandritra 40 taona izy vao nahafeno fepetra ho voafidy hanao ilay zavatra tiany hatao teo aloha. Afaka natoky ny fanohanan’i Jehovah izy tamin’itỳ indray mandeha itỳ, satria natao araka ny fomban’i Jehovah sy tamin’ny fotoana nety tamin’ny fandaharam-potoanan’i Jehovah, ny zava-drehetra, tamin’izay. — Eksodosy 2:11–3:10.
21 Mety hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe: ‘Manao zavatra alohan’i Jehovah sy ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona ve aho indraindray, ka manandrana manafaingan-javatra na manao zavatra araka ny fombako manokana? Moa ve aho manaiky an-tsitrapo ilay fotoam-piofanako amin’izao fotoana izao, fa tsy mihevitra kosa hoe atao an-kilabao manoloana ireo tombontsoa sasany?’ Raha tsorina, moa ve nandray lesona lehibe avy tamin’i Mosesy ny tenantsika?
22. Na dia namoy tombontsoa lehibe iray aza i Mosesy, nanao ahoana ny fihetseham-pony momba an’i Jehovah?
22 Ankoatra izany, dia mbola misy lesona hafa azontsika raisina avy amin’i Mosesy. Ny Nomery 20:7-13 dia milaza amintsika momba ny fahadisoana iray nataony, izay novidiny lafo tokoa. Namoy ny tombontsoa hitarika ny Isiraelita hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy. Namaly ve izy tamin’izay fa tsy rariny ny fanapahan-kevitr’i Jehovah momba ilay raharaha? Nitokantokana ve izy, nandongilongy, satria tsy rariny loatra ny nitondran’Andriamanitra azy? Tsy natoky intsony ny fahamarinan’i Jehovah ve i Mosesy? Afaka mahita ny valin’izany isika ao amin’ireo teny nambaran’i Mosesy tamin’ny Isiraely, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany. Izao no nolazain’i Mosesy, momba an’i Jehovah: “Tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4). Azo antoka fa nihazona ny fatokisany an’i Jehovah hatramin’ny farany mihitsy i Mosesy. Ahoana ny amintsika? Moa ve isika isam-batan’olona manao zavatra mba hanamafisana ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny fahamarinany? Ahoana no ahafahantsika manao izany? Andeha hojerentsika.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy no antony nahatonga ny Isiraelita hitoky tamin’i Jehovah?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’i Abrahama, mahakasika ny fatokisana?
◻ Nahoana no tokony hohalavirintsika ny fitsikerana ny safidin’i Jehovah?
[Sary, pejy 13]
Anisan’ny fatokisana an’i Jehovah ny fanajana ireo mitari-dalana ao amin’ny kôngregasiôna