Zavatra Tsara Noho ny Volamena no Hitako
NOTANTARAIN’I CHARLES MYLTON
Hoy i Dada indray andro: “Andao halefantsika any Amerika i Charlie e! Any anie maniry ohatra ny anana ny vola e! Mety mba hahazo vola izy ary handefa ho antsika!”
NIHEVITRA tokoa ny olona fa volamena no nanaovana rarivato ny arabe tatỳ Amerika. Faran’izay sarotra mantsy ny fiainana tany Eoropa atsinanana tamin’izany andro izany. Nanana toeram-piompiana kely izay nisy omby vitsivitsy sy akoho maromaro, ny ray aman-dreniko. Tsy nisy jiro sy rano ny tranonay. Toy izany ihany koa anefa ny tranon’olon-kafa rehetra teny akaikinay, tamin’izany fotoana izany.
Teraka tao Hoszowczyk aho, tamin’ny 1 Janoary 1893, efa ho 106 taona lasa izay. Tao Galicia no nisy io vohitra nonenanay io. Provansy anisan’ny empira niraisan’i Aostralia sy i Hongria, i Galicia, tamin’izany fotoana izany. Ao amin’ny faritra atsinanan’i Polonina no misy an’i Hoszowczyk, ankehitriny, tsy lavitra loatra an’i Slovakia sy i Ukraine. Namirifiry ny ririnina tany, ary natevina ny ranomandry. Fony aho fito taona teo ho eo, dia nandeha an-tongotra tokony ho antsasa-kilaometatra mba ho any amin’ny sakeli-drano aho, ary namaky ranomandry tamin’ny famaky mba hahazoan-drano. Nentiko nody izany rano izany, ary nampiasain’i Neny hahandroana sakafo sy hanaovana fanadiovana. Tany amin’ilay sakeli-drano izy no nanasa lamba, ka teo ambony takela-dranomandry lehibe izy no nikosoka ny lamba.
Tsy nisy sekoly tany Hoszowczyk, nefa nianatra niteny poloney, rosianina, slovakianina, ary ukrainien, aho. Tao amin’ny finoana ortodoksa grika no nitaizana anay, ary mpiserivy lamesa tao aho. Na dia fony mbola kely aza anefa aho, dia sosotra tamin’ireo pretra izay nilaza fa tsy tokony hihinan-kena izahay ny zoma, nefa izy ireo nihinana.
Rehefa avy niasa tany Etazonia ny namanay sasany, dia niverina nitondra vola, ka nanavao ny tranony sy nividy milina fampiasa amin’ny fambolena. Izany no nanosika an’i Dada hiresaka momba ny handefasana ahy tatỳ Amerika, niaraka tamin’ny mpiray tanàna sasany taminay, izay nikasa ny hankaty indray. Tamin’ny 1907 izany, fony aho 14 taona.
Very hevitra aho nony tonga tatỳ Amerika
Tsy ela dia teny ambony sambo aho, ary tao anatin’ny tapa-bolana no namakivakianay an’i Atlantika. Vola 20 dolara no nilaina, tamin’izany fotoana izany, raha tsy izany, dia ho naverin’izy ireo tany amin’ny tany niavianao ianao. Nanana vola volafotsy nitentina 20 dolara aho, ary noho izany dia anisan’ireo olona an-tapitrisany maro namakivaky ny Nosy Ellis, any New York, izay varavarana nidirana tatỳ Amerika. Mazava ho azy fa tsy naniry ohatra ny anana akory ny vola, ary tsy volamena no nanaovana rarivato ny arabe. Tsy vita rarivato velively akory aza ny ankamaroany, raha ny marina!
Nandray lamasinina ho any Johnstown, any Pennsylvanie, izahay. Efa tany ireo lehilahy narahiko, taloha, ary nahafantatra hoe aiza no nisy trano azo nohofana azoko nipetrahana. Ny hahita ny zokiko vavy izay nipetraka tao Jerome, any Pennsylvanie, no fikasako. Tatỳ aoriana vao fantatro fa, hay, 25 kilaometatra monja avy teo no nisy azy io. Tsy Jerome anefa no nolazaiko, fa Yarome, satria tononina hoe “Y” ny “J” amin’ny fitenin-drazako. Tsy nisy olona nahafantatra izany Yarome izany, hany ka tavela tatỳ an-tanin’olona aho, nefa zara raha nisy teny anglisy haiko no sady tsy nanam-bola firy aho.
Isan’andro, dia nitady asa aho ny maraina tontolo. Tany amin’ny birao momba ny fitadiavana asa, dia olona roa na telo monja no voaray hiasa, tamin’ireo vahoaka nilahatra tao ivelany. Koa nody tany amin’ilay trano nohofana aho isan’andro mba hianatra teny anglisy tamin’ny alalan’ny boky fampianaran-tena. Nahita asa an-tselika ihany aho indraindray, nefa volana maro no lasa, ary efa ho lany ny volako.
Tafaray tamin’ny iray tam-po amiko
Nandalo teo anoloan’ny hotely nisy toerana fisotroan-toaka iray, teo akaikin’ny gara, aho indray andro. Manitra tokoa ny sakafo tao, mazava ho azy! Nahazo sandwiches sy saosisy ary zavatra hafa maimaim-poana ireo izay nividy labiera, izay dimy cents ny eran’ny vera lehibe. Nalahelo ahy ilay mpampandroso zava-pisotro ka nanaiky ny hividianako labiera, na dia mbola tsy ampy taona aza aho.
Raha mbola teo am-pihinanana aho, dia nisy lehilahy maromaro niditra ary nilaza hoe: “Sotroy haingana ny labieranao fa ho avy ny lamasinina mankany Jerome!”
“Yarome ve no tianao holazaina?”, hoy aho nanontany.
“An, an, an, Jerome ka!”, hoy izy ireo. Tamin’izay vao fantatro ny toerana nipetrahan’ilay anabaviko. Raha ny marina, dia trano fahatelo avy teo amin’ny an’ilay anabaviko no nipetrahan’ny lehilahy iray nihaona tamiko tao amin’ilay toerana fisotroan-toaka! Koa nividy tapakila handehanana lamasinina aho, ary nahita ny anabaviko ihany, rehefa ela ny ela.
Nampanofa trano sy nikarakara ny sakafon’ireo mpitrandraka arintany ny anabaviko sy ny vadiny, ary niara-nipetraka tamin-dry zareo aho. Nahita asa ho ahy izy ireo, dia ny asan’ny mpanara-maso paompy iray izay namoaka rano tsy tapaka avy tao amin’ilay toeram-pitrandrahana. Raha nikatso izy io, na tamin’ny firy na tamin’ny firy, dia tsy maintsy niantso mécanicien aho. Dimy ambin’ny folo cents isan’andro no karamako. Avy eo, dia niasa teny amin’ny lalamby aho, tao amin’ny toerana fanaovam-biriky, ary nanao, na dia ny asan’ny mpiantoka aza. Nifindra teto Pittsburgh, izay nisy an’i Steve, rahalahiko, aho tatỳ aoriana. Niasa tao amin’ny orinasa nanao tsỳ (acier) izahay roa lahy. Tsy nety nahazo vola ampy mba halefa tany aminay mihitsy aho.
Ankohonana sy fandevenana
Nahamarika tovovavy iray, mpiasa an-trano, izay nijoro teo anoloan’ilay trano niasany aho, indray andro, raha iny handeha hiasa iny. Hoy aho anakampo: ‘Oay! Tena tsara tarehy mihitsy izany raha vehivavy’. Roa tokom-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny 1917, dia nivady izahay sy i Helen. Niteraka enina mianadahy izahay nandritra ny folo taona nanaraka. Maty ny iray tamin’izy ireo, raha mbola zazakely.
Tamin’ny 1918, ny kompania Pittsburgh Railways dia nandray ahy hiasa, ho mpamily tramway (aotobisy mandeha amin’ny lalamby). Nisy trano fisotroana kafe, izay nahafahan’ny olona nisotro kafe eran’ny kaopy, teo akaikin’ilay garazy fanatobiana ny tramways. Toa tsy nampaninona an’ireo Grika roa lahy tompon’ilay toerana akory na dia tsy nanafatra na inona na inona hosotroina aza ianao, rehefa manaiky hitoriany momba ny Baiboly eo. Hoy aho tamin’izy ireo hoe: “Te hilaza ve ianareo hoe diso hevitra avokoa izao tontolo izao, fa ianareo roa lahy ihany no marina?”
“Jereo ao anaty Baiboly ange e!”, hoy izy ireo. Tsy naharesy lahatra ahy anefa izy ireo tamin’izany fotoana izany.
Nampalahelo fa narary i Helen malalako tamin’ny 1928. Mba hahazoan’ireo ankizy fikarakarana tsara kokoa, dia nentiko tany amin’ilay anabaviko sy ny vadiny tany Jerome izy ireo. Efa nividy toeram-pambolena iray ry zareo tamin’izay fotoana izay. Nitsidika matetika ny zanako aho, ary nanome vola isam-bolana ho sakafon’izy ireo. Nandefa fitafiana ho azy ireo koa aho. Nampalahelo fa niharatsy ny fahasalaman’i Helen, ary maty izy tamin’ny 27 Aogositra 1930.
Manirery sy kivy tanteraka aho. Rehefa nankany amin’ny pretra aho mba hiresaka momba ny fikarakarana ny fandevenana, dia hoy izy tamiko: “Tsy anisan’ity eglizy ity intsony ianareo, fa efa herintaona mahery izao no tsy nandoavanareo adidy.”
Nohazavaiko taminy fa narary naharitra ny vadiko, ary nalefako tany amin-janako izay vola ambiny mba hahafahan’izy ireo hanome rakitra tany amin’ny eglizy tany Jerome. Na izany aza, dia tsy nanaiky hikarakara ny fandevenana ilay pretra, raha tsy voatery nisambo-bola 50 dolara aho mba handoavana ny adidy tsy voaloako. Nangataka 15 dolara fanampiny koa izy mba hanaovana ny Lamesa tany amin’ny toerana nisy ny zaobaviko. Tany mantsy no nokasain’ny tapaka sy ny namana hivoriana mba hanomezam-boninahitra farany an’i Helen. Tsy nahita ilay vola 15 dolara mihitsy aho, nefa nanaiky ny hanao ilay Lamesa ihany ilay pretra, raha homeko amin’ny andro fandraisan-karama, ilay vola.
Voatery nividy kiraro sy akanjo ho an’ireo ankizy aho, nony tonga ny andro fandraisan-karama, mba hahafahan’izy ireo hianatra. Rehefa tapa-bolana teo ho eo no lasa, dia niditra ilay tramway nentiko ilay pretra. “Mbola ananako vola 15 dolara ianao”, hoy izy. Rehefa tonga teo amin’ny fialany izy, dia nidina sady nandrahona hoe: “Halehako any amin’ny mpampiasa anao ianao, ary halaiko amin’ny karamanao ilay vola.”
Nandeha nankany amin’ny lehibenay aho, tamin’iny andro iny, rehefa avy nirava, ary nitantara taminy izay nitranga. Katolika izy, nefa dia niteny hoe: “Ataoko mahalala ahy izany pretra izany, raha tonga eto!” Nanomboka nampisaintsaina ahy izao teniny izao: ‘Ny volantsika fotsiny no tadiavin’ny pretra, fa tsy mba mampianatra antsika na inona na inona momba ny Baiboly izy ireo.’
Nianatra ny fahamarinana
Tamin’ny fotoana nanaraka nandehanako tao amin’ilay trano fisotroana kafen’ireo Grika roa lahy, dia niresaka momba ilay zava-nitranga teo amiko sy ilay pretra izahay. Ho vokany, dia nanomboka niara-nianatra tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly aho, fa izany moa no niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Tsy namonjy fandriana aho ny alina tontolo, fa namaky Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Nanjary fantatro fa tsy nijaly tao amin’ny afofandiovana, araka ny nolazain’ilay pretra, i Helen, fa matory ao amin’ny fahafatesana. (Joba 14:13, 14; Jaona 11:11-14). Eny tokoa, zavatra tsara lavitra noho ny volamena no hitako, dia ny fahamarinana izany!
Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, fony aho namonjy voalohany ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, tao amin’ny Garden Theatre, eto Pittsburgh, dia nanangan-tanana aho, ary nilaza hoe: “Zavatra betsaka kokoa momba ny Baiboly no nianarako izao alina izao, miohatra amin’izay nianarako nandritra ireo taona rehetra laniko tany amin’ny eglizy.” Tatỳ aoriana, rehefa nanontany izy ireo hoe iza no naniry handray anjara tamin’ny asa fitoriana ny ampitso, dia nanangan-tanana indray aho.
Ankoatra izany, tamin’ny 4 Oktobra 1931, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano aho. Talohan’izay, dia afaka nanofa trano aho, ary naka ireo zanako mba hiara-mipetraka amiko indray, ka nanakarama mpiasa an-trano hanampy ahy teo amin’ny fikarakarana azy ireo. Na teo aza ny andraikitro ara-pianakaviana, nanomboka tamin’ny Janoary 1932 ka hatramin’ny Jona 1933, dia nandray anjara tamin’ny endriny iray tamin’ny fanompoana manokana nantsoina hoe mpanampy aho, ka nandany 50 ka hatramin’ny 60 ora isam-bolana niresahana tamin’ny hafa momba ny Baiboly.
Tokotokony ho tamin’izany fotoana izany dia nanomboka nahamarika tovovavy tsara tarehy iray izay aho. Toa nitaingina ilay tramway nentiko foana izy rehefa nandroso sy niverina avy niasa. Nifampijery teo amin’ny rétroviseur-ko izahay. Toy izany no nanjary nifankahalalanay sy i Mary. Niaraka izahay ary nivady tamin’ny Aogositra 1936.
Tamin’ny 1949, noho izaho efa tranainy tamin’ny asako, dia afaka nifidy fandaharam-potoana izay namela ahy hanao ny asan’ny mpisava lalana aho. Izany mantsy no niantsoana ny mpanompo manontolo andro. Efa tamin’ny 1945, i Jean, zanako faravavy, no nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, koa niara-nanao izany izahay mianaka. Tatỳ aoriana, i Jean dia nihaona tamin’i Sam Friend, izay nanompo tao amin’ny Betela, ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn, New York.a Nivady izy ireo tamin’ny 1952. Nanohy ny asan’ny mpisava lalana teto Pittsburgh aho, ary nitarika fampianarana Baiboly betsaka. Efa nisy fotoana nitarihako fampianarana Baiboly tamina fianakaviana 14 samy hafa, isan-kerinandro. Nisotro ronono tamin’ilay asako tamin’ny naha mpamily tramway aho, tamin’ny 1958. Mora tamiko taorian’izany, ny nanao ny asan’ny mpisava lalana, satria tsy voatery niasa adiny valo isan’andro intsony aho.
Narary i Mary tamin’ny 1983. Niezaka nikarakara azy aho, toy ny nikarakarany ahy tsara erỳ nandritra ny efa ho 50 taona. Maty izy tatỳ aoriana, tamin’ny 14 Septambra 1986.
Nahita ny toerana nahaterahako
Nentin’i Jean sy i Sam niaraka tamin’izy ireo nanatrika fivoriambe tany Polonina aho, tamin’ny 1989. Nitsidika ny faritra nahalehibeazako koa izahay. Rehefa lasan’ny Rosianina io faritra amin’ny tany io, dia novan’izy ireo ny anaran’ireo tanàna ary nalefany tany an-tany hafa ny olona tao. Ny iray tamin’ireo rahalahiko nalefa tany Istamboul, ary ny anabaviko iray tany Rosia. Tsy nahalala ny anaran’ilay vohitra nisy ahy ireo olona nanontanianay.
Toa tsy vaovao tamiko ny tendrombohitra maromaro terỳ lavitra terỳ. Arakaraka ny nanakekezanay, dia nanjary tadidiko ny zavatra hafa nanamarika ilay toerana: havoana iray, sampan-dalana, eglizy, tetezana teo ambonin’ny ony iray. Tampoka teo, dia akory ny hagaganay raha nahita soratra hoe “Hoszowczyk”! Hay, efa nihena ny herin’ny Kôminista, taloha kelin’izay, ary naverina tamin’ny laoniny ny anaran’ireo vohitra.
Tsy teo intsony ilay tranonay, nefa teo ilay lafaoro izay nampiasaina tany ivelan’ny trano. Efa ho difotry ny tany ilay lafaoro. Avy eo, dia nanondro hazo lehibe iray aho, ary nilaza hoe: “Jereonareo iry hazo iry. Talohan’ny niaingako ho any Amerika no namboleko azy io. Jereo ange ity habeny e!” Nandeha teny amin’ny fasana izahay taorian’izay, ary nitady ny anaran’ny mpianakavinay, nefa tsy nahita, na iray aza.
Fametrahana ny fahamarinana teo amin’ny toerana voalohany
Rehefa maty ny vadin’i Jean tamin’ny 1993, dia nanontany ahy izy raha ho tiako ny handaozany ny Betela mba hikarakara ahy. Sanatria izany, hoy aho mantsy azy, ary mbola izany foana no fiheverako. Nipetra-drery aho hatreo amin’ny faha-102 taonako, nefa nanjary tena nilaina ny namindrana ahy tao amin’ny toeram-pikarakarana ny be taona avy eo. Mbola loholona ao amin’ny Kôngregasiôna Bellevue, eto Pittsburgh, aho, ary tonga maka ahy ho any amin’ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy rehefa alahady. Tena voafetra ny vitako eo amin’ny asa fitoriana ankehitriny, nefa mbola ao amin’ny lisitry ny mpisava lalana efa osa ihany aho.
Nandritra ireo taona, dia nanatrika ireo sekoly manokana fampiofanana mpiandraikitra izay nalamin’ny Fikambanana Watch Tower aho. Tamin’ny Desambra lasa teo, dia nanatrika ny sasany tamin’ireo fotoam-pianarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, natao ho an’ireo loholon’ny kôngregasiôna, aho. Ary tamin’ny 11 Aprily lasa teo, dia nentin’i Jean tany amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy aho, fankalazana izay nankamamiko satria nandraisako anjara isan-taona nanomboka tamin’ny 1931.
Loholona ankehitriny ny sasany amin’ireo nampianariko Baiboly, ny hafa misionera any Amerika Atsimo, ary ny sasany, efa raibe sy renibe, manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ireo zanany. Manompo an’i Jehovah Andriamanitra amim-pahatokiana ny telo amin’ireo zanako: i Mary Jane sy i John ary i Jean, ary koa ny ankamaroan’ireo zanaka sy zafikelin’izy ireo avy. Mivavaka aho mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitra toy izany koa, indray andro any, ny zanako vavy iray hafa, sy ny sisa amin’ireo zafikeliko sy zafiafiko.
Dimy amby zato taona aho ankehitriny, ary mbola mampirisika ny rehetra hianatra ny Baiboly sy hiresaka amin’ny hafa momba izay nianarany foana. Eny, azoko antoka fa tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana ianao, raha mitoetra eo akaikin’i Jehovah. Amin’izay, dia ho afaka hahita zavatra tsara kokoa noho ny volamena mety ho simba koa ianao, izany hoe ny fahamarinana izay mamela antsika hanana fifandraisana sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome Fiainana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1986, pejy faha-22-26, no misy ny tantaram-piainan’i Sam Friend.
[Sary, pejy 25]
Fony aho mbola nitondra tramway
[Sary, pejy 26]
Ao amin’ilay trano fikarakarana ny be taona izay misy ahy ankehitriny
[Sary, pejy 27]
Ilay takela-by fanondroan-dalana izay hitanay tamin’ny 1989