Ny Hampifaly An’i Jehovah no Nahiko Voalohany Indrindra
NOTANTARAIN’I THEODOROS NEROS
Nivoha tampoka ny varavaran’ilay efitra nanagadrana ahy, ary niantso toy izao ny manamboninahitra iray: “Iza no Neros?” Rehefa nampahafantatra ny tenako aho, dia nandidy toy izao izy: “Mitsangàna. Hoentinay hovonoina ianao.” Tao amin’ny toby miaramila iray tany Korinto, eto Gresy, no nitrangan’izany, tamin’ny 1952. Nahoana no ambivitra dia ambivitra toy izany ny aiko? Alohan’ny hanazavako izany, dia mamelà ahy hitantara fohy ny amin’ny fiaviako.
NIFANDRAY tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) ny raiko, tokony ho tamin’ny 1925. Tsy ela izy dia tonga anisan’izy ireo, ary nizara ny zavatra ninoany tamin’ireo iray tam-po taminy valo mianadahy, izay samy nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly avokoa. Nanao toy izany koa ny ray aman-dreniny. Nanambady izy taorian’izay, ary teraka aho tamin’ny 1929, tany Agrinio, eto Gresy.
Taona nahatsiravina tokoa izany ho an’i Gresy! Teo aloha ny fanjakana tsy refesi-mandidy lozabe nentin’ny Jeneraly Metaxas. Avy eo, dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1939, ary tsy ela taorian’izay dia teo ambanin’ny fifehezan’ny Nazia ilay tany. Niely hatraiza hatraiza ny aretina sy ny hanoanana. Notaterina tamin’ny broety kely ireo faty efa nibontsina. Tena niharihary ny faharatsiana teo amin’izao tontolo izao, ka niharihary toy izany koa fa nilaina ny Fanjakan’Andriamanitra.
Fiainana nanompoana tamin-jotom-po
Tamin’ny 20 Aogositra 1942, raha teo am-pivoriana tsara iny ilay antokon’olona nisy anay, tany ivelan’i Tesalonika, dia notondroin’ilay mpiandraikitra mpitantan-draharaha teo aminay ireo fiaramanidina britanika izay nanjera baomba tamin’ilay tanàna. Nantitranteriny fa voaro izahay noho ny fankatoavanay ilay fampirisihana mba ‘tsy hahafoy ny fiarahanay mivory’. (Hebreo 10:25, NW ). Teo amoron-dranomasina no nivorianay tamin’izay, ary anisan’ireo nanolo-tena hatao batisa ny tenako. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano izahay, dia nijoro nanao laharana iray, ary nanao hira nidera anay noho ny fanapahan-kevitray, ireo rahalahinay sy anabavinay kristianina. Izany ka andro tsy hay hadinoana!
Tsy ela taorian’izay, raha iny nitsidika olona teo amin’ny fanompoana isan-trano iny ny tenako sy ny ankizilahy hafa iray, dia nisambotra anay ny polisy ary nitondra anay tany amin’ny paositry ny polisy. Mba hanamafisana fa noheverina ho Kôminista izahay, ary voarara ny asa fitoriana nataonay, dia nahazo daroka izahay ary nilazana hoe: “Mitovy amin’i Staline ihany i Jehovah, ry dondrona a!”
Nafotaka ny ady an-trano tamin’izay teto Gresy, ary nafana dia nafana ny tsy fitiavana Kôminista. Naseho vahoaka teny amin’ny arabe izahay ny ampitson’iny sady nampandalovina teny amin’ny tranonay, ny tananay tamin’izany nisy gadra vy, toy ny mpanao heloka bevava. Tsy ireo ihany anefa no fitsapana nahazo ahy.
Fitsapana finoana tany an-tsekoly
Mbola ankizy mpianatra aho tany am-piandohan’ny 1944, ary nanohy nifehy an’i Tesalonika ny Nazia. Indray andro, tany an-tsekoly, dia nilaza ilay mpampianatra fivavahana anay izay pretra ôrtôdôksa, fa hadinina momba ny lesona tamin’izay andro izay aho. “Tsy Kristianina ôrtôdôksa izy”, hoy ireo ankizy hafa.
“Fa inona izy?”, hoy ny fanontanian’ilay mpampianatra.
“Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy ny navaliko.
“Amboadia eo anivon’ny ondry an!”, hoy izy nikiakiaka sady nisambotra ahy ka namelaka tehamaina ny tarehiko.
Hoy aho anakampo: ‘Ahoana àry no hetezan’ny hoe ny amboadia indray no rambasan’ny ondry?’
Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nipetraka hisakafo antoandro ny 350 teo ho eo taminay. Hoy ilay mpiandraikitra: “I Neros no hanao ny vavaka.” Naveriko araka ny nanoratana azy tao amin’ny Matio 6:9-13 ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ilay antsoina hoe ‘Rainay Izay any An-danitra’ iny. Tsy azoazon’ilay mpiandraikitra izany ka nanontany ahy tamin-katezerana izy avy teny amin’ny toerana nisy azy, nanao hoe: “Fa nahoana ialahy no mivavaka toy izany?”
“Satria Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy aho. Tamin’izay dia nisambotra ahy koa izy ka namely ahy teo amin’ny takolako. Androtr’iny ihany, saingy harivariva kokoa, dia niantso ahy tany amin’ny biraony ny mpampianatra hafa iray ka nilaza tamiko hoe: “Tsara ny nataonao, ry Neros. Mifikira mafy amin’izay inoanao ary aza manaiky ho resy.” Nampahery ahy ny raiko tamin’iny alina iny, tamin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” — 2 Timoty 3:12.
Rehefa nahavita ny fianarako tany amin’ny lise aho, dia tsy maintsy nifidy ny asa tiako hatao eo amin’ny fiainana. Noho ny ady an-trano teto Gresy, dia tsy maintsy niatrika raharaha momba ny tsy fomban’ny kristianina ny atsy na ny aroa, aho. (Isaia 2:4; Matio 26:52). Farany, teo am-piandohan’ny 1952, dia nohelohina 20 taona an-tranomaizina aho, noho ny tsy netezako handray anjara tamin’ny ady nandritra izany vanim-potoana sarotra teo amin’ny tantara grika izany.
Fitsapana satria Kristianina tsy momba ny atsy na ny aroa aho
Raha mbola nahiboka tany amin’ny toby miaramila tao Mesolóngion sy tany Korinto, aho, dia nanana fahafahana hanazava tamin’ireo manamboninahitra tao amin’ny tafika fa ny feon’ny fieritreretako voataizan’ny Baiboly no tsy namela ahy ho tonga miaramila mba hanohanana hevitra ara-politika. “Efa miaramilan’i Jesosy aho”, hoy ny fanazavako, raha nanondro ny 2 Timoty 2:3. Rehefa nasaina nieritreritra aho dia nilaza fa tsy natao maimaika akory ny fanapahan-kevitro fa efa voadiniko lalina sy noho ny tenako efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony.
Ho vokatr’izany, dia tsy maintsy nanao asa an-terivozona aho, isaky ny roa andro vao nihinan-kanina nandritra ny 20 andro, ary natory teo amin’ny gorodona simenitra tao amin’ny efitra figadrana iray nirefy latsaka ny iray metatra ny sakany, ary roa metatra ny halavany. Ary nisy Vavolombelona roa hafa niaraka tamiko tao amin’io efitra figadrana io! Tamin’izay fotoana izay no niantsoana ahy avy tao amin’ilay efitra figadrana mba hovonoina ho faty, raha mbola tao amin’ilay toby tany Korinto.
Raha teny an-dalana hankany amin’ilay famonoana izahay, dia nanontany ahy ilay manamboninahitra hoe: “Tsy misy zavatra tianao holazaina ve?”
“Tsia”, hoy ny navaliko.
“Tsy hanoratra any amin’ny havanao ve ianao?”
“Tsia”, hoy indray aho. “Efa fantatr’izy ireo fa mety hovonoina aho atỳ.”
Tonga teo amin’ilay tokotany izahay, ary nomena baiko aho mba hijoro niankina tamin’ny rindrina. Tamin’izay, dia tsy nandidy ny miaramila mba hitifitra ilay manamboninahitra, fa nanao hoe: “Ento miditra izy.” Hay sarintsarim-pamonoana fotsiny izany rehetra izany, natao mba hitsapana ny fahatapahan-kevitro.
Tatỳ aoriana aho dia nalefa tany amin’ny nosy Makrónisos, ka tany, dia tsy navela hanana zavatra vita an-tsoratra afa-tsy ny Baiboly. Natokana tao amin’ny trano kely iray ny Vavolombelona 13, nisaraka tamin’ireo voafonja mpanao heloka bevava efa ho 500. Na izany aza, dia nisy ihany zavatra vita an-tsoratra tafiditra an-tsokosoko tany aminay. Indray andro, ohatra, dia nisy nandefa ho ahy boaty iray nisy loukoums (vatomamy be mpitia). May ny hanandrana ilay loukoums ireo mpisava, hany ka tsy tandrintandrin’izy ireo ilay gazety Ny Tilikambo Fiambenana nafenina tao ambaniny. “Ny miaramila nihinana ny loukoums, fa isika kosa ‘nihinana’ Ny Tilikambo Fiambenana!”, hoy ny Vavolombelona iray.
Vao nivoaka tamin’ny teny anglisy tamin’izay ilay boky hoe La religion a-t-elle servi l’humanité? Nisy anankiray tamin’izany tonga tany aminay, ary nandika azy io ny Vavolombelona iray voafonja izay nahay teny anglisy. Niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana koa izahay, nanao ny fivorianay niafina. Nihevitra ny fonja ho toy ny toeram-pianarana ahafahana manatanjaka ny fifikiranay tamin’ny zavatra ara-panahy izahay. Ambonin’izany rehetra izany, dia faly izahay satria fantatray fa nahafaly an’i Jehovah ny tsy fivadihanay.
Ilay fonja farany nanibohana ahy dia tany Týrintha, any atsinanan’i Péloponnèse. Tany aho dia nahamarika mpiambina iray izay nandinika ahy tamim-pitandremana, rehefa nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny voafonja iray namako aho. Akory ny hagagako raha nihaona tamin’io mpiambina io teto Tesalonika aho, taona maro tatỳ aoriana! Efa Vavolombelona izy tamin’izay. Nalefa tany am-ponja ny zanany iray tatỳ aoriana, tsy hiambina akory, fa higadra. Mitovy tamin’ny ahy ny antony nanaovana azy am-ponja.
Fanohizana ny asa indray rehefa tafavoaka
Telo taona monja no sazy nefaiko tamin’ireo 20 taona tany am-boalohany. Nanapa-kevitra ny hipetraka tany Atena aho, taorian’ny nanafahana ahy. Tsy ela anefa dia nanjary azon’aretina aho, karazana manirano amin’ny havokavoka, hany ka voatery nody teto Tesalonika. Teo am-pandriana roa volana aho. Nahita tovovavy nahafatifaty nantsoina hoe Koula aho tatỳ aoriana, ary nivady izahay tamin’ny Desambra 1959. Tamin’ny 1962, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, araka ny iantsoana ireo Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro. Afaka niaraka taminy teo amin’ny asan’ny mpisava lalana aho, telo taona tatỳ aoriana.
Voatendry hanao ny asan’ny fizaran-tany izahay tamin’ny Janoary 1965, nitsidika kôngregasiôna mba hanatanjaka azy ara-panahy. Tamin’io fahavaratra io koa no nanananay tombontsoa hanatrika voalohany fivoriamben’ny distrika lehibe, tany Vienne, any Aotrisy. Tsy nitovy tamin’ireo natao teto Gresy ilay izy. Voatery nivory tamim-piafenana tany anaty ala izahay teto Gresy, satria voarara ny asanay. Nasaina hiasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Atena izahay, tany amin’ny faran’ny taona 1965. Noho ny olana ara-pahasalamana nahazo ny havako sasany anefa, dia voatery niverina teto Tesalonika aho tamin’ny 1967.
Sady niantsoroka ireo andraikitra ara-pianakaviana izahay, no nanohy niasa mafy teo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Niresaka tamin’i Kostas, zanak’olo-mpiray tam-po amiko aho indray mandeha, ka nilazalaza taminy ny hakanton’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny fisian’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina ary ny fankatoavana an’Andriamanitra ao anatin’izy io. Hoy izy: “Tena tsara izany zavatra izany raha misy Andriamanitra”. Nekeny ny fanasako azy handinika raha misy tokoa Andriamanitra na tsia. Nilaza taminy aho fa handeha hanatrika fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nuremberg, any Alemaina, izahay ny volana Aogositra 1969. Nanontany izy raha afaka niaraka taminay ny tenany sy i Alekos namany, izay nianatra ny Baiboly koa.
Fisehoan-javatra hafa kely ilay fivoriambe tany Nuremberg! Natao tao amin’ilay kianja lehibe nankalazan’i Hitler ny fandreseny ara-tafika, ilay fivoriambe. Nahatratra tampon’isa maherin’ny 150 000 ny mpanatrika, ary niharihary teo amin’izay rehetra natao ny fanahin’i Jehovah. Natao batisa i Kostas sy i Alekos, tsy ela taorian’izay. Samy manompo amin’ny mahaloholona kristianina izao izy mirahalahy, ary Vavolombelona koa ny fianakavian’izy ireo.
Nanomboka fampianarana tamin’ny vehivavy liana iray aho. Nilaza ilay vadiny fa naniry hamotopototra ireo zavatra inoanay izy. Tsy ela taorian’izay, dia nilazany aho fa nanasa izany Atoa Sakkos izany, hono, izy mba hanao ady hevitra. Teôlôjianina ôrtôdôksa grika io andriamatoa io, ka naniry hametra-panontaniana taminay mirahalahy ny vadin’ilay ramatoa. Tonga niaraka tamin’ny pretra iray Atoa Sakkos. Nanomboka niteny toy izao ilay rangahy notsidihinay: “Voalohany aloha, dia iriko ny hamalian’Atoa Sakkos fanontaniana telo.”
Naka ilay fandikan-tenin’ny Baiboly fampiasanay amin’ny dinidinika fanaonay ilay rangahy, dia nanainga azy io ary nanontany hoe: “Fanontaniana voalohany: Tena Baiboly marina ve ity, sa Baibolin’ny Vavolombelona?” Namaly Atoa Sakkos fa fandikan-teny ofisialy izy iny, ary nolazainy koa fa “tia ny Baiboly” ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nanohy ny fanontaniany ilay rangahy: “Fanontaniana faharoa: Olona tsara fitondran-tena ve ny Vavolombelon’i Jehovah?” Raha ny tena izy, dia niriny hofantarina hoe karazan’olona manao ahoana ireo olona nanomboka nifaneraseran’ny vadiny. Namaly ilay teôlôjianina fa tsy azo iadian-kevitra ny mahatsara fitondran-tena azy ireo.
“Fanontaniana fahatelo”, hoy ilay rangahy, nanohy ny teniny, “Karamaina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?” “Tsia”, no navalin’ilay teôlôjianina.
“Nahazo ny valim-panontaniako aho, ary efa tapaka ny hevitro”, hoy ny famaranan-tenin’ilay rangahy. Nanohy ny fianarany ny Baiboly izy taorian’izay, ary tsy ela dia natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah.
Fiainana ampoky ny soa sady mahafa-po
Nanomboka nanompo tamin’ny naha mpiandraikitra ny fizaran-tany indray aho tamin’ny Janoary 1976. Enin-taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nanana tombontsoa aho handray anjara tamin’ny fitarihana fitoriana tamin’ny endriny vaovao teto Gresy. Tsy inona izany fa ny fitoriana eny amin’ny arabe. Nanomboka nanompo tamin’ny naha mpisava lalana manokana izahay mivady avy eo, tamin’ny Oktobra 1991. Volana vitsivitsy taorian’izay, dia voatery nanaovana fandidiana efatra nahakasika ny fo aho, ary soa ihany fa vita soa aman-tsara izany. Ankehitriny dia tsara tokoa ny fahasalamako ary afaka nanohy indray ny asa fitoriana manontolo andro aho. Loholona ao amin’ny kôngregasiôna iray eto Tesalonika aho, no sady miara-miasa koa amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, mba hanampiana ireo manan-java-manahirana ara-pitsaboana.
Rehefa mitodika ny lasa aho ka mijery ny fiainako, dia hitako fa mahafa-po tokoa ny manao izay mampifaly ny Raintsika any an-danitra. Ravoravo aho satria nanaiky efa hatramin’ny ela ilay fanasana mahafinaritra manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Mampifaly ny foko tokoa ny mahita ilay fitomboana maneran-tany eo amin’ny isan’ireo olona tso-po izay tonga ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tena tombontsoa marina tokoa ny mandray anjara amin’ny fanafahana ny olona amin’ny alalan’ny fahamarinana ara-baiboly ka manokatra eo anoloany ny fahafahana hahazo fiainana mandrakizay eo amin’ny tontolo vaovao iray hitoeran’ny fahamarinana! — Jaona 8:32; 2 Petera 3:13.
Miezaka foana izahay mampirisika ireo tanora manompo an’i Jehovah, mba hametraka ny fanompoana manontolo andro ho tanjona, ka hanokana ny fotoanany sy ny tanjany ho an’i Jehovah. Marina tokoa fa ny fitokisana amin’i Jehovah sy ny fahitana fahafinaretana amin’ny fampifaliana ny fony, no fiainana mahafa-po indrindra mety ho hitan’ny olona iray! — Ohabolana 3:5; Mpitoriteny 12:1.
[Sary, pejy 21]
(Ankavia miankavanana)
Nanompo tao amin’ny lakozian’ny Betela, tamin’ny 1965
Nanao lahateny tamin’ny 1970, fony mbola voarara ny fitorianay
Miaraka amin’ny vadiko, tamin’ny 1959
[Sary, pejy 23]
Miaraka amin’i Koula, vadiko