Ilay Anarana Izay Mitarika ho Amin’ny Tena Finoana
“IANAREO tsy mino an’i Jesosy sy ny rany manao fanavotana”, hoy ny vehivavy anankiray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Nanambara toy izao ny lehilahy iray: “Ianareo manao ny tenanareo hoe Vavolombelon’i Jehovah, fa izaho kosa vavolombelon’i Jesosy.”
Fandre matetika ny hoe tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah na hoe tsy manasongadina azy loatra izy ireo. Inona anefa no asehon’ny zava-misy?
Marina fa manana fihetseham-po mafy momba ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ny Vavolombelon’i Jehovah.a Izao no tsaroan’i Itamar, Vavolombelona iray any Brezila: “Nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako ilay fotoana nahafantarako ny anaran’Andriamanitra. Rehefa namaky azy io voalohany aho, dia toy ny hoe nifoha tamin’ny torimaso lalina. Nampientam-po ahy sady nampiontana ny fihetseham-poko ilay anarana hoe Jehovah; nanohina ny tao anatiko lalina indrindra izy io.” Kanefa, nanampy teny toy izao izy: “Mitafotafo fitiavana an’i Jesosy koa ny foko.”
Eny, eken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa mba hahazoana fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy inoan’izy ireo “ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra”, dia i Jesosy izany. (1 Jaona 5:13). Inona anefa no tiana holazaina amin’ny fitenenana hoe ‘amin’ny anaran’i Jesosy’?
Izay asehon’ny anaran’i Jesosy
Hita manerana ny Soratra Grika Kristianina, na “Testamenta Vaovao” manontolo ny hoe “amin’ny anaran’i Jesosy” na fitenenana mitovy amin’izany. Raha ny marina, dia hita maherin’ny im-80 ny teny hoe “anarana” rehefa miresaka ny amin’ny anjara asan’i Jesosy, ka in-30 eo ho eo ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fotsiny. Nanao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, nanasitrana tamin’ny anarany, nampianatra tamin’ny anarany, niantso ny anarany, nijaly noho ny anarany, sy nankalaza ny anarany. — Asan’ny Apostoly 2:38; 3:16; 5:28; 9:14, 16; 19:17.
Araka ny diksionera ara-baiboly iray, ny teny grika hoe “anarana” dia imbetsaka no ampiasaina ao amin’ny Baiboly “mba hilazana izay rehetra voafaoka amin’ny anarana iray: ny fahefana, ny toetoetra, ny laharana, ny fahamboniana, ny hery, ny hatsara, sy ny toy izany, izany hoe izay zavatra rehetra tafiditra amin’ilay anarana”. Mampiseho ny fahefana ambony sy lehibe nankinin’i Jehovah Andriamanitra taminy àry ny anaran’i Jesosy. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanambara hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Matio 28:18). Nanontanian’ireo mpitondra fivavahana jiosy toy izao i Petera sy i Jaona, taorian’ny nanasitranany lehilahy iray nalemy tongotra: “Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?” Nilaza tamin-kasahiana ny finoany ny fahefana sy ny hery nasehon’ny anaran’i Jesosy i Petera rehefa nampahafantatra fa tamin’ny “anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, (...) dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo”. — Asan’ny Apostoly 3:1-10; 4:5-10.
Finoana an’i Jesosy sa i Kaisara?
Tsy ho mora anefa ny mitonona ho manam-pinoana ny anaran’i Jesosy. Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia ho ‘halan’ny firenena rehetra ny mpianany noho ny anarany’. (Matio 24:9). Nahoana? Satria ny anaran’i Jesosy dia mampiseho ny maha Mpanapaka voatendrin’Andriamanitra azy, dia ilay Mpanjakan’ireo mpanjaka, izay tokony heken’ny firenena rehetra, kanefa izy ireo tsy vonona na maniry hanao izany. — Salamo 2:1-7.
Tsy naniry hanaiky an’i Jesosy koa ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Izao no nambaran’izy ireo: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay”, ka tamin’izany no nandavany ny Zanak’Andriamanitra. (Jaona 19:13-15). Ny ninoan’izy ireo kosa dia ny anaran’i Kaisara sy ny fitondran’ny emperora, izany hoe ny hery sy ny fahefany. Nanapa-kevitra mihitsy aza izy ireo fa tokony ho faty i Jesosy mba hahafahany hitsimbina ny toeran’izy ireo sy ny laharany. — Jaona 11:47-53.
Tao anatin’ireo taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia maro tamin’ireo nihambo ho Kristianina no nanana fihetsika nitovy tamin’ny an’ireo mpitondra fivavahana jiosy. Nino ny hery sy ny fahefan’ny Fitondram-panjakana ireny Kristianina anarana ireny, ka nanjary voarohirohy tamin’ireo adiny. Tamin’ny taonjato faha-11, ohatra, dia nalamin’ny fiangonana ho militia Christi, na miaramila kristianina, ireo mpiady tsy nanana asa. Taorian’izany, “ny andraikitra hitarika ady ara-drariny dia nesorina tamin’ireo fahefana tsy ara-pivavahana teo amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, ka niantsorohan’ny fiangonana kosa, tamin’ny alalan’ireo miaramilany kristianina”. (The Oxford History of Christianity). Nanampy teny ilay fitantarana fa ny fanambarana sasany nataon’ny papa dia nahatonga ny ankamaroan’ireo mpanao kroazada hino fa “nanao fifanarahana tamin’Andriamanitra izy ireo sady niantoka ny fahazoany toerana tao amin’ny Paradisa”, noho ny fandraisany anjara tamin’ireo kroazada.
Mety hilaza ny sasany fa azo atao ny sady tsy hivadika amin’i Jesosy no handray anjara amin’ny raharaha politika sy amin’ny adin’ireo firenena. Mety hihevitra izy ireo fa adidy kristianina ny miady amin’ny faharatsiana na aiza na aiza ahitana izany, ka tafiditra amin’izany ny fampiasana ny ady raha ilaina. Nanana izany fomba fihevitra izany ve anefa ireo Kristianina tany am-boalohany?
“Ireo Kristianina tany am-boalohany dia tsy nanompo tao amin’ny tafika”, hoy ny nambaran’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky The Christian Century. Nohazavainy fa hatreo amin’ireo folo taona nanomboka tamin’ny 170 ka hatramin’ny 180 am.f.i., dia tsy nisy mihitsy porofo ny amin’ny fisian’ny Kristianina tao amin’ny tafika. Hoy koa ilay lahatsoratra avy eo: “Rehefa nandeha ny fotoana vao nitsahatra tsikelikely tsy nanohitra ny fanompoana tao amin’ny tafika ny Kristianina.”
Inona avy no vokany? “Angamba tsy nisy zavatra nitondra fahafaham-baraka kokoa ho an’ny Kristianisma noho ny fanaony, saika mitovy tanteraka amin’ny an’ireo tsy Kristianina, dia ny fandraisana anjara amin’ireo ady”, hoy ny nomarihin’ilay lahatsoratra tao amin’ny The Christian Century. “Nitondra fahavoazana lehibe ho an’ny finoana ny nandraisan’ny Kristianina ny finoana ny Mpamonjy iray malemy fanahy tetsy an-daniny, ary ny nanohanany tamin-kafanam-po ireo ady ara-pivavahana sy natao hanindrahindrana firenena tetsy an-kilany.”
Manahaka ireo Kristianina tany am-boalohany amin’izao andro izao
Azon’ny Kristianina amin’izao andro izao atao ve ny manahaka ny ohatra miavaka navelan’ireo Kristianina tany am-boalohany? Nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao taonjato izao fa azo atao izany. Hoy ny nomarihin’ny mpampanonta ny Holocaust Educational Digest momba azy ireo: “Tsy hisy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy handeha any an’ady. (...) Raha nanaraka io finoana io ny olona rehetra manana fahefana teo amin’izao tontolo izao dia tsy ho nitranga velively [ny Ady Lehibe Faharoa].”
Azo atao ny milaza toy izany ny amin’ireo adim-paritra vao haingana kokoa, toy ilay namely mafy tany Irlandy Avaratra. Nitory isan-trano tany amin’ny faritra protestanta tao an-tanànan’i Belfast ny Vavolombelon’i Jehovah iray, taona vitsivitsy lasa izay. Rehefa nahafantatra ny tompon-trano iray fa hay Katolika taloha ilay Vavolombelon’i Jehovah, dia hoy izy: “Fony ianao Katolika, nanohana ny IRA [Tafika Repoblikanina Irlandey] ve ianao?” Takatr’ilay Vavolombelona fa nety hanjary hahery setra ilay rangahy satria vao avy nigadra izy io fa tratra nitondra basy handeha hamono Katolika iray. Koa hoy ny navalin’ilay Vavolombelona: “Tsy Katolika intsony aho ankehitriny fa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hamono olona na oviana na oviana ho an’izay fitondram-panjakana na olona na iza na iza aho, satria tena Kristianina.” Namihina ny tanany ilay rangahy tamin’izay ary nanao hoe: “Ratsy avokoa rehefa mety ho famonoana olona. Manao asa tsara ianareo. Tohizo izany.”
Ny hevitry ny hoe mino ny anaran’i Jesosy
Tsy vitan’ny hoe tsy mandray anjara amin’ny ady fotsiny anefa ny dikan’ny hoe mino ny anaran’i Jesosy. Midika ho fankatoavana ny didin’i Kristy rehetra izany. Nanambara toy izao tokoa mantsy i Jesosy: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo”, ary iray amin’ny didiny dia ny ‘hifankatiavantsika’. (Jaona 15:14, 17). Miezaka manisy soa ny hafa ny fitiavana. Manilika ny fitsarana an-tendrony rehetra ara-pirazanana sy ara-pivavahana ary ara-tsosialy izy io. Nasehon’i Jesosy hoe tamin’ny fomba ahoana.
Nankahalain’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy ny Samaritana. Nifanohitra tamin’izany kosa, fa niresaka tamin’ny vehivavy samaritana iray i Jesosy, ka nino ny anarany ilay vehivavy sy ny olona maro hafa, ho vokatr’izany. (Jaona 4:39). Nanambara koa i Jesosy fa ho vavolombelony “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” ny mpianany. (Asan’ny Apostoly 1:8). Tsy tokony hoferana ho an’ny Jiosy ihany ny hafatra manome fiainana nentiny. Nifanaraka tamin’izany, dia nomena toromarika i Petera mba hitsidika an’i Kornelio, mpitari-tafika rômanina. Na dia fady tamin’ny Jiosy aza ny nitsidika olona hafa firenena, dia nasehon’Andriamanitra tamin’i Petera fa ‘tsy misy olona azony atao hoe fady na tsy madio’. — Asan’ny Apostoly 10:28.
Mba hanahafana an’i Jesosy, dia vonona ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy ny olon-drehetra, na inona na inona fiaviany ara-pirazanana sy ara-pivavahana ary fananany, mba hianatra ny amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny anaran’i Jesosy. Manosika azy ireo ‘hanambara ampahibemaso fa i Jesosy no Tompo’, ny finoana ny anaran’i Jesosy. (Romana 10:8, 9, NW ). Mampirisika anao izahay mba hanaiky ny fanampian’izy ireo mba hahafahanao hianatra haneho finoana ny anaran’i Jesosy koa.
Tokony hamelona fanajana sy fankatoavana ao amintsika marina tokoa ny anaran’i Jesosy. Hoy ny apostoly Paoly: “Ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.” (Filipiana 2:10, 11). Na dia tsy vonona hanaiky ny fanapahan’i Jesosy aza ny ankamaroan’ny mponina amin’ny tany, dia asehon’ny Baiboly fa antomotra ny fotoana tsy maintsy hanaovan’ny olona rehetra izany, raha tsy izany dia haringana izy ireo. (2 Tesaloniana 1:6-9). Izao àry no fotoana tokony hinoana ny anaran’i Jesosy amin’ny fitandremana ny didiny rehetra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, eo amin’ny pejy faha-28-31, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 1989.
[Sary, pejy 6]
Olona an-tapitrisany maro no namono olona na novonoina ho faty tamin’ny anaran’i Jesosy
[Sary, pejy 7]
Tsy nitsara an-tendrony ny firazanana i Jesosy. Ary ianao?