Tanana Mahatoky no Asandrato Rehefa Mivavaka
“Tiako ny lehilahy hivavaka (...) manandra-tànana [mahatoky, NW ], tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.” — 1 TIMOTY 2:8.
1, 2. a) Amin’ny ahoana ny 1 Timoty 2:8 no mihatra amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika izao?
ANTENAIN’I Jehovah ny tsy hivadihan’ny vahoakany aminy sy amin’izy samy izy. Nampifandraisin’ny apostoly Paoly tamin’ny vavaka ny tsy fivadihana na ny fahatokiana, fony izy nanoratra hoe: “Tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana [mahatoky, NW ], tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.” (1 Timoty 2:8). Miharihary fa i Paoly dia niresaka mahakasika ny vavaka ampahibemaso “eny tontolo eny”, izany hoe, any amin’ny toerana rehetra nivorian’ny Kristianina. Iza no tokony ho nisolo tena ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny vavaka, tany amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna? Ny hany tokony hanao izany dia ireo lehilahy masina sy mahitsy ary naneho fanajana ara-pivavahana, ka nanefa tamim-pitandremana ireo adidy rehetra araka ny Soratra Masina tokony hatao amin’Andriamanitra. (Mpitoriteny 12:13, 14). Tsy maintsy ho nadio ara-panahy sy ara-pitondran-tena izy ireny ary azo antoka fa nifikitra tamin’i Jehovah Andriamanitra.
2 Ireo loholon’ny kôngregasiôna indrindra no tokony ‘hanandra-tanana rehefa mivavaka’. Hampiharihary tsy fivadihana amin’Andriamanitra ny vavaka amim-pahatsorana ataon’izy ireo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary hanampy azy ireo hanalavitra ny adihevitra sy ny fipoahan’ny fahatezerana izany. Raha ny marina, izay lehilahy manana tombontsoa hisolo tena ny kôngregasiôna kristianina amin’ny vavaka ampahibemaso, dia tokony tsy hahitana fahatezerana sy lonilony amin’olona ary fivadihana amin’i Jehovah sy ny fandaminany. (Jakoba 1:19, 20). Toro lalana fanampiny inona avy no omen’ny Baiboly an’ireo izay manana tombontsoa hisolo tena ny hafa amin’ny vavaka ampahibemaso? Ary inona avy no foto-pitsipika araka ny Soratra Masina tokony hampiharintsika amin’ny vavaka ataon’ny tenantsika sy ny mpianakavintsika?
Eritrereto mialoha ny vavaka hataonao
3, 4. a) Nahoana no mahasoa ny hieritreretana mialoha ny vavaka ampahibemaso? b) Inona no lazain’ny Soratra Masina mahakasika ny halavan’ny vavaka?
3 Raha angatahina hivavaka ampahibemaso isika, dia azo inoana fa ho afaka hieritreritra kely mialoha, fara faharatsiny, ny amin’izay holazaintsika. Mety hanampy antsika mba hanonona raharaha lehibe mifanentana amin’ny toe-javatra ny fanaovana izany, no sady tsy hahatonga antsika hanao vavaka lava be sy misafotofoto. Mazava ho azy fa azo atao koa ny miteny amin’ny feo avo rehefa mivavaka ny tenantsika manokana, ary tsy mampaninona izay halavany. Nandany ny alina manontolo tamin’ny vavaka i Jesosy, talohan’ny nifidianany ny apostoliny 12. Rehefa nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany anefa izy, dia toa somary fohy ihany ny vavaka nataony momba ny mofo sy ny divay. (Marka 14:22-24; Lioka 6:12-16). Fantatsika fa neken’Andriamanitra tanteraka na dia ny vavaka fohy nataon’i Jesosy aza.
4 Andeha hatao hoe manana tombontsoa hisolo tena ny mpianakavy amin’ny vavaka alohan’ny sakafo ianao. Mety ho somary fohy ihany ny vavaka toy izany, saingy izay lazaina ao anatiny dia tokony hisy fanehoam-pankasitrahana ny amin’ilay sakafo. Raha mivavaka ampahibemaso aloha na aorian’ny fivoriana isika, dia tsy voatery hanao vavaka lava be mahafaoka hevitra maro. Nokianin’i Jesosy ireo mpanora-dalàna izay ‘nanao vavaka lavareny mba ho fialana’. (Lioka 20:46, 47). Tsy haniry hanao izany na oviana na oviana ny olona tia an’Andriamanitra. Indraindray anefa, dia mety hifanentana amin’ny toe-javatra ny hanaovana vavaka ampahibemaso somary lava kokoa. Ny loholona iray nofidina hanao ny vavaka famaranana amin’ny fivoriambe, ohatra, dia tokony hieritreritra ny amin’izany mialoha, ka mety haniry hilaza hevitra maromaro. Na dia ny vavaka toy izany aza anefa dia tsy tokony ho lava loatra.
Aoka ianao hanatona an’Andriamanitra amim-panajana
5. a) Inona no tokony hotadidintsika rehefa mivavaka ampahibemaso isika? b) Nahoana no amim-pahamendrehana sy amim-panajana no anaovana ny vavaka?
5 Tokony hotadidintsika fa tsy miresaka amin’olombelona akory isika rehefa mivavaka ampahibemaso. Zavaboary mpanota kosa isika no mitalaho amin’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana. (Salamo 8:3-5, 9; 73:28). Tokony hampiseho tahotra feno fanajana àry isika, sao dia tsy hampifaly azy amin’ny teny lazaintsika sy ny fomba ilazantsika azy. (Ohabolana 1:7). Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindramponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho.” (Salamo 5:7). Raha manana izany fihetsika izany isika, inona no holazaintsika rehefa angatahina hivavaka ampahibemaso ao amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah isika? Raha miresaka amin’ny mpanjaka olombelona isika, dia hanao izany amim-panajana sy amim-pahamendrehana. Tsy tokony ho amim-pahamendrehana sy amim-panajana lavitra noho izany ve ny tenintsika, satria mivavaka amin’i Jehovah, “Mpanjaka mandrakizay”, isika? (Apokalypsy 15:3). Rehefa mivavaka àry isika, dia hanalavitra ny teny toy ny hoe: “Manao ahoana ianao ry Jehovah!”, na “Mampamangy e!”, na “Mirary soa e!” Asehon’ny Soratra Masina fa tsy niteny toy izany mihitsy tamin’ny Rainy i Jesosy Kristy, Zanaka lahitokan’Andriamanitra.
6. Inona no tokony hotadidintsika rehefa ‘manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana’ isika?
6 Hoy i Paoly: “Aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana”. (Hebreo 4:16). Afaka manatona an’i Jehovah “amin’ny fahasahiana” isika na dia mpanota aza, noho ny finoantsika ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 10:42, 43; 20:20, 21). Izany “fahasahiana” izany anefa dia tsy midika hoe hanao resaka kivalavala amin’Andriamanitra na hoe hanao teny tsy misy fanajana isika. Raha tiantsika hampifaly an’i Jehovah ny vavaka ampahibemaso ataontsika, dia tsy maintsy ataontsika amim-panajana sy amim-pahamendrehana araka ny tokony ho izy, ary tsy hety koa ny hampiasana ny vavaka mba hanaovana fampandrenesana, na hanomezana torohevitra, na handevilevena ny mpihaino.
Manàna toe-tsaina manetry tena rehefa mivavaka
7. Ahoana no nampisehoan’i Solomona fanetren-tena fony izy nivavaka tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jehovah?
7 Na mivavaka ampahibemaso isika na manokana, dia tokony hotadidintsika izao foto-pitsipika lehibe araka ny Soratra Masina izao: tokony hampiseho fihetsika manetry tena isika rehefa mivavaka. (2 Tantara 7:13, 14). Nampiseho fanetren-tena i Solomona Mpanjaka tamin’ny vavaka ampahibemaso nataony tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Vao avy nahavita ny iray tamin’ireo trano nirenty indrindra teto ambonin’ny tany i Solomona. Na izany aza, dia nivavaka tamim-panetren-tena toy izao izy: “Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!” — 1 Mpanjaka 8:27.
8. Amin’ny fomba ahoana avy no isehoan’ny fanetren-tena rehefa manao vavaka ampahibemaso?
8 Toa an’i Solomona, dia tokony hanetry tena isika rehefa misolo tena ny hafa amin’ny vavaka ampahibemaso. Na dia tsy tokony hanamboamboatra ny feontsika ho toy ny hoe “masina be” aza isika, dia azo aseho amin’ny toetran’ny feontsika ny fanetren-tena. Ny vavaka atao amim-panetren-tena dia tsy hampiasana teny niangaliana fatratra na namboamboarina. Manintona ny saina ho amin’Ilay ivavahana izy io, fa tsy amin’ilay mivavaka. (Matio 6:5). Hita amin’izay lazaintsika amin’ny vavaka koa ny fanetren-tena. Raha mivavaka amim-panetren-tena isika, dia tsy tokony hiteny toy ny hoe isika indray no mitaky amin’Andriamanitra mba hanao zavatra sasany araka izay itiavantsika azy. Hiangavy an’i Jehovah kosa isika mba hanaovany zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony masina. Nasehon’ny mpanao salamo tamin’ny ohatra ny fihetsika mety, fony izy nitalaho toy izao: “Jehovah ô, mba vonjeo re! Jehovah ô, mba omeo fahombiazana re!” — Salamo 118:25, NW; Lioka 18:9-14.
Mivavaha avy amin’ny fo
9. Inona ny torohevitra tsara dia tsara nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:7 (NW ), ary ahoana no azo ampiharana azy io?
9 Tsy maintsy avy amin’ny fo ny vavaka ampahibemaso na manokana ataontsika, raha tiantsika ny hampifaly an’i Jehovah. Araka izany, dia tsy hamerimberina fotsiny ny vavaka iray izay efa mahazatra antsika isika, ka hoe tsy hieritreritra akory ny amin’izay lazaintsika. Nanome torohevitra toy izao i Jesosy, tamin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Rehefa mivavaka anefa ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, tsy misy hafa amin’ny ataon’ny olona eo amin’ireo firenena, satria heveriny fa hohenoina izy noho ny fampiasany teny maro.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoy i Jesosy: “Aza miteniteny befahatany; aza manao famerimberenan-teny poakaty.” — Matio 6:7, NW; fanamarihana ambany pejy.
10. Nahoana no mety ny hivavahana imbetsaka mahakasika raharaha iray?
10 Mazava ho azy fa mety hila hamerimberina mivavaka momba ny raharaha iray isika. Tsy ratsy akory izany, satria nampirisika toy izao i Jesosy: “Aza mitsahatra mangataka, dia homena ianareo; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo; aza mitsahatra mandondòna, dia hovohana ianareo.” (Matio 7:7, NW ). Mety hilaina angamba ny hisian’ny Efitrano Fanjakana vaovao iray, satria ampiroboroboin’i Jehovah ny asa fitoriana eo an-toerana. (Isaia 60:22). Hety àry ny tsy hitsaharana hanonona izany rehefa mivavaka manokana na rehefa manao vavaka ampahibemaso amin’ny fivorian’ny vahoakan’i Jehovah. Ny fanaovana izany dia tsy midika fa “manao famerimberenan-teny poakaty” isika.
Tadidio ny fankasitrahana sy ny fiderana
11. Ahoana no iharan’ny Filipiana 4:6, 7 amin’ny vavaka manokana sy ampahibemaso?
11 Olona maro no tsy mivavaka raha tsy hangataka zavatra. Ny fitiavantsika an’i Jehovah Andriamanitra anefa dia tokony hanosika antsika hisaotra sy hidera azy, na amin’ny vavaka manokana izany na ampahibemaso. “Aza manahy na inona na inona”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Eny, ankoatra ny fitalahoana sy ny fangatahana, dia tokony hisaotra an’i Jehovah isika, noho ny fitahiana ara-panahy sy ara-nofo omeny. (Ohabolana 10:22). Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Manatera fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra; ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao”. (Salamo 50:14). Ahitana ireto teny mampihetsi-po ireto ny vavaka an-kira nataon’i Davida: “Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ny fisaorana.” (Salamo 69:30). Tsy tokony hanao izany ve isika amin’ny vavaka ampahibemaso sy manokana ataontsika?
12. Ahoana no ahatanterahan’ny Salamo 100:4, 5 amin’izao andro izao, ary inona, noho izany, no azontsika isaorana sy iderana an’Andriamanitra?
12 Hoy ny hiran’ny mpanao salamo mahakasika an’Andriamanitra: “Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana; misaora Azy, mankalazà ny anarany, fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.” (Salamo 100:4, 5). Amin’izao andro izao, dia misy olona avy amin’ny firenena rehetra, miditra ao amin’ny kianjan’ny fitoerana masin’i Jehovah. Antony hafa azontsika iderana sy isaorana azy izany. Moa ve ianao mankasitraka an’Andriamanitra noho ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana, ka mampiseho ny fankasitrahanao amin’ny fandehanana mivory tsy tapaka ao, miaraka amin’ireo tia an’i Jehovah? Moa ve ianao finaritra manandratra ny feonao amin’ny hira fiderana sy fisaorana an’ilay Raintsika any an-danitra be fitiavana, rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana?
Aza menatra mivavaka na oviana na oviana
13. Ohatra inona ao amin’ny Soratra Masina no mampiseho fa tokony hitalaho amin’i Jehovah isika na dia mahatsiaro tena ho tsy mendrika aza noho fahatsapana fa meloka?
13 Na dia mahatsiaro tena ho tsy mendrika aza isika noho ny fahatsapana fa meloka, dia tokony hitodika any amin’Andriamanitra isika, amin’ny fitalahoana aminy amim-pahatsorana. Rehefa nanota ny Jiosy noho ny nakan’izy ireo vady hafa firenena, dia nandohalika i Ezra, nasandrany ho an’Andriamanitra ny tanany nahatoky, ary nivavaka tamim-panetren-tena izy, nanao hoe: “Andriamanitra ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra; fa hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka andro-any dia lehibe ny helokay; (...) Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany, fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory? Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin’izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin’ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.” — Ezra 9:1-15; Deoteronomia 7:3, 4.
14. Araka ny hita tamin’ny andron’i Ezra, inona avy no takina mba hahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra?
14 Mba hahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy arahina nenina mafy sy ‘voa mendrika ny fibebahana’, ny fieken-keloka. (Lioka 3:8; Joba 42:1-6; Isaia 66:2). Tamin’ny andron’i Ezra, ny fihetsika naneho fibebahana dia nomban’ny ezaka natao mba hanitsiana ny tsy nety, tamin’ny fandroahana ireo vehivavy hafa firenena. (Ezra 10:44; ampitahao amin’ny 2 Korintiana 7:8-13.) Raha mitady famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika noho ny fanaovan-dratsy lehibe, dia aoka isika hiaiky ny helotsika ao anatin’ny vavaka feno fanetren-tena, ka hamoa voa mendrika ny fibebahana. Hanosika antsika koa mba hitady fanampiana ara-panahy any amin’ireo loholona kristianina ny toe-tsaina mibebaka sy ny faniriana hanitsy ny tsy nety. — Jakoba 5:13-15.
Manovoza fampiononana amin’ny vavaka
15. Ahoana no ampisehoan’ny zavatra niainan’i Hana fa afaka mahita fampiononana amin’ny vavaka isika?
15 Rehefa misy anton-javatra mahaory ny fontsika, dia azontsika atao ny mahita fampiononana amin’ny vavaka. (Salamo 51:17; Ohabolana 15:13). Izany no nitranga tamin’i Hana, vehivavy tsy nivadika. Tamin’ny androny, dia fahita teo amin’ny Isiraely ny fianakaviana maro anaka. Tsy mba niteraka anefa izy. I Elkana vadiny kosa dia nanan-janaka lahy sy vavy avy tamin’i Penina, vadiny hafa, izay namingavinga an’i Hana noho izy momba. Nivavaka tamim-pahatsorana i Hana ary nampanantena fa raha hahazo fitahiana izy ka hiteraka zazalahy, dia ‘homeny an’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra hiainany’. Nahazo fampiononana avy tamin’ny vavaka nataony sy ny tenin’i Ely Mpisoronabe i Hana, ka “tsy nalahelo tarehy intsony”. Niteraka zazalahy, izay nomeny anarana hoe Samoela, izy. Tatỳ aoriana, dia natolony mba hanompo tao amin’ny fitoerana masin’i Jehovah izy io. (1 Samoela 1:9-28). Velom-pankasitrahana noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra taminy i Hana, ka nanao vavaka fisaorana, izay niderany an’i Jehovah ho tsy manam-paharoa. (1 Samoela 2:1-10). Toa an’i Hana, dia afaka manovo fampiononana amin’ny vavaka isika, amin’ny fatokisana fa hamaly ny fangatahana rehetra mifanaraka amin’ny sitrapony Andriamanitra. Rehefa mandoatra ny ao am-pontsika aminy isika, dia aoka ‘tsy halahelo tarehy intsony’, satria hanaisotra ny entana mitambesatra amintsika izy, na koa hanampy antsika hizaka izany. — Salamo 55:22.
16. Araka ny hita tamin’i Jakoba, nahoana isika no tokony hivavaka rehefa matahotra na mitebiteby?
16 Raha misy tarehin-javatra miteraka tahotra, fahoriam-po, na tebiteby ao amintsika, dia aoka isika tsy hanadino ny hitodika any amin’Andriamanitra mba hahazoana fampiononana amin’ny vavaka. (Salamo 55:1-4). Natahotra i Jakoba rehefa nadiva hihaona tamin’i Esao rahalahiny, izay nanjary nankahala azy. Na izany aza, dia nivavaka toy izao i Jakoba: “E Andriamanitr’i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao, dia hanao soa aminao Aho; tsy miendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho. O vonjeo aho amin’ny tànan’ny rahalahiko, dia amin’ny tànan’i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ny vadiko aman-janako izy. Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.” (Genesisy 32:10-13). Tsy nanafika an’i Jakoba sy ireo niaraka taminy i Esao. Araka izany, dia tena ‘nanisy soa’ an’i Jakoba tokoa i Jehovah tamin’iny fotoana iny.
17. Amin’ny ahoana ny vavaka no mety hitondra fampiononana ho antsika rehefa voasedra mafy isika, araka ny Salamo 119:52?
17 Mandritra ny fitalahoantsika, dia mety hahazo fampiononana isika, amin’ny fahatsiarovana zavatra voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Tao amin’ilay salamo lava indrindra, izay tsy inona fa vavaka kanto natao an-kira, dia mety ho ny Printsy Hezekia no nihira toy izao: “Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô, dia mionona aho.” (Salamo 119:52). Mandritra ny vavaka amim-panetren-tena ataontsika amin’ny fotoana mahavoasedra mafy antsika, dia mety hisy foto-pitsipika na lalàna ara-baiboly hotsaroantsika, ka afaka manampy antsika hanaraka lalana iray izay miteraka fampiononana ho antsika, noho ny fananantsika toky fa mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra isika.
Maharitra amin’ny vavaka ireo olona tsy mivadika
18. Nahoana no azo lazaina fa ‘izay rehetra tsy mivadika dia hivavaka amin’Andriamanitra’?
18 ‘Haharitra amin’ny vavaka’ ireo rehetra tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra. (Romana 12:12). Azo inoana fa nosoratan’i Davida taorian’ny nanotany tamin’i Batseba ny Salamo faha-32, ka ao no nilazalazany ny fahorian-tsainy noho izy tsy nitady famelan-keloka sy tsy nitady ilay fahamaivanana tsapa rehefa mibebaka sy miaiky heloka. Nihira toy izao i Davida, avy eo: ‘Noho izany [satria misokatra ho an’ireo tena mibebaka marina ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah], izay rehetra tsy mivadika dia hivavaka aminao amin’izay andro hahitana Anao.’ — Salamo 32:6, NW.
19. Nahoana isika no tokony hanandra-tanana mahatoky rehefa mivavaka?
19 Raha mankamamy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra isika, dia hivavaka mba hahazo ny famindram-pony, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Amim-pinoana, dia afaka manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavany amin’ny fahasahiana isika, mba hahazoana famindram-po sy fanampiana ara-potoana. (Hebreo 4:16). Misy antony maro dia maro tokony hivavahantsika anefa! Aoka àry isika ‘haharitra amin’ny vavaka’, izay matetika no atao amin’ny teny fiderana sy fankasitrahana an’Andriamanitra amim-pahatsorana. (1 Tesaloniana 5:17). Na andro na alina, dia aoka isika hanandra-tanana mahatoky rehefa mivavaka.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona ny soa azo amin’ny fieritreretana mialoha ny vavaka ampahibemaso hataon’ny tena?
◻ Nahoana isika no tokony hivavaka amim-panajana sy amim-pahamendrehana?
◻ Toe-tsaina manao ahoana no tokony hasehontsika rehefa mivavaka?
◻ Nahoana isika no tokony hahatsiaro ny fisaorana sy ny fiderana, rehefa mivavaka?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa afaka mahazo fampiononana amin’ny vavaka isika?
[Sary, pejy 17]
Nampiseho fanetren-tena i Solomona Mpanjaka tamin’ny vavaka ampahibemaso nataony tamin’ny nitokanana ny tempolin’i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Sahala amin’i Hana, dia afaka manovo fampiononana avy amin’ny vavaka ianao