Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nandresy Fahoriana i Paoly
TAO anatin’ny toe-javatra nampamoy fo i Paoly. Teny ambony sambo iray izay tratra tao anatin’ny fifofofofon’i Eorakylona — ilay rivotra mahery indrindra tany amin’ny Ranomasina Mediterane — izy sy ny olona 275 hafa. Nahery be ilay tafio-drivotra, hany ka tsy hita ny masoandro tamin’ny andro, ary tsy hita ny kintana tamin’ny alina. Tsy nahagaga raha natahotra ny hamoy ny ainy ireo mpandeha. Kanefa, nampionona azy ireo i Paoly tamin’ny fitantarana izay nambaran’Andriamanitra taminy tao amin’ny nofy iray toy izao: “Tsy hisy ho faty hianareo, fa ny sambo ihany no ho very.” — Asan’ny Apostoly 27:14, 20-22.
Tamin’ny alina faha-14 nisian’ilay tafio-drivotra, dia nahita zavatra nanaitra ireo tantsambo — roapolo refy monja ny halalin’ny rano.a Nitsapa ny halalin’ny rano indray izy ireo, rehefa lasa lavidavitra kely. Tamin’izay, dia dimy ambin’ny folo refy ny halalin’ny rano. Efa akaiky ny tanety! Nampieritreritra anefa io vaovao tsara io. Nety hidona mafy tamin’ny harambato ka ho potipotika ilay sambo, satria natopatopan’ny rano tamin’ny alina, nefa ny rano marivo. Naneho fahendrena ireo tantsambo ka nampidina ireo vatofantsika. Naniry hampidina ny salopy ka handeha tamin’izy io ny sasany tamin’izy ireo, sao mba ho afaka hamonjy ny ainy.b Nanakana azy ireo anefa i Paoly. Nilaza tamin’ilay manamboninahitry ny tafika sy ireo miaramila izy hoe: “Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena hianareo.” Nihaino ny tenin’i Paoly ilay manamboninahitra, ary izao dia niandry tamim-pahadodonana ny mangiran-dratsy ny mpandeha rehetra niisa 276. — Asan’ny Apostoly 27:27-32.
Vaky sambo
Nahita helodrano nisy torapasika ireo mpandeha sambo, ny ampitso maraina. Velom-panantenana indray ireo tantsambo, ka nanaisotra ireo vatofantsika sy nanangana ny lay anoloana mba hatosiky ny rivotra. Nanomboka nizotra nanatona morona ilay sambo — tsy isalasalana fa tao anatin’ny hobim-pifaliana. — Asan’ny Apostoly 27:39, 40.
Tampoka teo anefa, dia nanjary tafahitsoka teo amin’ny dongom-pasika iray ilay sambo. Ny ratsy kokoa aza, dia novakivakin’ny onja mahery ny vody sambo. Ho voatery handao ny sambo ny mpandeha rehetra! (Asan’ny Apostoly 27:41). Nametraka zava-nanahirana anefa izany. Gadra ny maro tamin’ireo mpandeha — anisan’izany i Paoly. Teo ambanin’ny lalàna romanina, ny mpiambina iray izay namela ny gadrany handositra dia tsy maintsy nizaka ny sazy tokony ho nampiharina tamin’ilay gadrany. Raha nandositra ny mpamono olona iray, ohatra, dia tsy maintsy ho ilay mpiambina nanao tsirambina no nisolo azy, ka ny ainy no nanefa.
Natahotra ny vokany toy izany ireo miaramila, ka nanapa-kevitra ny hamono ny gadra rehetra. Kanefa nisalovana ilay manamboninahitry ny tafika niahy an’i Paoly. Nodidiany izay rehetra afaka nitsambikina tao anaty rano sy afaka nilomano hamonjy ny tanety, mba hanao izany. Ireo izay tsy nahay nilomano dia tsy maintsy nisarangotra tamin’ny hazo fisaka na tamin’ny fitaovana hafa avy tamin’ilay sambo. Nandeha tsirairay ireo mpandeha avy tao amin’ilay sambo rendrika ka nanatona moramora ny morona. Marina ilay tenin’i Paoly fa tsy nisy aina nafoy na dia iray aza! — Asan’ny Apostoly 27:42-44.
Fahagagana tao Malta
Nahita fialofana tao amin’ny nosy iray nantsoina hoe Malta ilay antokon’olona efa trotraka. “Olona niteny vahiny” ny mponina tao, raha ara-bakiteny dia hoe “baribarianina” (grika: barʹba·ros).c Tsy olon-dia anefa akory ireo olona tany Malta. Mifanohitra amin’izany fa i Lioka izay naman’i Paoly tamin’ny fitetezam-paritany dia nanao tatitra hoe: “Tsy kely ny soa nasehon’ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin’izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.” Ny tenan’i Paoly mihitsy no nanampy an’ireo tera-tany tao Malta mba hamory kitay hazo sy hanohoka izany teo amin’ny afo. — Asan’ny Apostoly 28:1-3, NW, fanamarihana ambany pejy.
Tampoka teo anefa, dia niraikitra tamin’ny tanan’i Paoly ny menarana iray! Nihevitra ireo mponina anosy fa tsy maintsy ho mpamono olona i Paoly. Azo inoana fa nihevitra izy ireo fa nosazin’Andriamanitra ny mpanota, tamin’ny famelezana ny faritra tamin’ny tenany izay nampiasainy hanotana. Jereo anefa! Gaga be ireo tera-tany fa nanakifika ilay menarana ho eo amin’ny afo i Paoly. Araka ny nolazain’ny fitantaran’i Lioka, vavolombelona nanatri-maso dia “nanampo [an’i Paoly] hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka”, izy ireo. Niova hevitra ireo mponina anosy, ary nanomboka nilaza fa tsy maintsy ho andriamanitra i Paoly. — Asan’ny Apostoly 28:3-6.
Nandany ireo telo volana nanaraka tany Malta i Paoly, ary nandritra izany fotoana izany izy dia nanasitrana ny rain’i Poplio, mpanapaka ilay nosy, izay nandray azy ka nampiantrano azy, ary nanasitrana ny hafa izay narary. Fanampin’izany, dia namafy voan’ny fahamarinana i Paoly, ka nitondra fitahiana maro ho an’ireo mponin’i Malta tia mandray vahiny. — Asan’ny Apostoly 28:7-11.
Lesona ho antsika
Niatrika zava-tsarotra maro i Paoly, nandritra ny fanompoany. (2 Korintiana 11:23-27). Teo amin’ny fitantarana tetsy ambony, dia gadra noho ny vaovao tsara izy. Avy eo, dia voatery niatrika fisedrana tsy nampoizina izy: tafio-drivotra nahery vaika sy ny faharendrehan-tsambo nanaraka izany. Nandritra izany rehetra izany, dia tsy nihozongozona mihitsy i Paoly teo amin’ny fahatapahan-keviny ny ho mpitory be zotom-po ny vaovao tsara. Hoy ny nosoratany avy tamin’ny zavatra niainany: “Na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:12, 13.
Tsy tokony hampihena na oviana na oviana ny fahatapahan-kevitsika ny ho mpanompo be zotom-po ho an’ilay Andriamanitra marina, ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana! Apetratsika amin’i Jehovah ny entantsika, rehefa mipoitra ny fisedrana tsy ampoizina. (Salamo 55:22). Avy eo, dia miandry amim-paharetana isika mba hahitana ny fomba hampiasainy mba hahafahantsika hiaritra ilay fitsapana. Mandra-pahatongan’izany, dia manohy manompo azy amim-pahatokiana isika, ary matoky fa mikarakara antsika izy. (1 Korintiana 10:13; 1 Petera 5:7). Amin’ny fitoerana ho miorina tsara, na inon-kidona na inon-kihatra, dia afaka mandresy fahoriana isika, tahaka an’i Paoly.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny refy iray mazàna dia heverina ho efatra hakiho, na eo amin’ny 1,8 metatra eo ho eo.
b Ny salopy dia sambo kely nampiasaina mba hahatongavana teny amin’ny morona, rehefa niantsona teo akaikin’ny morontsiraka ny sambo iray. Hita mazava fa nitady hamonjy ny ainy ireo tantsambo, ka tsy niraharaha an’ireo ho tavela, izay tsy nahay nitondra sambo mihitsy.
c Manamarika toy izao i Wilfred Funk ao amin’ny hoe Word Origins: “Ireo Grika dia namingavinga ireo fiteny ankoatra ny azy, ary nilaza fa toy ny hoe ‘bar-bar’ izy ireny, ary na iza na iza nampiasa ireny dia nantsoiny hoe barbaros.”