Mifaly ny Nosy Iray fa Nitombo ny Fahalalahany Ara-pivavahana
Tsy nosy mitoka-monina intsony i Cuba, fara faharatsiny amin’ny lafiny ara-panahy. Nitondra fitahiana nandrasana hatry ny ela, ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah monina ao amin’io firenena any Antilles io ny fifaranan’ny taona 1998. Sambany tao anatin’ny 30 taona mahery vao nitsidika tany ireo anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nisy solontena 15 hafa niaraka tamin’izy ireo. Olom-pirenena avy any Aostralia, Aotrisy, Belzika, Grande-Bretagne, Italia, Nouvelle-Zélande ary Porto Rico ireo mpitsidika.
IZANY dia fisehoan-javatra nanan-tantara, na ho an’ireo mpitory ilay Fanjakana niisa 82 258 tany, na ho an’ireo olona 87 890 niara-nankalaza taminy ny Sakafo Harivan’ny Tompo, tamin’ny lohataonan’ny 1998.
Nanomboka tamin’ny 1 Desambra ka hatramin’ny 7 Desambra 1998, dia nitsidika ny Trano Betela ao La Havane i Lloyd Barry sy i John Barr ary i Gerrit Lösch, ary nanatrika ny sasany tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, natao tany Cuba. Faly izy ireo afaka nihaona tamin’ireo loholona mpitety faritany, ary faly koa fa nanjary nifankahalala tsara kokoa tamin’ireo manam-pahefana any Cuba.
“Zavatra teôkratika nisongadina teo amin’ny androm-piainanay mivady izany”, hoy i John Barr. “Feno zotom-po ho an’ny fahamarinana erỳ ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Cuba! Voasoritra lalina tato anatiko ny tena hasarobidin’ny firahalahiantsika maneran-tany!” “Nanampy ahy hahatakatra tsaratsara kokoa ny toe-javatra nisy ireo rahalahintsika any, iny herinandro niavaka iny”, hoy ny teny nanampin’i Lloyd Barry.
Nandritra ireo dimy taona lasa, dia nahazo fahalalahana bebe kokoa hanao fanompoam-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah any Cuba, ary ny tenin’ireo manam-pahefana any, dia mahatonga hino fa maniry ny hitohizan’izany ry zareo.
Naorina tao amin’ny Trano Betela ao La Havane ny asa fanontam-pirinty, tamin’ny Septambra 1994. Afaka nivory tamin-kalalahana sy nitory isan-trano indray ny Vavolombelon’i Jehovah. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1998, dia nomen’ny manam-pahefana lalana hanao io fitsidihana io ny delegasiôna iraisam-pirenena nisy Vavolombelon’i Jehovah 18, anisan’izany ny mpikambana telo ao amin’ny Fitambara-mpitantana.
Fihaonana nahafinaritra
Manam-pahefana maromaro sy antokon’olona avy tao amin’ny Trano Betela no nandray tamim-pitiavana ilay delegasiôna teo am-pahatongavana tany amin’ny seranam-piaramanidina José Martí, any La Havane. Anisan’izany olona avy tao amin’ny Betela izany ny rahalahy iray izay nahatsiaro ny fitsidihana farany nataon’ny mpikambana iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana tany Cuba. I Milton Henschel tokoa mantsy no nitsidika azy ireo farany tamin’ny 1961. Roa ambin’ny folo taona ilay rahalahy tamin’izay fotoana izay, ary mpiandraikitra mpitety faritany izy ankehitriny.
Rehefa tonga tao amin’ilay Trano Betela ilay delegasiôna, dia noarahabaina tamin’ny alalan’ny fehezam-boninkazo gilaelina sy raozy, sy jasmina, ary karazana marigirity mavo sy mena, nambolen’ny rahalahy iray ho amin’io fisehoan-javatra io indrindra. Nirotsaka be ny ranomaso teo am-pandraisan’ny fianakavian’ny Betela ilay delegasiôna. Niara-nisakafo izy ireo avy eo, sakafo fihinan’ny mponina any Cuba, izay tsy inona fa henan-kisoa natono, vary sy tsaramaso, salady, hasina misy mojo (lasaosy natao tamin’ny tongolo gasy sy menaka ôliva) ary voankazo vao. Taorian’ny sakafo, dia nanao lahateny nampahery momba ny hasarobidin’ny fanompoana ao amin’ny Betela, ny tsirairay tamin’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana. Tena nampihetsi-po ny tenin’ny Rahalahy Lösch rehefa niresaka tamin’ireo rahalahy tamin’ny teny espaniola izy. Mpiasa an-tsitrapo maharitra 48 sy mpanampy tsy maharitra 18 no mahaforona ilay fianakavian’ny Betela.
Na dia atao pirinty any Italia aza ny boky sy ny Baiboly ho an’ireo rahalahy any Cuba, dia vokarina any an-toerana ihany ny fanontana miloko mainty sy fotsy Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, amin’ny alalan’ny milina anankiroa mpanao kopia. Ora maro anaovana asa miverimberina amin’ny tanana, ao amin’ny toerana tery, no takina mba hamokarana ireo gazety rehetra ilaina. Ankamamin’ireo mpiasa an-tsitrapo ireo amin’ny fomba tena manokana, ny hasarobidin’ny fanompoany an’i Jehovah. — 2 Korintiana 4:7.
Hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe
Nizara ho antoko telo ireo olona 18 anisan’ilay delegasiôna mba hanatrehana ireo fivoriamben’ny distrika natao tany amin’ny toerana telo, dia i La Havane sy i Camagüey ary i Holguín. Tamin’ny tsirairay tamin’ireo telo andro, dia nisy rahalahy sy anabavy nanao andiany iray, anisan’izany ny loholona sy mpisava lalana maro, nasaina hanatrika tany tamin’ny toerana tsirairay. Efa nilazana ireo Vavolombelona teo an-toerana, fa ho fotoana manokana tamin’io, saingy tsy fantatr’izy ireo hoe hisy anisan’ny Fitambara-mpitantana hanatrika teo. Alao sary an-tsaina ange ny hagagany e, rehefa nahita ireo rahalahy malala ireo sy ny vadiny avy, niala tamin’ny aotobisy nohofana, tamin’ilay zoma maraina!
Tao amin’ny trano naorin’ireo rahalahy teny an-kalamanjana ary nahazoan-dalana tamin’ny manam-pahefana, no nanaovana ireo fivoriambe. Voasokitra teo amin’ny iray tamin’ireo vato teo amin’ny fidirana tamin’ilay toerana nanaovana ny fivoriambe tao La Havane ny hoe “Salamo 133:1”. Izany dia nampahatsiahy an’ireo rahalahy ny teny hita ao amin’io andininy io, manao hoe: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” Azo antoka fa nisy fiarahana kristianina tsara sady nahafinaritra tao amin’io toerana io, nandritra ilay fivoriambe.
Nomarihin’ireo mpitsidika ny fomba tsara dia tsara nanaovana ireo lahateny sy fanadinadinana, ary nampiaiky volana azy ireo ilay fampisehoana niorina tamin’ny tantara ara-baiboly ao amin’ny Daniela toko faha-3, izay nitranga tany Babylona fahiny. Toy izao no fanamarihan’ny anabavy iray: “Faran’izay nahay ny mpilalao rehetra, ary nifanaraka tsara mihitsy ny fihetsika sy ny feo, hany ka tsy fantatrao hoe noraisina mialoha anie ilay feo. (...) Tena hita hoe ratsy tokoa ilay Babylonianina ratsy fanahy, ary hentitra sady feno fahatapahan-kevitra kosa ireo Hebreo telo mirahalahy.”
Noderain’ireo solontenan’ny Biraon’ny Raharaha Ara-pivavahana sy mpitondra fanjakana hafa izay tonga nijery ny fivoriambe, ny fahaizan’ireo rahalahy nandamin-javatra sy ny fitondran-tenany tsara dia tsara. Nambaran’ny Rahalahy Barry ny fankasitrahany tamim-pahatsorana ny fomba tsara dia tsara nitondran’ireo manam-pahefana any Cuba ireo solontena mpitsidika. Matetika ireo rahalahy no nitsangana ary nitehaka nandritra ny minitra maromaro, mba hanehoany ny fankasitrahany ireo lahateny sy ny nanomezan’ireo manam-pahefana lalana hanao ireo fivoriambe. “Mihoatra noho izay nampoizinay izy ity — fivoriambe iraisam-pirenena kely e!”, hoy ny fianakaviana kristianina iray. “Nahatalanjona ilay izy, satria nanome porofo fa manana hery lehibe hanatanterahana ny fikasany, i Jehovah.”
Nanolotra fahafahana mba hahalalan’ny hafa tsaratsara kokoa ny Vavolombelona ireo fivoriambe ireo. Nisy mpitondra aotobisy iray nanatrika ilay fivoriambe ny asabotsy ary tonga koa izy ny alahady. Nolazainy fa nandre zavatra maro momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy, nefa fantany ankehitriny fa hay olona tsara sady tia fihavanana izy ireo.
“Zavatra tsy hohadinoinay na oviana na oviana”
Nampiaiky volana an’ilay delegasiôna ny hafanana sy ny fisakaizana nasehon’ireo mponina any Cuba. Mazoto miasa sy manana fitsipi-pitondran-tena ary tsara fanahy ry zareo any Cuba. “Imbetsaka no nisy olona tsy fantatray velively, vonona ny hanampy anay”, hoy ny solontena iray.
Nampiaiky volana tanteraka an’ilay delegasiôna ny finoana sy ny fifaliana ary ny fitiavana nasehon’ireo Vavolombelona tahaka azy any Cuba. Teo ireo vato misakana goavana, nefa nataony batery fiarovana ho azy i Jehovah. (Salamo 91:2). Hoy i John Barr: “Zavatra maro aoka izany no sady nanaitra no nahafaly ahy tamin’ity fitsidihako voalohany an’i Cuba ity. Teo ny hakanton’ilay tany, sy ny toetra mahafinaritr’ireo olona hitako, ary ambonin’ny zava-drehetra dia ny tena fifaliana tsy omby tratra sy ny fahavitrihana ananan’ireo Vavolombelona any Cuba. Hatrizay niainako aho mbola tsy nahare mihitsy fihirana tamim-pahatsoram-po toy izany ny hiran’ilay Fanjakana, sy tehaka naharitra ela be toy izany, rehefa nisy zavatra ara-panahy nanohina ny fon’izy ireo! Zavatra tsy hohadinoinay na oviana na oviana ireny. Hotsaroanay foana izy ireny.”
Hoy ny Salamo 97:1: “Aoka ho ravoravo ny nosy maro.” Eny, ravoravo tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny nosy Cuba fa nahazo fahalalahana bebe kokoa hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra, sady nahazo ilay fitsidihana nanan-tantara nataon’io delegasiôna iraisam-pirenena io.
[Sary, pejy 8]
Mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, manao sonia Baiboly natao fanomezana ho an’ireo manam-pahefana
[Sary, pejy 8]
Fianakaviana maro no nanatrika ireo Fivoriamben’ny Distrika manokana “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” tany Cuba
[Sary, pejy 8]
Nosokafana indray ny Trano Betela ao La Havane tamin’ny 1994