Aza Mitsahatra Mandeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
“Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy”. — SALAMO 37:34.
1, 2. Nahafaoka inona ny fandehanana tamin’ny lalan’i Jehovah ho an’i Davida Mpanjaka, ary inona no takin’izany amintsika amin’izao andro izao?
“AMPAHALALAO ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko.” (Salamo 143:8). Mamerina amin’ny fony manontolo ireo tenin’i Davida Mpanjaka ireo ny Kristianina amin’izao andro izao. Irin’izy ireo amim-pahatsorana ny hampifaly an’i Jehovah sy ny handeha amin’ny lalany. Inona no voafaoka amin’izany? Ho an’i Davida, izany dia nidika ho fitandremana ny lalàn’Andriamanitra. Voafaoka tamin’izany ny fitokisana tamin’i Jehovah, fa tsy tamin’ny fifanekena tamin’ny firenena. Ary nidika ho fanompoana an’i Jehovah tamim-pahatokiana izany, fa tsy fanompoana an’ireo andriamanitry ny firenena nanodidina. Ho an’ny Kristianina, dia tsy izany ihany no voafaoka amin’ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah.
2 Voalohany aloha, ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah amin’izao andro izao dia midika ho fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, ka manaiky azy ho ny “làlana sy fahamarinana ary fiainana”. (Jaona 3:16; 14:6; Hebreo 5:9). Izany koa dia midika ho fanatanterahana ny “lalàn’i Kristy”, izay mahafaoka fanehoana fifankatiavana, indrindra fa fanehoana fitiavana amin’ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy. (Galatiana 6:2; Matio 25:34-40). Tia ny foto-pitsipik’i Jehovah sy ny didiny ireo izay mandeha amin’ny lalany. (Salamo 119:97; Ohabolana 4:5, 6). Ankamamin’izy ireo ilay tombontsoa sarobidy ananany, dia ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana kristianina. (Kolosiana 4:17; 2 Timoty 4:5). Tapany tsy misaraka amin’ny fiainany ny vavaka. (Romana 12:12). Ary ‘mitandrina tsara izay fandehany izy ireo, mba tsy hitondra tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry’. (Efesiana 5:15). Azo antoka fa tsy afoin’izy ireo ny harena ara-panahy mba hatakalo tombontsoa ara-nofo mihelina, na fahafinaretan’ny nofo tsy ara-dalàna. (Matio 6:19, 20; 1 Jaona 2:15-17). Ankoatra izany, dia tena ilaina ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny fitokisana aminy. (2 Korintiana 1:9; 10:5; Efesiana 4:24). Nahoana? Satria tena mitovy amin’ny toe-javatra nisy ny Isiraely fahiny ny misy antsika ankehitriny.
Ilaina ny fitokisana sy ny tsy fivadihana
3. Nahoana no hanampy antsika hanohy handeha amin’ny lalan’i Jehovah ny tsy fivadihana sy ny finoana ary ny fitokisana?
3 Firenena kely ny Isiraely, ary voahodidina firenena feno fankahalana, izay nanaraka fombafomba vetaveta teo amin’ny fivavahana tamin’ny andriamanitra sampy. (1 Tantara 16:26). Ny Isiraely irery ihany no nanompo an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina tsy hita maso, ary nitaky ny hihazonan’izy ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony i Jehovah. (Deoteronomia 6:4). Toy izany koa amin’izao andro izao: an-tapitrisany vitsivitsy monja ny olona mivavaka amin’i Jehovah, kanefa izy ireo dia miaina eo anivon’ny tontolo misy mponina efa ho enina arivo tapitrisa, izay manana fari-pitsipika sy fomba fihevitra ara-pivavahana hafa tanteraka noho ny an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Raha anisan’ireo an-tapitrisany vitsivitsy ireo isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy ho voataona hanaraka lalan-dratsy. Amin’ny fomba ahoana? Hanampy antsika ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny finoana azy ary ny fitokisana mafy fa hanatanteraka ny fampanantenany izy. (Hebreo 11:6). Hisakana antsika tsy hametraka ny fitokisantsika amin’ireo zavatra antenain’izao tontolo izao izany. — Ohabolana 20:22; 1 Timoty 6:17.
4. Nahoana no “maizin-tsaina” ireo firenena?
4 Nasehon’ny apostoly Paoly tamin’izao teny nosoratany izao, fa tsy maintsy ho hafa noho izao tontolo izao ny Kristianina: “Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’[ireo firenena, NW ] amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy [lavitra ny fiainana izay an’Andriamanitra, NW ] ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony”. (Efesiana 4:17, 18). I Jesosy no “tena fahazavana”. (Jaona 1:9, NW ). “Maizin-tsaina” izay rehetra mandà azy na milaza ho mino azy kanefa tsy mankato “ny lalàn’i Kristy”. Tsy mandeha velively amin’ny lalan’i Jehovah izy ireo, fa “lavitra ny fiainana izay an’Andriamanitra” kosa. Mety hihevi-tena ho hendry tokoa izy ireo, raha araka ny fiheveran’izao tontolo izao. Na izany aza anefa ny fiheverany, dia ‘tsy fahalalana no ao anatiny’, raha ny amin’ilay hany fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana, dia ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. — Jaona 17:3; 1 Korintiana 3:19.
5. Na dia mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao aza ny fahazavan’ny fahamarinana, nahoana no tsy mihontsina ny fon’ny maro?
5 Mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao anefa ny fahazavan’ny fahamarinana! (Salamo 43:3; Filipiana 2:15). “Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany”. (Ohabolana 1:20). Tamin’ny taon-dasa, dia ora maherin’ny arivo tapitrisa no nolanin’ny Vavolombelon’i Jehovah niresahana tamin’ny mpiara-belona taminy momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Olona ana hetsiny maro no nandray tsara. Tokony ho gaga anefa ve isika raha olona maro koa no tsy nanao toy izany? Tsia. Efa noresahin’i Paoly ny amin’ny ‘hamafin’ny fon’izy ireny’. Tsy mihontsina ny fon’ny sasany noho ny fitiavan-tena na ny fitiavam-bola. Ny hafa voataonan’ny fivavahan-diso na ny fomba fijery tsy miraharaha fivavahana izay miely aoka izany amin’izao andro izao. Nahatonga olona maro handa an’Andriamanitra ny zava-tsarotra nozakainy teo amin’ny fiainana. Ny hafa tsy mety manaraka ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony takin’i Jehovah. (Jaona 3:20). Moa ve ny fon’ny olona iray mandeha amin’ny lalan’i Jehovah, mety hanjary tsy hihontsina amin’ireo lafiny ireo koa?
6, 7. Na dia mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra aza ny Isiraelita, tamin’ny fotoana inona avy no nahalavoan’izy ireo, ary nahoana?
6 Tena nitranga izany teo amin’ny Isiraely fahiny, araka ny nasehon’i Paoly. Izao no nosoratany: “Izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ireny. Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe: ‘Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao’. Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.” — 1 Korintiana 10:6-8.
7 Ny zavatra noresahin’i Paoly voalohany, dia ny amin’ilay nivavahan’ny Isiraely tamina ombilahikely volamena teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 32:5, 6). Izany dia fandikana an-kitsirano ny didin’Andriamanitra iray nekeny hankatoavina, vao herinandro vitsivitsy monja talohan’izay. (Eksodosy 20:4-6; 24:3). Avy eo dia noresahin’i Paoly ny amin’ilay niankohofan’ny Isiraely, niaraka tamin’ny zanakavavin’ny Moabita, teo anoloan’i Bala. (Nomery 25:1-9). Nampiavaka ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahikely ny fampanaranam-po ny tena tafahoatra, ny “hilalao”.a Narahina fahalotoam-pitondran-tena naharikoriko ny fivavahana tamin’i Bala. (Apokalypsy 2:14). Nahoana no nanao ireo fahotana ireo ny Isiraelita? Satria izy ireo namela ny fony hanjary ‘hila zava-dratsy’, na ilay fanompoan-tsampy izany, na ireo fanao vetaveta niaraka tamin’izy io.
8. Lesona inona no azontsika ianarana avy tamin’ny zavatra niainan’ny Isiraely?
8 Nasehon’i Paoly fa tokony haka lesona avy amin’ireny fisehoan-javatra ireny isika. Lesona inona? Tsy azo eritreretina velively ny hiankohofan’ny Kristianina eo anoloan’ny ombilahikely volamena na ny andriamanitry ny Moabita fahiny. Ahoana anefa ny amin’ny fahalotoam-pitondran-tena na ny fampanaranam-po ny tena tafahoatra? Fahita izany amin’izao andro izao, ary raha avelantsika hitombo ao am-pontsika ny faniriana an’izany, dia hanjary hampisaraka antsika amin’i Jehovah izany. Ny vokany dia ho toy ny nanompo sampy ihany isika, satria ho tafasaraka amin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Kolosiana 3:5; Filipiana 3:19.) Eny tokoa, nofaranan’i Paoly tamin’izao fampirisihany an’ireo mpiray finoana taminy izao ny firesahany momba ireny fisehoan-javatra ireny: “Mandosira ny fanompoan-tsampy.” — 1 Korintiana 10:14.
Fanampiana amin’ny fandehanana amin’ny lalan’Andriamanitra
9. a) Inona no fanampiana azontsika mba hanohizantsika handeha amin’ny lalan’i Jehovah? b) Inona no fomba iray andrenesantsika ilay ‘teny eo ivohontsika’?
9 Raha tapa-kevitra ny hanohy handeha amin’ny lalan’i Jehovah isika, dia tsy hoe tsy mahazo fanampiana akory. Hoy ny faminanian’i Isaia: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21). Ahoana no andrenesan’ny ‘sofintsika’ izany ‘teny eo ivohontsika’ izany? Tsy misy olona mandre feo ara-bakiteny na mahazo hafatra manokana avy amin’Andriamanitra akory amin’izao andro izao. Mitovy ny fomba andrenesantsika rehetra ilay “teny”. Voalohany indrindra, dia amin’ny alalan’ny Baiboly, ny Soratra Masina ara-tsindrimandry, no andrenesana azy io, satria mirakitra ireo hevitr’Andriamanitra sy ny fifampiraharahany amin’ny olombelona ny Baiboly. Koa satria isika isan’andro tototry ny fampielezan-kevitra avy amin’ireo “lavitra ny fiainana izay an’Andriamanitra”, dia ilaintsika ny mamaky ny Baiboly sy ny misaintsaina azy io tsy tapaka, mba ho salama tsara ara-panahy. Hanampy antsika hanalavitra ny “zava-poana” sy ho “vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” izany. (Asan’ny Apostoly 14:14, 15; 2 Timoty 3:16, 17). Hanatanjaka antsika sy hankahery antsika ary hanampy antsika ‘handavorary ny diantsika’ izany. (Josoa 1:7, 8). Noho izany, dia mampirisika antsika toy izao ny Tenin’i Jehovah: “Mihainoa ahy hianareo, anaka; fa sambatra izay manaraka ny diako; minoa anatra, ka hendre, fa aza mandà.” — Ohabolana 8:32, 33.
10. Inona no fomba faharoa andrenesantsika ilay ‘feo eo ivohontsika’?
10 Amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” koa no andrenesana ilay ‘teny eo ivohontsika’, satria manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ io mpanompo io. (Matio 24:45-47, NW ). Fomba iray androsoana io sakafo io ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, ary tondraka tokoa io sakafo io tato anatin’ny taona faramparany. Nanjary nihatsara, ohatra, ny fahazoantsika ny hevitry ny faminaniana, tamin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Tato amin’ity gazety ity, dia nampirisihina isika haneho fikirizana amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, na dia mihamitombo aza ny tsy firaharahan’ny olona; nampiana koa isika hanalavitra fandrika, ary nampirisihina isika hamboly toetra kristianina tsara dia tsara. Toy inona moa ny fankamamiantsika sakafo amin’ny fotoana mety toy izany!
11. Hazavao ny fomba fahatelo ahafahantsika mandre ilay ‘teny eo ivohontsika’.
11 Manome sakafo amin’ny alalan’ireo fivoriana tsy tapaka koa ny mpanompo mahatoky sy malina. Anisan’izany ny fivorian’ny kôngregasiôna eo an-toerana, ny fivoriana indroa isan-taona isaky ny fizaran-tany, ary ny fivoriambe lehibe kokoa fanao isan-taona. Kristianina mahatoky iza no tsy mihevitra ireny fivoriana ireny ho sarobidy? Fanampiana tena lehibe anohanana antsika handeha amin’ny lalan’i Jehovah izy ireny. Koa satria Kristianina maro no tsy maintsy mandany fotoana be dia be iarahana amin’ireo izay tsy mitovy finoana aminy, na any am-piasana izany na any an-tsekoly, dia tena miaro ara-bakiteny, ny fifaneraserana kristianina tsy tapaka. Manome antsika fahafahana tsara dia tsara ‘hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara’, ny fivoriana. (Hebreo 10:24, NW ). Tiantsika ireo rahalahintsika, ary tiantsika ny mifanerasera aminy. — Salamo 133:1.
12. Inona no fahatapahan-kevitry ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ahoana no nanehoan’izy ireo izany vao haingana?
12 Olona efa ho enina tapitrisa ankehitriny no mahazo tanjaka avy amin’ny sakafo ara-panahy toy izany, ka mandeha amin’ny lalan’i Jehovah. Olona an-tapitrisany maro hafa koa no mianatra ny Baiboly mba hahafantarany ny fomba hanaovana toy izany. Moa ve izy ireo kivy na nihalany hery satria vitsy an’isa raha oharina amin’ny mponina an’arivo tapitrisany maro eto an-tany? Sanatria! Tapa-kevitra izy ireo ny hihaino tsara hatrany izay lazain’ilay ‘teny eo ivohony’, ka haneho tsy fivadihana eo am-panaovana ny sitrapon’i Jehovah. Naneho ampahibemaso izany fahatapahan-kevitra izany ireo mpanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika sy Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” 1998/1999, ka nandany fanapahan-kevitra iray izay nanambarany ny toerana tanany amim-pahatsorana. Toy izao izany fanapahan-kevitra lany izany.
Fanapahan-kevitra lany
13, 14. Inona no fomba fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay fomba fijery araka ny zava-misy, momba ny toe-javatra maneran-tany?
13 “Isika Vavolombelon’i Jehovah tafavory eto amin’ity Fivoriambe ‘Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra’ ity, dia miaiky amin’ny fontsika manontolo fa ny lalana araka an’Andriamanitra no fomba fiaina tsara indrindra. Manaiky anefa isika fa hafa noho izany ny fihevitry ny ankamaroan’ny olombelona. Nanaraka hevitra sy filôzôfia ary zavatra inoana ara-pivavahana maro be momba izay fomba fiaina tsara indrindra ny fitambaran’olona. Ny fijerena amim-pahatsorana ny tantaran’ny olombelona sy ny toe-piainana maneran-tany amin’izao andro izao dia manamafy ny fahamarinan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Jeremia 10:23 toy izao: ‘Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.’
14 Isan’andro isika dia mahita porofo fanampiny manamafy ny fahamarinan’ireo teny ireo. Ny ankamaroan’ny olona dia tsy miraharaha ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra. Mikatsaka izay heveriny ho marina eo imasony ihany izy ireo. Mahatsiravina ny vokany — faharavan’ny fiainam-pianakaviana, ka mamela ny ankizy tsy hisy mpitarika; fikatsahan’ny olona hatraiza hatraiza zavatra ara-nofo, ka miafara amin’ny fiainana tsy misy heviny sy fahadisoam-panantenana; heloka bevava sy herisetra tsy amin’antony, ka mahatonga fisian’ny olona iharam-pahavoazana tsy tambo isaina; fifandrafiana ara-poko sy ady, izay namoizana ain’olona tamin’ny fomba mahatsiravina; fielezan’ny fahalotoam-pitondran-tena, izay mahatonga fihanahan’ireo aretina azo avy amin’ny firaisana. Sasantsasany fotsiny amin’ireo olana maro be saro-bahana izay manakantsakana ny fikatsahana fahasambarana sy fiadanana ary filaminana ireo.
15, 16. Raha ny amin’ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra, inona no fahatapahan-kevitra nambara tao amin’ilay fanapahan-kevitra lany?
15 Rehefa heverina ny toe-javatra mampalahelo misy ny olombelona sy ny fahantomoran’ny ‘adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha’, atao hoe Haramagedona (Apokalypsy 16:14, 16), dia tapa-kevitra isika Vavolombelon’i Jehovah fa:
16 Voalohany: Mihevitra ny tenantsika ho fananan’i Jehovah Andriamanitra isika, satria nanolo-tena tsirairay ho azy tsy nisy fepetra, ary hihazona finoana tsy azo hozongozonina amin’ny fandaharan’i Jehovah momba ny avotra, nomena tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Tapa-kevitra isika fa hanaraka ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra, ka hanompo azy amin’ny maha Vavolombelony, ary hanaiky ny fiandrianany aseho amin’ny alalan’ny fanapahan’i Jesosy Kristy.
17, 18. Inona no toerana mbola hotanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatrany, raha ny amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ilay fianakavian’ny mpirahalahy kristianina?
17 Faharoa: Hanohy hanaraka ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ara-panahy ambony ao amin’ny Baiboly isika. Tapa-kevitra isika fa hitan-tena tsy handeha tahaka ny fandehan’ireo firenena amin’ny fahafoanan’ny sainy. (Efesiana 4:17-19). Fahatapahan-kevitsika ny hitoetra ho madio eo anatrehan’i Jehovah sy tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao. — Jakoba 1:27.
18 Fahatelo: Hifikitra amin’ny toerana araka ny Soratra Masina tanantsika amin’ny maha fianakavian’ny mpirahalahy kristianina maneran-tany antsika isika. Hihazona ny fialanalanana kristianina isika eo amin’ireo firenena, ka tsy hamela ny tenantsika ho voafandriky ny fankahalana na ny fizarazarana ara-pirazanana, ara-pirenena, na ara-poko.
19, 20. a) Inona no hataon’ny ray aman-dreny kristianina? b) Ahoana no hanohizan’ny Kristianina marina rehetra hampahafantatra ny tenany ho mpianatr’i Kristy?
19 Fahefatra: Isika ray aman-dreny dia hampianatra sy handatsaka ao am-po sy ao an-tsain’ny zanatsika ny lalan’Andriamanitra. Hanome ohatra isika ny amin’ny fiainana kristianina, izay mahafaoka ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly, ny fianaram-pianakaviana, sy ny fandraisana anjara amin’ny fanahy manontolo ao amin’ny kôngregasiôna kristianina sy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.
20 Fahadimy: Isika rehetra dia hiezaka mafy mba hamboly ireo toetra tsara izay nasehon’ilay Mpamorona antsika mihitsy, ary hiezaka hanahaka ny toetrany sy ny lalany, toy ny nataon’i Jesosy. (Efesiana 5:1). Tapa-kevitra isika, ny hanao ny zava-drehetra amim-pitiavana, ka amin’izany dia hampahafantatra ny tenantsika ho mpianatr’i Kristy. — Jaona 13:35.
21-23. Hanohy hanao inona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary miaiky ny amin’inona izy ireo?
21 Fahenina: Tsy hampihena ny fiezahantsika hanohy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, sy hanohy hanao mpianatra, ary hampianatra azy ireny ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra sy hampirisika azy ireny handray fampiofanana fanampiny any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. — Matio 24:14; 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.
22 Fahafito: Isika isam-batan’olona sy amin’ny maha fandaminana ara-pivavahana antsika, dia hanohy hametraka ny sitrapon’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny fampiasana ny Teniny, ny Baiboly, ho mpitari-dalana antsika, dia tsy hivily hiankavia na hiankavanana isika, ka hanamafy amin’izany fomba izany fa ambony lavitra noho ireo lalan’izao tontolo izao ny lalan’Andriamanitra. Tapa-kevitra isika fa hikatsaka ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra — amin’ny fomba hentitra sy maneho tsy fivadihana, dieny izao sy ho mandrakizay!
23 Manao izao fanapahan-kevitra izao isika satria matoky tanteraka ny fampanantenana feno fitiavan’i Jehovah, izay milaza fa haharitra mandrakizay izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Manao izao fanapahan-kevitra izao isika satria miaiky fa ny fomba fiaina tsara indrindra ankehitriny dia ny miaina araka ireo foto-pitsipika sy torohevitra ary fananarana ao amin’ny Soratra Masina, sady mametraka fanorenana tsara ho amin’ny hoavy, mba hihazonantsika ny tena fiainana. (1 Timoty 6:19; 2 Timoty 4:7b, 8). Ambonin’izany rehetra izany, dia manao izao fanapahan-kevitra izao isika satria tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny fanahintsika sy ny saintsika ary ny herintsika manontolo!
24, 25. Inona no nasetrin’ny mpanatrika an’ilay fanapahan-kevitra holanina, ary inona no fahatapahan-kevitr’ireo izay mandeha amin’ny lalan’i Jehovah?
24 Ireo mpanatrika rehetra amin’ity fivoriambe ity izay mankasitraka ny fandaniana izao fanapahan-kevitra izao, dia aoka hanao hoe ENY!”
25 Nanakoako nanerana ireo toerana sy kianja an-jatony maro naneran-tany ny valin-teny nitalakotrokotroka nataon’ny mpanatrika rehetra hoe “ENY!” Tsy misalasala ny Vavolombelon’i Jehovah fa hanohy handeha amin’ny lalan’i Jehovah ny tenan’izy ireo. Mitoky tanteraka amin’i Jehovah izy ireo ary mino fa hanatanteraka ny fikasany izy. Mitoetra ho tsy mivadika aminy izy ireo, na inona na inona hitranga. Ary tapa-kevitra ny hanao ny sitrapony izy ireo.
‘Momba antsika Andriamanitra’
26. Inona no toe-piainana mahasambatra misy an’ireo izay mandeha amin’ny lalan’i Jehovah?
26 Tadidin’ny Vavolombelon’i Jehovah izao fampirisihan’ny mpanao salamo izao: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy”. (Salamo 37:34). Tsy hadinon’izy ireo koa izao teny fampaherezan’i Paoly izao: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?” (Romana 8:31, 32). Eny, raha manohy mandeha amin’ny lalan’i Jehovah isika, dia hanome antsika ‘malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika’ izy. (1 Timoty 6:17). Tsy misy toerana tsara kokoa noho ny misy antsika amin’izao, dia ny mandeha amin’ny lalan’i Jehovah, eo anilan’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika. Eo anilantsika i Jehovah, koa aoka isika ho tapa-kevitra ny hijanona eo amin’ilay lalana sy hiaritra hatramin’ny farany, ka hatoky tanteraka fa amin’ny fotoana voatondrony, dia ho hitantsika ny hanatanterahany ny farany indrindra amin’ny fampanantenany. — Titosy 1:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Momba ilay teny grika nadika eto hoe ‘milalao’, dia nilaza ny mpanazava teny iray fa manondro ireo dihy natao tamin’ny fetin’ny mpanompo sampy izy io, ary hoy koa izy: “Ny ankamaroan’ireny dihy ireny, araka ny fantatra tsara, dia natao mivantana hanairana ny filan’ny nofo faran’izay vetaveta.”
Tadidinao Ve?
◻ Inona no takina amin’ny Kristianina mba handehanany amin’ny lalan’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no mila mamboly fitokisana amin’i Jehovah sy tsy fivadihana aminy?
◻ Inona no fanampiana azontsika eo am-pandehanana amin’ny lalan’i Jehovah?
◻ Milazà hevitra nisongadina sasantsasany tamin’ilay fanapahan-kevitra lany tany amin’ireo Fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”.
[Sary, pejy 18]
Nisy fanapahan-kevitra lehibe iray nolanina tany amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika sy Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”