Tokony Hampivelatra ny Fomba Fijerinao ve Ianao?
NAMELY an’i Kobe, any amin’ny faritra andrefana amin’i Japon, ny horohoron-tany iray niteraka fandravana. Mpiasa an-tsitrapo feno fahafoizan-tena no nidodododo nitondra fanampiana ho an’ireo mponina niharam-boina. Nolavin’ny olona iray tao amin’ny Birao Misahana ny Fahasalamana tao amin’ilay tanàna anefa ny fangatahan’ny ekipana dokotera nitsidika, izay nangataka zavatra nilaina tamin’ny fitsaboana. Talen’ny hopitaly monisipaly lehibe iray io tompon’andraikitra io, ary ny tian’izy io dia ny hankanesan’ireo niharam-boina any amin’ireo hopitalin’i Kobe, fa tsy hoe ireo dokotera ireo no hasaina hampiasa tsindrona sy fanafody lafo vidy fampiditra amin’ny lalan-dra, any amin’ireo toerana fitondrana fanampiana. Notanterahina ihany tamin’ny farany ny fangatahan’ireo dokotera ireo, saingy niteraka fanakianana hatraiza hatraiza ilay tsy fileferana tany am-boalohany nasehon’ilay tompon’andraikitra, sy ny toa tsy nananany fangorahana.
Angamba efa niharan’ny tsy fileferana toy izany avy tamin’olona mitana fahefana ianao. Mety ho efa meloka ho nanao toy izany mihitsy koa aza ny tenanao. Afaka ny handray soa avy amin’ny fananana fomba fijery mivelatra kokoa ve ianao?
Fantaro amin’ny fomba feno ilay raharaha
Fahita ny hoe amin’ny lafiny iray monja, na amin’ny fomba fijery iray monja, no ijeren’ny olona ny raharaha iray, hany ka voafetra ny fahitany sy ny fahatakarany ilay raharaha. Matetika izany no avy amin’ny anton-javatra toy ny fanabeazana azo, ny lalana nodiavina teo amin’ny fiainana, sy ny fiaimpiainana tany aloha. Azo atao ny mandray fanapahan-kevitra feno fahendrena kokoa rehefa miezaka hahatakatra amin’ny fomba feno ilay raharaha ny tena. Ohatra, raha hiampita fihaonan-dalana be fiara mandeha ianao, ka tsy misy jiro telo soratra mandrindra ny fifamoivoizana eo, ho fahendrena ve ny tsy hijerena afa-tsy ny eo anoloan’ny maso? Tsy izany velively! Toy izany koa fa ny fampivelarana ny fomba fisainanao mba hahitana ny lafin-javatra rehetra, dia tena manampy eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy mba hanaovan-javatra amim-pahaiza-mandray andraikitra. Mety hamonjy ny aina mihitsy aza izany.
Azo inoana fa afaka manao fanatsarana isika rehetra amin’io lafiny io. Koa manontania tena hoe: ‘Inona no lafiny sasany mety ho azoko andraisan-tsoa raha mampivelatra ny fomba fisainako aho?’
Ny fomba fijerinao ny hafa
Inona no hitanao rehefa mijery ny hafa ianao? Moa ve ianao mirona hihevitra fa, na ratsy tanteraka, na tena tsara, ny zavatra lazainy na ataony, toy ny hoe tsy misy zavatra hafa afa-tsy izany ary tsy misy eo anelanelany? Fiderana ve ny tenin’ny olona iray rehefa tsy fanambaniana? Na marina tanteraka ve ny olona iray, na diso tanteraka? Ny fananana izany fomba fijery izany dia ho sahala amin’ny mpaka sary iray izay manakimpy ny masony eo anoloan’ny famirapiratan’ny loko maro isan-karazany eo amin’ny faritra taza-maso iray amin’ny fararano, ka toy ny hoe sary mainty sy fotsy ihany no misy. Sa kosa ianao mirona hifantoka amin’ny lafiny ratsy amin’ny toetran’ny olona iray, tsy misy hafa amin’ny mpanao dia lavitra iray izay tsy mankafy intsony ny toerana kanto iray noho ny fako kely navelan’olona tsy nihevitra ny hafa? — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:16.
Betsaka no azo ianarana avy amin’ny fandinihana ny fomba fijerin’i Jehovah ny fahadisoan’olombelona. Na dia mahalala ny fahalemena sy ny fahadisoana maro ataon’olombelona aza izy, dia mifidy ny tsy hifantoka amin’ireny. Nanamarika toy izao ny mpanao salamo velom-pankasitrahana: “Raha mandinika heloka Hianao, (...) iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3). Vonona i Jehovah ny hanaisotra ny fahadisoana ho lavitra an’ireo mpanota mibebaka, eny, mampiseho fahambonian-toetra izy ka mamafa ireny fahadisoana ireny, mba tsy hahatonga azy ireny hanimba ny fifandraisantsika aminy. (Salamo 51:1; 103:12). Nisy fotoana nanaovan’i Davida Mpanjaka fahotana lehibe tamin’i Batseba. Na izany aza anefa, dia mbola afaka nilaza i Jehovah fa i Davida dia lehilahy “nanaraka Ahy tamin’ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany”. (1 Mpanjaka 14:8). Nahoana no afaka nilaza izany momba an’i Davida Andriamanitra? Satria nifantoka tamin’ireo toetra tsara kokoa nananan’i Davida nibebaka izy. Nandinika ny lafin-javatra rehetra tafiditra tamin’ilay raharaha izy ka nifidy ny hanohy hampiseho famindram-po tamin’ilay mpanompony.
Nampiseho taratra tamin’ny fomba tsy nisy tomika izany fomba fijery mivelatra mahakasika ny fahadisoan’ny hafa izany, i Kristy Jesosy. (Jaona 5:19). Rehefa niatrika ny fahalemen’ireo apostoliny i Jesosy, dia namindra fo sy nahatakatra ny toeran’izy ireo. Takany, mahakasika ny olombelona tsy tanteraka, fa na dia rehefa ‘mety aza ny fanahy, dia tsy manan-kery ny nofo’. (Matio 26:41). Nitadidy izany i Jesosy ka afaka niatrika tamim-paharetana sy tamim-pangorahana ny fahalemena sy ny kileman’ny mpianany. Tsy nifantoka tamin’ny fahadisoan’izy ireny izy, fa nifantoka kosa tamin’ireo toetrany tsara.
Indray mandeha, dia nanampy teny toy izao i Jesosy, rehefa avy nanitsy ny apostoly noho izy ireo niady hevitra ny amin’izay toa lehibe indrindra teo amin’izy ireo: “Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Lioka 22:24-30). Eny, na dia teo aza ny fahadisoana maro nataon’ireo apostoly, dia tadidin’i Jesosy ny fahatokian’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo azy. (Ohabolana 17:17). Natoky ny amin’izay ho vitan’izy ireo sy hataony i Jesosy ka nanao fanekena tamin’izy ireo momba ny Fanjakana iray. Eny, ‘tia ny mpianany hatramin’ny farany i Jesosy’. — Jaona 13:1.
Koa raha mahasosotra anao àry ny lafin-toetra sy ny kileman’ny olona iray, dia manahafa an’i Jehovah sy i Jesosy. Ampivelaro ny fomba fisainanao, ary miezaha manisy fiheverana ny lafin-javatra rehetra. Amin’ny fananana fiheverana araka ny tokony ho izy, dia ho hitanao ho mora kokoa ny ho tia sy hankasitraka ireo rahalahinao.
Eo amin’ny fanomezana ara-nofo
Ny tombontsoa hanome no iray amin’ireo zava-mahafaly misokatra ho an’ny Kristianina. Tokony hoferantsika ve anefa ny fanomezana ataontsika, ka hafantoka amin-javatra iray monja, toy ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ohatra? (Matio 24:14; 28:19, 20). Sa kosa azo ampivelarina ny fomba fisainanao ka hampidirana ireo zavatra ara-nofo izay ilain’ny hafa sy mahasoa azy? Mazava ho azy fa takatry ny Kristianina rehetra fa ny fanomezana ara-panahy no zava-dehibe indrindra. (Jaona 6:26, 27; Asan’ny Apostoly 1:8). Na izany aza anefa, tahaka ny maha zava-dehibe ny fanomezana ara-panahy, dia azo antoka fa tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny fanomezana ara-nofo. — Jakoba 2:15, 16.
Rehefa mandinika ireo zavatra maika ilain’ireo rahalahintsika ara-panahy ao amin’ny kôngregasiônantsika sy maneran-tany isika, dia afaka mahita amin’ny fomba feno kokoa izay azontsika atao mba hanampiana azy ireny. Rehefa mizara amim-pahalalahan-tanana amin’ny hafa ireo olona afaka manao izany, dia hisy ny fitoviana. Ho voakarakara amin’izany fomba izany ny zavatra ilain’ny rahalahintsika rehetra. Nilaza izany toy izao ny loholona kristianina iray: “Raha mila fanampiana ny any amin’ny faritra iray eto an-tany, dia hanampy azy ireny ireo rahalahy any amin’ny faritra hafa amin’ny tany. Raha tsy afaka manampy izy ireo, dia hanao izany ireo rahalahy any an-toeran-kafa. Voakarakara amin’izany fomba izany ny zavatra ilain’ireo rahalahintsika maneran-tany. Tena mahatalanjona tokoa ilay fianakavian’ny mpirahalahy.” — 2 Korintiana 8:13-15; 1 Petera 2:17.
Ny anabavy kristianina iray izay naniry tamim-pahatsorana hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Eoropa Atsinanana, dia tsy afaka nanatrika izany tsotra izao. Reny anefa fa tena nila Baiboly be dia be ireo rahalahy tany, koa nanao fanomezana ho amin’izany Baiboly izany izy, tamin’ny alalan’ny olona iray nanatrika ilay fivoriambe. Araka izany, dia nahatsiaro ho sambatra izy noho ny nanomezany sy nizarany tamin’ireo anadahiny sy rahavaviny tany amin’ny tany hafa. — Asan’ny Apostoly 20:35.
Angamba rehefa mampivelatra ny fomba fisainanao ianao, dia vao mainka ho afaka handray anjara betsaka amin’ilay asa fampianarana Baiboly maneran-tany izay tsy mitsaha-miitatra, ka hitondra fifaliana ho an’ny tenanao sy ny hafa. — Deoteronomia 15:7; Ohabolana 11:24; Filipiana 4:14-19.
Rehefa manome torohevitra
Rehefa asaina hanome torohevitra na fanitsiana isika, ny fanjohian-kevitra feno fiheverana sy voalanjalanja dia hanampy antsika hahazo ny fanajan’ireo rahalahintsika ara-panahy ka hitondra fanampiana tena mandaitra. Mora erỳ ny mifantoka amin’ny zava-misy sasantsasany ka hanao fanatsoahan-kevitra maimaika sy mifototra amin’ny feon-dakolosy tokana. Izany dia mahatonga ny hafa hieritreritra fa tery saina isika, raha tsy hoe efa nanidy ny saintsika mihitsy aza, tahaka ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, izay nirona hanavesatra ny hafa tamin’ireo lalàny tsy nety tapitra. (Matio 23:2-4). Etsy an-danin’izany, raha sady manalavitra ny fanaovan-javatra tafahoatra isika no manome torohevitra tsara dia tsara miorina mafy amin’ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina, ka manome taratry ny fomba fisainan’i Jehovah izay mahitsy nefa voalanjalanja sy feno famindram-po, dia ho mora lavitra ho an’ny hafa ny hanaiky sy hampihatra ny tolo-kevitsika.
Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy rahalahy tanora avy tamin’ny kôngregasiôna maromaro niaraka nanao fanatanjahan-tena. Nampalahelo fa nitombo teo amin’izy ireo ny toe-tsaina tia fifaninanana, hany ka nifamaly mafy izy ireo. Ahoana no niatrehan’ireo loholona teo an-toerana ilay zava-nanahirana? Takatr’izy ireo fa mila miala voly ny tanora, ka tsy nanolo-kevitra ny hampitsaharana tanteraka ilay fanatanjahan-tena izy ireo. (Efesiana 5:17; 1 Timoty 4:8). Fampitandremana hentitra nefa araka ny antonony kosa no nomen’izy ireo, mahakasika izay mety hoentin’ny toe-tsaina tia fifaninanana. Anisan’ny tolo-kevitra mahasoa nomen’izy ireo koa ny hoe tokony hisy olon-dehibe mahay mandray andraikitra hanatrika eo. Takatr’ireo tanora fa feno fahendrena sy voalanjalanja ilay torohevitra ka noraisiny tsara. Ankoatra izany, dia nitombo ny fanajany an’ireo loholona sy ny firaiketam-pony tamin’izy ireo.
Miezaha mba hivelatra
Na dia mety tsy hinia hihazona fitsarana an-tendrony aza ianao, dia mbola hilaina ihany ny ezaka amim-pahatapahan-kevitra mba hampivelarana ny fomba fisainanao. Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia saintsaino izy io mba hahazoana sy hahatakarana ny fomba fisainan’i Jehovah. (Salamo 139:17). Miezaha hahatakatra ny anton’ireo teny atao ao amin’ny Baiboly sy ireo foto-pitsipika tafiditra, ary milofosa hanana fomba fihevitra sahala amin’ny an’i Jehovah. Izany dia hifanaraka amin’ny vavak’i Davida, manao hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro”. — Salamo 25:4, 5.
Handray fitahiana ianao rehefa mampivelatra kokoa ny fomba fijerinao. Ny fitahiana iray amin’ny fananana fomba fijery mivelatra dia ny fahazoanao laza tsara ho olona mahay mandanjalanja sy mahatakatra ny toeran’ny hafa. Ho afaka hanao zavatra araka ny antonony kokoa sy amim-pangorahana kokoa ianao rehefa mitondra fanampiana amin’ny toe-javatra samy hafa. Izany kosa indray dia ho anisan’ny hampisy firaisan-tsaina sy firindrana mahatalanjona eo anivon’ireo mpirahalahy kristianina.
[Sary, pejy 12]
Ny fanomezana amim-pahalalahan-tanana dia manampy ny hafa, mitondra fifaliana ho an’ilay nanome, ary mahafaly an’ilay Raintsika any an-danitra