Nahoana no Tena Kely ny Fotoana?
NY FOTOANA. Mety ho sarotra amintsika ny mamaritra tsara ny atao hoe fotoana, kanefa azo antoka fa tsapantsika ho toa tsy ampy mihitsy ny fotoanantsika. Fantatsika koa fa mandeha haingana ny fotoana. Raha ny marina, dia matetika isika no miteny amim-pisentoana hoe: “Mihazakazaka be ny fotoana.”
Na izany aza, dia miharihary fa marina kokoa ny voalazan’ilay poety anglisy atao hoe Austin Dobson, rehefa nanamarika toy izao izy, tamin’ny 1877: “Mandeha hoe ny fotoana? Tsia! Indrisy! Eo ihany ny fotoana, fa isika no mandalo.” Efa ho 80 taona izao no nahalasanan’i Dobson, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1921; ny fotoana anefa nitohy ihany.
Fotoana be dia be
Izao no lazain’ny Baiboly amintsika, mahakasika ny Mpamorona ny olombelona: “Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (Salamo 90:2). Na hoe “efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay hianao, ry Andriamanitra”, araka ny Fandikan-teny Katolika. Koa haharitra toa an’Andriamanitra àry ny fotoana, izany hoe haharitra mandrakizay!
Mifanohitra tanteraka amin’Andriamanitra, izay manana ny mandrakizay eo am-pelatanany, ny olombelona, satria izao no vakintsika momba azy: “Fa ny andronay rehetra efa lasa amin’ny fahatezeranao; efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay. Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” — Salamo 90:9, 10.
Nahoana no fohy kely ny fiainana ankehitriny, kanefa ny Baiboly mampianatra mazava fa fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny olona mandrakizay? (Genesisy 1:27, 28; Salamo 37:29). Nahoana no latsaka ny 30 000 andro, fara fahelany, ny androm-piainan’olombelona, amin’ny antsalany, nefa tsy manam-petra no nikasan’Andriamanitra azy? Nahoana no tena kely ny fotoana ananan’ny olombelona? Iza na inona no nahatonga izany toe-javatra mampalahelo izany? Manome valiny mazava sy mahafa-po ny Baiboly.a
Mihakely ihany ny fotoana
Heken’ireo zokiolona fa nanjary hazakazaka be ny fiainan’ny olona, tato anatin’ireo am-polony taona faramparany. Nomarihin’ny mpanao gazety iray, ny Dr. Sybille Fritsch, fa nandritra ny 200 taona farany, dia nihena ny fotoana fiasana, izay 80 ora, ka nanjary 38 ora. “Tsy nampitsahatra ny fitarainantsika anefa izany”, hoy izy. Izao no nohazavainy: “Tsy misy fotoana; vidividina ny fotoana; aiza no ahitana fotoana; hazakaza-dava ny fiainana.”
Ireo zava-baovao noforonin’olombelona dia nanome fahafahana hanao zavatra maro mbola tsy nonofinofisin’ny taranaka tany aloha mihitsy. Arakaraka ny itomboan’ny fahafahana hanao zavatra maro be anefa, no itomboan’ny fahakiviana, satria kely loatra ny fotoana hanaovana izany. Ankehitriny, any amin’ny faritra maro eto an-tany, dia manaraka fandaharam-potoana hentitra ny fiainan’ny olona, ka manenjika fotoana foana izy ireo. Tsy maintsy mandeha miasa amin’ny 7.00 maraina i Dada, tsy maintsy manatitra ny ankizy any an-tsekoly amin’ny 8.30 maraina i Neny, manana fotoana amin’ny dokotera amin’ny 9.40 maraina i Dadabe, ary tsy maintsy vonona ho amin’ny fivoriana lehibe iray amin’ny 7.30 hariva ny rehetra. Zara raha misy fotoana tavela ho an’ny fialam-boly, noho ny fanenjehana fotoana foana. Ary mitaraina momba ny asa dridralava isan’andro, momba ny rotoroton’ny fiainana andavanandro, isika.
Tsy isika irery no tsy manam-potoana firy
Notodin’ny haratsiam-panahiny ihany ankehitriny i Satana Devoly, Fahavalon’Andriamanitra, ilay nahatonga ny fanafohezana ny androm-piainan’olombelona noho ny teti-dratsiny. (Ampitahao amin’ny Galatiana 6:7, 8.) Manome antsika antony tokony hahavelom-panantenana ny Apokalypsy 12:12, rehefa miresaka ny amin’ny nahaterahan’ny Fanjakana Mesianika tany an-danitra, manao hoe: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Izahay no manao sora-mandry.
Miaina eo am-pifaranan’izany ‘andro kely sisa’ izany isika ankehitriny, araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly azo itokisana, sy araka ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-baiboly. Endrey ny hafaliana mahafantatra fa tsy ho ela dia ho tapitra tanteraka ny andron’i Satana, amin’ny fitambarany! Rehefa voagadra izy, dia haverina ho amin’ny fahalavorariana ny olombelona mpankato, ka ho afaka ny hahazo ny fiainana mandrakizay nokasain’i Jehovah ho azy ireo, tany am-boalohany. (Apokalypsy 21:1-4). Tsy ho olana intsony ny tsy fahampiam-potoana.
Azonao alaina sary an-tsaina ve izany hoe hiaina mandrakizay izany? Tsy hampanahy anao intsony ireo zavatra tsy maintsy navelanao fa tsy vita. Raha mila fotoana bebe kokoa ianao, dia ho eo ny ampitso, na ny herinandro manaraka, na ny amin’ny herintaona, eny, raha ny marina, dia hivelatra eo anoloanao ny mandrakizay tsy misy fetra!
Fampiasana amim-pahendrena ny fotoana ananantsika ankehitriny
Takatr’i Satana fa voafetra ny fotoana itaomany ny olombelona, ka miezaka hitana ny olona ho be atao aoka izany izy, mba tsy hananan’izy ireo fotoana hihainoana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. Maneho fahendrena àry isika, raha manaraka izao torohevitra avy amin’Andriamanitra izao: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.” — Efesiana 5:15-17.
Tena zava-dehibe ny ampiasantsika ny fotoanantsika amim-pahendrena mba hanaovana ireo zava-dehibe indrindra, fa tsy ny andanilaniana fotsiny ny fotoana amin’ny fikatsahan-javatra tsy ilaina, izay tsy hitondra soa maharitra! Isika dia tokony hamboly fihetsika toy ny an’i Mosesy, izay niangavy an’i Jehovah tamin’ireto teny nolazainy tamim-pahatsorana ireto: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” — Salamo 90:12.
Marina fa be atao avokoa ny rehetra eto amin’ity tontolo ankehitriny ity. Na izany aza, dia mampirisika anao mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanokana ny sasany amin’ny fotoananao sarobidy hianarana momba ny zavatra takin’Andriamanitra, raha tianao ny hahazo ny fiainana mandrakizay, eo ambany fanapahan’ilay Fanjakany. Adiny iray isan-kerinandro ianarana tsy tapaka ny Baiboly, ‘amantarana izay sitrapon’ny Tompo’, dia mety hanampy mba hahitan’ny tenanao ny fahatanterahan’ireto teny ireto: “Halaviro ny ratsy, ka manaova soa, dia honina mandrakizay hianao. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:27, 29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, toko faha-6, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.