Taona Niavaka Iray teo Amin’ny Fanelezana Baiboly
MARO kokoa noho ny hatramin’izay ny olona manana Baiboly. Izany no toa tian’ny tatitra iray avy tamin’Ireo Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra hambara, satria nitombo antsasa-tapitrisa mahery noho ny tamin’ny taona teo alohany ny isan’ny Baiboly voaely tamin’ny 1998. Tamin’ny fitambarany, dia nisy Baiboly—manontolo na ampahany aminy—maherin’ny 585 000 000 voaely naneran-tany. “Mampahery ihany izany”, hoy ilay tatitra. “Tonga any amin’ny olona maro kokoa ny Tenin’Andriamanitra amin’izao andro izao.”
Mazava ho azy fa tsy mitovy ny hoe manana Baiboly sy ny hoe mamaky azy io. Ohatra, ny fanadihadiana iray dia nampiharihary fa maherin’ny 90 isan-jaton’ny Amerikanina no manana Baiboly iray, fara faharatsiny, ary mitovy amin’izany koa ny isan’ireo mino fa ny Baiboly dia loharano tsara ahazoana fampianarana ara-pitondran-tena. Kanefa, 59 isan-jato monja no nilaza fa mitodika any amin’ny Baiboly mba hahazoana torohevitra. Ary 29 isan-jato no niaiky fa, na “tsy tena” mahalala ny Baiboly, na “tsy mahalala mihitsy” azy io.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy vitan’ny hoe manao pirinty sy mampiely Baiboly fotsiny, fa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano maimaim-poana amin’ny olona any amin’ny tany maherin’ny 230 koa. Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no mandray soa ankehitriny avy amin’io fandaharam-pampianarana Baiboly io. Ampiana izy ireny mba hiezaka handresy ny olana atrehiny ankehitriny, ary ianarany izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy mamirapiratra, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Isaia 48:17, 18; Matio 6:9, 10.
[Sary, pejy 32]
Fianarana Baiboly ao an-tokantrano any (manaraka ny fihodin’ny famantaranandro, avy eo ambony, ankavia) Bolivia, Ghana, Sri Lanka, ary Angletera