Karazan’izay Manam-pinoana Izahay
Fanolorana Hafatra Fampiononana any Italia
I JEHOVAH dia “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. Amin’ny fianarana hanahaka azy, ireo mpanompony dia ‘mahay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana’. (2 Korintiana 1:3, 4, Efesiana 5:1). Io no iray amin’ireo tanjona lehibe indrindra amin’ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fanampiana vehivavy iray nila izany
Tato anatin’ireo taona faramparany indrindra, dia nanosika olona maro hifindra tany amin’ny tany manankarena kokoa, ny fahantrana sy ny ady ary ny faniriana hahita fiainana tsara kokoa. Tsy mora anefa ny mizatra amin’ny toe-piainana vaovao. Niara-niaina tamin’ny Albaney namany, tany Borgomanero, i Manjola. Koa satria tsy araka ny lalàna ny fipetrahany tany Italia, dia nisalasala izy ny hiresaka tamin’i Wanda, izay Vavolombelon’i Jehovah. Na izany aza, tamin’ny farany i Wanda dia nahavita nandamina fotoana mba hihaonana tamin’i Manjola, izay vetivety dia nampiseho fahalianana be tamin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, na dia nanasarotra izany aza ny tsy fahaizany ilay fiteny.
Taorian’ny fitsidihana vitsivitsy anefa, dia tsy nahita olona tao an-trano intsony i Wanda. Inona no nitranga? Ren’i Wanda fa nitsoaka daholo ireo nipetraka tao amin’ilay trano, satria ny iray tamin’izy ireo—ankizilahy niarahan’i Manjola—dia notadiavina noho izy namono olona!
Efa-bolana tatỳ aoriana, dia nihaona tamin’i Manjola indray i Wanda. “Hatsatra sy nahia, toa olona iray izay tena nandia fotoan-tsarotra, izy”, hoy ny tsaroan’i Wanda. Nanazava i Manjola fa naiditra am-ponja ilay ankizilahy niarahany taloha, ary nandiso fanantenana tanteraka azy, ireo namana izay nitodihany mba hahazoana fanampiana. Tao anatin’ny famoizam-po izy, ka nivavaka tamin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana. Avy eo, dia nahatsiaro an’i Wanda, izay niresaka momba ny Baiboly, izy. Tena faly mihitsy i Manjola nahita an’i Wanda indray!
Nitohy indray ny fianarana Baiboly, ary tsy ela dia nanomboka nanatrika ny fivoriana kristianina i Manjola. Nahazo fanomezan-dalana ara-dalàna hipetraka tao Italia izy. Herintaona tatỳ aoriana, dia tonga Vavolombelona vita batisa i Manjola. Nahazo fampiononana avy tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra izy, ka niverina tany Albania mba hizara ny hafatra fampiononana avy ao amin’ny Baiboly tamin’ireo mpiray tanindrazana taminy.
Fitoriana tany amin’ny toeram-pilasian’ny mpiavy
Nanao fandaharana mba hitory tamin’ny mpiavy tahaka an’i Manjola, ny kôngregasiôna italianina maro. Ohatra, ny kôngregasiôna iray tany Florence dia nanao fandaharana mba hitsidika tsy tapaka ny toeram-pilasian’ny mpiavy. Ireo nipetraka tao amin’ilay toeram-pilasiana—avy tany Eoropa Atsinanana sy Macédoine ary Kosovo, ny maro taminy—dia nandia zava-tsarotra maro samihafa. Nidoroka zava-mahadomelina na zava-pisotro misy alkaola ny sasany. Maro no namelon-tena tamin’ny halatra madinika.
Sarotra ny nitory teo amin’io fiaraha-monina io. Kanefa, tamin’ny farany, dia afaka niresaka tamin’i Jaklina, vehivavy iray avy any Macédoine, i Paola, mpitory ny filazantsara manontolo andro. Taorian’ny resaka vitsivitsy, dia nampirisika an’i Susanna, namany, mba handinika ny Baiboly, i Jaklina. I Susanna kosa dia niresaka tamin’ny havany hafa. Tsy ela dia nianatra tsy tapaka ny Baiboly sy nanatrika ny fivoriana kristianina, ary nampihatra izay nianarany, ny dimy tamin’ilay fianakaviana. Na dia eo aza ny zava-manahirana tsy maintsy atrehiny, dia manovo fampiononana avy amin’i Jehovah sy ny Teniny izy ireo.
Nanaiky fampiononana avy tamin’i Jehovah ny masera iray
Tao amin’ny tanànan’i Formia, ny mpitory ny filazantsara iray nantsoina hoe Assunta, dia niresaka tamin’ny vehivavy iray izay sahirana teny am-pandehanana. Ilay vehivavy dia masera tao amin’ny fikambanana ara-pivavahana iray, izay manome fanampiana ny marary sy ny osa any amin’ny hopitaly sy any an-tokantranon’olona.
Hoy i Assunta tamin’ilay masera: “Mijaly koa ianao izany, sa tsy izany? Mampalahelo, fa manan-java-manahirana tsy maintsy zakaina avokoa isika rehetra.” Tamin’izay, dia nigogogogo nitomany ilay masera, ary nanazava fa nanan-java-nanahirana ara-pahasalamana lehibe izy. Nampahery azy i Assunta, ka nilaza fa ilay Andriamanitry ny Baiboly dia ho afaka hampionona azy. Nandray ireo gazety miorina amin’ny Baiboly natolotr’i Assunta azy ilay masera.
Nandritra ny resany nanaraka, io masera io, izay natao hoe Palmira, dia nilaza fa nijaly be izy. Nipetraka nandritra ny fotoana ela tao amin’ny trano fampiofanana iray notantanan’ireo masera izy. Rehefa voatery nandao vetivety io toerana io, noho ny tsy fahasalamana, izy, dia tsy navela hiverina. Na izany aza, dia nahatsapa ho nanana adidy tamin’Andriamanitra izy, noho ireo voady nataony tamin’ny naha masera azy. Nitodika tany amin’ny mpanasitrana izy mba hahazo “fitsaboana”, nefa azon’ny fikorontanana ara-tsaina, noho ny nandehanany tany. Nanaiky hianatra Baiboly i Palmira, ary nanatrika fivoriana kristianina nandritra ny herintaona. Avy eo, dia nifindra tany amin’ny faritra hafa izy, ka tsy nifandray taminy intsony ilay Vavolombelona. Roa taona no lasa, talohan’ny nahitan’i Assunta azy indray. Niharan’ny fanoherana lehibe avy tamin’ny fianakaviany sy ny mpitondra fivavahana i Palmira. Na izany aza, dia nanohy ny fianarany Baiboly indray izy, ka nandroso ara-panahy, ary natao batisa mba ho tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Eny, maro no mahazo fampaherezana avy amin’ny hafatr’ilay ‘Andriamanitra izay manome fampiononana’. (Romana 15:4, 5, NW ). Noho izany, ny Vavolombelon’i Jehovah italianina dia tapa-kevitra ny hanohy hanahaka an’Andriamanitra, amin’ny fanolorana amin’ny hafa ny hafatra fampiononana mahatalanjona avy aminy.