Nandamina Fikarakarana Fanomezana ho An’ny Olona Masina i Paoly
NY TOMBONTSOA ara-panahy no zava-dehibe indrindra amin’ny Kristianina marina. Na izany aza, dia zava-dehibe amin’izy ireo koa ny fiahiana ny amin’izay hahasoa ny hafa eo amin’ny lafiny ara-nofo. Matetika izy ireo no manome fanampiana ho an’ireo mandia zava-tsarotra. Ny fitiavan-drahalahy no manosika ny Kristianina hanampy ireo mpiray finoana sahirana.—Jaona 13:34, 35.
Ny fitiavana ny rahalahiny sy anabaviny ara-panahy dia nanosika ny apostoly Paoly handamina famoriam-bola teo amin’ireo kongregasiona tany Akaia, Galatia, Makedonia, sy tany amin’ny distrikan’i Azia. Nahoana no nanjary tena nilaina izany? Tamin’ny fomba ahoana no nandaminana ilay fandaharam-panampiana? Nanao ahoana ny vokany? Ary nahoana isika no tokony ho liana ny amin’izay nitranga?
Ilay toe-javatra nisy ny kongregasiona tany Jerosalema
Taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nijanona tany Jerosalema nandritra ny fotoana elaela ny Jiosy sy ny proselyta avy tany an-toeran-kafa izay nanjary mpianatra tamin’iny Pentekosta iny, mba hianatra bebe kokoa momba ny finoana marina. Rehefa nanjary nilaina izany, dia faly ireo mpiara-manompo niantsoroka ny andraikitra mavesatra nentin’izany fijanonan’izy ireny naharitra kokoa izany. (Asan’ny Apostoly 2:7-11, 41-44; 4:32-37). Niteraka fahasahiranana fanampiny angamba ny hotakotaka, rehefa nanetsika fikomiana sy herisetran’ny mpirotaka ireo Jiosy tia tanindrazana. Kanefa, mba tsy hisian’ny mpanara-dia an’i Kristy ho noana, dia nizarana sakafo isan’andro ny mpitondratena sahirana. (Asan’ny apôstôly 6:1-6, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Nanenjika mafy ny kongregasiona i Heroda, ary nisy mosary namely mafy an’i Jodia tany antenatenan’ireo taona 40 am.f.i. Raha ny mpanara-dia an’i Jesosy no resahina, dia mety ho niteraka an’izay nantsoin’i Paoly hoe ‘fijaliana’, ‘fampahoriana’, sy “ny fandrobana ny fananan[’izy ireo]” izany rehetra izany.—Hebrio 10:32-34, Fandikan-teny Katolika; Asan’ny Apostoly 11:27–12:1.
Mbola ratsy ihany ny toe-javatra tany amin’ny taona 49 am.f.i. tany ho any. Noho izany, rehefa avy nanaiky i Petera sy i Jakoba ary i Jaona fa tokony hampifantoka ny fitoriany tamin’ny Jentilisa i Paoly, dia nampirisika azy mafy izy ireo mba ‘hahatsiaro ny mahantra’. Izany indrindra no niezahan’i Paoly hatao.—Galata 2:7-10, Kat.
Fandaminana ny famoriam-bola
Niandraikitra tahirim-bola iray ho an’ny Kristianina nahantra tany Jodia i Paoly. Tokony ho tamin’ny 55 am.f.i., dia nilaza toy izao tamin’ny Korintianina izy: “Ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia. Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy. (...) Ary [izay lehilahy rehetra mahazo lalana an-taratasy avy aminareo no hirahiko hanatitra ny fanomezanareo mampiseho hatsaram-panahy, NW ] ho any Jerosalema.” (1 Korintiana 16:1-3). Nilaza i Paoly, herintaona tatỳ aoriana, fa nandray anjara koa i Makedonia sy i Akaia. Ary rehefa nalefa tany Jerosalema ny vola voangona rehetra, ny fisian’ny solontena avy tany amin’ny distrikan’i Azia dia toa mampiseho fa nandray anjara koa ireo kongregasiona tany amin’izany faritra izany.—Asan’ny Apostoly 20:4; 2 Korintiana 8:1-4; 9:1, 2.
Tsy nisy olona noterena hanome mihoatra noho izay zakany. Ny mba hisian’ny fitoviana kosa no anton’ilay izy, ka ny ambim-bava rehetra dia hamenoana ilay tsy fahampiana nisy teo amin’ny olona masina tany Jerosalema sy Jodia. (2 Korintiana 8:13-15). “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy,” hoy i Paoly, “tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’.”—2 Korintiana 9:7.
Nanome ho an’ny Korintianina antony tsara hanehoana fahalalahan-tanana, ilay apostoly. ‘Tonga mahantra noho ny amin’izy ireo, mba hampanankarena azy ireo’ tamin’ny lafiny ara-panahy, i Jesosy. (2 Kôrintianina 8:9, DIEM ). Azo antoka fa ho naniry hanahaka ny toe-tsaina tia manome nasehony, izy ireo. Ambonin’izany, satria nampanankarena azy ireo “ho amin’ny karazam-pahalalahan-tanana” rehetra Andriamanitra, dia nety ny nanampian’izy ireo ny olona masina mba hahazoany izay nilainy.—2 Korintiana 9:10-12, NW.
Ny toe-tsaina nasehon’ireo nandray anjara
Afaka mianatra zavatra maro momba ny fanaovana fanomezana an-tsitrapo isika, rehefa mandinika ny toe-tsaina nasehon’ireo nandray anjara tamin’ilay fandaharam-panampiana ho an’ny olona masina, tamin’ny taonjato voalohany. Bebe kokoa noho ny fiahiana ireo mpiara-mivavaka tamin’i Jehovah nahantra no tafiditra tamin’ilay famoriam-bola. Nidika koa izy io fa nisy fatoram-pirahalahiana nampifandray ny Kristianina jiosy sy jentilisa. Nampiseho ny firaisan-tsaina sy ny fisakaizana nisy teo amin’ireo Jiosy sy Jentilisa ireo, ny fanolorana sy ny fandraisana fanomezana. Nifanome zavatra ara-nofo sy ara-panahy izy ireo.—Romana 15:26, 27.
Nety ho tsy nanasa ny Kristianina tany Makedonia handray anjara i Paoly, teo am-boalohany. Tao anatin’ny fahantrana faraidiny koa mantsy ny tenan’izy ireo. Kanefa, ‘nangataka mafy [hahazo tombontsoa hanome, NW ]’ izy ireo. Eny fa na dia “tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy” aza izy ireo, dia nanome tamim-pifaliana “mihoatra noho ny zakany”! (2 Korintiana 8:1-4). Toa tafiditra tao amin’ilay fizahan-toetra lehibe nodiavin’izy ireo ny fiampangana fa nanaraka fivavahana voarara ho an’ny Romanina, izy ireo. Koa tsy mahagaga àry raha nahay niombom-pihetseham-po tamin’ireo rahalahiny tany Jodia, izay nizaka zava-tsarotra toy izany koa, izy ireo.—Asan’ny Apostoly 16:20, 21; 17:5-9, 1 Tesaloniana 2:14.
Na dia nampiasa ny zotom-po nananan’ireo Korintianina teo am-boalohany teo amin’ilay famoriam-bola aza i Paoly, ho fampirisihana ny Makedonianina, dia efa nihena ny hafanam-po tany Korinto. Ny fahalalahan-tanana nasehon’ny Makedonianina indray izao no notononin’ilay apostoly mba hanosehana ny Korintianina hanao zavatra. Hitany fa tena nilaina ny hampahatsiahivana azy ireo fa tonga ny fotoana hamitana izay natombok’izy ireo herintaona talohan’izay. Inona no nitranga?—2 Korintiana 8:10, 11; 9:1-5.
Nanomboka ilay famoriam-bola tany Korinto i Titosy, nefa nisy olana nipoitra izay azo inoana fa nampandamòka ny ezaka nataony. Rehefa avy naka hevitra tamin’i Paoly tany Makedonia izy, dia niara-niverina tamin’ny rahalahy roa hafa mba hanohana ny kongregasiona tany Korinto sy hamita ilay famoriam-bola. Mety ho nilaza an-kolaka ny sasany fa nitady hanararaotra ny Korintianina i Paoly. Azo inoana fa izany no antony nanirahany lehilahy telo mba hamita ilay famoriam-bola, ary nanaovany fanolorana tsara momba ny tsirairay tamin’izy ireo. “Mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao [fanomezana mampiseho fahalalahan-tanana natao hokarakarainay, NW ] izao,” hoy i Paoly, “fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa.”—2 Korintiana 8:6, 18-23; 12:18.
Fanolorana ilay fanomezana
Tamin’ny lohataonan’ny 56 am.f.i., dia vonona ilay vola nomena tokony haterina tany Jerosalema. Naniry hiara-dia tamin’ireo solontena nofidin’ireo nanao an’io fanomezana io i Paoly. Milaza toy izao ny Asan’ny Apostoly 20:4: “Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak’i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.” Miharihary fa anisan’izy ireo koa i Lioka, izay mety ho nisolo tena ny Kristianina tany Filipy. Araka izany, dia lehilahy sivy, fara fahakeliny, no nandeha tamin’ilay asa nanirahana.
“Tsy maintsy ho be dia be ny vola voangona”, hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Dieter Georgi, “raha tsy izany, dia tsy ho mendrika ny fahasahiranana sy ny vola lany, ireo ezaka farany nandraisan’i Paoly sy ny solontena betsaka aoka izany anjara.” Tsy vitan’ny hoe niantoka filaminana ilay antokon’olona, fa niaro koa an’i Paoly tamin’izay nety ho fiampangana ny amin’ny tsy fanaovany ny marina. Nisolo tena ireo kongregasiona jentilisa teo anoloan’ny olona masina tany Jerosalema ireo olona nirahina ireo.
Raha niondrana an-tsambo avy tao Korinto nankany Syria izy ireo, dia tokony ho tonga tany Jerosalema tamin’ny Paska. Niova anefa ilay fikasana, satria nisy resaka nandeha momba ny tetika iray natao hamonoana an’i Paoly. (Asan’ny Apostoly 20:3). Angamba nitady hamono azy teny afovoan-dranomasina ny fahavalony.
Zavatra hafa anefa no nampanahy an’i Paoly. Talohan’ny niaingany, dia nanoratra tamin’ny Kristianina tany Roma i Paoly hivavahan’izy ireo ‘mba ho voavonjy amin’ny tsy mino any Jodia izy, ary mba hankasitrahan’ny olona masina izay fanompoana hataony any Jerosalema’. (Romana 15:30, 31). Na dia tsy nisalasalana aza fa horaisin’ny olona masina tamim-pankasitrahana lalina ireo fanomezana, dia angamba nanahy ihany i Paoly ny amin’ny tabataba nety ho nateraky ny fahatongavany teo amin’ny Jiosy tamin’ny ankapobeny.
Tena nahatsiaro tokoa ny mahantra ilay apostoly. Na dia tsy voalaza ao amin’ny Soratra Masina aza ny tena fotoana nanolorana ilay fanomezana, ny fizarana azy io dia nampandroso ny firaisan-tsaina. Nanome ho an’ny Kristianina jentilisa koa fahafahana haneho fankasitrahana an’ireo mpiray finoana taminy tany Jodia, izy io, ho setrin’ny harena ara-panahy voaray avy tamin’izy ireo. Niteraka rotaka sady nitarika ho amin’ny fisamborana an’i Paoly ny nisehoany tao amin’ny tempoly, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tany Jerosalema. Nanome azy fahafahana hanao fanambarana tamin’ny mpanapaka sy mpanjaka anefa izany, tamin’ny farany.—Asan’ny Apostoly 9:15; 21:17-36; 23:11; 24:1–26:32.
Ireo fanomezantsika amin’izao fotoana izao
Betsaka ireo zavatra niova hatramin’ny taonjato voalohany, fa tsy niova kosa ireo foto-pitsipika fototra. Mety tsara raha ampahafantarina ny Kristianina ny amin’izay ilaina eo amin’ny lafiny ara-bola. Tokony hatao an-tsitrapo sady hatosiky ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ny fanaovana fanomezana rehetra ho an’ireo sahirana.—Marka 12:28-31.
Ny fandaharam-panampiana natao ho tombontsoan’ny olona masina tamin’ny taonjato voalohany, dia mampiseho fa tsy maintsy alamina tsara sady tandremana fatratra mba hatao amim-pahamarinana ny fikarakarana ny fanomezana toy ireny. Mazava ho azy fa fantatr’i Jehovah Andriamanitra ireo zavatra ilaina, ka manao fandaharana ho an’ny mpanompony izy mba hahafahan’izy ireo hanohy hizara ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana amin’ny olon-kafa, na dia eo aza ny zava-tsarotra. (Matio 6:25:34). Isika rehetra kosa dia afaka manao ny anjarantsika, na manao ahoana na manao ahoana ny toerantsika ara-bola. Amin’izay, ‘ny hanangona be tsy hanana amby, ary ny hanangona kely tsy hanana ny tsy ampy’.—2 Korintiana 8:15.