Arovy ny Sainao—Manaova Zavatra Amim-pahendrena
ALAO sary an-tsaina izao: Manazava i Jesosy Kristy fa hampijaly be azy ny fahavalony ara-pivavahana any Jerosalema, ary hamono azy ho faty. Tsy nety nino izany ny apostoly Petera, ilay namany akaiky. Nentiny nitokana i Jesosy ary noteneniny mafy. Vokatry ny fon’i Petera izany, sady fiahiany an’i Jesosy. Ahoana anefa no fahitan’i Jesosy an’izany? “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana”, hoy izy. “Fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.”—Matio 16:21-23.
Tsy maintsy ho taitra mafy i Petera tamin’izany! Lasa “fahatafintohinana” ho an’ny Tompo malalany izy teo, fa tsy fanampiana ho azy. Inona no nahatonga izany? Mety ho voan’ilay fomba fisainana tsy mety, izay mpahazo ny olombelona i Petera, ka izay tiany inoana ihany no ninoany.
Tsy mety ny matoky tena loatra
Ny fironana hatoky tena loatra no anisan’ny manimba ny saintsika. Hoy ny apostoly Paoly, rehefa nampitandrina ny Kristianina namany tany Korinto fahiny izy: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:12) Nahoana i Paoly no nilaza izany? Satria angamba fantany fa mora simba ny sain’ny olombelona, ary na dia ny sain’ny Kristianina aza, dia mety ho “simba [ka] hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy.”—2 Korintiana 11:3.
Nitranga tamin’ireo razamben’i Paoly izany. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako.” (Isaia 55:8) Nanjary ‘nanao azy ho hendry’ izy ireo, ka loza no vokany. (Isaia 5:21) Mety àry izao, raha jerentsika ny fomba hihazonana ny saintsika tsy ho simba sy tsy hiharan’ny loza toy izany.
Mitandrema amin’ny fisainana araka ny nofo
Nanimba olona sasany tany Korinto ny fisainana araka ny nofo. (1 Korintiana 3:1-3) Ny fampianaran’olombelona no tena nantitranterin’izy ireo, fa tsy ny Tenin’Andriamanitra. Azo antoka fa nahira-tsaina ny filozofa grika tamin’izany. Adala anefa izy ireny, teo imason’Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Voasoratra hoe: ‘Hofoanako ny fahendren’ny hendry, ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala.’ Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?” (1 Korintiana 1:19, 20) “Ny fanahin’izao tontolo izao” no nibaiko an’ireny manam-pahaizana ireny, fa tsy ny fanahin’Andriamanitra. (1 Korintiana 2:12) Tsy nifanaraka tamin’ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fampianarany sy ny heviny.
I Satana Devoly, ilay nampiasa menarana mba hamitahana an’i Eva, no tena loharanon’ny fisainana araka ny nofo toy izany. (Genesisy 3:1-6; 2 Korintiana 11:3) Mbola mampidi-doza ho antsika ve izy? Eny! Araka ny Tenin’Andriamanitra, dia ‘manajamba ny sain’ny tsy mino’ i Satana, ary ‘mamitaka an’izao tontolo izao.’ (2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:9) Ilaintsika mihitsy àry ny ho mailo amin’ireo tetik’i Satana!—2 Korintiana 2:11.
Mitandrema amin’ny “saim-petsy ataon’ny olona”
Nampitandrina ny amin’ny “saim-petsy ataon’ny olona” koa ny apostoly Paoly. (Efesiana 4:14) Nifanehatra tamin’ny “mpiasa mamitaka” izy, dia olona izay mihambo ho mampiseho ny fahamarinana, kanefa nanova izany, raha ny marina. (2 Korintiana 11:12-15) Ireto avy no mety hampiasain’ny olona toy ireny mba hanatratrarana ny zava-kendreny: mifantina ny porofo holazaina, mampiasa teny mampihetsi-po, milaza zavatra tsy marina loatra, mampiasa teny misy heviny roa ary lainga an-kitsirano mihitsy aza.
Matetika ny mpanaratsy no mampiasa teny toy ny hoe “sekta” mba hanaratsiana ny hafa. Nisy soso-kevitra toy izao, naroso teo anoloan’ny Fivoriamben’ny Parlemantan’ny Filan-kevitr’i Eoropa: “Tsy tokony hampiasa an’io teny io” ny manam-pahefana, rehefa mamotopototra momba ireo fivavahana vaovao. Nahoana? Satria hita fa manana heviny ratsy loatra ilay teny hoe “sekta.” Voalaza koa hoe: “Tena ratsy na mampidi-doza no fiheveran’ny besinimaro ny atao hoe sekta.” Ireo manam-pahaizana grika koa, dia nilaza fa “mpibedibedy” na “mpitsindroka” ny apostoly Paoly. Tsy tena fahalalana no nambaran’i Paoly, hoy izy ireo, fa sombim-pahalalana notsindrohina tetsy sy teroa fotsiny. Raha ny marina anefa, dia i “Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notoriny.”—Asan’ny Apostoly 17:18; fanamarihana ambany pejy.
Mahomby ve ireo fomba ampiasain’ny mpanaratsy? Eny. Izy ireo no nahatonga foko sy fivavahana hifankahala, satria novan’izy ireo ny fomba fijerin’ny olona ny hafa firenena sy ny hafa fivavahana aminy. Betsaka no nampiasa ireo mpanaratsy mba hanilihana izay vitsy an’isa sy tsy be mpitia. Nampiasa an’io fomba io, ohatra, i Adolf Hitler, ka nolazainy fa “simba” sy “ratsy” ary “loza mandrahona” ny Fitondrana ireo jiosy sy ny olon-kafa. Aza avela hanapoizina ny sainao mihitsy àry ny saim-petsy toy izany.—Asan’ny Apostoly 28:19-22.
Aza mamita-tena
Mora koa anefa ny mamita-tena. Mety ho sarotra be ny miala amin’ny hevitra tena tiana, na ny hamakafaka izany tsara. Nahoana? Satria manjary miraiki-po amin’ny hevitsika isika. Mety hamita-tena isika amin’izay, ka hitady fomba hanamarinana ilay hevitra tena diso sy mamitaka.
Nitranga tamin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany izany. Hainy ny Tenin’Andriamanitra, nefa tsy navelany hibaiko ny sainy izany. ‘Namita-tena’ tamin’ny hevi-diso izy ireo tamin’ny farany. (Jakoba 1:22, 26) Mamita-tena koa isika, raha manjary tezitra rehefa misy mitsikera ny zavatra inoantsika. Tsy tokony ho tezitra mihitsy isika, fa ho malala-tsaina foana kosa, ary hihaino tsara izay lazain’ny hafa amintsika, na dia azontsika antoka aza fa marina ny hevitsika.—Ohabolana 18:17.
Karohy ny “fahalalana an’Andriamanitra”
Inona no azontsika atao mba hiarovana ny saintsika tsy ho simba? Maro ny fanampiana azo raisina, fa tokony ho vonona hanao ezaka amin’izany isika. Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:1-5) Eny, hahazo ny tena fahendrena sy fahatakarana hevi-dalina ary fahaiza-manavaka isika, raha miezaka mameno ny saintsika sy ny fontsika amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hikaroka zavatra sarobidy lavitra noho ny volafotsy na harena hafa isika amin’izay.—Ohabolana 3:13-15.
Tena ilaina ny fahendrena sy ny fahalalana, mba hiarovana ny saina tsy ho simba. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka, izay mahafoy ny làlan’ny fahamarinana mba hizorany amin’ny làlan’ny fahamaizinana.”—Ohabolana 2:10-13.
Tena zava-dehibe ny hamelantsika ny hevitr’Andriamanitra hitarika ny saintsika, rehefa misy fisedrana na loza. Manimba ny saintsika ny fihetseham-po mafy, toy ny hatezerana na ny tahotra. “Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”, hoy i Solomona. (Mpitoriteny 7:7) Mety ho ‘sosotra amin’i Jehovah’ mihitsy aza isika. (Ohabolana 19:3) Sosotra aminy isika raha manome tsiny azy noho ireo olana mahazo antsika, na manararaotra an’ireny olana ireny mba hanaovana zavatra mifanipaka amin’ny lalàny sy ny fitsipiny. Tsy tokony hihevitra mihitsy isika hoe mahavita manatsoaka hevitra marina foana, fa tokony hihaino amim-panetren-tena an’ireo mpanolo-tsaina hendry kosa. Miezaka manampy antsika amin’ny alalan’ny Soratra Masina mantsy izy ireo. Ary raha ilaina izany, dia tokony ho vonona isika hiala amin’ny hevitra notanantsika mafy, nefa voaporofo fa diso.—Ohabolana 1:1-5; 15:22.
‘Mangataha amin’Andriamanitra’
Miaina ao anatin’ny fotoana mampisafotofoto sy mampidi-doza isika. Tena ilaina ny mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah mba hahazoana ny tari-dalany, raha irintsika ny hahay hitsara zavatra sy hanao zavatra amim-pahendrena. Hoy i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7) Ilana fahendrena ny fiatrehana ny olana na fisedrana mahavery hevitra. Raha tsy ampy fahendrena isika, dia azontsika atao ny ‘mangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa.’—Jakoba 1:5-8.
Fantatry ny apostoly Petera fa mila maneho fahendrena ireo Kristianina tahaka azy, koa niezaka izy ‘nampifoha ny sain’izy ireo madio.’ Niriny ny mba ‘hahatsiarovan’izy ireo ny teny voalazan’ny mpaminany masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy’, dia i Jesosy Kristy. (2 Petera 3:1, 2) Hiaro ny saintsika tsy ho simba sy hanao zavatra amim-pahendrena isika, raha manao izany, sady mitana ny saintsika hifanaraka hatrany amin’ny Tenin’i Jehovah.
[Sary, pejy 21]
Ny fahendren’Andriamanitra no namolavola ny sain’ny Kristianina tany am-boalohany, fa tsy ny fisainan’ireo filozofa
[Sary nahazoan-dalana]
Ireo filozofa (havia miankavanana): Épicure: Photograph taken by courtesy of the British Museum; Cicéron: Nalaina tamin’ny The Lives of the Twelve Caesars; Platon: Roma, Musei Capitolini
[Sary, pejy 23]
Tena ilaina ny vavaka sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra