Fantatra Ilay Bibidia sy Ilay Marika eo Aminy
MAHAFINARITRA anao ve ny mahita valin’ankamantatra? Azo antoka fa mitady izay mety hanampy anao hahita ny valin’izany ianao. Omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny izay ilaintsika mba hamantarana ny dikan’ilay isa 666 sy ilay mariky ny bibidia, ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13.
Handinika lafin-javatra efatra, izay tena hanampy antsika hahafantatra ny dikan’ilay mariky ny bibidia isika, ato amin’ity lahatsoratra ity. Ireto avy izany: 1) Inona no antony nifidianana ny anarana sasany ao amin’ny Baiboly? 2) Inona marina moa ilay bibidia? 3) Inona no hevitry ny hoe “isa nataon’olombelona” ilay 666? 4) Inona no dikan’ny isa 6, ary nahoana izy io no naverina intelo, izany hoe 600 ampiana 60 ampiana 6?—Apokalypsy 13:18.
Tsy apetapetaka fotsiny ny anarana ao amin’ny Baiboly
Matetika no misy dikany manokana ny anarana ao amin’ny Baiboly, indrindra raha avy amin’Andriamanitra. Ho rain’ny firenena maro, ohatra, i Abrama, dia novan’Andriamanitra ny anarany ka nataony hoe Abrahama, izay midika hoe “Rain’ny maro.” (Genesisy 17:5, fanamarihana ambany pejy) Hanan-janaka i Maria ka nilazan’Andriamanitra izy sy Josefa mba hanao ny anaran’ilay zaza hoe Jesosy, izay midika hoe “Jehovah dia Famonjena.” (Matio 1:21; Lioka 1:31) Araka izany, dia ny fanompoan’i Jesosy sy ny sorona nataony no nentin’i Jehovah namonjena antsika.—Jaona 3:16.
Hita avy amin’izany àry fa ny toetra mampiavaka an’ilay bibidia no nahatonga an’Andriamanitra hanome azy ilay anarana hoe 666. Mba hahafantarana ny toetran’ilay bibidia anefa, dia tokony ho fantatsika aloha hoe inona marina moa ilay bibidia, ary inona no ataony.
Fantatra mazava hoe inona marina ilay bibidia
Ambaran’ny bokin’i Daniela mazava tsara hoe inona no aseho an’ohatra amin’ny alalan’ny biby. Misy “biby efatra lehibe” resahin’ny toko faha-7, dia ny liona, bera, leoparda, ary biby mahatsiravina manana nify vy lehibe. (Daniela 7:2-7) Lazain’i Daniela amintsika fa “mpanjaka” ireo biby ireo, izany hoe fanjakana nifandimby nanjaka tamin’ny firenena maro.—Daniela 7:17, 23.
Misy diksionera momba ny Baiboly milaza toy izao momba ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2: “Samy ananan’io bibidia io avokoa ny toetran’ireo biby efatra hitan’i Daniela . . . Ny fanjakana rehetra manohitra an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao àry no tiana holazaina amin’io bibidia voalohany [ao amin’ny Apokalypsy] io.” Manamafy izany ny Apokalypsy 13:7, izay milaza toy izao momba ilay bibidia: “Nomena fahefana tamin’ny foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra [izy].”a
Nahoana no biby no entin’ny Baiboly hilazana ny fitondran’olombelona? Misy antony roa, fara fahakeliny. Voalohany, dia tsy nitsahatra nandatsa-dra toy ny biby ny fitondram-panjakana, nandritra ny tantara. Hoy i Will sy Ariel Durant, mpahay tantara: “Anisan’ny nanamarika ny tantara foana ny ady, sady tsy nihena mihitsy na teo aza ny sivilizasiona sy ny demokrasia.” Marina tokoa fa ny andro ‘anapahan’ny olona ny namany dia ampidirany loza aminy’! (Mpitoriteny 8:9) Faharoa, dia ‘ilay dragona [Satana] no nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.’ (Apokalypsy 12:9; 13:2) Ny Devoly, araka izany, no nampisy ny fitondran’olombelona. Tsy mahagaga àry izy ireny raha manana toetra toy ny an’ny biby sy ny dragona, satria izany no toetran’ny Devoly.—Jaona 8:44; Efesianina 6:12.
Tsy midika anefa izany hoe ataon’i Satana fitaovana ny fitondran’olombelona rehetra. Azo lazaina ho “mpanompon’Andriamanitra” ny fitondran’olombelona satria mampilamina ny fiaraha-monina mba tsy hisian’ny fanjakan’i Baroa. Misy mpitondra koa miaro ny zon’olombelona, anisan’izany ny zo hanaraka ny fivavahana marina, na dia tsy tian’i Satana aza izany. (Romanina 13:3, 4; Ezra 7:11-27; Asan’ny Apostoly 13:7) Tsy hisy olona na fitondrana anefa afaka hitondra fandriampahalemana sy filaminana maharitra, satria manan-kery amin’izy ireny ny Devoly.b—Jaona 12:31.
“Isa misy ifandraisany amin’ny olombelona”
Intỳ kosa ny fomba fahatelo amantarana ny dikan’ilay 666: “Isa nataon’olombelona” izy io, na “isa misy ifandraisany amin’ny olombelona”, araka ny ilazan’ny Baiboly iray azy. Tsy hety raha olona no tondroin’io teny io satria i Satana, fa tsy olona, no manana fahefana amin’ilay bibidia. (Lioka 4:5, 6; 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 13:2, 18) Manana marika na “isa misy ifandraisany amin’ny olombelona” ilay bibidia, ka milaza izany fa manana toetran’olombelona izy io, fa tsy hoe fanahy na demonia. Toetra inona anefa? Hoy ny Baiboly: “Samy efa nanota ny [olombelona] rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Koa satria manana “isa misy ifandraisany amin’ny olombelona” ilay bibidia, dia midika izany fa tsy lavorary sy misy ota toy ny olombelona koa ireo fitondram-panjakana.
Manaporofo izany ny tantara. “Nirodana daholo ny sivilizasiona rehetra nisy hatramin’izay”, hoy i Henry Kissinger, Sekreteram-panjakana amerikanina taloha. “Ezaka tsy nahitam-bokatra sy faniriana tsy tanteraka no nanamarika ny tantara . . . Koa tsy maintsy eken’ny mpahay tantara fa tsy azo sorohina ny hisian’ny loza amin’antambo.” Manamafy izao fahamarinana ao amin’ny Baiboly izao izany tenin’i Kissinger izany: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.
Fantatsika izao hoe inona marina ilay bibidia, ary ahoana no fiheveran’Andriamanitra azy io. Koa azontsika atao àry ny mandinika ny tapany farany amin’ilay ankamantatra, dia ilay isa enina, sy ny antony namerenana azy intelo, izany hoe 666, na 600 ampiana 60 ampiana 6.
Nahoana no naverina intelo ilay isa enina?
Misy heviny an’ohatra ny isa sasany ao amin’ny Soratra Masina. Matetika, ohatra, ny isa fito no milaza zavatra feno, na tanteraka, na tonga lafatra, eo imason’Andriamanitra. Misy fito “andro” maharitra ela be, ilay herinandro hamitan’Andriamanitra tanteraka an’izay nokasainy momba ny tany. (Genesisy 1:3–2:3) Toy ny volafotsy “voadio impito” ny ‘tenin’Andriamanitra’, izany hoe voadio tamin’ny fomba tonga lafatra. (Salamo 12:6; Ohabolana 30:5, 6) Nasaina nandro impito tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Namana boka, ka nadio tanteraka.—2 Mpanjaka 5:10, 14.
Fito latsaka iray ny enina. Tena mety izany mba hilazana zavatra tsy tonga lafatra sy misy tsininy eo imason’Andriamanitra. (1 Tantara 20:6, 7) Efa tsy tonga lafatra ilay izy nefa vao mainka misongadina izany rehefa averina intelo ilay isa enina. Marina izany satria resahina ho “isa misy ifandraisany amin’ny olombelona” ilay 666, araka ny efa nodinihintsika. Koa na ny tantaran’ilay bibidia, na ilay “isa misy ifandraisany amin’ny olombelona”, na ilay 666, dia samy milaza mazava fa misy lesoka lehibe izy io eo imason’i Jehovah ary tsy mahomby tanteraka.
Mampahatsiahy antsika an’izay nolazaina momba an’i Belsazara mpanjakan’i Babylona fahiny, ny firesahana an’ilay bibidia ho misy tsininy. Nilaza toy izao taminy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Daniela: “Efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja.” Novonoina iny alina iny ihany i Belsazara, ary resy ilay Fanjakana Babylonianina natanjaka. (Daniela 5:27, 30) Hampihatra ny didim-pitsarany amin’ilay bibidia ara-politika sy ireo manana an’ilay marika Andriamanitra, ka midika izany fa ho fongotra izy io sy ireo mpanohana azy. Tsy fanjakana iray fotsiny anefa no hofoanan’Andriamanitra amin’io fotoana io fa ny fitondran’olombelona rehetra mihitsy. (Daniela 2:44; Apokalypsy 19:19, 20) Zava-dehibe àry ny tsy ananantsika an’io mariky ny bibidia mahafaty io!
Fantatra ilay marika
Nampahafantatra ilay isa 666 aloha ny Apokalypsy, ary avy eo dia miresaka an’ireo 144 000 mpanara-dia ny Zanak’ondry, izany hoe Jesosy Kristy. Voasoratra eo amin’ny handrin’izy ireo ny anaran’i Jesosy sy ny anaran’i Jehovah Rainy, ka midika izany fa an’i Jehovah sy ny Zanany izy ireo. Mirehareha erỳ izy ireo mijoro ho vavolombelony. Manambara ny tenany ho mpanompon’ilay bibidia koa ireo manana ny mariky ny bibidia. Koa na eo amin’ny tanany ankavanana ilay marika, na eo amin’ny handriny, dia midika izany fa mivavaka sy manohana ny raharaha politikan’izao tontolo izao izy ireo. Omeny an’i “Kaisara” izay tokony ho an’Andriamanitra. (Lioka 20:25; Apokalypsy 13:4, 8; 14:1) Amin’ny fomba ahoana? Ivavahan’izy ireo sy ankalazainy ny firenena sy ny fanevam-pirenena ary ny tafika, ka ireny no fanantenany sy ilany vonjy. An-tendro-molotra fotsiny ny fanompoany an’ilay Andriamanitra marina.
Mampirisika antsika toy izao anefa ny Baiboly: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:3, 4) Tsy diso fanantenana ireo manaraka an’io torohevitra io rehefa tsy mahatanteraka ny fampanantenany ny fanjakana, na very seza ilay mpitondra nambabo ny fom-bahoaka.—Ohabolana 1:33.
Tsy midika akory izany hoe mijery fotsiny ny fahorian’olombelona ny Kristianina marina. Mifanohitra amin’izany aza fa mazoto mitory an’ilay fanjakana tokana hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona izy ireo. Tsy inona izany fa ny Fanjakan’Andriamanitra, izay izy ireo no solontenany.—Matio 24:14.
Ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenan’ny olombelona
Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena notorin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Lioka 4:43) Tao amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, dia nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hangataka ny hahatongavan’ilay Fanjakana sy hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany. (Matio 6:9, 10) Hitondra ny tany manontolo io Fanjakana io, ka avy any an-danitra no hitantanana azy, fa tsy avy ao amin’ny renivohitra iray eto an-tany. Izany no niantsoan’i Jesosy azy io hoe “fanjakan’ny lanitra.”—Matio 11:12.
Maty ho an’ireo ho tonga vahoakany i Jesosy Kristy. Koa misy tsara kokoa noho izy ve mba ho Mpanjakan’io Fanjakana io? (Isaia 9:5, 6; Jaona 3:16) Fanahy mahery io Mpitondra lavorary io ankehitriny, ka tsy ho ela izy dia hanipy an’ilay bibidia sy ireo mpanjaka mbamin’ny tafiny ho any amin’ny “farihy afo arehitry ny solifara”, izay midika ho fandringanana tanteraka. Tsy vitan’izany ihany fa horinganin’i Jesosy koa i Satana. Tsy misy olona mahavita izany.—Apokalypsy 11:15; 19:16, 19-21; 20:2, 10.
Hitondra fiadanana ho an’izay mankatò azy ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 37:11, 29; 46:8, 9) Tsy hisy hatramin’ny alahelo sy ny fitarainana ary ny fahafatesana. Fanantenana kanto tokoa izany, ho an’ireo tsy manaiky handray ny mariky ny bibidia!—Apokalypsy 21:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba handalinana an’ireo andinin-teny ireo, dia jereo ny toko faha-28 amin’ilay boky hoe Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Matetika ny fitondran’olombelona no manana toetram-biby, ary fantatry ny Kristianina marina izany. Manaiky ny “manam-pahefana” anefa izy, araka izay atoron’ny Baiboly. (Romanina 13:1) Raha mandidy azy handika ny lalàn’Andriamanitra anefa ny manam-pahefana, dia ‘Andriamanitra, fa tsy olona, no ankatoaviny, satria izy no mpitondra azy.’—Asan’ny Apostoly 5:29.
[Efajoro, pejy 5]
Fomba Amantarana ny Dikan’ilay 666
1. Matetika ny anarana ao amin’ny Baiboly no milaza ny toetran’ilay olona na ny fiaimpiainany. Hita izany tamin’i Abrahama sy Jesosy ary ny maro hafa. Torak’izany koa ny anaran’ilay bibidia satria milaza ny toetrany.
2. Manondro fanjakan’olombelona ireo biby maro samihafa ao amin’ny bokin’i Daniela. Tsy inona àry ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2 fa ny raharaha politika maneran-tany, izay eo ambany fahefan’i Satana.
3. Manana “isa misy ifandraisany amin’ny olombelona” ilay bibidia, ka midika izany fa manana toetran’olombelona izy io, fa tsy hoe demonia. Hita taratra eo aminy ny kileman’olombelona vokatry ny ota sy ny tsy fahalavorariana.
4. Milaza zavatra tsy lavorary ny isa enina eo imason’Andriamanitra, satria latsaka ny fito. Manondro zavatra feno na tonga lafatra mantsy ny isa fito, raha araka ny Baiboly. Vao mainka manasongadina an’izany tsy fahalavorariana izany ilay marika 666, satria averina intelo ilay isa enina.
[Sary, pejy 6]
Tsy nahomby ny fitondran’olombelona. Izany indrindra no dikan’ilay isa 666
[Sary nahazoan-dalana]
Ankizy mosarena: UNITED NATIONS/Photo by F. GRIFFING
[Sary, pejy 7]
Ho tonga lafatra ny fomba hitondran’i Jesosy Kristy ny tany