Mifanaraka Amin’ny Fikasan’Andriamanitra ve Izay Kasainao Hatao?
MISY karazam-borona mpihira, miloko volondavenona sy fotsy, any amin’ny alan’ny faritra andrefan’i Amerika Avaratra. Manangona voa 33 000 izy io isan-taona, ary afeniny ao amin’ny toerana 2 500 eo ho eo izany, mba hataony sakafo amin’ny ririnina mamirifiry. “Hendry sady mahay” tokoa io vorona io, satria mitsinjo ny hoavy.—Ohabolana 30:24.
Hendry lavitra noho ny vorona anefa ny olombelona. Amin’ny zavaboary rehetra nataon’i Jehovah mantsy, dia ny olona no afaka mandray lesona avy amin’ny lasa, ka mitady hevitra hanatsarana ny hoaviny. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona.”—Ohabolana 19:21.
Tsy mahalala ny hoavy ny olona amin’ny ankapobeny, ka tombantombana fotsiny ny zavatra kasainy hatao. Mieritreritra izay hataonao rahampitso, ohatra, ianao satria heverinao fa mbola hiposaka ny masoandro, ary mbola ho velona ianao. Azo inoana fa hitranga ilay voalohany. Ilay faharoa kosa tsy tena azo antoka. Hoy mantsy i Jakoba, mpanoratra Baiboly: ‘Tsy fantatrareo izay hitranga aminareo rahampitso.’—Jakoba 4:13, 14.
Tsy mba toy izany anefa i Jehovah Andriamanitra. Fantany ‘hatramin’ny voalohany [izay hitranga amin’ny] farany.’ Tsy maintsy ho tanteraka àry ny fikasany. Hoy izy: “Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.” (Isaia 46:10) Ahoana anefa raha mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra ny zavatra ataon’ny olona?
Hevitra mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra
Nanorina ny Tilikambon’i Babela ny olona, 4 000 taona lasa teo ho eo izay, mba tsy hielezan’ny taranak’olombelona. Hoy izy ireo: “Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika.”—Genesisy 11:4.
Tsy izany mihitsy anefa no fikasan’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Noa sy ny zanany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” (Genesisy 9:1) Inona àry no nataon’Andriamanitra tamin’ireo mpikomy tao Babela? Nataony nisafotofoto ny fiteniny, ka lasa tsy nifankahazo resaka izy ireo. Inona no vokany? ‘Niala tao izy ireo ka niely ho eny ambonin’ny tany rehetra.’ (Genesisy 11:5-8) Voatery niaiky ireo olona tao Babela, fa rehefa mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra ny zavatra ataon’ny olona, dia “ny fisainan’i Jehovah no haharitra.” (Ohabolana 19:21) Mandray lesona avy amin’ireny zava-nitranga fahiny ireny ve ianao?
Nanan-karena fa tsy nanam-pahendrena
Tsy mikasa hanorina tilikambo angamba ianao. Maro anefa izao no mikasa hanangom-bola any amin’ny banky sy hampitombo ny fananany. Amin’izay, hono, izy miadana rehefa antitra. Ara-dalàna raha mifaly amin’ny vokatry ny asa mafy nataony ny olona. Nilaza i Solomona fa tokony ‘hihinana sy hisotro ary ho finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona’, satria “fanomezan’Andriamanitra izany.”—Mpitoriteny 3:13.
Hampamoahin’Andriamanitra isika amin’ny fomba ampiasantsika an’io fanomezana io. Nasongadin’i Jesosy tamin’ny mpianany izany, efa ho 2 000 taona lasa izay. Nilaza fanoharana iray izy hoe: “Namokatra be ny tanin’ny lehilahy mpanan-karena anankiray. Koa hoy izy anakampo: ‘Tsy misy toerana intsony hanangonako ny vokatro, ka inona re no hataoko e?’ Dia hoy izy: ‘Izao no hataoko: Horavako ireo trano fitahirizako, ary hanangana hafa lehibe kokoa aho, ka ao no hanangonako ny vokatro rehetra sy ny zava-tsoako rehetra. Dia hilaza amin’ny tenako aho hoe: “Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.” ’ ” (Lioka 12:16-19) Hoatran’ny tsara ihany ny tanjon’ilay mpanankarena, sa tsy izany? Mety hoe nitsinjo ny hoaviny izy, toa an’ilay vorona voaresaka tetsy aloha.
Nisy tsy nety anefa ny toe-tsain’ilay lehilahy. Hoy i Jesosy: “Fa hoy Andriamanitra taminy: ‘Ry tsy misaina, anio alina dia hisy haka aminao ny ainao, koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?’ ” (Lioka 12:20) Notoherin’i Jesosy àry ve ny tenin’i Solomona hoe fanomezan’Andriamanitra ny mifaly amin’ny vokatry ny fisasarana? Tsia. Inona kosa no tiany holazaina? Hoy izy: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.”—Lioka 12:21.
Nampianarin’i Jesosy fa tokony hieritreritra ny sitrapon’i Jehovah isika, rehefa mikasa hanao zavatra. Ho nanan-karena tamin’Andriamanitra ilay lehilahy, raha niezaka nanompo azy bebe kokoa, sy naneho fahendrena ary fitiavana. Hita tamin’ny teniny anefa fa tsy liana tamin’izany mihitsy izy. Tsy mba nieritreritra ny hamela vokatra kely hotsimponin’ny mahantra izy, na hoe hanao fanatitra ho an’i Jehovah. Tsy nifandray tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny tanjony, ary tsy mba nalala-tanana izy. Te hanao izay tiany sy hampiadan-tena fotsiny izy.
Voamarikao ve fa maro koa ankehitriny no toa an’ilay mpanankarena noresahin’i Jesosy? Na manankarena anefa isika na mahantra, dia mila mitandrina mba tsy ho ny fikatsahana harena no tena zava-dehibe amintsika. Ho lasa an-tsirambina mantsy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha variana amin’ny fiainana andavanandro sy manao izay tiantsika fotsiny isika. Inona àry no azonao atao mba tsy ho voafitaka?
Fiainana “ara-dalàna” ve?
Mety ho tena sahirana ara-bola ianao fa tsy toa an’ilay mpanankarena noresahin’i Jesosy. Raha manambady ianao, dia azo antoka fa mba tianao ny hamelona tsara ny fianakavianao, sy hampianatra ny zanakao any amin’ny sekoly tsara. Raha mpitovo ianao, dia mety haniry hanana asa azo antoka, mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. Tanjona tsara tokoa ireo.—2 Tesalonianina 3:10-12; 1 Timoty 5:8.
Mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra anefa ny fiainan’ny olona, na zavatra mahazatra toy ny miasa sy misakafo ary misotro aza no ataony. Nahoana? Hoy i Jesosy: “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”—Matio 24:37-39.
Variana tamin’ny fiainana noheveriny ho ara-dalàna ny olona, talohan’ny Safodrano. Ny olana anefa dia izy ireo “tsy niraharaha” ny fikasan’Andriamanitra handringana an’ilay tontolo ratsy amin’ny alalan’ny safodrano. Azo inoana fa nihevitra izy ireo hoe hafahafa ny fiainan’i Noa. Rehefa tonga anefa ny Safodrano, dia hita fa i Noa sy ny fianakaviany no tena hendry.
Miharihary fa miaina amin’ny andro farany isika izao. (Matio 24:3-12; 2 Timoty 3:1-5) Tsy ho ela dia ‘hanorotoro sy handevona’ ny rafitr’ity tontolo ity ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Ho lasa paradisa ny tany, ary ho foana ny aretina sy ny fahafatesana. (Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3-5) Ho tondraka ny sakafo ary hiara-miaina am-piadanana ny zavaboary rehetra.—Salamo 72:16; Isaia 11:6-9.
Tian’i Jehovah hotorina “manerana ny tany onenana” anefa aloha ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany, “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa eo ho eo izao no manatanteraka io fikasan’Andriamanitra io, ka mitory ny vaovao tsara any amin’ny tany 236, amin’ny fiteny 400 mahery.
Mety ho hafahafa na hadalana mihitsy amin’ity tontolo ity ny fomba fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (2 Petera 3:3, 4) Variana amin’ny fiainana andavanandro ny ankamaroan’ny olona, toy ny talohan’ny Safodrano ihany. Heverin’izy ireo fa adala izay tsy manao ny fanaon’ny olona. Tsy adala mihitsy anefa izay mino ny fampanantenan’Andriamanitra, ka manao ny fanompoana azy ho loha laharana.
Na manankarena àry ianao na mahantra na antonontonony, dia fahendrena ny mandinika izay kasainao hatao. Saintsaino hoe: ‘Mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra ve izay kasaiko hatao?’
[Sary, pejy 11]
Rehefa mifanohitra amin’ny fikasan’Andriamanitra ny zavatra ataon’ny olona, dia ny fisainan’i Jehovah no haharitra
[Sary, pejy 12]
Tsy nieritreritra momba ny fikasan’Andriamanitra ilay lehilahy mpanankarena