Misy Faminaniana Tanteraka Ve?
Hitantsika tany aloha fa voafitak’ilay mpisikidy tao Delphes i Crésus, ka resin’ny mpanjakan’i Persa. Miresaka faminaniana momba ny mpanjakan’i Persa koa anefa ny Baiboly. Tena miavaka ilay faminaniana satria tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika.
Efa ho 200 taona talohan’ny nahaterahan’i Kyrosy Mpanjaka i Isaia mpaminany no nilaza fa i Kyrosy no handresy an’i Babylona. Noresahiny koa ny fomba handresena an’ilay tanàna.
Isaia 44:24, 27, 28: “Izao no nolazain’i Jehovah ... ‘izaho Ilay miteny amin’ny rano lalina hoe: “Aoka ianao ho maina ka ho lasa etona, ary hataoko ritra ny reniranonao rehetra”, dia Ilay miteny amin’i Kyrosy hoe: “Izy no mpiandry ondriko, ary hotanterahiny an-tsakany sy an-davany izay sitrako rehetra”, hatramin’izay nolazaiko momba an’i Jerosalema hoe: “Haorina indray izy”, sy momba ny tempoly hoe: “Hapetraka ny fototrao.”’”
Nilaza i Hérodote, Grika mpahay tantara, fa navilin’ny tafik’i Kyrosy ny Reniranon’i Eofrata, izay nandalo ny tanànan’i Babylona. Afaka niroboka an’ilay rano àry ny miaramilany, ka tafiditra tao amin’ilay tanàna. Resy i Babylona avy eo ary nafahan’i Kyrosy ireo Jiosy babo tao. Afaka nody tany Jerosalema izy ireo ka nanorina azy io indray. Efa lao nandritra ny 70 taona ilay tany tamin’izay.
Isaia 45:1: “Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay voahosony, dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany ka hamahako ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny mpanjaka, ary mba hanokafako ny varavarana kopa-droa eo anoloany ka na ny vavahady aza dia tsy hikatona.”
Teo amin’ireo varavarana kopa-droa teo amin’ny mandan’ny tanànan’i Babylona no niditra ny Persianina. Nidanadana ireo varavarana ireo tamin’izay. Tsy voaro intsony àry ilay tanàna. Azo antoka hoe ho nohidian’ny Babylonianina ny vavahady rehetra nanamorona an’ilay renirano, raha fantany ny tetik’i Kyrosy.
Vao santionany fotsiny io nodinihintsika io. Be dia be mantsy ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka.a Tsy mitovy amin’ny vinavina ataon’ny olombelona ireny faminaniana ireny satria avy amin’Andriamanitra. Izy mantsy “Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.”—Isaia 46:10.
I Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ihany no afaka miteny hoatr’izany. “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’io anarana io. Afaka mahalala ny hoavy àry izy sady azony atao mifanaraka amin’ny sitrapony izay zavatra mbola hitranga. Noho izany, dia afaka matoky isika fa hotanterahiny daholo izay rehetra nampanantenainy.
FAMINANIANA TANTERAKA ANKEHITRINY
Tianao ve ny hahalala hoe inona avy ny zavatra lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’izao androntsika izao? Efa 2 000 taona teo ho eo izay no nilaza ny Baiboly fa ‘hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina amin’ny andro farany.’ Tsy andro farany ho an’ny tany na ny olombelona izy io, fa ho an’ny ady sy ny fijaliana ary ny tsindry hazo lena. Andeha isika handinika faminaniana vitsivitsy mampiavaka ny “andro farany.”
2 Timoty 3:1-5: “Amin’ny andro farany ... ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”
Hoatr’izany mihitsy ny toetran’ny olona amin’izao, sa tsy izany? Betsaka no tia tena, tia vola, ary mirehareha. Sarotsarotiny koa ny olona sady tsy tena vonona hifanaraka amin’ny hafa. Maro ny ankizy tsy mankatò ray aman-dreny, ary ny fahafinaretana no tian’ny olona kokoa noho Andriamanitra. Vao mainka aza miharatsy foana ny toetran’ny olona.
Matio 24:6, 7: “Handre ady sy filazana ady ianareo. ... Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.”
Voalaza fa mahatratra 100 tapitrisa mahery ny olona matin’ny ady, nanomboka tamin’ny 1914. Betsaka lavitra noho ny isan’ny mponina any amin’ny firenena maro izany. Eritrereto ange ny fahorian’ny olona sy ny fijaliany vokatr’ireny ady ireny e! Tsy mandray lesona avy amin’izany anefa ny firenena maro fa mbola miady foana.
Matio 24:7: “Hisy mosary.”
Hoy ny tatitra nataon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany: “Mamokatra sakafo ampy tsara ho an’ny olon-drehetra ny tany. Mahatratra 815 tapitrisa isan’andro anefa no mandry fotsy, izany hoe olona iray ao anatin’ny sivy. Olona iray ao anatin’ny telo no tsy ampy sakafo.” Voalaza fa mahatratra telo tapitrisa eo ho eo ny ankizy matin’ny mosary isan-taona.
Lioka 21:11: “Hisy horohoron-tany lehibe.”
Misy 50 000 eo ho eo isan-taona ny horohoron-tany azo lazaina hoe mahery, ka henon’ny olombelona. Zato eo ho eo no mandrava trano, ary iray isan-taona eo ho eo no tena mahery vaika. Voalaza fa olona 471 000 no matin’ny horohoron-tany, teo anelanelan’ny 1975 sy 2000.
Matio 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”
Misy valo tapitrisa mahery ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany 240 eo ho eo izy ireo. Mitory any amin’izay misy olona izy ireo, na any an-tanàn-dehibe izany, na any amin’ny tanàna mitokana, na any anaty ala, na eny an-tendrombohitra. Milaza ny Baiboly fa ho vita io asa io rehefa afa-po Andriamanitra. “Ho tonga ny farany” aorian’izay. Inona no dikan’izany? Hifarana ny fanjakan’olombelona ary ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany. Inona no hotanterahin’Andriamanitra rehefa mitondra io Fanjakana io? Asaina ianao hamaky ny tohiny.
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Porofo Mivaingana fa Tanteraka ny Faminaniana.”