Nahoana isika no tokony haniry hitarika fampianarana baiboly?
1 Ny iray amin’ireo fanandraman-javatra andraisan-tsoa be indrindra ho an’ny kristiana dia ny fampiasan’i Jehovah azy mba hanampy olona hafa ho tonga mpianatr’i Kristy (Matio 28:19, 20; 1 Kor. 3:6, 9). Mety hidika fiainana mandrakizay izany ho an’izay ampiantsika amin’izany fomba izany.
2 Hisy fifandraisana akaiky dia akaiky hitombo eo amin’ilay mpampianatra sy ilay ampianarina. Tena loharanom-pifaliana lehibe ny fitomboana ara-panahin’ny mpianatra iray (1 Tes. 2:11, 19, 20). Tokony hametra ho zava-kendrena ny hitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano iray fara faharatsiny amin’ny olona tsy mpikambana ao amin’ny fianakaviany àry ny kristiana tsirairay. Mazava ho azy fa ny raim-pianakaviana tsirairay dia manana andraikitra ny hitarika fampianarana Baiboly lalina sy tsy tapaka amin’ny mpianakaviny. Any amin’ny tokantrano izay tsy mpino ny ray, ny reny dia tokony hanao fandaharana mety mba hampianarana Baiboly ny zanany.
MIVAVAHA MBA HAHAZO FAMPIANARANA
3 Koa satria isika efa lasa lavitra eo amin’ny fotoan’ny farany, dia tokony hanao fiezahana daholo mba hitarika fampianarana Baiboly mahomby. Asehontsika amin’ny fanambarana izany tsy tapaka amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka ny faniriantsika amim-pahatsorana hitarika fampianarana Baiboly. Mampiharihary izany fa takatsika ny maha-raharaha iankinan’ny aina azy (Ezek. 33:7-9, 14-16). Afaka matoky isika fa hitahy ny fiezahantsika amim-pieritreretana tsara i Jehovah.—1 Jaona 5:14, 15.
4 Tokony hiomana tsara isika raha maniry hahomby amin’ny fanaovana mpianatra. Tena mahasoa koa ny fandinihana ireo izay mitarika fampianarana Baiboly amin’ny fomba tsara dia tsara. Mandritra ireo volana ho avy, dia hisy fanoloran-kevitra homen’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy mpitory hafa izay mahazo vokatra tsara amin’ny asa fanaovana mpianatra. Hanome torohevitra vitsivitsy ny amin’ny fomba fanombohana sy fitarihana fampianarana mahavokatra ny fitohitohizan-dahatsoratra iray.
LAHATSORATRA HO AVY
5 Inona avy ireo hevitra sasantsasany hodinihina ao amin’ireo fanontaniana ho avin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana? Hiresaka ny fomba nanombohan’ny mpitory sy mpitory maharitra samy hafa fampianarana Baiboly izahay, sy ny fomba fampianatra ampiasain’izy ireo mba hanohinana ny fon’ireo mpianany. Hanome fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hampitomboana fankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah sy hambolena faniriana ny handray anjara amin’ny fanompoana izahay. Hisy koa torohevitra homena momba ny fitarihana ny fampianarana Baiboly ny fianakavianao mihitsy amin’ny fomba lalina kokoa, mba hampitomboan’ny zanakao fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah.
6 Nandritra ny taom-piainana efatra lasa dia olona 959 834 no natao batisa naneran-tany, Ny ankamaroan’ireny olona ireny dia nandroso hatreo amin’ny batisa noho ny fanampian’ny Vavolombelona iray niara-nianatra ny Baiboly taminy. Mampiseho ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana sy ireo fivoriamben’ny distrika fa olona maro no mbola azo ampiana mba handroso hatreo amin’ny batisa. Amin’ny fanohizana ny fiezahantsika hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly amin’ireny olona ireny dia ho afaka hanampy maro amin’izy ireny ho tonga mpianatra isika, ka izany dia hitarika azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.—1 Tim. 6:12, 19.