Fitaovana Vaovao Anombohana Fampianarana!
1 Katolika nafana fo ilay vehivavy amerikanina. Niaro mafy ny fampianaran’ny fiangonany izy. Efa nanao fivahiniana masina tany Vatikana mihitsy aza izy. Nanaiky hianatra Baiboly anefa izy rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminy. Nahoana? Satria te hahalala izay lazain’ny Baiboly izy, nefa tsy mba nampianatra Baiboly tany an-tokantrano ny fiangonany. Inona no anatra raisintsika avy amin’izany? Tsy fantatsika mihitsy izay olona mety hanaiky fampianarana Baiboly maimaim-poana.—Mpit. 11:6.
2 Efa niahotra ve ianao nilaza tamin’ny olona fa vonona hiara-mianatra Baiboly amin’izay olona liana isika? Fantatry ny mpiara-monina aminao ve fa manao io asa maimaim-poana io isika? Ahoana no hampahafantarana izany azy ireo? Amin’ny fampiasana ilay fitaovana vaovao! Izany dia taratasy mivalona tsara tarehy, misy pejy enina, ary mitondra ny lohateny hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly? Andeha hofantarintsika tsara izy io, ka hodinihintsika tsirairay ny lohatenikely ao.
3 “Nahoana no tokony hamaky Baiboly isika?” Mahaliana ny antony resahin’ilay taratasy mivalona. Hazavainy fa mirakitra “toromarika feno fitiavana avy amin’Andriamanitra” ny Baiboly, sady mampiseho ny fomba hanatonana an’Andriamanitra amin’ny vavaka mba hahazoana fanampiana, sy ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay izay fanomezana avy aminy. (1 Tes. 2:13) Resahiny koa ireo “fahamarinana manome fahazavana” ao amin’ny Baiboly, anisan’izany izay mitranga aorian’ny fahafatesana sy ny antony miteraka ny zava-manahirana maro eto an-tany. Lazainy ao koa fa mahasalama, mahasambatra, mahatonga hanana fanantenana sy toetra tsara maro be, ny fampiharana “ireo fitsipik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.” Lazain’ilay taratasy mivalona koa fa tokony hovakina ny Baiboly satria miresaka faminaniana momba ny zavatra hitranga tsy ho ela.—Apok. 21:3, 4.
4 “Fanampiana mba hahazoana izay vakina ao amin’ny Baiboly”: Hoy ilay taratasy mivalona: “Mila fanampiana isika rehetra mba hahazoana izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.” Resahiny toy izao, avy eo, ny fomba ianarantsika Baiboly: “Ny tsara indrindra matetika, dia ny mianatra Baiboly miandalana, ka ireo fampianarana fototra no anombohana azy.” Lazainy tsara fa ‘ny Baiboly no tena ianarana’, nefa resahiny manokana fa manampy ny mpianatra “hahazo ny hevitr’ireo andinin-teny mahakasika loha hevitra samy hafa” ny bokikely Takina. Mametraka fanontaniana mampisaintsaina ny lohatenikely manaraka.
5 “Hahafoy fotoana isan-kerinandro mba hianarana Baiboly ve ianao?” Hazavain’ilay taratasy mivalona fa azo atao amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mety amin’ilay mpianatra ny fianarana, mety ho any an-tranony izany na an-telefaonina koa. Iza avy no afaka miara-mianatra? Mamaly izy hoe: “Ny ankohonanao manontolo. Afaka manatrika eo koa izay namana tianao hasaina. Raha tianao koa, dia ianao irery no hampianarina.” Adiny firy no tokony hianarana? Hazavainy hoe: “Maro no manokana adiny iray isan-kerinandro mba hianarana Baiboly. Hiezaka hanampy anao ny Vavolombelona, raha afaka manokana fotoana mihoatra na latsaka noho izany isan-kerinandro ianao.” Izay no zava-dehibe! Vonona isika hanamboatra ny fotoanantsika mifanaraka amin’izay mety amin’ilay mpianatra.
6 “Fanasana hianatra”: Misy tapakila azo fenoina ao amin’ilay taratasy mivalona, raha tian’ilay olona ny hahazo ny bokikely Takina na hianatra Baiboly maimaim-poana any an-tokantranony. Aseho ao, amin’ny sary miloko, ny fonon’ny bokikely Takina. Tsy hitanao ve hoe tena mety hahatonga ny olona tso-po hanaiky ny fanampiantsika io taratasy mivalona io? Inona àry izao no fomba tsara indrindra hampiasantsika an’io fitaovana vaovao io?
7 Iza no azontsika omena azy? Azontsika omena an’ireo olona hitantsika izy io, na avela ho an’ireo tsy tratra an-trano. Azo zaraina isan-trano sy eny amin’ny arabe ary eny amin’ny faritany be toeram-piasana koa izy io. Omeo foana ilay izy na nandray boky ilay olona na tsia. Asio koa ao anatin’ny gazety na boky hafa apetrakao, na miaraka amin’ny taratasy alefanao. Ilazao ny olona nitorianao an-telefaonina hoe azonao andefasana azy io izy. Mitondrà foana hozarainao, rehefa miantsena, na mandeha fiara fitateram-bahoaka, sy mitory tsy ara-potoana. Omeo azy io izay olona tonga ao aminao. Omeo koa ny havana, mpiray tanàna, mpiara-miasa, mpiara-mianatra sy ny olom-pantatrao hafa koa. Miezaha hanome azy io an’izay olona rehetra hitanao! Ahoana no atao avy eo?
8 Raha miseho eo no ho eo ny vokany: Mety hisy olona hilaza eo no ho eo hoe te hianatra Baiboly. Mitondrà foana àry bokikely Takina roa, ho anao sy ho an’ilay mpianatra, rehefa manao fanompoana. Atombohy avy hatrany ny fianarana raha vonona izy. Sokafy eo amin’ny pejy faharoa ilay izy, ary vakio ilay hoe “Ny Fomba Fampiasa Ity Bokikely Ity.” Asehoy ny fomba fianatra, ka ny lesona voalohany anombohana azy. Sarotra be ve izany?
9 Raha mbola mila fotoana ieritreretana ilay olona: Ivereno tsidihina haingana izy ary aza hadinoina ny mitondra ny bokikely Takina. Asehoy an’ilay olona ny loha hevitra ao anatiny ary avelao izy hifidy izay lesona mahaliana azy indrindra. Sokafy ho eo amin’io lesona io ilay bokikely, ary iaraho midinika aminy izany.
10 Tsidiho ireo nametrahana gazety: Azonao ampiasaina ity tari-dresaka ity rehefa miverina mitsidika ianao, raha ilay taratasy mivalona sy gazety no napetrakao: “Faly aho tamin’ny farany nametraka gazety Tilikambo Fiambenana taminao. Voamarikao angamba ny lohatenin’ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Tiako hohazavaina aminao anio ny momba an’io Fanjakana io, sy izay hataony ho anao sy ny fianakavianao.” Sokafy eo amin’ny lesona faha-6 ny bokikely Takina. Vakio sy iaraho midinika manomboka eo amin’ny fehintsoratra voalohany, ka tohizo arakaraka ny fotoana ananan’ilay tompon-trano. Manaova fotoana hiverenana amin’ny manaraka mba hamitana an’ilay lesona.
11 Mitondrà foana taratasy mivalona: Ny mpiandraikitra ny fanompoana sy ny rahalahy mikarakara ny boky, dia hanao izay hisian’ny tahiry ampy tsara foana amin’ilay taratasy mivalona hoe Mahafantatra ny Baiboly. Asio taratasy mivalona foana any am-paosy na any anaty kitapo, ao anaty fiara, any am-piasana, any am-pianarana, ao an-trano amin’ny toerana rehetra mora andraisana azy. Asio ao anatin’ny kitapo fitondranao mitory, mba homenao an’izay mifanena aminao, ka azonao iresahana momba ny Baiboly.
12 Hitahy ny fiezahantsika anie i Jehovah: Tsara hatao tanjona ho an’ny Kristianina rehetra ny hampianatra ny fahamarinana amin’ny olona. (Matio 28:19, 20) Manana fampianarana Baiboly ve ianao? Raha eny, mbola misy fotoana azonao ampianarana olon-kafa ve? Azo antoka fa mba irinao ny hitarika fampianarana, raha tsy manana ianao izao. Mivavaha amin’i Jehovah mba hitahy ny fiezahanao hitady olona hampianarina. Manaova zavatra mifanaraka amin’izany vavaka izany.—1 Jaona 5:14, 15.
13 Manana fitaovana vaovao anombohana fampianarana isika! Fantaro tsara izay ao anatiny. Zarao foana ilay taratasy mivalona. Miezaha mafy “mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome”, na mizara izay nianaranao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—1 Tim. 6:18.
[Efajoro, pejy 4]
ZARAO ILAY TARATASY MIVALONA
◼ Rehefa miresaka andavanandro
◼ Raha mandray boky na gazety ilay olona
◼ Raha tsy misy olona ao an-trano
◼ Rehefa miverina mitsidika
◼ Rehefa mitory eny an-dalana
◼ Rehefa mitory any amin’ny faritra be toeram-piasana
◼ Rehefa mitory tsy ara-potoana
◼ Rehefa manoratra taratasy
◼ Rehefa mandeha fiara fitateram-bahoaka
◼ Rehefa misy olona tonga ao aminao
◼ Rehefa miresaka amin’ny havana, mpiray tanàna, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, sy amin’ny olom-pantatra hafa koa