Mampiasà Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka
1 Tsy hekenao ve fa miankina be dia be amin’ny fanaovanao ny dingana voalohany hanombo-dresaka, ny fahazoana vokatra eo amin’ny fitoriana? Ilay zava-tsarotra dia ny milaza zavatra izay hitana ny fahalianan’ilay olona sy ny mampiditra azy ao amin’ilay resaka. Ahoana anefa no ahafahana manao izany amin’ny fomba mandaitra?
2 Mpitory maro no nahita fa ahafahana manombo-dresaka ny fanolorana iray amin’ireo taratasy mivalona ananantsika, miorina amin’ny Baiboly, amin’ny alalan’ny teny vitsivitsy voafantina tsara. Manintona ireo lohateny, ary miloko marevaka sy misarika ny maso ireo sary. Tsy manototra ilay olona ny taratasy mivalona, ka hoe hahatonga azy hihevitra fa be dia be ilay fanazavana tokony hovakina ao. Na dia izany aza, dia mitana ny saina sady azo ampiasaina mba hitarihana fampianarana Baiboly, ireo hafatra fohy ao amin’ny taratasy mivalona.
3 Izao no tsapan’ny Vavolombelona iray: “Eto amin’ity tontolo maika lava ity, ny olona matetika dia tsy maniry haka fotoana be dia be hamakiana teny, nefa ny taratasy mivalona dia ampy halava tsara mba hampitana hafatra iray lehibe, sady tsy lava loatra koa izy io ka hoe hampihodina ny olona, na dia alohan’ny hijereny azy aza. Namaky maro tamin’ireo taratasy mivalona aho, ka nahafantatra ny fahamarinana tamin’ny farany.” Aza hamaivanina na oviana na oviana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, hazavaina ao amin’ireny hafatra fohy vita pirinty ireny. — Heb. 4:12.
4 Dingana mora arahina efatra: Maro no nahita fahombiazana tamin’ny fampiasana tari-dresaka tsotra. 1) Asehoy amin’ilay olona ny vitsivitsy amin’ireo taratasy mivalona, ary anontanio azy izay mahaliana azy. 2) Rehefa avy nifidy iray ilay olona, dia mametraha fanontaniana iray voaomana tsara, izay manasongadina hevi-dehibe iray ao amin’ilay taratasy mivalona. 3) Mba hamaliana an’ilay fanontaniana, dia mamakia fehintsoratra na andinin-teny iray mifanentana amin’izany, avy ao amin’ilay taratasy mivalona. 4) Raha tsara ny fihetsiny, dia manohiza mandinika ny zavatra raketin’ilay taratasy mivalona, na manonòna lesona iray ao amin’ny bokikely Takina, na toko iray ao amin’ny boky Fahalalana, izay manome fanazavana fanampiny. Amin’izany fomba izany, dia mety ho afaka hitarika fampianarana Baiboly avy hatrany ianao. Hanampy anao hanomana izay holazaina, rehefa mampiasa ny efatra amin’ireo taratasy mivalona, ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto.
5 Ny lohatenin’ilay taratasy mivalona hoe “Iza Marina no Manapaka ity Tontolo ity?”, dia azo apetraka ho fanontaniana.
◼ Raha mamaly hoe “Andriamanitra” na hoe “Tsy fantatro”, ilay olona iresahanao, dia vakio ireo fehezanteny fanokafana roa eo amin’ny pejy faha-2, sy ny fehintsoratra faharoa eo amin’ny pejy faha-3. Asongadino ny 1 Jaona 5:19 sy ny Apokalypsy 12:9. Na misalasala ny amin’ny fisian’i Satana Devoly ilay olona na tsia, na manaiky ny fananany hery eo amin’izao tontolo izao na tsia, dia afaka mampiasa ilay fanjohian-kevitra hita eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Fampahafantarana iray avy amin’ireo toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao” ianao, mba hanohizana ilay resaka. Raha liana ilay olona, dia manolora hevitra ny hanazava izay niavian’ny Devoly, amin’ny fampiasana ireo hevitra eo amin’ny pejy faha-3 sy faha-4, ao amin’ilay taratasy mivalona.
6 Ilay taratasy mivalona hoe “Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?” dia mety hanaitra ny fahalianana avy hatrany. Azonao atao ny manombo-dresaka amin’ny fanontaniana hoe:
◼ “Mihevitra ve ianao fa hahita indray ireo havan-tiantsika nodimandry isika, indray andro any?” Rehefa avy mamaly ilay olona, dia sariho ny sainy ho eo amin’ny fehintsoratra faharoa eo amin’ny pejy faha-4, ao amin’ilay taratasy mivalona, ary vakio ny Jaona 5:28, 29. Avy eo, dia hazavao fa izy io dia manampy mba hahatakarana ilay fanazavana eo ambanin’ny lohatenikely voalohany eo amin’ilay taratasy mivalona. Manolora hevitra ny hiara-midinika momba azy io.
7 Ilay taratasy mivalona hoe “Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana” dia nanintona fianakaviana hatraiza hatraiza. Azonao atao ny milaza toy izao, rehefa mampiasa azy io:
◼ “Azo inoana fa manaiky ianao hoe iharam-pamelezana ny fianakaviana, amin’izao andro izao. Araka ny hevitrao, inona no azo atao mba hanatanjahana ny fatoram-pianakaviana?” Rehefa avy mamaly ilay olona, dia sariho ny sainy ho eo amin’ireo hevitra ao amin’ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-6. Mifidiana iray amin’ireo andinin-teny voasoratra eo amin’ny pejy faha-4 sy faha-5 amin’ilay taratasy mivalona, ary hazavao ny dikany. Avy eo, dia manolora fampianarana Baiboly maimaim-poana.
8 Ilay taratasy mivalona hoe “Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly” dia azo ampiasaina amin’izao fomba fampiseho izao:
◼ “Efa nandre ny tantaran’i Kaina sy i Abela, izay hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, ny ankamaroan’ny olona. Ny fitantarana ao amin’ny Genesisy koa dia manisy firesahana ny amin’ny vadin’i Kaina. Efa mba nanontany tena ve ianao hoe avy taiza izy io?” Ampiasao ilay fehintsoratra farany eo amin’ny pejy faha-2 amin’ilay taratasy mivalona, mba hamaliana azy. Hazavao fa ilay taratasy mivalona koa dia miresaka ireo fanazavana lehibe ara-baiboly, momba izay hoentin’ny hoavy. Manomboka eo amin’ny fehintsoratra fahatelo eo amin’ny pejy faha-5, dia tohizo ilay dinidinika, amin’ny fampiasana ireo andinin-teny manome fanazavana.
9 Fomba iray izay voaporofon’ny fandehan’ny fotoana ny fahombiazany, sady fomba mandaitra hampisehoana ny vaovao tsara, ny fizarana taratasy mivalona ara-baiboly. Koa satria mora entina na aiza na aiza alehanao izy ireo, dia afaka mampiasa azy ireo amin’ny fomba mandaitra ianao, eny amin’ny fitoriana isam-baravarana sy rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fanompoantsika ny taratasy mivalona. Ataovy azo antoka fa mitondra isan-karazany ianao, ary aza misalasala mampiasa azy ireo mba hanombohan-dresaka. — Kol. 4:17.