LAHATSORATRA FIANARANA 16
HIRA 64 Mahafaly ny Asa Fijinjana
Te ho Faly Kokoa ve Ianao Rehefa Manompo?
“Manompoa an’i Jehovah sady mifalia.”—SAL. 100:2.
HEVITRA HODINIHINA
Horesahina ato ny dingana maromaro azontsika arahina, mba hahatonga antsika ho faly kokoa rehefa manompo.
1. Ahoana no fahitan’ny mpitory sasany an’ilay hoe miresaka amin’ny olona eny amin’ny fanompoana? (Jereo koa ny sary.)
MITORY amin’ny olona isika vahoakan’i Jehovah satria tia an’ilay Raintsika any an-danitra sady te hanampy ny mpiara-belona amintsika hahafantatra azy. Betsaka ny mpitory tena mankafy ny asa fitoriana. Ny hafa kosa tsy hoatr’izany. Fa maninona? Saro-kenatra be ry zareo sady tsy matoky tena. Ny sasany indray tsy mahazo aina rehefa mankany an-tranon’olona nefa tsy nasaina akory. Misy koa matahotra sao tsy horaisina tsara. Eo koa ireo nampianarina mba tsy hanao izay hampahatezitra ny hafa. Marina hoe tena tia an’i Jehovah ireny rahalahy sy anabavy ireny, nefa tsy mora aminy ny miresaka ny vaovao tsara amin’ny olona tsy fantany. Hainy anefa hoe zava-dehibe ny asa fitoriana, dia manao an’izany tsy tapaka izy. Azo antoka hoe faly be amin-dry zareo i Jehovah!
2. Nahoana ianao no tsy tokony ho kivy raha tsy mahafaly anao ny manompo?
2 Mahatsapa an’ireo koa ve ianao, ka sarotsarotra aminao indraindray ny mahita fifaliana eny amin’ny fanompoana? Aza kivy raha izany. Ilay hoe tsy matoky tena mantsy mety hidika hoe manetry tena ianao, ka tsy te hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenanao, sady tsy te hiady hevitra be amin’ny hafa. Tsy misy tia an’izany hoe tsy raisina tsara izany koa, indrindra raha efa miezaka manao soa olona izy. Hain’ilay Rainao any an-danitra tsara ny olana atrehinao, ary te hanome an’izay fanampiana ilainao izy. (Isaia 41:13) Hiresaka soso-kevitra dimy ity lahatsoratra ity. Hanampy anao izany mba tsy hanana an’ireo fihetseham-po ireo intsony, sady ho faly rehefa manompo.
AVELAO HANATANJAKA ANAO NY TENIN’ANDRIAMANITRA
3. Inona no nanampy an’i Jeremia mpaminany hitory?
3 Efa hatry ny ela ny hafatra avy amin’Andriamanitra no nanatanjaka ny mpanompony, rehefa sarotra tamin-dry zareo ny namita ny asa nanendrena azy. Anisan’izany i Jeremia mpaminany. Nisalasala izy rehefa nasain’i Jehovah nitory. Izao no nolazainy: “Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza.” (Jer. 1:6) Inona no nanampy azy hatoky tena? Navelany hanatanjaka azy ny zavatra nolazain’Andriamanitra taminy. Hoy i Jeremia: “Lasa toy ny afo mirehitra ato am-poko sy voahidy ato amin’ny taolako anefa ny teniny, ka reraky ny mitazona an’ilay izy aho.” (Jer. 20:8, 9) Marina hoe tena mafy ilay faritany niasan’i Jeremia, nefa nanatanjaka azy ilay hafatra nasaina notoriny, dia vitany ilay asa.
4. Inona no vokany rehefa mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isika? (Kolosianina 1:9, 10)
4 Manatanjaka ny Kristianina koa ny hafatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manasongadina an’izany izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny fiangonan’i Kolosia. Nilaza izy fa raha miezaka hahafantatra tsara ny sitrapon’Andriamanitra ireo rahalahiny ireo, dia ‘hanome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tenany.’ Hahavita “hamokatra voa tsara” koa ry zareo “ka hanao ny tsara foana.” (Vakio ny Kolosianina 1:9, 10.) Manao ny tsara, ohatra, ry zareo rehefa mitory ny vaovao tsara. Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra àry isika, dia hatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah. Vao mainka hazava amintsika koa hoe tena zava-dehibe ny mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana.
5. Inona no azontsika atao raha tiantsika ny handray soa faran’izay betsaka rehefa mamaky sy mianatra Baiboly?
5 Handray soa faran’izay betsaka ianao rehefa mamaky sy mianatra ary misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra, raha tsy maimaika hahavita fotsiny. Makà fotoana tsara. Raha misy andinin-teny tsy azonao, dia aza dinganina fotsiny izany. Ampiasao kosa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahitanao fanazavana momba an’ilay andininy. Raha maka fotoana hoatr’izany ianao rehefa mianatra, dia vao mainka hatoky hoe marina ny Tenin’Andriamanitra. (1 Tes. 5:21) Ho tianao kokoa amin’izay ny hiresaka ny zavatra nianaranao amin’ny hafa.
MANOMÀNA TSARA REHEFA HANOMPO
6. Nahoana isika no tokony hanomana tsara rehefa hanompo?
6 Raha manomana tsara ianao rehefa hanompo, dia azo inoana hoe hahazo aina kokoa rehefa miresaka amin’ny hafa. Nanampy ny mpianany hiomana i Jesosy, talohan’ny nandefasany an-dry zareo hitory. (Lioka 10:1-11) Nampiharin-dry zareo tsara izay nampianarin’i Jesosy azy, dia lasa nahafaly be an-dry zareo ny zava-bitany.—Lioka 10:17.
7. Inona ny fiomanana azo atao? (Jereo koa ny sary.)
7 Inona ny fiomanana azo atao? Saintsaino hoe ahoana no hilazanao ny fahamarinana amin’ny fomba fiteninao. Tsara koa ny mieritreritra zavatra roa na telo mpitranga eny amin’ny faritany, sy ny fomba hiatrehana an’ilay izy. Rehefa manatona olona indray ianao, dia miezaha ho tony sy hitsikitsiky ary ho tsara fanahy.
8. Nahoana ny Kristianina no mitovy amin’ilay vilany tany noresahin’i Paoly tao amin’ny fanoharany?
8 Nampiasa fanoharana ny apostoly Paoly mba hanazavana ny andraikitsika eo amin’ny asa fitoriana. Izao no nolazainy: “Manana an’izany harena izany ao anaty vilany tany ... izahay.” (2 Kor. 4:7) Inona io harena io? Ilay asa mamonjy aina, izany hoe ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. (2 Kor. 4:1) Ary inona ilay hoe vilany tany? Ny mpanompon’Andriamanitra. Ry zareo mantsy no mitondra ny vaovao tsara any amin’olona. Siny tanimanga no nampiasain’ny mpivarotra tamin’ny andron’i Paoly mba hitondrana zava-tsarobidy, ohatra hoe sakafo sy divay ary vola. Anankinan’i Jehovah hafatra sarobidy koa isika, izany hoe ny vaovao tsara. Ampian’i Jehovah isika, dia lasa manana hery hitoriana an’io hafatra io foana.
MIVAVAHA MBA HANANA HERIM-PO
9. Inona no azo atao mba tsy hatahotra olona isika, na tsy hatahotra sao tsy horaisina tsara? (Jereo koa ny sary.)
9 Mety hatahotra olona isika indraindray, na hatahotra sao dia tsy horaisina tsara. Ahoana no andresena an’izany? Diniho ny vavaka nataon’ny apostoly tamin-dry zareo norarana tsy hitory. Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra ry zareo, fa nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy azy ‘hanana fahasahiana be hitory ny teniny.’ Tonga dia namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah. (Asa. 4:18, 29, 31) Raha matahotra olona ianao indraindray, dia tokony hivavaka amin’i Jehovah ary hangataka ny fanampiany. Iangavio izy hanampy anao ho tia kokoa ny mpiara-belona aminao, mba handresena an’ilay tahotra.
10. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba hahavitantsika an’ilay andraikitra hoe ho Vavolombelony? (Isaia 43:10-12)
10 Nanendry antsika ho Vavolombelony i Jehovah, ary mampanantena fa hanampy antsika ho be herim-po. (Vakio ny Isaia 43:10-12.) Betsaka ny fomba anaovany an’izany, fa efatra ihany no hodinihintsika. Voalohany, hiaraka amintsika foana i Jesosy isaky ny mitory ny vaovao tsara isika. (Mat. 28:18-20) Faharoa, asain’i Jehovah manampy antsika ny anjely. (Apok. 14:6) Fahatelo, omen’i Jehovah ny fanahiny masina isika. Mpanampy mampahatsiahy antsika an’izay efa nianarantsika izy io. (Jaona 14:25, 26) Fahefatra, omen’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy isika mba hiaraka amintsika. Manana an’izay rehetra ilaina àry isika mba hahafahantsika hitory foana, satria manampy antsika i Jehovah sy ny mpiara-manompo be fitiavana.
FANTARO IZAY ILAIN’NY OLONA ARY MANÀNA TOE-TSAINA TSARA
11. Inona no azonao atao mba hahita olona kokoa ianao rehefa manompo? (Jereo koa ny sary.)
11 Kivy ve ianao rehefa tsy dia mahatratra olona ao an-tranony? Maninona raha saintsainina hoe: ‘Fa aiza daholo moa ny olona ao amin’ny faritaninay amin’izao?’ (Asa. 16:13) ‘Any am-piasana sa eny an-tsena?’ Raha izany, dia sao dia hahita olona kokoa ianao raha mitory eny an-dalana? Hoy ny rahalahy iray atao hoe Joshua: “Afaka nanararaotra nitory aho rehefa nandeha teny amin’ny toerana be fivarotana sy teny amin’ny toerana be olona.” Ankoatra izay, dia nahatratra olona betsaka kokoa tao an-trano izy sy Bridget vadiny, tamin-dry zareo nitory takariva sy alahady tolakandro.—Efes. 5:15, 16.
12. Ahoana no ahafantarantsika an’izay inoan’ny olona na izay mampanahy azy?
12 Raha tsy dia liana amin’ny hafatra torintsika ny olona, dia ezaho fantarina ny zavatra inoany, na izay mampanahy azy. Mampiasa ny fanontaniana eo amin’ny fonon’ny taratasy mivalona i Joshua sy Bridget rehefa mampidi-dresaka. Izao, ohatra, no lazainy rehefa mampiasa an’ilay taratasy mivalona hoe Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?: “Misy mieritreritra fa boky avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Ny hafa indray tsy tena mino an’izany. Ahoana ny hevitrao?” Matetika no mitohy ny resaka.
13. Nahoana no mahomby foana ny fanompoantsika na dia tsy mandray aza ny olona? (Ohabolana 27:11)
13 Tsy ny vokatra hitantsika no amaritana hoe mahomby ny fanompoantsika na tsia. Nahoana? Satria efa nandeha nitory isika, ary izany no asain’i Jehovah sy ny Zanany ataontsika. (Asa. 10:42) Faly isika na dia tsy mahita olona iresahana aza, na lavin’ny olona ny hafatra torintsika. Fantatsika mantsy hoe efa mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra isika.—Vakio ny Ohabolana 27:11.
14. Nahoana isika no faly rehefa mahita olona liana ao amin’ny faritany ny mpitory hafa?
14 Afaka ny ho faly koa isika rehefa mahita olona liana eny amin’ny faritany ny mpitory hafa. Nampitahain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fitadiavana zaza very ny asa fitoriana ataontsika. Be dia be no miara-mikaroka an’ilay zaza ao amin’ny toerana iray, dia avy eo any amin’ny toerana hafa indray. Rehefa hita ilay zaza, dia tsy ilay nahita azy ihany no faly fa ny rehetra. Hoatr’izany koa ny asa fanaovana mpianatra. Miara-mientana isika rehetra manao an’ilay izy. Ilaina daholo mantsy isika, mba hamitana ny faritany, ary miara-paly isika rehefa misy olona vaovao tonga manatrika ny fivoriantsika.
MIFANTOHA AMIN’NY FITIAVANAO AN’I JEHOVAH SY NY OLONA
15. Nahoana isika no hafana fo kokoa rehefa manompo, raha mampihatra ny Matio 22:37-39? (Jereo koa ny sary.)
15 Vao mainka hafana fo hitory isika, rehefa mifantoka amin’ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny namantsika. (Vakio ny Matio 22:37-39.) Eritrereto ny hafalian’i Jehovah mahita antsika manao an’io asa io, sy ny hafalian’ny olona rehefa manomboka mianatra Baiboly. Tadidio koa fa ho voavonjy izay manaiky an’ilay hafatra entintsika.—Jaona 6:40; 1 Tim. 4:16.
16. Inona no azontsika atao mba ho faly amin’ny fanompoana rehefa tsy afaka mivoaka ny trano? Manomeza ohatra.
16 Misy zavatra mahazo anao ve ka tsy afaka mivoaka ny trano ianao? Raha izany, dia mifantoha amin’izay azonao atao mba hampisehoana hoe tia an’i Jehovah sy ny namanao ianao. Tsy maintsy nihiboka tao an-trano, ohatra, i Samuel sy Dania, nandritra ny valanaretina COVID-19. Inona no nataon’izy mivady nandritra an’izany fotoan-tsarotra izany? Nitory tsy tapaka an-telefaonina sy an-taratasy ry zareo, ary nampianatra Baiboly tamin’ny Zoom. Nitory tamin’izay hitany teny amin’ny hopitaly koa i Samuel tamin’izy nitsabo tena, satria voan’ny kansera izy. Izao no nolazainy: “Rera-tsaina sy rera-batana isika rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra, sady voasedra ny finoantsika. Amin’izay no tena ilaina ny hoe faly manompo an’i Jehovah.” Nandritra an’izay fotoana izay koa i Dania no nianjera, dia tsy afa-niala teo am-pandriana nandritra ny telo volana. Avy eo izy tsy maintsy nampiasa seza misy kodiarana tao anatin’ny enim-bolana. Izao no nolazainy: “Niezaka nanao an’izay rehetra azoko natao aho. Afaka nitory tamin’ny mpitsabo mpanampy nitsidika ahy aho, dia niresaka tamin’izay nanatitra zavatra ho anay tany an-trano. Afaka nitory tsara tamin’ny solontenan’ny orinasa iray mpivarotra fitaovam-pitsaboana koa aho, rehefa niresaka taminy tamin’ny telefaonina.” Marina hoe voafetra ny azon’i Samuel sy Dania natao, noho izay nanjo an-dry zareo. Faly anefa izy roa satria nanao izay vitany.
17. Inona no azonao atao mba handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny soso-kevitra ato ianao?
17 Mila ampiharina indray miaraka ny soso-kevitra rehetra ato amin’ity lahatsoratra ity vao tena hahomby. Azo oharina amin’ny fangaro ampiasaina hanaovana sakafo ny soso-kevitra tsirairay. Rehefa atambatra daholo ireny fangaro ireny vao tena hatsiro ilay sakafo. Raha mampihatra an’ireo soso-kevitra rehetra ireo koa ianao, dia ho hainao kokoa ny handresy fihetseham-po mahakivy, ary ho faly kokoa ianao rehefa manompo.
NAHOANA IRETO NO HANAMPY ANAO HO FALY REHEFA MANOMPO?
Maka fotoana hanomanana
Mivavaka mba ho be herim-po
Mifantoka amin’ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny olona
HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”