FANAZAVANA ANDININ-TENY
Jaona 14:27: “Fiadanana no Avelako Aminareo”
“Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako. Hafa mihitsy anefa ny fomba anomezako azy, fa tsy hoatran’ny an’izao tontolo izao. Aza avela hitebiteby na hatahotra àry ny fonareo.”—Jaona 14:27, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.”—Jaona 14:27, Fandikan-teny Katolika.
Inona no tian’ny Jaona 14:27 holazaina?
Nilaza an’ireo teny ireo i Jesosy mba hanomezana toky ny apostoliny hoe tsy tokony hanahy be izy ireo rehefa miatrika olana. Afaka mahatsapa fiadanana hoatr’azy, izany hoe ho tony, koa izy ireo rehefa ampian’Andriamanitra.
Inona ilay fiadanana nomen’i Jesosy na navelany ho an’ny apostoliny? Ny fiadanany no nomeny azy ireo, izany hoe ilay fiadanana tsapany. Ilay hoe mahatsapa fiadanana anefa akory tsy midika hoe tsy misy manohitra sy tsy misy fahoriana mihitsy. (Jaona 15:20; 16:33) Nahatsapa fiadanan-tsaina sy fiadanam-po i Jesosy na dia nampijalina sy novonoina tsy ara-drariny aza. (Lioka 23:27, 28, 32-34; 1 Petera 2:23) Tony izy tany anatiny tany satria fantany hoe tian’i Jehovah Rainy sy nankasitrahany.a—Matio 3:16, 17.
Namela fiadanana ho an’ny mpianany i Jesosy rehefa nanome toky azy ireo hoe tia sy mankasitraka azy ireo izy sy ny Rainy. (Jaona 14:23; 15:9, 10; Romanina 5:1) Nino izy ireo hoe tena Zanak’Andriamanitra i Jesosy dia izany no nanampy azy hahatsapa an’io fiadanana io. Lasa tony àry izy ireo dia tsy natahotra sy tsy nanahy intsony. (Jaona 14:1) Na dia tsy hiaraka tamin’izy ireo mivantana intsony aza i Jesosy, dia nampanantena hoe hanampy azy ireo ho tony sy hahatsapa fiadanana ao anatin’izy ireo ny fanahy masin’Andriamanitra. (Jaona 14:25-27) Nanana herim-po niatrehana toe-javatra sarotra ny mpanara-dia an’i Jesosy satria fantany hoe nanohana sy nankasitraka azy ireo i Jehovah.—Hebreo 13:6.
Fomban’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy ny nirary soa ny hafa mba hahazo fiadanana rehefa nifampiarahaba. (Matio 10:12, 13) Tsy nirary soa ny apostoliny mba hahazo fiadanana fotsiny anefa i Jesosy fa nanome azy ireo fiadanana mihitsy. Tsy mitovy amin’ny fiadanana omen’ity tontolo ityb mihitsy koa ny fiadanana nomen’i Jesosy azy ireo. Marina hoe afaka manome fiadanana amin’ny alalan’ny harena, laza, toerana ambony na fifandraisana amin’ny hafa ity tontolo ity. Tsy maharitra anefa izany, tsy mba hoatran’ny fiadanana omen’i Jesosy. Zavatra tsapa any anaty lalina any anefa ilay fiadanan’i Jesosy, ary tsy miankina amin’ny zavatra ivelany izy io.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jaona 14:27?
Ny alina talohan’ny nahafatesany i Jesosy no nilaza an’ireo teny ireo tamin’ny apostoliny. Nilaza tamin’izy ireo i Jesosy tamin’izay hoe efa kely sisa dia handao azy ireo izy. (Jaona 13:33, 36) Nalahelo be ny apostoliny. (Jaona 16:6) Nanome toky azy ireo àry i Jesosy dia nanazava hoe tsy tokony hanahy izy ireo na dia handeha aza izy.
Mampahery ny Kristianina ankehitriny koa ireo tenin’i Jesosy ireo. Afaka mahazo fiadanana koa isika. (2 Tesalonianina 3:16) Rehefa lasa mpianatr’i Jesosy isika dia lasa mahafantatra hoe tena tia sy mankasitraka antsika i Jesosy sy Jehovah Rainy. (Kolosianina 3:15; 1 Jaona 4:16) Tsy tokony hanahy be àry isika. Nahoana? Satria manana an’i Jehovah manohana antsika.—Salamo 118:6; Filipianina 4:6, 7; 2 Petera 1:2.
Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’i Jaona ianao.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”
b Ny olona rehetra tafasaraka amin’Andriamanitra ilay hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly.