Rehefa tanana ho tsiambaratelo ny homamiadana
INDRAY andron’ny volana May 1987, dia nandray ny nomeraon’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Jona aho, ary nanomboka namaky ilay fizarana hoe “Avy amin’ireo mpamaky”. Avy hatrany aho dia nahamarika taratasy iray avy atỳ Japana toy izao:
“Maniry indrindra izahay ny hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra mikasika ny homamiadana navoakanareo. (Tamin’ny 8 sy 22 Oktobra 1986). Tamin’ny herintaona, ny zanakay vavy, izay tsy mba nanana andro naharariana mihitsy nandritra ny 16 taona, dia voalaza tampoka araka ny fizahana fa voan’ny raboka ary naiditra hôpitaly nandritra ny enim-bolana. Avy eo, noho izy tsy nahitana basilan’ny raboka, dia navoaka ny hôpitaly izy.”
‘Mahagaga izany!’ hoy aho anakampo. ‘Mitovy amin’ny manjo ahy ny manjo izany ankizivavy izany.’ Nanohy namaky aho:
“Nefa tamin’ny volana nanaraka, dia nahare izahay fa voan’ny homamiadan’ny traotraoka izy ary nahazo ny havokavony koa ilay homamiadana. Nodidiana avy hatrany izy mba hanesorana ny traotraokany sy ny atodintarina nanodidina azy, ary nisy tapany tamin’ny havokavony nesorina. Manaraka fitsaboana amin’ny alalan’ny ‘cobalt’ izy izao.”
Nodidiana nitovy tamin’izany koa aho. Nanjary mahimahina aho. ‘Ary sao dia miresaka momba ahy ity?’ hoy aho nanontany tena. ‘Nefa aho tsy voan’ny homamiadana. Nidobodoboka ny foko raha teo am-pihazakazahana namaky ny tapany sisa amin’ilay taratasy ny masoko :
“Nahomby ny fandidiana azy, ary manana fiainana ara-dalàna izy izao. Nefa moa amin’ny maha-ray aman-dreny anay, dia tsy nitsahatra ny nitebiteby sy nanahy izahay ny amin’izay tokony hatao mba hanampiana ny zanakay vavy. Noho ireo lahatsoratra navoakanareo dia nahatsapa ho nahazo toky indray izahay ary nahazo fiadanan-tsaina indray. Nanome fitarihana tsara ireo lahatsoratra raha ny amin’ny fomba ahafahanay mampahery ny zanakay vavy amin’ny hoavy. — H. K., Japana.”
Ny litera voalohany amin’ny anaran’i Dada ireo! Izaho ve izany io ankizivavy io? Nankany amin’i Neny haingana aho. “Hitako fa azonao fa miresaka momba anao ilay izy” hoy izy nitsiky. Niezaka mafy izy hamantatra ny soritry ny endriko. Izany no fomba nahafantarako voalohany fa voan’ny homamiadana aho.
Ny antony tsy nampahafantarana izany aloha kokoa
Any Japana dia tsy fanao ny milaza amin’ny marary iray rehefa hita amin’ny fizahana fa voan’ny homamiadana izy. Nangataka ny ray aman-dreniko mba hanaraka izany fomba fanao izany ireo mpitsabo ahy. Raha ny marina, dia nitady hampahafantatra izany tamiko i Neny, fa i Dada no tsy nanaiky. Nanahy izy sao mety hamoifo aho ka dia nisalasala. Noho izany dia niady saina mafy izy ireo ny amin’ny tokony hampahafantarana ahy ny amin’ilay aretina na tsia.
Avy eo moa dia nisy lahatsoratra nifampitohy momba ny homamiadana nivoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 sy 22 Oktobra 1986. Rehefa avy namaky azy ireo ny ray aman-dreniko, dia nanapa-kevitra fa tokony hilaza amiko ny amin’ny homamiadana mahazo ahy izy amin’ny fotoana mety. Nanoratra taratasy fankasitrahana noho ireo lahatsoratra ireo tany amin’ny Fikambanana Watch Tower eto Japana anefa aloha ny raiko. Rehefa nivoaka tao amin’ny Mifohaza! ilay taratasiny dia nahatsapa ny ray aman-dreniko fa ny tanan’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Baiboly, no nitarika ny fizotran’izany. Fomba feno hatsaram-po nampahafantarana ahy ny homamiadana nahazo ahy izany, satria ny fahatairana tamin’ny fahitana ilay taratasin’ny raiko tamin’izany fotoana izany, dia nihoatra noho ny fihetsehampo hafa rehetra.
Tsy tahotra akory no tsapako satria nino tamim-pahatsorana ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny toetry ny maty aho. Milaza izy io fa “tsy mba mahalala na inona na inona” izy ireny. (Mpitoriteny 9:5). Natoky ny fampanantenan’ny Baiboly koa aho fa hoe “ireo rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana” dia hiverina amin’ny fitsanganan’ny maty. — Jaona 5:28, 29, MN.
Tetsy an-danin’izany, ny nahaketraka ahy dia ny fieritreretana hoe: ‘Raha maty aho, dia hanirery erỳ izao ny ray aman-dreniko eo am-piandrasana ny fitsanganako amin’ny maty.’ Izaho irery mantsy no zanany. ‘Azo antoka fa hanohana ny ray aman-dreniko Jehovah mandritra ireo taona haha-irery azy’, hoy ny fanjohian-kevitro sady nanaisotra izany eritreritra mahaketraka izany aho.
Voatana tany amin’ny hôpitaly
Tamin’ny Aprily 1985, roa taona talohan’ny nandraisako ilay Mifohaza! misy ny taratasin’ny raiko indrindra, dia tafiditra tao amin’ny lise aho. Vao 15 taona monja aho tamin’izay. Rehefa avy nanaovana fizahana ara-pahasalamana aho, dia naharay filazana tamin’ny volana May, nampahafantatra tamiko hoe: “Voan’ny ‘bronchiectasie’ (fitaran’ny traoka) — Mila fandinihana lalina kokoa.”
Na dia tsy nahatsapa tsy netinety tao amiko aza aho, dia nampieritreritra ahy mafy io teny toa naneno be io. Tsy mba voan’ny aretina mafy mihitsy aho, ary nihevitra ahy ho zazavavy salama ny rehetra. Na dia izany aza, dia nandeha nankany amin’ny hôpitaly iray teo an-toerana aho mba hanaovana fandinihana lalina kokoa. Tany no nahitana fa voan’ny raboka aho ary nampidirina hôpitaly avy hatrany.
Tsy nisy nahafinaritra ny fiainana tao amin’ny toerana natokana ho an’ny olona voan’ny raboka. Nandritra ny enim-bolana maninjitra dia tsy nisy olona avy tany ivelan’ny hôpitaly nahazo nitsidika ahy afa-tsy ny ray aman-dreniko ihany. Ireo taratasy avy tamin’ny namako kristiana sy feo noraisina tany amin’ireo fivoriana kristiana no nanatanjaka ahy sy nanampy ahy handresy ny alaheloko. Ho fanampin’izany, ny famakiana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower koa dia niaro ahy tsy hanjary tsy hieritreritra afa-tsy ny tenako ihany. Nefa ambonin’izany rehetra izany, dia ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra no nanampy ahy hanana fomba fijery manorina.
Ny fanapahan-kevitro hanompo an’Andriamanitra
Nanomboka nianatra ny Baiboly ny ray aman-dreniko fony aho vao efa-bolana, ary nitaiza ahy hanaiky ireo fampianaran’ny Baiboly ho ny fahamarinana izy. Rehefa nihalehibe kokoa aho, noho ny fampiofanana nataon’ny ray aman-dreniko dia nanjary nankamamy ny fifandraisako amin’i Jehovah sy nampitombo finoana azy araka ny fanapahan-kevitro manokana. Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho, ary nanamarika ny fanoloran-tenako tamin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano, tamin’ny 4 Desambra 1982, rehefa feno 13 taona.
Nivoaka aho tamin’ny Oktobra 1985, efa saika ho enim-bolana tany amin’ny hôpitaly. Sambany aho teo amin’ny fiainako vao mba nahatsapa ny hakanton’ny rivotra rehefa afaka mandehandeha amin-kalalahana ny tena. Mba hanehoana ny fankasitrahako, dia nanapa-kevitra aho ny hanompo amin’ny maha-minisitra manontolo andro mandritra ny fotoana fohy, na mpitory maharitra mpanampy. Tamin’ny Novambra sy Desambra àry dia nandany 60 ora tamin’ny asa an-tsitrapo kristiana aho. Tamin’ny Desambra anefa, dia nahare aho fa voatery haiditra hôpitaly indray aho hodidiana amin’ny traotraoka. Ny fieritreretana fotsiny ny ho voatana indray dia efa nampitomany ahy.
Ny zava-manahirana momba ny ra
Mandidy ny kristiana ‘hifady (...) ra’ ny Tenin’Andriamanitra, ary amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ahy, dia naniry hanao izay rehetra hahafaly azy aho. (Asan’ny apostoly 15:29). Koa satria tsy maintsy atao ny fandidiana, dia niresaka tamin’ny mpitsabo ahy aho ary nanazava taminy ny antony tsy ahafahako manaiky fampidiran-dra. Nanaja ny toerana notanako izy, ary niteny tamiko mba tsy hanahy ny amin’izany.
Kanefa, ny omalin’ny andro handidiana ahy, dia nampidirina tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny hôpitaly aho, izay efa nisy mpitsabo mihoatra ny roa ambin’ny folo niandry ahy. Ireo mpandidy ireo, izay mbola tsy hitako teo aloha, dia hanatrika ny fandidiana ahy. Nidobodoboka izaitsizy ny foko nifanatrika tamina manam-pahaizana maro be toy izany.
“Te hiresaka aminao ny amin’ny fandidiana rahampitso izahay”, hoy ilay mpitsabo tompon’andraikitra nanombo-dresaka. “Hosokafanay ny havokavokao ary koa ny traotraoka. Koa izao àry: ny amin’izay nolazainao momba ny fampidiran-dra, moa ve azonao antoka fa tianao ny hanaovanay araka izay nolazainao na dia misy fisehoan-javatra tsy ampoizina mitranga aza?”
“Eny, azoko antoka tokoa”, hoy ny navaliko, raha nihaino tamim-pitandremana fatratra ireo mpitsabo. “Raha sitrakareo, tompoko, dia mba ataovy araka izay nangatahiko.”
Nony avy eo, dia nanomboka nanontany ny sasany, toy ny hoe: “Nahoana ianao no tsy manaiky fampidiran-dra?” “Tena ianao marina ve no tompon-kevitra amin’izany?” Nihaino tamim-panajana izay navaliko ny fanontaniany izy rehetra. Nanjavona tsikelikely ny fanahiako teo am-boalohany, ary nohazavaiko ny fomba nahatonga ahy hanaiky ny fiheveran’Andriamanitra momba ny ra. Nohazavaiko koa fa ny fankasitrahako manokana ny lalàn’Andriamanitra, fa tsy fanerena na dia kely akory aza avy amin’ny ray aman-dreniko, no nanosika ahy hangataka fandidiana tsy hampiasana ra. Nanaja ny fihetsiko tamin-katsaram-po ireo mpitsabo ary nampirisika ahy mba tsy hanahy, satria hiomana tsara mihitsy ho amin’ny fandidiana ry zareo.
Ny fandidiana sy ny fitsaboana amin’ny alalan’ny “cobalt”.
Ireto avy no tafiditra tao amin’ilay fandidiana: ny fanokafana ny tendako, ny fanesorana ny traotraoka sy ny atodintarina ary ny ampahany tamin’ireo havokavoko. Hitan’ireo mpitsabo fa raha ny marina dia homamiadana nitombo ka niitatra avy tany amin’ny traotraoka ilay noheveriny ho raboka tamin’ny voalohany. Kanefa, tsy nilazana mihitsy aho hoe nasehon’ilay fandidiana fa voan’ny homamiadana aho.
Koa satria voakasik’ireo mpitsabo ny tadim-peoko nandritra ny fandidiana, dia nampiomana mialoha ny ray aman-dreniko izy ireo fa mety ho voatery hodidiana indray aho vao ho afaka hiteny. Izany no naha-diboky ny hafaliana ireo mpitsabo sy ny ray aman-dreniko nony injay aho nahatsiaro saina ka nanontany hoe: “Tsy nampiasa ra ianareo, sa tsy izany?”
Noho ny fiezahana tamim-pahatsorana nataon’ireo mpitsabo dia nahomby ilay fandidiana ary afaka nitana fieritreretana kristiana madio aho. Nilaza toy izao tamin’ny ray aman-dreniko anefa ireo mpitsabo: ‘Angamba tsy ho afaka hiaina afa-tsy mandritra ny efa-taona monja izy. Mety ho faty eny antenatenan-taona aza izy. Ho sempotra izy amin’ny farany, ary hahita fangirifiriana rehefa ho faty. Hihena ny lanjany manomboka izao na kely na betsaka no hohaniny. Aoka ianareo hiomana mba hiatrika izany vokany izany.’ Mazava ho azy fa tsy nahalala na inona na inona momba io faminavinana mahatahotra io aho. Nefa voadona mafy ny ray aman-dreniko, ary tena nalahelo izy ireo.
Taorian’ny fandidiana natao tamin’ny Janoary 1986, dia niditra hôpitaly aho tamin’ny volana Febroary mba hanaraka fitsaboana amin’ny alalan’ny “cobalt”, ary avy eo indray, tamin’ny volana Novambra tamin’iny taona iny ihany. Nanao aronakanjo sy gan-tanana manokana ilay mpitsabo tonga tao amin’ny efitrano fitsaboana. Namoaka kapisily anankiroa avy tao anaty boaty metaly kely boribory izay izy ka nanome izany ahy mba hateliko. Nitelina zavatra radiôaktifa, izay tokony hiasa ao anatiko aho. Araka izany, dia namoaka taratra radiôaktifa aho, ka voatery notanana tao amin’ny efitranoko manokana nandritra ny herinandro. Ankoatra ireo mpanampy ny mpitsabo tonga nanome sakafo ahy, dia tapaka ny fifandraisako tamin’ny tany ivelany rehetra.
Tsy haiko ny tsy hilaza fa gaga aho nahita ireo fitaovana arifomba, ary taitra nahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitsaboana. Kanefa, araka ny fanao eto Japana, dia notanana ho tsiambaratelo ny naha-voan’ny homamiadana ahy.
Koa satria tany ambanin’ny tany ny antsasak’ilay efitrano ary nasiana fefy mba tsy hivoahan’ny taratra radiôaktifa, dia tsy afaka nahita zavatra firy avy teo amin’ny varavarankely aho. Nampahafana ny foko toy inona moa rehefa tonga nitsidika ka nanofahofa tanana ahy ireo namako kristiana! Tsapako ny fitiavan’izy ireo, izay nanohana ahy nandritra ny fitanana ahy.
Ny fanatanterahako ny zava-kendreko
Raha mbola nanaraka fitsaboana tamin’ny alalan’ny “cobalt” aho, dia nisy mpanampy ny mpitsabo iray nanontany ahy ny amin’izay nahatonga ahy ho faly lalandava toy izany. Nolazaiko taminy fa nanome fiadanan-tsaina ahy ny fianarana ny Baiboly. (Salamo 41:3). Nanaitra ny fahalianany izany resadresaka izany ka nanomboka nianatra ny Baiboly izy.
Mahafaly ahy foana ny firesahana amin’ny hafa momba ilay Andriamanitro. Noho izany, hatramin’ny fahazazako aho dia nanana zava-kendrena ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah minisitra manontolo andro. Mba hanatratrarana izany zava-kendrena izany, dia tsy maintsy nampifandanja ny fianarako tany an-tsekoly sy ny fanompoana tamin’ny ady ataoko amin’ny homamiadana aho. Toy inona moa ny hafaliako voatendry ho mpitory maharitra mandavantaona eo amin’ny fanompoana manontolo andro teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha vao nahavita ny fianarako aho tamin’ny Martsa 1988!
Mazava ho azy fa tsy mbola sitrana tanteraka ny aretiko. Na dia tsy nahatsiaro tena ho osa aza aho, dia voatery aiditra hôpitaly indraindray mba hozahana. Nefa na dia any amin’ny hôpitaly aza aho dia afaka niresaka tamin’ireo mpitsabo sy ireo mpanampy ny mpitsabo ary ireo marary toa ahy ny amin’ny fanantenana atolotr’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao iray. — Apokalypsy 21:3, 4.
Nilaza tamin’ny ray aman-dreniko toy izao ny mpiasan’ny hôpitaly anankiray indray mandeha: “Amin’izao havokavony efa voa izao, dia tokony ho sempotra sy hisefosefo mihitsy izy, hijaly mafy rehefa miaina, ary hipetra-potsiny tsy hahavita na inona na inona. Nefa i Rie dia mihazakazaka etsy sy eroa. Tsy mazava amiko. Ny fivavahanareo ve no mahatonga azy havitrika sy ho falifaly toy izao?”
Tena manana tsiambaratelo manohana ahy tsy hanjary ho kivy tokoa aho. Izany dia ny fifandraisako amin’i Jehovah Andriamanitra. Manome hery ahy izy mba tsy ho resin’ny aretiko aho. (Filipiana 4:13). Izany no antony ananako fiadanan-tsaina hatrany sy tsy mahavery fanantenana ahy na dia mijaly noho ny homamiadana aza aho. Tiako tokoa ny hiditra velona mivantana ao amin’ny tontolo vaovao haorin’i Jehovah, izay “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: ‘Marary aho’ ” (Isaia 33:24). Nefa na inona na inona hitranga, eny fa na dia hindaosin’ny fahafatesana aza aho, dia matoky aho fa tsy hanadino ahy i Jehovah raha manao izay ankasitrahany foana aho. — Notantarain’i Rie Kinoshita.
[Sary, pejy 26]
Manompo amin’ny maha-minisitra manontolo andro aho nanomboka tamin’ny Martsa 1988