Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?
“AMIKO, ny fitiavana mozika dia voajanahary ao anatintsika ao”, hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Jackie, “satria afaka maneho ny zavatra tsapanao izy io. Tena tapany lehibe amin’ny fiainanao izy io rehefa tanora ianao.”
Marina ny tenin’i Jackie. Na dia tanora maro aza no toa tena voasinton’ny mozika, ny fahaizana mankafy feon-kira sy firindran-kira dia toa voajanahary ao anatintsika rehetra ao. Ary rehefa mihaino ny feon-kira falifalin’ny railovy iray, na ny fingadona mampitonin’ireo alon-drano mitopatopa, fotsiny ianao, dia hahafantatra fa fanomezana feno fitiavana avy amin’ilay Mpamorona finaritra ny mozika. (1 Timoty 1:11; Jakoba 1:17). Na dia izany aza, dia fanomezana nampiasaina matetika tamin’ny fomba ratsy izy io. Raha ny marina aza, raha tsy hazonina ho eo amin’ny toerany ny mozika, dia afaka ny hitondra fanimbana, fa tsy zavatra tsara, ho anao.
Andevozin’ny mozika ve ianao?
Afaka ny ho madio sy hahasoa ny mozika tsara. Kanefa, raha be loatra, na dia ny zavatra tsara iray aza dia mety ho ratsy ho anao. Mampitandrina toy izao ny ohabolana feno fahendrena iray: “Mahita tantely va hianao? Hano izay antonona anao, fandrao voky loatra hianao ka handoa azy.” (Ohabolana 25:16). Malaza noho ny toetrany manasitrana ny tantely. Kanefa “tsy tsara raha mahery homana tantely” ianao satria afaka ny hankaloiloy anao izany. (Ohabolana 25:27). Ny hevitr’izany? Tokony hankafizina amim-pahalalana onony ireo zavatra tsara.
Ny mozika anefa dia tena manapaka ny fiainan’ny tanora sasany. Ny tovovavy iray antsoina hoe Jodie, ohatra, dia nitsotra fa, fony zatovo izy, dia “tsy nanao afa-tsy ny nihaino mozika tsy an-kijanona”. Moa ve ianao miezaka toy izany koa mba hameno ny fotoana rehetra tsy atorianao amin’ny feon-javatra? Raha izany no izy, izay mety halanao tsiny hoe fankafizana mozika dia mety ho tsy inona fa fanandevozana amin’ny mozika.
Mahatsiaro toy izao ny tanora iray antsoina hoe Steve: “Tany am-pianarana nalehako aza dia nisy ankizy nihaino mozika tao an-dakilasy.” Kanefa miaiky toy izao izy: “Tena manimba ny fianarany mihitsy anefa ny fananana [écouteurs] Walkman eo amin’ny sofina.” Toy izany koa, moa ve ianao mandefa mozika manelingelina na dia rehefa manao ny entimodinao aza ianao? Ary ahoana ny amin’ireo fotoana natokana ho an’ny fianarana ny Baiboly na fanomanana ireo fivoriana kristiana? Moa ve renao avy ao ambadika ny fingadon’ilay hira tianao indrindra?
Diniho koa hoe ohatrinona ny vidin’ny fiezahana hanana ireo hira farany vao nivoaka. Ampahafirin’ny karamanao na ny argent de poche-nao no lany amin’izao fotoana izao amin’ny kapila, cassettes na compact discs? Azo ampiasaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa ve ny sasany amin’izany vola izany?
Ahoana ny amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana? Moa ve ianao mandray anjara amin’ny resaka ifanaovan’ny fianakaviana, miara-misakafo amin’ny fianakaviana — sa mijanona ao amin’ny efitranonao sy mihaino mozika ao? Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” — Ohabolana 18:1.
Fanovana ny habetsahan’ny fotoana ihainoanao mozika
Raha maka fotoana be loatra amin’ny fiainanao manokana ny mozika, dia ho tsara ny handinihanao ny teny ao amin’ny Efesiana 5:15, 16 manao hoe: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” Mety ho tafiditra amin’izany ny fameranao ny fotoana ihainoanao mozika. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 3:2.) Ohatra, mety hila ny hanapaka ny fahazarana mandefa mozika isaky ny miditra ny trano ianao. Mianara mankafy fe-potoana mangina sasany.
Fara fahakeliny, ny fanaovanao izany dia mety hanampy anao hanatsara ireo naotinao. Manosika ho amin’ny fianarana ireo fe-potoam-pahanginana. Izao anefa, mety hihevitra ianao fa manampy anao ho tony ny fisian’ny mozika. Kanefa nahoana raha manandrana mianatra tsy misy mozika, mba hahitana raha mihatsara ny fahaizanao mifantoka? “Mety hahavita ny fianaranao ianao [rehefa misy mozika]”, hoy i Steve, “kanefa handray soa be dia be lavitra ianao raha maty ny mozika.”
Ho tianao koa ny haka fotoana, na handamina fotoana, hamakiana sy hianarana ny Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Indraindray i Jesosy Kristy dia nitady ‘tany foana’ sy nangina mba hivavahana sy hisaintsainana. (Marka 1:35). Moa ve mangina sy tsy misy tabataba toy izany koa ny toerana ianaranao? Raha tsy izany no izy, dia mety hisakana ny fitomboanao ara-panahy ianao.
Mianara hisaina ho an’ny tenanao
Angamba ny lafiny mampanahy indrindra anefa dia ny karazana mozika henoinao. Hoy ny fomba filazan’i Steve azy: “Nahoana àry ireo feon-kira tsara rehetra no arahin’ireo tonony maharikoriko indrindra?” Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nisy hira nampirisika ny fisotroan-toaka be sy ny fanaon’ny vehivavy janga. (Salamo 69:12; Isaia 23:15, 16). Toy izany koa, be dia be amin’ny mozika tiam-bahoaka amin’izao andro izao no mampirisika ny fampiasana zava-mahadomelina, ny firaisana alohan’ny fanambadiana ary ny herisetra.a
Ireo mitovy taona aminao dia mety hanery anao mafy mba hihaino mozika toy izany. Eo koa ny fanerena avy amin’ny taozava-baventy mamokatra mozika mihitsy. Noho ny fanampian’ny radio sy ny televiziona, dia nanjary taozava-baventy matanjaka sy mpanefohefo ny mozika rock. Ireo manam-pahaizana mahery momba ny varotra dia ampiasaina mba hamolavola — sy hifehy — ny fitiavanao zavatra eo amin’ny mozika.
Kanefa rehefa mamela ireo mitovy taona aminao, na ireo fitaovana fampitam-baovao, hanapaka ny amin’izay henoinao ianao, dia afoinao ny fahafahanao mifidy. Manjary andevo tsy manan-tsaina ianao. (Romana 6:16, NW ). Ny Baiboly dia mampirisika antsika mba hisaina ho an’ny tenantsika. Milaza amintsika izy io mba ‘tsy hitsahatra ny hahazo antoka ny amin’izay azo ekena eo amin’ny Tompo’. (Efesiana 5:10, NW ). Azo antoka fa tsy afaka ny hanampo isika fa hizaha taratra ireo hira an’arivony maro mivoaka isan-taona ny kongregasiona kristiana ka hoe hanome lisitr’izay mozika nofidiny fa hankasitrahana na handrarana. Tsia, tsy maintsy manazatra ny ‘sainao manokana mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy’ ianao. — Hebreo 5:14.
Ahoana no ahafahanao manao izany? Diniho ireto fanipazan-kevitra manaraka ireto:
Diniho ny fonony: Matetika, ny topy maso amin’ny fonony na amin’ny teny dokam-barotra eo aminy dia efa ampy. Ireo sary mampiseho ny maha-lahy sy ny maha-vavy an-karihary, herisetra na fifandraisana amin’ny faritra tsy hita maso dia tokony ho fampitandremana. Ny mozika ao anatiny dia azo inoana fa tokony holavina tsy misy hafa amin’izany koa. Raha azo atao, dia vakio ireo filazana hita eo amin’ny fonony.
Jereo tsara izay raketiny: ‘Fantaro ny tenin’ny’ hira iray amin’ny fandinihana ireo lohateniny sy tonony. (Joba 12:11). Inona no lazain’izy ireo? Tena tianao ve ny hihaino na hamerimberina tsy an-kijanona ireo hevitra ireo? Moa ve izy ireo mifanaraka amin’ireo fari-pitsipikao sy ireo fotopoto-pitsipika kristiana? — Efesiana 5:3-5.
Mariho ny vokany: Manao ahoana ny fiantraikany eo aminao amin’ny ankapobeny? Moa ve ilay mozika mitady hanaketraka sa hanaitaitra anao aoka izany? Moa ve voamarikao fa mifantoka amin’ny eritreri-dratsy ianao rehefa avy nahare azy? Moa ve manomboka tafiditra ao amin’ny resaka ataonao ireo teny maitso ampiasaina ao amin’ilay hira? — 1 Korintiana 15:33.
Hevero ny hafa: Inona no tsapan’ny ray aman-dreninao momba ny mozikanao? Anontanio ny heviny. Eritrereto koa izay mety ho tsapan’ireo Kristiana hafa momba ny mozikanao. Mety hanelingelina ny sasany aminy ve izy io? — Romana 15:1, 2.
Fanitarana ny fitiavanao zavatra eo amin’ny mozika
Angamba ianao mety hila ny hanisy fiovana eo amin’ny fitiavanao zavatra eo amin’ny mozika. Koa satria zavatra volena mba ho azo ny fitiavan-javatra, dia azo ovana izy io. Hoy ny mpanao mozika malaza iray: “Ny ankamaroan’ny ankizy dia tsy nifampikasoka tamin’ny zavatra hafa mihitsy ankoatra io karazana mozika izay ampirisihan’ireo manam-pahaizana eo amin’ny varotra aoka izany io.” Inona no fanafodiny? Aza mametra ny tenanao ho amin’ny karazana mozika iray monja. Miezaha hanitatra ny fitiavanao zavatra eo amin’ny mozika.
Mazava ho azy fa mbola mila ny hahay hifantina ihany ianao. Kanefa eo amin’ny vakodrazana sy ny jazz ary na dia eo amin’ny mozika klasika koa aza, dia feno mozika madio izay azonao ianarana ny mankafy azy. Raha ny marina aza, dia mety ho efa mankafy izany mozika izany ianao, nefa tsy fantatrao akory. Mozika klasika, ohatra, no nety ho nanome ilay rivo-piainana nampiavaka ny sasany tamin’ireo sarimihetsika na fandaharana amin’ny televiziona tianao indrindra. Eritrereto hoe ny fahafinaretana mety ho tsapanao mahare izany mozika izany tsy misy zavatra hafa manelingelina.
Ny tanora kristiana sasany dia efa nanomboka nanova ny fitiavany eo amin’ny mozika tamin’ny fihainoana ireo cassettes misy Mélodies du Royaume navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Ireo feon-kira ireo, izay fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, dia misy karazana mozika madio isan-karazany. Misy karazana mozika tsara isan-karazany mety hanoroan’ireo namanao hevitra. “Nisy namako iray izay nampianatra ahy hankafy mozika amin’ny feon-javamaneno miaraka — toa an’i Beethoven”, hoy i Michelle. “Nefa tena halako izy io taloha”, hoy izy niaiky.
Ny fomba hafa iray koa dia ny fianaran’ny tenanao mitendry zavamaneno. Tsy vitan’ny hoe ho zava-tsarotra tsy maintsy horesena sy hahafinaritra izany, fa mety hampifandray anao amin’ny karazana mozika hafa ankoatra ny rock koa. “Tena mahafinaritra mihitsy ny fitendrena mozika”, hoy i Jackie, “satria manana talenta ianao ary mampiasa azy io.” Amin’ny fiezahana kely, dia mety ho afaka hanolotra fialam-boly madio ho an’ny hafa mihitsy aza ianao.
Tena fanomezana marina avy amin’Andriamanitra ny mozika, kanefa tsy maintsy mitandrina ianao mba tsy hampiasa azy io amin’ny fomba ratsy. Miaiky toy izao ny tanora iray: “Manana mozika izay fantatro fa tokony hariako aho. Kanefa tsara erỳ ny feon-kirany.” Eritrereto anefa ny fanimbana entin’io tanora io ho an’ny sainy sy ny fony amin’ny fihainoana zavatra ratsy! Halaviro izany fandrika izany. Aza avela hanimba anao na hanapaka eo amin’ny fiainanao ny mozika. Mifikira amin’ny fari-pitsipika kristiana ambony raha ny amin’ny mozikanao. Mivavaha mba hahazoana ny fitarihan’Andriamanitra sy ny fanampiany eo amin’ny fifidiananao ny mozikanao. Mitadiava namana izay mitovy fiekena aminao. — Romana 12:2, 12.
Afaka manampy anao mba ho tony sy ho afa-boly ny mozika. Afaka manampy anao hanamaivana ny fahatsiarovanao ho foana izy io rehefa manirery ianao. Kanefa rehefa mifarana izy io, dia mbola eo ihany ireo zava-manahirana anao. Ary ny hira dia tsy mahasolo ny tena namana. Koa aza avela hanjary ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao àry ny mozika. Ankafizo ny mozika, saingy hazòny ho eo amin’ny toerany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny gazety Mifohaza! N° 2 1993.
[Sary, pejy 27]
Moa ve manembantsembana ny fianaranao ny mozika?