Mitandrema Tena Amin’ny Mozika Tsy Mahasoa!
“Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao.” — EFESIANA 5:15, 16.
1. Nahoana ny mozika no azo antsoina hoe “fanomezan’Andriamanitra”?
“NY MOZIKA (...) dia fanomezan’Andriamanitra.” Izany no nosoratan’i Lulu Rumsey Wiley ao amin’ilay bokiny hoe Bible Music. Hatramin’ny fahagolan-tany, dia nisy lehilahy sy vehivavy maro natahotra an’Andriamanitra nanaiky io hevitra io. Tamin’ny alalan’ny mozika no nilazan’ny olona ny fihetseham-pony lalina indrindra — fifaliana, alahelo, fahatezerana, ary fitiavana. Araka izany, dia nitana toerana lehibe tamin’ny andron’ny Baiboly ny mozika, voatonona hatraiza hatraiza ao amin’io boky masina io. — Genesisy 4:21; Apokalypsy 18:22.
2. Ahoana no nampiasana ny mozika mba hiderana an’i Jehovah tamin’ny andron’ny Baiboly?
2 Tao amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah no nananan’ny mozika ny fisehoany mendri-kaja indrindra. Ny sasany amin’ireo teny fiderana ambony indrindra natao ho an’i Jehovah Andriamanitra tany am-boalohany, dia tao anatin’ny mozika. “Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho”, hoy ny nosoratan’i Davida mpanao salamo. (Salamo 69:30). Nampiasaina mitokana ny mozika ho toy ny fanarahana fisaintsainana am-bavaka. “Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ny alina aho; te-hidinidinika amin’ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy”, hoy ny nosoratan’i Asafa. (Salamo 77:6). Tao amin’ny tempolin’i Jehovah, ny mozika dia nalamina tamin’ny ambaratonga lehibe. (1 Tantara 23:1-5; 2 Tantara 29:25, 26). Indraindray, dia nisy antokon’olona mpahay mozika maro be nalamina, toy ny tamin’ny fitokanana ny tempoly, rehefa nisy mpitsoka trompetra 120 nampiasaina. (2 Tantara 5:12, 13). Tsy misy fitanana an-tsoratra ananantsika momba ny hakanton’ny feon’izany mozika izany, kanefa dia nanao izao fanamarihana izao ilay boky hoe The Music of the Bible: “Tsy ho sarotra ny hahazo an-tsaina ny vokatra ankapobe nentin’ny mozika tao amin’ny Tempoly tamin’ireo fotoan-dehibe (...) Raha toa izao ny iray amintsika misy afaka hoentina mankeo anivon’izany fisehoan-javatra izany, dia tsy ho azo ialana ny fahatsapana tahotra miharo fanajana sy ny fahatsapana fahambonian-javatra mahery dia mahery.”a
Ny fampiasana ny mozika tamin’ny fomba ratsy
3, 4. Tamin’ny fomba ahoana ny mozika, izay fanomezana, no nampiasain’ny vahoakan’Andriamanitra sy ireo mpanompo sampy nanodidina azy, tamin’ny fomba ratsy?
3 Tsy nampiasaina tamin’izany fomba ambony izany foana anefa ny mozika. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nampiasaina ny mozika mba hampirisihana ilay fanompoan-tsampy tamin’ny ombilahy kely volamena iray. (Eksodosy 32:18). Indraindray koa ny mozika dia nifamatotra tamin’ny fitondran-tenan’ny mpimamo ary tamin’ny fivarotan-tena mihitsy aza. (Salamo 69:12; Isaia 23:15). Ireo mpanompo sampy nanodidina ny Isiraely dia meloka toy izany koa ho nampiasa tamin’ny fomba ratsy io fanomezan’Andriamanitra io. “Tany Fenisia sy Syria”, hoy ny The Interpreter’s Dictionary of the Bible, “saika ny mozika be mpitia rehetra dia nanome taratry ny fanompoam-pivavahana tamin’i Ishtar, ny andriamani-bavin’ny fahavokarana. Araka izany, ireo hira be mpitia dia mazàna fanao alohan’ireo fanaranam-po eo amin’ny lahy sy ny vavy.” Ireo Grika fahiny dia nampiasa toy izany koa ny mozika mba hanarahana ireo “dihy [be mpitia] manaitaitra ny filana”.
4 Eny, manana fahefana hanentana sy hanangoly ary hitaona ny mozika. Am-polony taona maro lasa izay, dia lasa lavitra mihitsy aza ilay bokin’i John Stainer hoe The Music of the Bible ka nilaza hoe: “Tsy nisy zavakanto nampihatra fitaomana mahery aoka izany teo amin’ny taranak’olombelona hatramin’izao toy ny zavakanton’ny Mozika.” Manohy mampihatra fitaomana mandaitra ny mozika amin’izao andro izao. Noho izany, ny karazana mozika ratsy dia afaka mitondra tena loza ho an’ireo tanora matahotra an’Andriamanitra.
Ilaina ny fitandremana
5. a) Anjara asa lehibe toy inona no tanan’ny mozika eo amin’ny fiainan’ny zatovo maro? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny tanora izay mifaly?
5 Raha tanora ianareo, dia fantatrareo tsara ny maha-zava-dehibe ny mozika — indrindra fa ireo endrika isan-karazany amin’ny mozika pop (be mpitia) na rock — ho an’ny olona maro mitovy taona aminareo. Nisy mihitsy aza niantso ny mozika hoe “tapany amin’ireo fiovana mitranga ao amin’ny zatovo”. Tombanana fa, ao anatin’ireo enin-taona farany andehanany an-tsekoly, ny tanora salasalany any Etazonia dia hihaino mozika rock maherin’ny adiny efatra isan’andro! Azo antoka fa izany dia mampiseho tsy fahaiza-mandanjalanja. Tsy hoe ratsy akory ny mankafy zavatra izay mahatonga anareo hahatsiaro tena ho metimety sy finaritra. Azo antoka fa i Jehovah, ilay Mpamorona ny mozika falifaly, dia tsy manantena ny hahatonga ny tanora handongilongy sy ho fadiranovana. Raha ny marina, dia mandidy ny vahoakany toy izao izy: “Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina; ary mihobia, hianareo mahitsy fo rehetra.” (Salamo 32:11). Ho an’ireo tanora dia hoy ny Teniny: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao”. — Mpitoriteny 11:9.
6. a) Nahoana ny tanora no mila mitandrina eo amin’ny fifidianany mozika? b) Nahoana ny ankamaroan’ny mozika amin’izao andro izao no azo kianina kokoa noho ny mozikan’ireo taranaka teo aloha?
6 Na dia izany aza, dia misy antony tsara tokony hitandremanareo eo amin’ny fifidiananareo mozika. Hoy ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 5:15, 16: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao.” Mety hisy tanora sasany hanohitra toy ny nataon’ny zazavavy iray hoe: “Afaka nihaino ny mozikany ireo ray aman-dreninay fony izy tanora. Koa nahoana izahay no tsy afaka mihaino ny anay?” Ny sasany tamin’ireo mozika nankafizin’ny ray aman-dreninareo fony izy nitovy taona taminareo dia nety ho nanana ny lafiny azo nokianina koa. Rehefa dinihina akaiky, dia maro amin’ireo hira fandre be mpitia no ahitana safeli-teny momba ny lahy sy ny vavy sy fanisiana firesahana an-kifonofono momba ny fahalotoam-pitondran-tena. Izay natao teny an-kolaka fotsiny taloha anefa, dia lazalazaina mazava tsara amin’izao fotoana izao. Hoy ny fanamarihana nataon’ny mpanoratra iray: “Ny ankizy izao dia tototry ny hafatra mazava tsara, amin’ny ambaratonga tsy mitovy amin’izay mety ho efa hitan’ny kolontsaintsika.”
Mozika rap — Ilay mozikan’ny fikomiana
7, 8. a) Inona no atao hoe mozika rap, ary inona no mahatonga azy ho be mpitia? b) Inona no mety hampahafantatra ny olona iray ho mpanaraka ny fomba fiaina rap?
7 Diniho, ohatra, ny fitiavana fatratra ny mozika rap amin’izao fotoana izao. Araka ny gazetiboky Time, ny rap dia nanjary “fiovana lehibe iray azo antoka sy maneran-tany teo amin’ny ban-kira” ary be mpitia tokoa any Brezila, Eoropa, Japana, Rosia, ary any Etazonia. Matetika no tsy misy feon-kira mihitsy izy io, ary ny tonony dia tenenina fa tsy hiraina, ampiarahina amin’ny fingadona mahery iray. Io fingadona mampientana io anefa no toa antony tena lehibe mahatonga ny rap ho be mpividy. “Rehefa mihaino ny mozika rap aho”, hoy ny tanora japoney iray, “dia mahatsiaro tena ho taitaitra izany, ary rehefa mandihy aho dia mahatsiaro tena ho afaka.”
8 Ny tonon’ny rap — mazàna fifangaroana teny ratsy sy teny maitso — dia toa antony hafa iray maha-be mpitia ny rap. Tsy sahala amin’ireo tonon-kira rock mahazatra izay mijanona amin’ny foto-kevitra momba ny fifankatiavan’ny samy tanora ny tonon’ny rap fa matetika manana hafatra mafonja kokoa. Ny rap sasany dia miresaka ny amin’ny tsy rariny sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ary ny herisetra ataon’ny polisy. Indraindray anefa, ny teny averina isan’andininy izay vita adirima, dia lazaina amin’izao fitenenana faran’izay maloto sy manafintohina azo foronina rehetra izao. Ny rap koa dia toa mahaforona fikomiana amin’ny fari-pitsipika momba ny akanjo sy ny fihaingo ary ny fitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tsy mahagaga raha nahafeno fepetra ho tonga fomba fiaina iray ny rap. Ireo mpanaraka azy dia fantatra amin’ireo fihetsehany feno fisehosehoana sy amin’ny fiteny maitso ary amin’ny fisehoana ivelany — pataloa jean mivareraka, kiraro adidas miakatra tsy mifatotra, rojo volamena, kasiketin’ireo mpilalao base-ball, ary solomaso mainty.
9, 10. a) Anton-javatra inona avy no tokony hoheverin’ny tanora mba hamaritana raha “ankasitrahan’ny Tompo” ny mozika rap sy ny fomba fiaina miaraka aminy? b) Inona no toa hamaivanin’ny tanora kristiana sasany?
9 Ao amin’ny Efesiana 5:10, ny Kristiana dia asaina “mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo”. Raha mandinika ny laza nentin’ny rap ho an’ny tenany ianareo, dia heverinareo ve fa “ankasitrahan’ny Tompo” ny hahavoasingotra anareo ao anatin’izany? Moa ve ny tanora kristiana iray maniry ho fantatra amin’ny fomba fiaina iray izay heverina ho tsy azo ekena, na dia amin’ny olona maro eo amin’izao tontolo izao aza? Mariho ny fomba nilazalazan’ny mpanoratra revio iray ny rindran-kira rap iray: “Ireo mpihira rap dia nifaninana ny amin’ny hoe iza no nanafintohina indrindra teo amin’ny teny ratsy sy ny tonon-kira momba ny lahy sy ny vavy mazava tsara. (...) Ireo mpandihy lahy sy vavy dia mody nanao firaisana teo ambony sehatra.” Mikasika ny fizarana lehibe sasany tamin’izy io, dia hoy ny iray tamin’ireo mpikarakara ilay rindran-kira: “Saika izay teny rehetra aloaky ny vavany dia (vetaveta) avokoa.”
10 Na dia izany aza, ny mozika natao tamin’io takariva io dia rap antonontonony ihany. Hoy ilay mpanara-maso ny trano fanaovana rindran-kira: “Izay renareo dia rap antonontonony ihany — mitovy amin’izay vidin’ny tanora eny amin’ny mpivarotra.” Mampalahelo ny milaza fa, tamin’ireo tanora maherin’ny 4 000 izay nanatrika izany rindran-kira izany dia nisy sasany izay milaza ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah! Toa nohamaivanin’ny sasany ny maha-“mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra” an’i Satana. Izy dia manapaka “ny fanahy [na ny toe-tsaina manapaka] izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. (Efesiana 2:2). Tombontsoan’iza no tohananareo rehefa manjary voasingotry ny mozika rap na ny fomba fiaina rap ianareo? Ekena aloha fa misy rap sasany mety ho azoazo kokoa izay raketiny. Kanefa misy dikany ve ny fambolena fitiavana karazana mozika izay manohitra ny fari-pitsipika kristiana ny tapany lehibe aminy?
Heavy metal — Ny lahy sy ny vavy, ny herisetra, ary ny Satanisma
11, 12. Inona no atao hoe mozika heavy metal, ary toetra azo kianina inona avy no mampiavaka azy?
11 Karazana mozika be mpitia hafa iray ny heavy metal (mozika rock elektronika misy paika mafy ary mifandray amin’ny zavatra hafahafa ivelan’ny fiainana tena izy). Ny heavy metal dia lasa lavitra kokoa noho ny hard rock natao mafy be fotsiny. Hoy ny tatitra iray tao amin’ny The Journal of the American Medical Association: “Ny mozika heavy metal (...) dia miavaka amin’ny ban-kira mingadongadona mafy sy manana tonony maro izay manindrahindra ny fankahalana, ny fitondrana ratsy, ny faniasiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary indraindray ny satanisma.” Ny anarana fotsiny, ny an’ny tarika sasany be mpitia kokoa, dia efa manamarina ny faharatsian’io karazana rock io. Tafiditra amin’izany ny teny toy ny hoe “poizina”, “basy”, ary “fahafatesana”. Ny heavy metal anefa dia toa malefaka ihany raha oharina amin’ny thrash metal (heavy metal mifototra amin’ny fahatezerana amin’ny rafitra ara-tsosialy) sy ny death metal (heavy metal miresaka ny amin’ny “fahafatesana”) — karazana mozika namboarimboarina avy amin’ny heavy metal. Ny anaran’ireny tarika ireny dia mampiasa teny toy ny hoe “mpihinana olona” sy “filazana manjo”. Mety tsy hahatakatra ny mampaharikoriko ireo anarana ireo ny tanora any amin’ny tany maro satria amin’ny fiteny anglisy na fiteny vahiny hafa ireny anarana ireny.
12 Imbetsaka ny mozika heavy metal no nampifandraisina tamin’ny famonoan-tena sy ny fahaketrahana ary ny fampiasana zava-mahadomelina eo amin’ny zatovo. Ny fifandraisany amin’ny fitondran-tena feno herisetra dia nahatonga manam-pahaizana manokana iray momba ny radio, hanome azy io anaram-bosotra hoe “mozika famonoana ray aman-dreny”. Ny fifandraisany amin’ny Satanisma no mahamaodimaody ray aman-dreny maro — sy ny polisy. Nilaza ny mpanao famotorana iray fa ny tanora sasany izay niray petsapetsa tamin’ny fanompoam-pivavahana satanika dia noraisina tao amin’ilay asan’ny maizina, tamin’ny alalan’io mozika io. “Tsy mahafantatra izay hahafaty azy izy ireo”, hoy ny famaranan-teniny.
13. Inona no loza mitranga rehefa voasingotry ny mozika heavy metal ny tena?
13 Ny tanora kristiana anefa dia tokony ‘hahafantatra ny hafetsen’i Satana’. (2 Korintiana 2:11). Aza hadinoina fa “isika [dia] mitolona (...) amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”. (Efesiana 6:12). Ho fahadalana toy inona moa ny fanasana ireo demonia hiditra ao amin’ny fiainan’ny tena noho ny fifidianan’ny tena mozika! (1 Korintiana 10:20, 21). Na dia izany aza, dia misy tanora kristiana maromaro miharihary fa tia tokoa io mozika io. Ny sasany aza dia tonga hatramin’ny fanaovan-javatra an-kinafina mba hanomezana fahafaham-po ny fitiavany mozika. Nibaboka toy izao ny tovovavy iray: “Nihaino heavy metal aho taloha, indraindray saiky nandritra ny alina manontolo. Nividy gazetiboky [an’ireo mpankafy] heavy metal aho ary nanafina izany tao anaty boatin-kiraro mba tsy ho hitan’ny ray aman-dreniko. Nandainga tamin’ny ray aman-dreniko aho. Fantatro fa tsy faly tamiko i Jehovah.” Nody ny sainy tamin’ny famakiana lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Mifohaza! Tanora hafa firy moa no mety mbola ho voatana ao amin’ny fandriky ny mozika toy izany?
Fijinjana izay afafinareo
14, 15. Nahoana no azontsika antoka fa ny fihainoana mozika tsy mahasoa dia hisy vokany tsy manorina eo amintsika? Hazavao amin’ny ohatra.
14 Aza manamaivana ny loza mety hoentin’ny mozika toy izany. Marina fa mety tsy hirona hamono olona na hanao fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ianareo satria fotsiny hoe nihaino hira iray. Na dia izany aza, dia hoy ny Galatiana 6:8: “Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo”. Ny fihainoana mozika izay araka ny etỳ an-tany, araka ny fanaon’ny biby, ary araka ny demonia mihitsy aza, dia tsy hampihatra afa-tsy hery tsy manorina eo aminareo. (Ampitahao amin’ny Jakoba 3:15.) Nolazaina fa niteny toy izao i Joseph Stuessy, profesora amin’ny mozika: “Izay mety ho karazana mozika dia misy fiantraikany eo amin’ny toe-pontsika, ny fihetseham-pontsika, ny toe-tsaintsika ary ny fitondran-tenantsika vokatr’izany (...) Na iza na iza milaza hoe ‘Afaka mihaino heavy metal aho, fa tsy misy fiantraikany eo amiko izany’, dia diso tsotra izao. Misy fiantraikany eo amin’ny olona samy hafa izy io, amin’ny ambaratonga samy hafa sy amin’ny fomba samy hafa fotsiny.”
15 Niaiky toy izao ny tanora kristiana iray: “Tafiditra lalina aoka izany tao amin’ny thrash metal aho, hany ka niova ny maha-izy ahy manontolo.” Tsy ela izy dia nahita zava-manahirana tamin’ny demonia. “Farany dia nariako ireo kapila nananako ary dia navelan’ireo demonia aho.” Nibaboka toy izao ny tanora hafa iray: “Ny mozika fihainoko taloha dia nivaofy ny amin’ny spiritisma na ny zava-mahadomelina na ny amin’ny lahy sy ny vavy. Tanora maro no milaza fa tsy misy fiantraikany eo aminy izany, kanefa dia tena izany tokoa no izy. Azo lazaina hoe tafavoaka tany ivelan’ny fahamarinana ny tenako.” Manontany toy izao ny ohabolana iray: “Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony?” — Ohabolana 6:27.
Miambena hatrany
16. Inona no azo lazaina ny amin’ireo mpanoratra sy mpanatontosa ny ankamaroan’ny mozika amin’izao andro izao?
16 Nanoratra toy izao ho an’ny Kristiana tany Efesosy fahiny i Paoly: “Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana [ao, NW ] anatiny, noho ny hamafin’ny fony”. (Efesiana 4:17, 18). Tsy azo lazaina ho toy izany ve ireo mpanoratra sy mpanatontosa ny ankamaroan’ireo mozika amin’izao andro izao? Ny mozika dia mampiseho taratra mbola tsy nisy toy izany mihitsy, ny fitaoman’ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, i Satana Devoly. — 2 Korintiana 4:4.
17. Ahoana no ahafahan’ny tanora mitsara, na mamantatra ny mozika?
17 Mikasika ny “andro farany” dia nilaza mialoha ny Baiboly hoe: “Ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa”. (2 Timoty 3:1, 13). Tokony hanara-maso amin’ny fomba hentitra mbola tsy nisy toy izany izay mozika fidinareo ianareo. Matetika, ilay lohateny mahadikidiky dia hahatonga ny kapila iray tsy ho voafidy. Nanontany toy izao ny Joba 12:11: “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?” Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia afaka mamantatra ny mozika koa ianareo amin’ny fihainoana santionany iray amin’ny sofina mahay manombana ny tena hasarobidin-javatra. Karazam-pihetseham-po inona no tairin’ilay feon-kira ao aminao? Moa ve izy io mampirisika fitondran-tena tsy voafehy sy mikororosy — ilay toe-tsaina amin’ny fikoranana be tabataba? (Galatiana 5:19-21). Ahoana ny amin’ny tonony? Moa ve izy ireo manandratra ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fampiasana zava-mahadomelina, na ny ratsy hafa izay “mahamenatra na dia ny milaza izany aza”? (Efesiana 5:12). Milaza ny Baiboly fa ny zavatra toy izany dia tsy tokony “hotononina” akory eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, mainka moa fa hoe mampiaraka izany amin’ny ngadon-kira sy mamerimberina izany tsy an-kijanona. (Efesiana 5:3). Ahoana ny amin’ny sary eo amin’ny fonon’ny kapila? Moa ve izy io misy loha hevitra momba ny spiritisma sa sary manaitaitra eo amin’ny lahy sy ny vavy?
18. a) Fiovana inona avy no mety ho tsy maintsy hataon’ny tanora sasany momba ny mozika? b) Ahoana no ahafahan’ny tanora mamboly fitiavana mozika mahasoa kokoa?
18 Angamba ianareo mila manao fiovana sasany eo amin’ny karazana mozika fidinareo. Raha toa ianareo ka manana kapila, na cassettes na vidéocassettes, na compact disc izay misy loha hevitra maloto ara-pitondran-tena na araka ny demonia, dia tokony hanary izany avy hatrany ianareo. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:19.) Izany akory tsy midika hoe tsy afaka mankafy mozika ianareo; tsy hoe azo kianina avokoa akory ny mozika be mpitia rehetra. Nisy tanora sasany koa nianatra nanitatra ny fitiavany mozika ary izao izy ireo dia mankafy mozika klasika sasany, folk, jazz malefaka, sy karazana mozika hafa. Ireo cassettes Mélodies du Royaume dia nanampy tanora maro hampitombo fitiavana mozika ataon’ny orkestra izay mampahery.
19. Nahoana no zava-dehibe ny fitanana ny mozika eo amin’ny toerana tokony hisy azy?
19 Fanomezan’Andriamanitra ny mozika. Ho an’ny maro anefa, izy io dia nanjary zavatra maharevo iray izay tsy mahasoa. Izy ireo dia sahala amin’ireo Isiraelita taloha izay nankafy nitendry “ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina (...) fa ny asan’i Jehovah tsy mba [no] jereny”. (Isaia 5:12). Ataovy ho tarigetranareo ny hitana ny mozika amin’ny toerana tokony hisy azy ary aoka ny asan’i Jehovah no ho zavatra ahinareo lehibe indrindra. Aoka ianareo hahay hifantina sy hitandrina eo amin’ny mozika fidinareo. Amin’izay ianareo dia ho afaka hampiasa amin’ny fomba tsara — fa tsy amin’ny fomba ratsy — io fanomezan’Andriamanitra io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Toa nanantombo ny firenen’ny Isiraely teo amin’ny fahaizana mozika. Nisy sokitra asyriana nampahafantatra fa ny Mpanjaka Sankeriba dia nitaky mpahay mozika isiraelita ho hetra avy amin’i Hezekia Mpanjaka. Toy izao ny fanamarihana nataon’ny Grove’s Dictionary of Music and Musicians: “Ny fitakiana mpahay mozika ho hetra (...) dia tsy nahazatra tokoa.”
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana ny mozika no azo antsoina hoe fanomezan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no nampiasana ny mozika tamin’ny fomba ratsy fahiny?
◻ Loza inona avy no entin’ny mozika rap sy ny heavy metal ho an’ny tanora kristiana?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora kristiana maneho fitandremana eo amin’ny fifidianany mozika?
[Sary, pejy 23]
Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nampiasaina matetika ho fanomezana fiderana an’i Jehovah ny mozika