Ny Fiheveran’ny Baiboly
Mampidi-doza ve ny Fanaovana Majika?
‘RIVO-PIAINANA feno majika no mameno ilay toerana. Injay fa misy dobok’amponga mamarana ilay fahanginana. Mifantoka mafy amin’ny lehilahy roa manao fanamiana sady mitondra basy, ny maso rehetra. Mampakatra ny basiny eo an-tsorony izy ireo ka manambana ny mpanao majika sinoa iray manao akanjo be kojakojany. Mihazona lovia bakoly iray eo anoloan’ny tratrany izy io. Mitefoka mafy ao anaty tselatra ireo basy. Mianjera amin’ny tany miaraka amin’izay ilay mpanao majika sady mandeha ra fatratra. Ilay famitahana natao hampino fa hoe afaka misakana ny bala ilay lovia dia nivadika ho loza.’ Nisy zavatra tsy nety tao amin’ny iray tamin’ireo basy ka nahatonga ilay bala hivoaka ka hitsofoka tao an-tratran’ilay mpanao majika. Izany no tantarain’ilay boky hoe Henry Gordon’s World of Magic.
Endre izany fandanilaniana foana ain’olona izay fanomezana — mba hahatsapana fahataitairana sy hahazoana fialam-boly fotsiny, zavatra izay miaraka hatrany amin’io karazana majika io. Toy izany ve no tsapanao? Sa ianao mihevitra fa izany dia anisan’ny loza mifandray amin’ny fampisehoana toy ireny fotsiny? Na manao ahoana na manao ahoana mety ho fihetsikao eo anoloan’izany, rehefa tsy nahavoa ilay famitahana natao hampino zavatra tsy tena izy, dia nampidi-doza ka nahafaty. Izany dia mahatonga antsika hanontany hoe: Moa ve misy loza miafina kokoa mifandray amin’ny fanaovana majika? Mba hamaliana izany, dia aoka isika hijery ny niavian’io fahaizana tranainy io.
Ny hery mitaonan’ny majika nandritra ny tantara rehetra
Hatrany am-piandohan’ny tantara, ny olombelona dia liana ta hahafantatra ny zava-miafin’ny majika, sady nohararaotin’izy io. Ny teny hoe “majika” dia avy amin’ilay anarana hoe “magy”, fokon’ireo mpisorona persiana fahizay izay nanam-pahaizana manokana tamin’ny fombafombam-pivavahana. Araka ny heviny fototra indrindra, ny majika dia ezaka atao mba hifehezana na hanerena ireo hery araka ny natiora na tsy araka ny natiora mba hanaraka izay tadiavin’ny olombelona. I Egypta tamin’ny taonjato faha-18 al.f.i. dia nampiasa ombiasy. Ny majika koa dia nanana anjara asa lehibe tao amin’ny fivavahan’ireo Kaldeana fahizay tany Babylonia, tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. (Genesisy 41:8, 24; Isaia 47:12-14; Daniela 2:27; 4:4). Io hery mitaona io dia nanjaka teo amin’ireo Grika sy Romana fahizay nandritra ny Moyen Age ka hatramin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao.
Azo kilasina amin’ny fomba maro ireo karazana majika samy hafa. I Robert A. Stebbins, ao amin’ny bokiny hoe The Magician, dia mandahatra ny majika ho antokony telo.
Karazana majika telo
Ny majika mistika (tsy azon’ny saina takarina) dia “fanehoana ny tsy hita”. Milaza izy io fa “ireo fisehoan-javatra na fitrangan-javatra izay mifanohitra amin’ny fahalalana mirindra tsara na amin’ny fahalalana ara-tsiansa” dia “marina na mitombona”. Manohy manazava i Stebbins fa ny “majika mistika no natao hanampy ny fanaovana ody, (...) ny famosaviana, ny alchimie, ary, ao anatin’ny toe-javatra sasany, ny fivavahana”.
Amin’ny alalan’ny majika fanararaotana, “ireo mpampiasa azy dia mampiasa na manararaotra ny fahatsapan’ny mpitazana ny zava-misy mba hanandratan-tena”. Fantatr’izy ireo fa mamitaka ny mpijery ny tenany, kanefa, araka ny lazain’i Stebbins, dia “mampirisika ireo manatri-maso ilay majika izy ireo mba hino ny mifanipaka amin’izany — mba hino fa, amin’ny maha-mpanao majika azy ireo, dia manana hery tsy araka ny natiora na fifandraisana manokana amin’ny fanahy manana hery tsy araka ny natiora, ny tenany”.
Ny zava-kendren’ny majika ho fialam-boly kosa dia ny hahatonga fahatalanjonana amin’ny alalan’ny famitahana mahavariana. Mampiasa fomba fototra dimy mifampiditra izy io: “ny majika atao eo ambony sehatra, ny majika atao eo anivon’ny mpijery vitsy, ny fampiasana ny tanana amim-pahakingana, ny fanova-maso (famitahana natao hampino zavatra tsy izy), ary ny fahaiza-mamaky ny ao an-tsaina”.
Mampidi-doza ho an’ny Kristiana ve?
Aoka isika aloha handinika ny majika mistika. Ny majika mistika dia ampiasaina amin’ny fomba samihafa. Eo, ohatra, ireo mpanompon’i Satana izay mampiasa ny majika “mainty” sy ny majika “fotsy”. Ny majika “mainty” dia ny famosaviana sy ny fanozonana manokana ary ny maso ratsy mba hitondrana zava-dratsy amin’ny fahavalon’ny tena. Ny majika “fotsy” kosa dia atao mba hitondra voka-tsoa amin’ny fanafoanana ireo famosaviana sy fanozonana. Kanefa izy roa ireo dia samy fanehoana ny tsy hita sy izay tsy azon’ny saina takarina. Indraindray ny majika mistika dia ampiasaina mihitsy aza mba hanandramana hijinja vokatra tsara na haharesy amin’ny fifaninanan’ny atleta. Na dia izany aza, momba io karazana majika mifandray amin’ny spiritisma io, dia milaza tsy amim-pihambahambana toy izao ny Baiboly: “Aza manao sikidy na manandro [“manao majika”, NW ].” — Levitikosy 19:26; Deoteronomia 18:9-14, NW; Asan’ny Apostoly 19:18, 19.
Aiza no miery ny loza ao amin’ny majika fanararaotana? Ireo mpandinika ireo tsipika amin’ny felatanana, ireo mpilaza ny hoavy ary ireo mpanasitrana, raha ireo monja no hotononina, dia mampiasa ny majika fanararaotana mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny tenany manokana. Moa ve tsy lainga no iainan’izy ireo amin’ny alalan’ny asany? Hoy ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mamitaka, aza mifandainga.” — Levitikosy 19:11.
Hoy ny ambaran’ny The Encyclopedia Americana: “Amin’ny toe-javatra sasany, ireo asa majika dia mety hatao mba hanerena ireo fanahy hanao zavatra.” Tiantsika ve ny hiantso zava-manahirana ho amin’ny tenantsika avy amin’ireo fanahy demonia, amin’ny fitsabahana, na dia tsy mivantana aza, amin’ny zavatra toy izany? Raha omena fahafahana hanararaotra antsika ireo demonia, dia afaka manao ary hanao izany tokoa. Mitady “fotoana mety” izy ireo ary tsy mety sasatra eo amin’ny ezaka ataony. — Lioka 4:13, NW; Jakoba 1:14.
Ilay faran’izay mahay eo amin’ny fahaiza-mamitaka sy ny fanova-maso dia tsy iza fa i Satana Devoly. Mampiasa io fahaizana io izy hatramin’ilay fampisehoana nataony voalohany teo anoloan’ny olombelona iray tao amin’ny sahan’i Edena. (Genesisy 3:1-19). Kristiana iza no haniry hitovy aminy? Mifanohitra amin’izany kosa, fa ny Kristiana dia toroana hevitra mba “hanahaka an’Andriamanitra” sy ‘hanaiky an’Andriamanitra ary hanohitra ny devoly’. — Efesiana 5:1; Jakoba 4:7.
Ny ankamaroan’ny olona anefa dia mampifamatotra ny teny hoe “majika” amin’ny fialam-boly. Ny olona iray dia mety hiteraka famitahana natao hampino zavatra tsy tena izy amin’ny alalan’ny tanany (fampiasana ny tanana amim-pahakingana), amin’ny fitadidiana fa matetika ny tanana dia manao zavatra haingana kokoa noho ny maso. Mety tsy hanohitra izany ny Baiboly. Kanefa, raha atao izay hinoan’ny hafa fa misy fampiasana majika mifandray amin’ny tsy hita amin’izany, moa ve ny Kristiana iray haniry hanao izay hinoan’ny sasany fa manana hery tsy araka ny natiora, hery tsy azo hazavaina, ny tenany? Tsy ho tian’ny Kristiana iray kosa ve, raha omena fahatsapana diso amin’ny alalan’ny fampisehoana “majika” ny hafa, ny hamoy ny fialam-boly toy izany, mba tsy hanafintohinana ny hafa? (1 Korintiana 10:29, 31-33). Ambonin’izany, dia eo ilay tena loza ny amin’ny olona iray halaim-panahy handeha lavitra kokoa, hiditra amin’ny fanaovana majika lalina kokoa.
Noho izany, raha ny amin’ny majika izay mifamatotra mazava tsara amin’ny spiritisma, dia manalavitra amim-pahendrena ny fanaovana azy io ny Kristiana marina. Ankoatra izany, amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny Kristiana iray — na eo amin’ny asa izany na eo amin’ny fialam-boly — dia haniry ‘hanana fieritreretana tsara’, dia fieritreretana izay tsy mamela azy hanafintohina an’Andriamanitra na ny olona, izy. — 1 Petera 3:16; Asan’ny Apostoly 24:16, NW.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
The Bettmann Archive