Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana Aho no Voatery Harary Be toy Izao?
FONY i Jason 13 taona, dia nanapa-kevitra izy fa indray andro any, dia hanompo manontolo andro any amin’ny Betela, foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York. Nanao boaty hazo ho an’ny tenany izy ary nantsoiny hoe boatin’ny Betela izy io. Nanomboka nanangon-javatra tao anatin’izy io izy, dia zavatra noheveriny fa hisy hilany azy, rehefa hanomboka ny asany ao amin’ny Betela izy.
Kanefa, telo volana monja taorian’ny nahatratrarany ny faha-18 taonany, dia nahitana aretin’i Crohn — aretin-tsinay tsy mety lefy sy manaintaina — tamin’i Jason. “Nampivalaketraka ahy tsotra izao izany”, hoy ny tsaroany. “Ny hany azoko natao dia ny niantso an-telefaonina an’i Dada tany am-piasany ary dia nitomany. Fantatro fa ny dikan’izany, fara faharatsiny, dia hoe sendra vato misakana ny nofinofiko ho any amin’ny Betela.”
Antony fototra iray mahatonga ‘izao zavatra ary rehetra izao hiara-misento sy hiara-marary toy izay efa hiteraka, mandraka ankehitriny’, ny aretina. (Romana 8:22). Tanora tsy tambo isaina an-tapitrisany maro no anisan’ny marary. Tanora maro no hihatsara any aoriana. Ny hafa anefa dia tsy maintsy miatrika aretina mitaiza, na amin’ny toe-javatra sasany, aretina mandrahona ny ainy. Anisan’ny fahoriana iaretan’ny tanora matetika ny sohika, ny diabeta, ny drépanocytose (tsy fahampian-dra isian’ny sela mena mifaraingo), ny areti-mifindra, ny androbe, ny aretin-tsaina, sy ny kansera. Misy tanora manana aretina maro.
‘Nahoana no manjo ahy izao?’
Matetika no miteraka fihenjanana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ny aretina, tsy resahina intsony ny fahoriana ara-batana. Ohatra, raha voatana tsy hianatra mandritra ny volana maro ianao noho ny aretina, dia tsy vitan’ny hoe mety tsy haharaka ny fianarana ianao, fa mety hahatsiaro ho tafasaraka amin’ny hafa koa. Rehefa voatery manapaka fianarana i Sunny 12 taona, noho izy miverimberina mijanona any amin’ny hopitaly, dia izao no fanahiany: ‘Inona izao no ataon’ny mpiara-mianatra amiko? Inona no tsy azoko androany?’
Toy izany koa fa toa tsy misy ny fitomboana ara-panahy rehefa marary loatra ianao ka tsy mahatrika fivoriana kristiana na tsy mahavaky Baiboly mihitsy aza. Amin’izay no ilanao fanohanana ara-pihetseham-po sy ara-panahy fanampiny. Eo am-boalohany, dia mety handa tsy hino ilay famantarana aretina ianao. Any aoriana, dia mety hahatsiaro ho tezitra be amin’ny tenanao angamba ianao, noho ny fieritreretana fa nisy fomba ho azonao natao mba hisorohana ilay aretina. Mety ho te hikiakiaka ianao hoe: ‘Nahoana no navelan’Andriamanitra hanjo ahy izao?’ (Ampitahao amin’ny Matio 27:46.) Raha ny marina, dia ara-dalàna ny hahatsapana fahaketrahana, fara faharatsiny.
Fanampin’izany, dia mety hieritreritra mihitsy aza ny tanora iray fa raha manao ezaka manokana izy, toy ny hoe miezaka ho tsara fanahy kokoa, dia hanesotra ny aretiny Andriamanitra. Kanefa, afaka mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana ny fiheverana toy izany, satria tsy mampanantena fanasitranana amin’ny fomba mahagaga Andriamanitra amin’izao fotoana izao. — 1 Korintiana 12:30; 13:8, 13.
Angamba ianao nanantena fa tsy voatery ho faty mihitsy — fa ho velona ianao amin’ny fotoana hampiharan’Andriamanitra ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:14, 15; Jaona 11:26). Raha izany no izy, ny fahafantarana fa manana aretina mandrahona ny ainao ianao, dia mety hampahory anao avo roa heny. Mety hanontany tena ianao raha nanao zavatra nampahatezitra an’i Jehovah, na mety hihevitra ianao fa nosinganin’Andriamanitra ny tenanao ho amin’ny fitsapana manokana ny tsy fivadihanao. Kanefa, tsy fanatsoahan-kevitra araka ny tokony ho izy izany. “Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy”, hoy ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. (Jakoba 1:13). Tapany tsy mahafaly amin’ny toe-piainan’ny olombelona amin’izao fotoana izao ny aretina sy ny fahafatesana, ary isika rehetra dia azon’ny “fotoana sy ny sampona” avokoa. — Mpitoriteny 9:11.
Fiatrehana ny tahotra
Mety hahatonga anao koa ho sambany eo amin’ny fiainanao vao hahatsapa tahotra mafy ny fahazoana aretina lehibe. Mirakitra ireo fanamarihan’ny tanora 14 manana aretina lehibe ilay boky hoe How It Feels to Fight for Your Life (Inona no Tsapa Amin’izany hoe Miady ho An’ny Ain’ny Tena Izany). Ohatra, i Anton, folo taona, dia natahotra sao ho faty izy nandritra ny fihetsehan’ny sohika mafy. Ary i Elizabeth, 16 taona, izay niady tamin’ny kanseran’ny taolana, dia natahotra ny handeha hatory sao tsy hifoha intsony.
Misy anefa tanora manan-tahotra karazany hafa — tahotra sao tsy hisy haniry hanambady azy na tahotra sao tsy hanan-janaka salama any aoriana. Matahotra ny tanora hafa sao hampita ny aretiny amin’ny mpianakaviny izy, na mamindra ilay aretina na tsia.
Na dia nihatony na nisava aza ny aretina iray, raha misy fihetsehany indray, dia mety hipoitra indray ny tahotra. Raha nahatsapa tahotra toy izany ianao, dia fantatrao fa tahotra tena izy izany. Soa ihany fa mihamihena ny fihetseham-po tsy manorina nipoitra teo am-boalohany, rehefa mandeha ny fotoana. Amin’izay ianao dia afaka manomboka manombana ny toe-pahasalamanao araka ny lojika kokoa.
Ny zava-tsarotra amin’ny hoe marary
“Rehefa tanora ianao, dia mahatsiaro tena ho mafy be”, hoy ny fanamarihan’i Jason, voalaza tetsy aloha. “Avy eo, tampoka eo, rehefa marary mafy ianao, dia manjary mahatsapa fa tsy marina izany. Mihevitra ianao hoe lasa antitra tampoka teo ny tenanao, satria voatery mipetraka sy mampihena ny zavatra ataonao ianao.” Eny zava-tsarotra ny miatrika zava-baovao mametra ny tena.
Hitan’i Jason fa zava-tsarotra lehibe hafa ny tsy fahatakaran’ny hafa ny toe-pahasalamany. Manana aretina izay azo antsoina hoe “aretina tsy hita maso” i Jason. Ny fisehoan’i Jason ivelany dia tsy mampino hoe misy zava-manahirana ao anatiny ao. “Tsy mahalevon-kanina araka ny tokony ho izy ny vatako”, hoy ny fanazavany, “koa voatery mihinana matetika aho ary mihinana betsaka kokoa noho ny olona maro. Kanefa, mbola mahia ihany aho. Afa-tsy izany koa, indraindray aho dia lasa reraka be mihitsy, hany ka tsy voatanako hisokatra ny masoko amin’ny antoandro. Misy olona anefa manao teny mampiseho ny fiheverany ahy ho mampanaram-po tena be loatra na kamo. Izy ireo dia milaza zavatra toy ny hoe: ‘Fantatrao fa afaka manao tsara kokoa ianao. Tsy manandrana akory ianao!’ ”
I Jason dia manan-jandry lahy sy vavy izay tsy mahatakatra foana ny antony tsy ahafahany manao ny zavatra nataony taloha, toy ny fitondrana azy ireo hivoaka hilalao baolina. “Fantatro anefa fa raha maratra aho”, hoy ny fanamarihan’i Jason, “dia mety hila herinandro maro vao ho sitrana. Mirona hampitaha ny fanaintainako amin’ny azy izy ireo ka manao hoe: ‘Mitaraindraina fotsiny izy mba hanintonana ny sain’ny olona.’ Azo inoana fa ny fanaintainan’izy ireo mafy indrindra dia zavatra toy ny tongotra folaka, koa tsy azony alaina sary an-tsaina tsotra izao hoe manao ahoana ny ahy.”
Raha toa ny aretinao ka toy ny hoe mametraka enta-mavesatra eo amin’ny fianakavianao, dia mety hiady mafy amin’ny fahatsapan-tena ho meloka ianao. Mety hahatsapa tena ho meloka koa ny ray aman-dreninao. “Samy mino ny ray aman-dreniko fa mety ho izy ireo angamba no namindra tamiko ilay zava-manahirana”, hoy i Jason. “Mazàna ny ankizy no mahay mizatra amin’ny aretina iray rehefa ekeny ilay izy. Sahirana kokoa anefa ny ray aman-dreny. Mamerimberina miala tsiny amiko izy ireo. Voatery manao izay rehetra azoko atao mandrakariva aho mba hiezahana hanamaivana ny fahatsapany tena ho meloka.”
Tsy mahafinaritra ny fizaham-pahasalamana
Mety ho loharanon-tebiteby ny mankany amin’ny dokotera lava mba hozahany. Mety hahatonga anao hahatsiaro tena ho tsinontsinona sy tsy afa-manoatra izany. Ny fipetrahana fotsiny ao amin’ny efitra fizaha-marary any amin’ny hopitaly, miandry ny anjaranao, dia mety hampihorohoro. “Mahatsiaro (...) ho irery tokoa ianao, ary hahafinaritra raha misy olona miaraka aminao”, hoy i Joseph, 14 taona, izay marary fo. Mampalahelo fa tsy mahazo izany karazana fanohanana izany ny tanora sasany, na dia avy amin’ny ray aman-dreniny aza.
Mety hiteraka tebiteby toy izany koa ny analizy ara-pitsaboana. Raha ny marina, dia mety tsy hahafinaritra tsotra izao ny analizy sasany. Avy eo, aorian’izay, dia mety ho voatery hiaritra tebiteby mandritra ny andro na herinandro maromaro ianao eo am-piandrasana ny valiny. Tadidio ao an-tsaina anefa izao: Tsy tahaka ny manao fitsapam-pahaizana any an-tsekoly ny manao analizy ara-pitsaboana; ny fanananao olana ara-pitsaboana akory tsy midika hoe nisy tsy nahombiazanao.
Raha ny marina, dia afaka manome fanazavana tena manampy ny analizy iray. Afaka mampiseho izy io fa manana olana mora tsaboina ianao. Na, raha tsy izany no izy, ny analizy iray dia afaka manampy hampiseho hoe inona no azonao atao mba hizakana ilay aretina. Mety hampiseho mihitsy aza izy io hoe tsy manana ilay aretina nahiahina ianao, rehefa heverina. Koa miezaha tsy hanao fanatsoahan-kevitra maimaika momba ny toe-pahasalamanao.
Tsy hanao afa-tsy ny hanasatra anao ny fanahiana tafahoatra. Hoy ny Baiboly: “Ny [fanahiana mampitebiteby, NW ] ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy”. (Ohabolana 12:25). Manasa antsika hilaza aminy ireo fanahiantsika kosa Andriamanitra. Ilaintsika ny matoky fa mikarakara antsika izy ary hanome antsika ny tari-dalany sy ny fahendrena mba hiatrehana ilay olana amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azo atao. — Salamo 41:3; Ohabolana 3:5, 6; Filipiana 4:6, 7; Jakoba 1:5.
Afaka ny ho faly isika fa nanao fandaharana mba hampidirana tontolo vaovao hanjakan’ny fahitsiana i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika. Hanangana an’ireo maty mihitsy aza izy, ka hanome azy ireo fahafahana hankafy io tontolo vaovao io. Manome toky antsika ny Baiboly fa amin’izay fotoana izay, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. — Isaia 33:24.
Mandra-pahatongan’izany, dia mety ho voatery hiatrika aretina lehibe ianao. Kanefa, misy zavatra azo ampiharina maro azonao atao mba hiatrehana amin’ny fomba tsara indrindra ny tarehin-javatra misy anao. Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra iray manaraka.
[Sary, pejy 25]
Mety hanontany ianao hoe: ‘Nahoana no navelan’Andriamanitra hanjo ahy izao?’