Faly Aho Izao fa Velona!
“Fantatrao fa ho faty ianao, sa tsy izany? hoy ny dokotera, nanontany. Mahatsikaiky fa indroa, teo aloha, ny fahafatesana dia fanamaivanana ho noraisiko tamim-pifaliana. Tsy tamin’itỳ indray mandeha itỳ anefa. Mamelà ahy hanazava.
NOTEZAINA tao amin’ny faritanàna iray manamorona an’i Long Island, any New York, aho. Mpanao ralia aotomobilina nalaza tao ny raiko. Mpikatsaka ny lavorary izy ary nanao fandrosoana isaky ny fifaninanana. Nanana toetra niovaova koa izy ary tena sarotra nampifalina. I Neny kosa, tetsy an-danin’izany, dia olona tia fihavanana sy tony kokoa, natahorany aoka izany ny ralian’i Dada hany ka tsy nahavita nijery azy manao azy io izy.
Izaho sy ny anadahiko dia nianatra aloha be ny ‘nimpirimpirina’ hatrany tao an-trano, zavatra izay efa nahazatra an’i Neny ny nanao azy. Nanao fiezahana be anefa izahay vao tonga tamin’izany. Niaina tao amin’ny tahotra an’i Dada izahay rehetra. Nisy vokany lehibe aoka izany tamiko ilay izy, hany ka tsy nahatsapa mihitsy aho hoe ho afaka hanao zavatra na inona na inona amin’ny fomba mety. Vao mainka nihena ny fahatsapako ho manana haja rehefa nanao fihetsika vetaveta tamiko ny ‘naman’ny fianakaviana’ iray, teo amin’ny fanombohan’ny taona naha-zatovo ahy. Rehefa tsy afaka nandresy ny fihetseham-poko aho, dia nanandrana namono tena. Izay no fotoana voalohany nieritreretako fa ho fanamaivanana noraisiko tamim-pifaliana ny fahafatesana.
Nahatsapa tena ho tsy mendrika sy tsy tiana aho ary voan’ny fikorontanana ara-tsakafo mpahazo ny tovovavy mahatsapa ho tsy manana haja. Nanomboka nanana fiainana feno fikatsahana fientanam-po, fampiasana zava-mahadomelina, fijangajangana ary fanalana zaza, aho — noho izaho ‘nitady fitiavana tany amin’ny toerana rehetra tsy nisy azy io’ araka ny ilazan’ny tonon-kira iray azy. Efa nanao fifaninanana tamin’ny moto sy ralia aotomobilina ary fisitrihana ao anaty rano koa aho ary nankany Las Vegas tsindraindray mba hiloka. Nitady ny torohevitry ny mpamantatra ny hoavy koa aho ary nampiasa takelaka Oui-ja mba hilalaovana, tsy nahatakatra akory ny loza entin’ny spiritisma amin’izany. — Deoteronomia 18:10-12.
Fanampin’izany, ny fikatsahana fientanam-po dia nitarika ahy ho voarohirohy tamin’ny raharaha tsy ara-dalàna toy ny fivarotana zava-mahadomelina sy fangalarana entana tany amin’ny magazay. Ny fikarohako fitiavana sy fankasitrahana koa dia niafara tamin’ny fiarahana tamin’ny tovolahy maro sy ny fananana fofombady be dia be. Izany anton-javatra rehetra izany niaraka, dia namorona fomba fiaina izay nampidi-doza lavitra tsy araka ny nieritreretako azy.
Indray alina, rehefa avy nisotro fifangaroan’alkaola sy zava-mahadomelina aho tao amin’ny garazin’ny toeram-pifaninanana, dia tsy naneho fahendrena tamin’ny famelana an’ilay tovolahy niaraka tamiko hitondra ahy tamin’ny fiarakodia hody. Taorian’ny tsy nahatsiarovako tena teo amin’ny fipetrahana anoloana, dia niharihary fa tsy nahatsiaro tena koa izy. Taitra tampoka aho, naronjon’ny fifandonana. Naiditra hopitaly noho ny ratra maro aho, nefa sitrana tamin’ny farany, ary ny lohaliko ankavanana ihany no nisy fahavoazana.
Faniriana zavatra tsara kokoa
Na dia tsy nanana fankasitrahana firy ny fiainako manokana aza aho, dia niahy betsaka ny amin’ny fiarovana sy ny zon’ny ankizy sy ny biby ary ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Naniry mafy ny hahita tontolo iray tsara kokoa aho, ary noho ny fiezahako hanampy mba hampisy an’izany, dia narisika tao amin’ny fikambanana maro aho. Io faniriana tontolo tsara kokoa io no nahasarika ahy tamin’ny voalohany ho amin’ny zavatra nolazain’ny mpiara-miasa iray Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nitsahatra niresaka momba “itỳ fandehan-javatra itỳ” tamin’ny fomba nahakivy izy, isaky ny tsy nandeha tsara ny zavatra tany am-piasana. Rehefa nanontany azy ny amin’izay tiany holazaina aho, dia nanazava izy fa tsy ho ela ny fiainana dia hafahana amin’ny fanahiana rehetra. Koa satria aho nanaja azy fatratra, dia nihaino azy tamim-pahalianana be aho.
Nampalahelo fa tapaka ny fifandraisanay, nefa tsy nohadinoiko velively ny zavatra nolazainy. Takatro fa indray andro any dia tsy maintsy hanao fiovana lehibe eo amin’ny fomba fiainako aho mba hampifaly an’Andriamanitra. Tsy vonona anefa aho. Kanefa, nampahafantariko an’ireo fofombadiko fa indray andro any dia ho tonga Vavolombelona aho ary raha tsy tian’izy ireo izany dia izao no fotoana hanapahana ny fiarahanay.
Ho vokany, dia naniry hahalala bebe kokoa ilay lehilahy farany niarahako, ka niteny fa raha liana aho dia mety ho liana koa izy. Koa nanomboka nikaroka an’ireo Vavolombelona izahay. Izy ireo kosa no nahita anay rehefa nitsidika teo am-baravarako. Natomboka ny fampianarana Baiboly, nefa tamin’ny farany ilay lehilahy niarahako dia nifidy ny tsy hianatra intsony sy hiverina any amin’ny vadiny.
Tapatapaka matetika ny fianarako Baiboly. Nila fotoana lava aho vao nahatakatra ny fomba fijerin’i Jehovah momba ny fahamasinan’ny aina. Raha vao nanitsy ny fomba fihevitro anefa aho, dia hitako ny ilana hanafoanana ny fitsambikinana avy eny amin’ny fiaramanidina sy ny tsy hifohana sigara intsony. Rehefa nanjary sarobidy kokoa tamiko ny fiainana, dia vonona ny handamina ny fiainako aho sy tsy hankahatra loza intsony. Tamin’ny 18 Oktobra 1985, dia nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho. Tsy nahalala aho tamin’izany fa tsy ho ela akory, dia hotandindomin-doza ny fiainako.
Faniriana ho faty indray
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana — ny alin’ny 22 Martsa 1986 — teo anoloan’ny tranoko aho, namoaka ny fitafiako vao avy nosasana avy tao anaty fiarakodiako, raha nisy fiara nirimorimo mafy nandona ahy ary nitarika ahy ho any amin’ny 30 metatra mahery! Niriotra nandositra ilay mpamily. Na dia naratra aza ny lohako, dia nahatsiaro tena aho tamin’izany fotoana rehetra izany.
Nihohoka teo afovoan’ny arabe iray maizina aho ary tsy nieritreritra afa-tsy ny horohoro ny ho voadona indray. Faran’izay mafy ny fanaintainana, tsy zakako intsony. Koa tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hamela ahy ho faty. (Joba 14:13). Nisy vehivavy tonga, mpitsabo mpanampy izy io. Nangatahiko izy hanitsy ny fipetrak’ireo tongotro satria naratra mafy izy ireo. Nanao izany izy sady nanao fehin-dratra koa tamin’ny sombiny tamin’ny akanjony, mba hanajanonana ny fikorianan’ny ra avy tamin’ny fahatapatapahan’ny taolana tao amin’ny tongotra iray. Hita terỳ lavitra terỳ ireo baotiko, feno ra!
Tsy nitsahatra nanontany ahy ny toerana nisy ny fiarakodiako ireo mpandalo, tsy takany fa mpandeha an-tongotra aho. Noho izaho tsy nahalala hoe hatraiza no nitarihana ahy, dia nieritreritra aho fa mbola teo akaikin’izy io ihany! Rehefa tonga ireo mpitsabo amin’ny vonjy taitra, dia nihevitra izy ireo fa ho faty aho. Koa niantso polisy mpanao fikarohana izy ireo, satria mety ho heloka bevava ny vonoana olona amin’ny fiarakodia. Tratra ihany ilay mpamily tamin’ny farany. Namefy ny faritra nanodidina ho toy ny toerana nitrangan’ny heloka bevava iray izy ireo, ary nohazoniny ny fiarakodiako ho porofo. Samy rotidrotika ireo varavarana tamin’ny andaniny iray.
Fiatrehana fotoan-tsarotra
Nandritra izany fotoana izany, rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana vonjy taitra teo an-toerana aho, na dia nisy fitaovana fifohana oksizena aza, dia tsy nitsahatra namerimberina hoe: “Aza asiana ra aho, aza asiana ra aho. Vavolombelon’i Jehovah aho!” Ny zavatra farany tadidiko dia ny fahatsapana ny hetin-damba goavana iray nisosa tao an-damosiko sy ny fandrenesana ny ekipa mpitsabo amin’ny vonjy taitra niantsoantso mafy nanome baiko.
Rehefa taitra aho dia gaga, satria velona. Safotra aho ary tsy nahatsiaro tena. Isaky ny taitra aho, dia nangataka ny fianakaviako mba hifandray tamin’ilay mpivady niara-nianatra Baiboly tamiko. Tsy faly ny fianakaviako noho izaho tonga Vavolombelona, koa nifanara-kevitra “hanadino” ny hampahafantatra azy, izy ireo. Nikiry anefa aho — izany no zavatra voalohany nangatahiko isaky ny nisokatra ny masoko. Tamin’ny farany, dia nisy valiny ny fikirizako, ary indray andro, rehefa nifoha aho dia teo izy mivady. Fanamaivanana re izany! Fantatry ny vahoakan’i Jehovah ny nisy ahy.
Tsy naharitra ela anefa ny fifaliako, satria nanomboka nidina ny fatran’ny sela tao amin’ny rako ary niakatra be ny hafanako. Nesorina ireo taolana nahiahina hiteraka otrikaretina ary nasiana vy lavalava efatra tao amin’ny tongotro. Tsy ela anefa dia niakatra be indray ny hafanana, ary nivadika ho mangana ny tongotro. Efa nahazo vahana ny aretina mihady ary niankina tamin’ny fanapahana an’ilay tongotra ny fahavelomako.
Noterena handray ra
Koa satria nidina be ny fatran’ny sela tao amin’ny rako, dia noheverina fa tsy azo natao ny fandidiana tsy nisy fampiasana ra. Nantsoina mba hanao fanerena tamiko ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy, ny mpianakavy ary ireo namana teo aloha. Avy eo, dia nanomboka ny fibitsibitsihana teo am-baravarako. Reko ireo dokotera nanoman-javatra nialoha, nefa tsy afaka nahafantatra aho hoe inona ilay izy. Soa ihany fa ny Vavolombelona iray izay nitsidika ahy tamin’io fotoana io dia nandre ny planina hanandramana hampidi-dra an-tery tamiko. Avy hatrany izy dia nifandray tamin’ireo loholona kristiana teo an-toerana izay tonga mba hanampy ahy.
Nokaramaina ny mpitsabo aretin-tsaina iray mba hanombana ny toetoetran’ny saiko. Ny tena zava-kendrena dia ny hanambara ahy ho tsy salama saina ary araka izany dia hanosihosy ny zavatra niriko. Tsy nahomby io planina io. Avy eo, dia nisy mpikambana iray tao amin’ny klerjy izay nanaiky fampidiran-dra tamin’ny tenany, nentina tao mba hampiaiky ahy fa azo atao ny mandray ra. Tamin’ny farany, ny fianakaviako dia naniry hahazo didim-pitsarana hampidi-dra an-tery tamiko.
Tokony ho tamin’ny roa maraina dia nandeha tamim-pahatapahan-kevitra nankao amin’ny efitra nisy ahy ny ekipa iray nisy mpandray an-tsorapohy avy tamin’ny fitsarana, vadintany iray, ary mpisolovava nisolo tena ny hopitaly sy mpitsara iray. Nandeha ny fitsarana. Tsy nampahafantarina nialoha aho, tsy nanana na Baiboly na mpisolovava ary teo ambanin’ny herin’ny fanafody mampitony fanaintainana be dia be. Ahoana no niafaran’ilay fotoam-pitsarana? Tsy namoaka ilay didim-pitsarana ilay mpitsara fa nilaza fa nanohina ny fony kokoa mbola tsy nisy toy izany teo aloha, ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nanaiky hikarakara ahy ny hopitaly iray tany Camden, any New Jersey. Koa satria vinitra ny mpitantan-draharaha tao amin’ilay hopitaly tao New York, dia tsy nanome ahy ny fitsaboana rehetra izy ireo, anisan’izany ny fanafody fampitonena fanaintainana. Tsy namela ny hipetrahan’ny elikôptera izay tokony hitondra ahy ho any amin’ilay hopitaly tany New Jersey koa izy ireo. Soa ihany fa nahazaka tsara ny dia nankany, tao anaty ambulance, aho. Rehefa tonga tany aho dia nandre ireo teny voalaza eo am-piandohan’itỳ tantara itỳ: “Fantatrao fa ho faty ianao, sa tsy izany?”
Fandidiana — Fahombiazana
Reraka aoka izany aho, hany ka voatery nanampy ahy ny mpitsabo mpanampy iray mba hanisy marika teo amin’ilay taratasy fanekena izay nanome lalana ny hanaovana ilay fandidiana. Voatery notapahina teo ambony lohalika ny tongotro ankavanana. Taorian’izany, dia nidina ho ambanin’ny 2 ny fatran’ny hemôglôbinako, ary nanahy ny hisian’ny fahavoazana lehibe tao amin’ny atidoha ireo dokotera. Izany dia satria tsy nahazo valiny izy ireo rehefa niantso teo an-tsofiko hoe “Virginia, Virginia” — anarana teo amin’ireo taratasiko nidirako tao amin’ny hopitaly. Rehefa nandre anefa aho hoe “Ginger, Ginger”, izay nobitsibitsihina moramora fotoana fohy taorian’izay, dia nanokatra ny masoko aho ka nahita lehilahy iray izay mbola tsy hitako mihitsy teo aloha.
Avy tamin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray teo an-toerana tany New Jersey i Bill Turpin. Nahafantatra ny anaram-bosotro hoe Ginger — izay nahafantarana ahy hatramin’izay niainako — avy tamin’ireo Vavolombelona tany New York, izy. Namboariny ny fametrahany ny fanontaniany mba hahafahako hamaly tamin’ny fanakimpiana ny masoko, satria nisy fitaovana manampy amin’ny fisefoana aho, ka tsy afaka niteny mihitsy. “Tianao ve ny hanohizako hitsidika anao sy hilaza amin’ireo Vavolombelona any New York momba anao?”, hoy izy nanontany. Nanakimpy ny masoko imbetsaka aho! Nisetra loza ny anadahy Turpin tamin’ny fidirana an-tsokosoko tao amin’ny efitra nisy ahy, satria ny fianakaviako dia nandidy fa tsy nahazo nitsidika ahy ny Vavolombelona.
Taorian’ny enim-bolana tany amin’ny hopitaly dia mbola tsy afaka nanao afa-tsy ireo zavatra fototra fanao isan’andro aho, toy ny famahanana ny tenako sy ny fiborosiana nify. Tamin’ny farany, dia nahazo tongotra voatr’olombelona aho ary afaka nandeha kely teo amin’ny manodidina tamin’ny alalan’ny fitaovana manampy handeha. Rehefa nivoaka ny hopitaly aho tamin’ny Septambra 1986 ary niverina tao amin’ilay tranoko, nandritra ny enim-bolana hafa teo ho eo, dia niara-nipetraka tamiko ny mpanampy ara-pahasalamana iray mba hanampy ahy.
Fanampiana avy tamin’ny fianakavian’ny mpirahalahy misy antsika
Na dia talohan’ny nodiako tany an-trano aza, dia tena nanomboka nankasitraka izany atao hoe anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana izany aho. (Marka 10:29, 30). Tsy ny zavatra nilaiko ara-nofo ihany no nokarakarain’ireo anadahy sy rahavavy tamim-pitiavana, fa ny zavatra nilaiko ara-panahy koa. Noho ny fanampian’izy ireo tamim-pitiavana, dia afaka nanatrika indray ny fivoriana kristiana aho, ary rehefa nandeha ny fotoana dia nandray anjara mihitsy tamin’ilay antsoina hoe fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy aza.
Raha ny ara-dalàna, dia nila dimy taona vao hipoitra ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny fitsarana ilay fitsarana an’ilay mpamily fiarakodia. Tao anatin’ny volana maromaro anefa dia natao izany, — ary akory ny fahagagan’ilay mpisolovavako. Tamin’ny onitra azoko avy tamin’ilay raharaha, dia afaka nifindra tao amin’ny trano iray mora aleha kokoa aho. Fanampin’izany, dia nividy kamiaonety iray nisy fanaingana seza mikorisa sy fampandehanana voizina amin’ny tanana aho. Noho izany, tamin’ny 1988, dia niditra teo amin’ny laharan’ny mpisava lalana maharitra aho, ka nanokana fara fahakeliny 1 000 ora tamin’ny asa fitoriana isan-taona. Nandritra ny taona maro, dia nankafiziko ny fiasana ireo faritany tao amin’ny fanjakan’i Dakota Avaratra, i Alabama, ary i Kentucky. Nahavita 150 000 kilaometatra aho tamin’ilay kamiaonetiko ary ny ankamaroan’izany dia teo amin’ny fanompoana kristiana.
Nahita fanandraman-javatra nampihomehy maro aho teo amin’ny fampiasana ny moto-ko elektrika misy pne telo. Indroa aho no nivadika tamin’izy io rehefa niara-niasa tamin’ny vadin’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Indray mandeha, tany Alabama, dia nihevitra aho fa ho afaka hitsambikina ny sakeli-drano kely iray tamin’izy io, nefa tsy nahavita izany ary nianjera teo amin’ny tany, feno fotaka. Kanefa ny fihazonana fahaiza-mihomehy sy ny tsy fiheveran-tena ho zavatra loatra dia nanampy ahy hihazona fihetsika manorina.
Tohanan’ny fanantenana azo antoka
Indraindray dia mila hahakivy ny zava-manahirana ara-pahasalamana. Voatery nanapaka ny asan’ny mpisava lalana indroa aho, taona vitsivitsy lasa izay, satria hita fa nety hila hotapahina ilay tongotro iray hafa. Eo foana ankehitriny ny fandrahonana ny hamoy ilay tongotro, ary nandritra ireo dimy taona farany dia voatana tanteraka teo amin’ny seza mikorisa aho. Tamin’ny 1994, dia tapaka ny tanako. Nila fanampiana aho handro, hiakanjo, hahandro sakafo, sy hanao fanadiovana ary voatery nila olona hitondra ahy tany amin’ny toerana rehetra. Kanefa, noho ny fanampian’ireo anadahy, dia afaka nanohy ny asan’ny mpisava lalana aho, na dia teo aza izany fiverenan’ny tsy fahasalamako izany.
Nandritra ny fiainako manontolo, dia nitady izay toa fientanam-po aho, izao anefa dia takatro fa ny fotoana mampientana indrindra dia mbola ho avy. Ny finoako mafy dia hoe hanasitrana ny kilema rehetra amin’izao andro izao Andriamanitra, ao amin’ny tontolony vaovao manatona haingana. Izany no mahatonga ahy ho faly fa velona izao. (Isaia 35:4-6). Ao amin’io tontolo vaovao io, dia manantena ny hiara-milomano amin’ny trozona sy ny lambondriaka aho, sy hamantatra ny tendrombohitra hiaraka amin’ny liona iray sy ny zanany, ary hanao zavatra tsotra toy ny mandeha an-tongotra eny amin’ny torapasika. Namorona antsika mba hankafy ny zava-drehetra ao amin’io Paradisa eto an-tany io Andriamanitra. Mitondra fahafinaretana ho ahy ny maka sary an-tsaina ny fanaovana izany. — Notantarain’i Ginger Klauss.
[Sary, pejy 28]
Fony anisan’ny fiainako ny filokana
[Sary, pejy 30]
Manohana ahy ny fampanantenan’Andriamanitra