Ny Fiheveran’ny Baiboly
Tsy Mety ve ny Manonona ny Anaran’Andriamanitra?
EFA hatramin’ny taonjato maro no nampianaran’ny Jodaisma fa masina loatra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ka tsy tokony hotononina.a (Salamo 83:18). Teôlôjianina maro no nanjohy hevitra hoe tsy fanajana an’ilay Mpamorona be voninahitra ny fiantsoana azy toy ny olona akaiky toy izany, na hoe fandikana mihitsy ny didy fahatelo amin’ny Didy Folo izay mandrara ny ‘fanononana ny anaran’ny Tompo amin’ny fomba tsy manaja’ izany. (Eksodosy 20:7, King James Version). Tamin’ny taonjato fahatelo am.f.i., dia nanambara ny Mishnah fa “izay manonona ny Anaran’Andriamanitra araka ny fomba anoratana azy”, dia tsy manana “anjara ao amin’ny tontolo ho avy”. — Sanhedrin 10:1.
Mahaliana fa misy manam-pahaizana maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina manaraka ny votoatin’io lovantsofina jiosy io, rehefa nandika ny Baiboly. Ohatra, manao izao fanazavana izao ny The New Oxford Annotated Bible, ao amin’ny sasin-teniny: ‘Ny fampiasana anaran-tsamirery mba hanondroana an’ilay hany Andriamanitra tokana, toy ny hoe nisy andriamani-kafa izay tsy maintsy nanavahana an’ilay Andriamanitra marina, dia nanomboka nitsahatra tao amin’ny Jodaisma, talohan’ny andro kristianina, ka tsy mety ny hampiasan’ny finoana maneran-tanin’ny Eglizy kristianina, anaran-tsamirery toy izany.’ Noho izany, ao amin’io fandikan-teny io, dia nosoloana hoe “TOMPO” ny anaran’Andriamanitra.
Ahoana no fiheveran’Andriamanitra?
Ahitana taratry ny fomba fihevitr’Andriamanitra ve anefa ny fihevitry ny mpandika teny sy ny teôlôjianina toy izany? Rehefa dinihina tokoa, dia tsy nifidy ny hanafina ny anarany amin’ny olombelona Andriamanitra; naharihariny tamin’izy ireo kosa aza izany. Ao amin’ny tapany amin’ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly, izay mahazatra ny miantso azy hoe Testamenta Taloha, dia miseho mihoatra ny im-6 800 ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Asehon’ny fitantaran’ny Baiboly fa anisan’ireo izay nahalala sy nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Adama sy i Eva, ilay mpivady olombelona voalohany. Rehefa niteraka ny zanany lahy voalohany i Eva, dia nanambara toy izao: “Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.” — Genesisy 4:1.
Taonjato maro tatỳ aoriana, rehefa niantso an’i Mosesy mba hitarika ny firenen’ny Isiraely hivoaka avy tamin’ny fahandevozana tany Ejipta Andriamanitra, dia nanontany azy toy izao i Mosesy: “Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?” Mety ho nanontany tena tokoa i Mosesy raha hampiharihary ny tenany amin’ny alalan’ny anarana vaovao Andriamanitra. Nanohy nilaza toy izao tamin’i Mosesy Andriamanitra: “Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:13, 15). Mazava àry fa ilay Andriamanitra marina dia tsy nihevitra hoe masina loatra ny anarany ka tsy tokony hotononin’ny vahoakany.
Raha ny marina, dia efa nanonona malalaka sy tamim-panajana ny anaran’Andriamanitra ny mpanompony nahatoky hatramin’izay. Niarahaba tsy tapaka an’ireo mpanompony teny an-tsaha tamin’izao teny izao i Boaza, mpanompo nahatokin’Andriamanitra: “Jehovah anie ho aminareo.” Tafintohina noho ny fiarahabana toy izany ve ireo mpanompo? Tsia. Milaza toy izao ny fitantarana: “Dia hoy kosa ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.” (Rota 2:4). Tsy nihevitra izany fiarahabana izany ho fanevatevana an’Andriamanitra izy ireo, fa ho fomba fanomezana azy haja amam-boninahitra kosa, eo amin’ny raharaha andavanandro fanaon’izy ireo. Mitovy amin’izany koa fa nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.
Ilay didy fahatelo
Ahoana anefa ny amin’ilay fandrarana voalaza ao amin’ny didy fahatelo amin’ny Didy Folo? Milaza amin-kery toy izao ny Eksodosy 20:7: “Aza manonona foana [“tsy amin’ny antony”, NW ] ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.”
Inona indrindra moa no dikan’ny hoe manonona “tsy amin’ny antony” ny anaran’Andriamanitra? Manazava ny The JPS Torah Commentary, navoakan’ny Jewish Publication Society, fa ilay teny hebreo nadika etsy ambony hoe “tsy amin’ny antony” (lash·shaw’ʹ), dia mety hidika hoe “amim-pitaka”, na “amin’ny tsinontsinona, foana”. Manohy toy izao ihany io boky io: “Azo raisina amin’ny heviny hafa koa [io teny hebreo io], toy ny hoe fameperana [fandrarana] an’ireo ankolafiny ao amin’ny fitsarana mba tsy handikany ny voady nataony, ka tsy hianianany lainga, ary koa hoe fampiasana ny Anaran’Andriamanitra nefa tsy ilaina akory, na fampiasana azy io tsy amin’ny antony.”
Marina ny fanasongadinana nataon’io fanazavana jiosy io hoe anisan’ny fomba ratsy hampiasana ny anaran’Andriamanitra ny ‘fanononana tsy amin’ny antony’ azy io. Marina ve anefa ny filazana fa fampiasana ny anaran’Andriamanitra, “nefa tsy ilaina akory, na fampiasana azy io tsy amin’ny antony” ny fanononana azy io rehefa mampianatra ny hafa momba an’Andriamanitra, na rehefa mitodika any amin’ilay Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka? Amin’izao teny ao amin’ny Salamo 91:14 izao no anambaran’i Jehovah ny fomba fiheviny: “Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy.”
Zava-dehibe ve izany?
Tsy nanaraka ny lovantsofina ilay fandikan-teny anglisy maoderina izay mitondra ny lohateny hoe The Five Books of Moses, nataon’i Everett Fox. Tsy mampiasa ilay teny mahazatra hoe “TOMPO” io fandikan-teny io fa ilay hoe “YHWH” mba hampisehoana ny anaran’Andriamanitra, “noho ny faniriana hampiseho ilay anarana araka ny fomba nahazatra ny mpamaky hebreo”. Manantitrantitra toy izao i Fox: “Ho voamariky ny mpamaky avy hatrany fa miseho amin’ny hoe ‘YHWH’ ny anaran-tsamirerin’ilay Andriamanitry ny Baiboly, ato amin’ity boky ity.” Miaiky izy fa mety “hahasosotra” ny mpamaky ny fahitana ny anaran’Andriamanitra. Nanampy teny toy izao anefa izy, rehefa avy nanao ilay dingana mendri-piderana, dia ny tsy fanafenana ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny fandikan-teniny: “Ny soso-kevitro dia ny hampiasana ilay teny mahazatra hoe ‘ny TOMPO’ rehefa mamaky mafy, fa ny hafa kosa mety haniry hanaraka ny fahazarany manokana.” Kanefa, moa ve izany raharaha mahakasika ny safidin’ny tena manokana, ny lovantsofina, na ny fanarahana ny fomba amam-panaon’ny tena manokana fotsiny?
Tsia. Tsy vitan’ny hoe mampirisika ny hampiasana amin’ny fomba mety ny anaran’Andriamanitra ny Baiboly fa mandidy ny hanaovana izany mihitsy! Ao amin’ny Isaia 12:4a, dia aseho ho miantsoantso amin’ny teny mazava tsara toy izao ny vahoakan’Andriamanitra: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany”. (Izahay no manao sora-mandry.) Fanampin’izany, dia miresaka momba ireo izay mendrika ny fanamelohan’Andriamanitra ilay mpanao salamo, ka manao hoe: “Aidino amin’ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao sy amin’ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao”. — Salamo 79:6, izahay no manao sora-mandry; jereo koa ny Ohabolana 18:10; Zefania 3:9.
Koa na dia tsy mety manonona ny anarana be voninahitr’Andriamanitra aza ny olona sasany, satria diso fandray ny hevitry ny didy fahatelo, ireo izay tena tia an’Andriamanitra kosa dia hiezaka hiantso ny anarany. Eny, isaky ny misy fahafahana mety, dia ‘mampahafantatra ny asan’Andriamanitra any amin’ny firenena izy ireo, ka mampahatsiaro fa efa misandratra ny anarany’! — Isaia 12:4b.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny tapany amin’ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly (ny Testamenta Taloha), dia aseho amin’ny alalan’ny litera efatra izay azo soratana hoe YHWH ny anaran’Andriamanitra. Na dia tsy fantatra aza ny fanononana marina ny anaran’Andriamanitra, dia mahazatra ny manonona azy io hoe “Jehovah” amin’ny teny malagasy.
[Sary, pejy 26]
Tapany amin’ny bokin’ny Salamo, avy tamin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Miseho eo, amin’ny endriky ny soratra hebreo tranainy kokoa noho ny ao amin’ny sisa amin’ilay horonam-boky, ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah (YHWH)
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of the Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem