Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fahadisoana ao Amin’ny Baiboly, Tsy Hitan’ny Mpitsara Tsipelin-teny
“Tena fahita ny fahadisoana teo amin’ny fanaovam-pirinty ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18”, hoy ny fanamarihan’ilay gazetiboky hoe Bible Review, “nefa tsy midika izany hoe nohamaivanina ireny fahadisoana ireny.” Ohatra, natonta nandritra ny fanjakan’i Charles I ny Baiboly nanjary fantatra hoe Baiboly Adala. Ao amin’ny Salamo faha-14, ireo mpanao pirinty dia nanova tsy nahy teny iray. Ho vokany, dia izao no vakina ao amin’ny andininy voalohany: “Ny adala nanao anakampo hoe misy Andriamanitra.” Izany dia nitarika ho amin’ny fandoavana lamandy 3 000 livres sterling (vola anglisy). Voasazy handoa lamandy 300 livres sterling koa ny kompania hafa iray, Barker and Lucas, tamin’ny 1631, satria nisy teny iray latsaka, tao amin’ilay antsoina hoe Baiboly Mpanitsakitsa-bady. Nanjary bankirompitra izy ireo noho izany. Izao no vakina ao amin’ilay dikan-teniny: “Hanitsakitsa-bady ianao.” Toy izany koa ny Baiboly Manohy Manota, tamin’ny 1716. Eo amin’ny andininy misy ny filazan’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray nositraniny mba “tsy hanota intsony” (sin no more), dia voalaza, ao amin’io Baiboly io, fa nilaza taminy i Jesosy mba “hanohy hanota” (sin on more). Tsy hadino koa ilay Baiboly Vinaingitra, navoaka tamin’ny 1717. Milaza toy izao ny lohatenin’ny Lioka toko faha-20: “Ny fanoharana ny amin’ny Vinaingitra” (Vinegar), nefa tokony ho hoe: “Ny Fanoharana ny Amin’ny Tanimboaloboka” (Vineyard).
Polisy Manao Kiraro Misy Kodiarana
Mba hahafahana hifandray bebe kokoa amin’ny olona manodidina azy ireo, dia manao kiraro misy kodiarana ny polisy sasany any Amerika Avaratra. Araka ny tatitra nataon’ny The Toronto Star, dia manjary mihafahita koa ny polisy mandeha an-tongotra, sy mitaingin-tsoavaly sy bisikileta, rehefa manao fisafoana. Mampiasa kiraro misy kodiarana ny polisy any amin’ireo tanàn-dehibe toa an’i Chicago, i Miami, ary i Montréal. Anisan’ny nisava lalana teo amin’ny fanaovana kiraro misy kodiarana ilay polisy antsoina hoe Bill Johnston, brigadier ao amin’ny Fort Lauderdale. Hoy izy: “Neken’ny rehetra tamin’ny fo manontolo hatrany am-boalohany izy io. Rehefa manao kiraro misy kodiarana mantsy ianao, dia manjary afaka mifandray kokoa amin’ny besinimaro, ary mora hatonina kokoa.” Manazava ny The Toronto Star fa “misy tombony ny fanaovana kiraro misy kodiarana: ny fahatratrarana mpangalatra fiara eny amin’ny parking, ohatra”.
Tondroavaratra ao Amin’ny Trondro
Ahoana no ataon’ny trondro truite arc-en-ciel mba hivezivezena ao anaty rano? Hitan’ireo biôlôjista any Nouvelle-Zélande fa manana “tondroavaratra misy andriamby [ireo trondro ireo] ao amin’ny orony”, araka ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe New Scientist. Misy vorona sy biby mandady maro ary biby mampinono sasany afaka mamantatra ny toerana misy ny tenany amin’ny alalan’ny sahan’andriambin’ny tany. Tsy fantatry ny mpahay siansa mihitsy anefa ny fisian’ny sela mahafantatra ny avaratra, sela inoana fa mirakitra ôksida-na vy, izay misy andriamby. Nahita tsira-pitatitra iray tao amin’ny lohan’ny truite anefa ireo mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Auckland, ary mamirapiratra io tsira-pitatitra io rehefa azon’ny sahan’andriamby. Rehefa narahin’izy ireo ilay tsira-pitatitra dia nitondra azy niverina ho ao amin’ny oron’ilay trondro, ao amin’izay nahitan’izy ireo selam-pitatitra misy ôksida-na vy.
Herisetra Mifandray Amin’ny Baolina Kitra
Niteraka fankalazana izay matetika no niafara tamin’ny herisetra ny fifaninanana mahery vaika teo amin’ireo ekipa maro samihafa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny Amboara Eran-tany tamin’ny baolina kitra, tamin’ny taon-dasa. Tany Meksika, dia nisy polisy maherin’ny 1 500 nantsoina mba hifehy ireo mpankafy ny ekipa meksikanina. Olona maherin’ny 200 no voatanan’ny polisy, araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe El Universal, any Meksika. Nisy nitoraka tsipoapoaka nandritra ny herisetra niniana natao, ary nipoaka teo amin’ny endriky ny tanora iray ilay izy, ka nanapotika ny ampahany tamin’ny karandohany. Tany Arzantina, sy Belzika ary Brezila, dia ratsy fiafara koa ny fankalazana ka niteraka ratra sy fisamborana. Tany Frantsa, araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Excelsior, any Mexico, dia olona tokotokony ho 1 000 no nosamborina noho ny antony nisy fifandraisana tamin’ireo lalao nifaninanana tamin’ilay Amboara Eran-tany, ary olona 1 586 no voarara tsy handia ilay tany intsony.
Ny Tananao sy ny Fahasalamanao
“Rehefa mievina ny olona iray ka manampina ny vavany amin’ny tanany, na rehefa manisin-delo izy, dia mila manasa tanana, alohan’ny hikasihana telefaonina na hidim-baravarana”, hoy ny The Medical Post, any Kanada. Nanonona ny tenin’ny Fikambanan’ny Matihanina eo Amin’ny Fisakanana Areti-mifindra sy Famantarana Valanaretina, any Etazonia, ny The Post, ka nilaza fa “miparitaka mivantana amin’ny alalan’ny tanana sy ny fikasihana, fa tsy amin’ny alalan’ny rivotra, ny 80 isan-jaton’ny areti-mifindra fahita”. Nanipy hevitra ny Dr. Audrey Karlinsky, ao amin’ny Oniversiten’i Toronto, ny hanasana tanana matetika sy ny hampiasana savony “mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 segondra, ary ny hanisiana fiheverana ny eo anelanelan’ny rantsana sy ao ambany hoho”. Nanipy hevitra izy hoe aorian’izany, dia tokony hokobaninao amin’ny rano mafana ny tananao ary hampiasa servieta taratasy ianao mba hanidiana ny raobine. Ahoana no anaovanao izay anasan’ny ankizy ny tanany mandritra ny fotoana ampy tsara? Asaivo mitanisa ny abidy iray manontolo izy mandritra ny fotoana anosorany savony ny tanany, hoy ny fanoloran-kevitry ny Dr. Karlinsky.
Virosy Vaovao ao Amin’ny Ra
Taorian’ny nahitana virosy vaovao tao amin’ny ran’ireo mpanome ra any Eoropa, dia nanapa-kevitra ny manam-pahefana ara-pahasalamana frantsay fa hanangana “antokona mpahay siansa hanara-maso maharitra”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety frantsay hoe Le Monde. Tany Japon no nahafantarana voalohany an’ilay virosy, fantatra hoe virosy mifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra (TTV), tamin’ny 1997. Ny 10 isan-jaton’ny mpanome ra tany Japon mantsy no tratran’io virosy io. Mbola tsy fantatry ny dokotera ny tena anjara asan’ilay virosy eo amin’ny fitondrana aretina, nefa nisy fandinihana natao tany Grande-Bretagne nampiharihary ny fisian’ny TTV tao amin’ny 25 isan-jaton’ny marary voan’ny aretin’aty mafy, izay tsy fanta-piaviana. Hatramin’izao, dia tsy misy fomba filamatra itiliana an’io virosy io, hoy ny Le Monde.
Fifaliana Nahazo Zazakely — Asa be Kokoa!
“Mpivady tanora maro no manamaivana ny enta-mavesatra fanampiny entin’ny fiterahana. Izany matetika no mahatonga ady eo amin’izy mivady rehefa tonga ny zaza”, hoy ny voasoratra ao amin’ilay gazety alemà hoe Nassauische Neue Presse. Nasehon’ny fandinihana iray natao tao amin’ny Oniversiten’i Groningue, any Holandy, fa matetika ireo reny tanora no tsy faly, satria nitondra fiovana be ny fiterahana. Amin’ny antsalany, dia mila adiny 40 fanampiny isan-kerinandro ny reny hikarakarana ilay zaza, ka ny adiny 6 hanaovana ny fanadiovana, ny fanasan-damba ary ny fandrahoan-tsakafo amboniny, ilaina hatao, ary ny adiny 34 atokana hikarakarany mivantana ny zanany. Ho an’ireo ray, dia ny adiny 17 atokana hikarakarany mivantana ilay zaza no hany asa fanampiny. Araka ny voalazan’io tatitra io, ny mahatonga ny fihenjanana eo amin’ny mpivady dia “tsy raharaha mahakasika ny hoe iza no hanolo ny lamban-jaza na hifoha amin’ny alina hanome ny biberao loatra, fa raharaha mahakasika ny fizarana ny asa ao an-tokantrano kosa”.
‘Fihovotrovotry ny Masoandro’, Sambany vao Voarefy
Rehefa namakafaka sary nalain’ny sambon-danitra Soho, an’ny Fikambanana Ana Habakabaka Eoropeanina, i Valentina Zharkova, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Glasgow any Ekosy, sy i Alexander Kosovichev, ao amin’ny Oniversiten’i Stanford, any Kalifornia, dia sambany vao nahamarika ‘fihovotrovotry ny masoandro’. “Nisy fitosahan’angôvo tsy dia lehibe loatra voamarika tamin’ny Jolay 1996, dia fipoahana hidirôzenina sy heliôma teo amin’ny vohon’ny Masoandro, ary taorian’izany no nitrangan’ilay [fihovotrovotry ny masoandro]”, hoy ny tatitra nataon’ny The Daily Telegraph, any Londres. Nahatratra 11,3 ny heriny, ary telo kilaometatra ny haavon’ny onjany, ary niteraka alonalona mitovy amin’izay ateraky ny vato iray natsipy tao anaty rano, izy io. Tonga hatrany amin’ny 120 000 kilaometatra, ireny alonalona ireny, rehefa namakivaky ny vohon’ny masoandro, ka nahatratra 400 000 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany. Mitovitovy amin’ny angôvo lanin’i Etazonia ao anatin’ny 20 taona ny angôvo navoakan’io ‘fihovotrovotry ny masoandro’ io, ary ny heriny dia avo 40 000 heny noho ny herin’ilay horohoron-tany tany San Francisco, tamin’ny 1906, izay nahatratra 8,3 tamin’ny mari-drefy Richter.
Tele sy Loza
Ireo ankizy mandany fotoana lava be hijerena tele dia mety hirona hanahaka ny fahasahisahiana mety hampidi-doza izay hitany ao. Araka ny fandinihana iray nataon’ny Dr. José Umberos Fernández, mpikaroka espaniola, ny mety hampaharatra ny ankizy dia mitombo isaky ny adiny iray laniny eo anoloan’ny tele. Milaza i Fernández fa izany dia satria ny tele manolotra fomba fijery voaolana ny amin’ny zava-misy. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampifandanjana izany hery mitaona izany? Araka ny voalazan’ilay gazety grika hoe To Vima, dia tokony hifantina ny fandaharana jeren’ny zanany koa ny ray aman-dreny, ary hanampy azy ireo “hanao jery kiana sy hitandrina tsara izay zavatra jereny”, fa tsy hanaiky izay rehetra hitany ho zavatra tena misy.
Ny Ankizy sy ny Kafeinina
Na dia tsy misotro kafe na dite aza ny ankizy, dia maro no mihinana kafeinina amin’ny alalan’ny zava-pisotro misy karbônina sy sôkôlà, ka ampy hiteraka soritr’aretina toy ny an’ny olona miala amin’ny fahazaran-dratsy izany, rehefa miato tsy misotro izany intsony izy, araka ny tatitra nataon’ny The New York Times. Nifantoka tamin’ny vokatry ny kafeinina teo amin’ny faharetam-potoana ahafahan’ny saina mifantoka teo amin’ny ankizy mpianatra niisa 30, ny ekipana mpitsabo aretin-tsaina notarihin’ny Dr. Gail A. Bernstein, ao amin’ny Oniversite Fianarana ho Dokotera any Minnesota. Mirasanda amin’ny fisotroana coca telo tavoahangy kely isan’andro ny habetsahan’ny kafeinina nohanin’ireo ankizy. Rehefa afaka herinandro, dia tsy nihinana kafeinina nandritra ny indray andro ireo ankizy. Tamin’io andro io, sy nandritra ny herinandro nanaraka izany, dia nihena be ny faharetam-potoana nahafahan’ny sain’ireo mpianatra nifantoka. “Ny fomba tsara indrindra hisorohana izany dia ny fanaovana izay tsy hisotroan’ny ankizy zavatra be kafeinina”, hoy ny fanazavan’ireo mpikaroka.