Inona no Lazain’ny Baiboly?
Leferin’ny Baiboly ve ny Fanandevozana?
ANISAN’NY fampianarana tena lehibe ao amin’ny Baiboly ny fitiava-namana. Mifanohitra tanteraka anefa ny fitiavana sy ny fanandevozana mampijaly. Tsy azon’ny olona sasany àry hoe nahoana ny Baiboly no miresaka momba ny fanandevozana.
Navelan’Andriamanitra hanana mpanompo ny vahoakany fahiny. (Genesisy 14:14, 15) Mpanompo sy tompo aza ny Kristianina sasany tamin’ny andron’ny apostoly. (Filemona 15, 16) Midika ve izany fa leferin’ny Baiboly ny fanandevozana mampijaly?
Fanao nifanohitra tamin’ny Baiboly
Efa nisy nifanohitra tamin’ny toro lalan’Andriamanitra ny rafitra naorin’olombelona rehefa nosoratana ny Baiboly, na teo amin’ny resaka fiaraha-monina izany na toe-karena. Raran’Andriamanitra ao amin’ny Lalàny ny fanao sasany, nefa nifidy ny hilefitra tamin’ny fanao hafa izy, anisan’izany ny fanandevozana.
Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy), momba ny fiaraha-monina teo amin’ny firenen’Israely fahiny: “Tokony hiara-miaina toy ny mpirahalahy izy ireo, ary natao izay tsy hisian’ny mahantra. Tsy nohararaotina koa ny mpitondratena sy ny tsy manan-kialofana ary ny kamboty.” Navelan’Andriamanitra hanaraka an’izay rafitra efa nisy àry ny olona, nefa nasiany Lalàna nifehy an’izany. Anisan’izany ny hoe tokony hotiavina sy hokarakaraina tsara ny andevo.
Ny fanandevozana tamin’ny andron’ny Baiboly
Diniho ireto fitsipika ireto, izay anisan’ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy:
● Nosazina ho faty izay naka olona an-keriny sy nivarotra azy. (Eksodosy 21:16) Maro ny fandaharana natao mba tsy hisian’ny Israelita mahantra. Nisy ihany anefa ny Israelita nivaro-tena ho andevo raha tena bokan-trosa izy, angamba satria tsy nahay nitantam-bola. Nety ho nahangona vola fanampiny hanavotana ny tenany anefa izy.—Levitikosy 25:47-52.
● Fahita any amin’ny tany maro, hatramin’izay, ny fampijaliana andevo. Tsy toy izany kosa ny teo amin’ny firenen’Israely. Hoy ny Levitikosy 25:39, 40: “Aza andevozina ny rahalahinao izay miara-monina aminao, raha mihamahantra ka voatery mivarotra ny tenany aminao. Ataovy toy ny mpikarama sy ny mpiavy izy.” Hita hoe nokarakaraina tamim-pitiavana ireo Israelita tena nahantra.
● Araka ny notakin’ny Lalàna, dia azo namidy ho andevo ny olona iray meloka ho nangalatra raha tsy afaka nanonitra an’izay nangalariny. (Eksodosy 22:3) Azo nafahana izy rehefa voaloany ilay onitra.
● Noraran’ny Lalàn’Andriamanitra tsy hampijaly na hanararaotra andevo ny Israelita. Afaka nibedy ny mpanompony ny tompo, nefa tsy nahazo nanao izany tafahoatra. Tsy maintsy nosazina izy raha nahafaty ny mpanompony. (Eksodosy 21:20) Nafahana ny mpanompo iray raha lasa nanan-takaitra noho ny nataon’ny tompony, ohatra hoe niala ny nifiny na simba ny masony.—Eksodosy 21:26, 27.
● Tsy mihoatra ny enin-taona ny fotoana anompoan’ny Israelita iray. (Eksodosy 21:2) Afahana ny mpanompo hebreo amin’ny taona fahafito anompoany. Notakin’ny Lalàna ny hanafahana ny mpanompo rehetra eran’ilay firenena, isaky ny 50 taona, na hafiriana na hafiriana nanompoany.—Levitikosy 25:40, 41.
● Tokony halala-tanana ny tompo, rehefa manafaka ny mpanompony. Hoy ny Deoteronomia 15:13, 14: “Aza alefa tanam-polo izy raha alefanao ho olona afaka. Tena tokony hanomezanao azy ny ondry aman’osinao sy ny vokatrao avy teny am-pamoloana sy avy tamin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao.”
Efa nahazatra teo amin’ny Fanjakana Romanina ny fananana andevo, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Tsy maintsy ho nisy tompo sy mpanompo tamin’ireo nandray ny vaovao tsara sy lasa Kristianina, rehefa niely ny Fivavahana Kristianina. Na i Jesosy Kristy na ireo apostoliny, dia samy tsy nisy niezaka nanova ny rafitra efa nisy tamin’izany, ka hoe nitory fa hafahana ny andevo. Samy nampirisihina hifankatia toy ny mpirahalahy kosa ny mpanompo sy ny tompo.—Kolosianina 4:1; 1 Timoty 6:2.
Hifarana ny fanandevozana
Toy ny fanontaniana rehetra mifandray amin’ny Baiboly ihany ny momba ny fanandevozana, ka tsy maintsy jerena arakaraka ny toe-javatra. Hita fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fampijaliana olona, rehefa dinihina tsara ny Soratra Masina.
Hita koa fa tsy mitovy amin’ny fiheveran’ny ankamaroan’ny olona azy ny fanandevozana teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, satria tsy nampijalina na nohararaotina ny andevo. Asehon’ny Baiboly fa hafahan’Andriamanitra amin’ny karazana fanandevozana rehetra isika, amin’ny fotoana mety. Ho tena olona afaka ny rehetra amin’izay.—Isaia 65:21, 22.
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
● Leferin’ny Baiboly ve ny fampijaliana andevo?—Levitikosy 25:39, 40.
● Ahoana no tokony hitondran’ny Kristianina ny mpanompony?—Kolosianina 4:1.
[Teny notsongaina, pejy 29]
Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fampijaliana olona
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
© G.M.B. Akash/Panos Pictures