Toko Faha-18
Ahoana no Ahafahako Manatsara Ireo Naotiko?
REHEFA nanontaniana hoe ‘Inona no mampanahy anao indrindra?’ ny mpianatra sasantsasany tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany, ny 51 isan-jato taminy dia namaly hoe “Ny naoty”!
Tsy mahagaga mihitsy raha miteraka tebiteby aoka izany eo amin’ny tanora ny naoty any an-tsekoly. Ny naoty tokoa dia mety hilaza hoe hahazo diplaoma ianao sa tsia, hahazo asa tsara karama ianao sa asa tsy mahazo afa-tsy karama faran’izay kely, hahazo ny teny fideran’ny ray aman-dreninao ianao sa hiharan’ny fahatezerany. Tena marina fa manana ny toerany ireo naoty sy fitsapam-pahaizana. I Jesosy Kristy aza nanadina ireo mpianany mba hitsapana ny fahatakaran’izy ireo ny raharaha sasantsasany. (Lioka 9:18). Ary ny boky hoe Measurement and Evaluation in the Schools dia milaza toy izao: “Ny vokatr’ireo fitsapam-pahaizana dia mety hampiharihary hoe aiza ny tanjaka sy ny fahalemen’ireo mpianatra tsirairay ary manome antony manosika mba hianatra bebe kokoa amin’ny hoavy.” Ny naotinao koa dia mampahafantatra amin’ny ray aman-dreninao izay ataonao any an-tsekoly — na tsara izany na ratsy.
Fianarana fandanjalanjana
Ny fiahiana be loatra momba ny naoty anefa dia mety hiteraka fihenjanana tsy hahavitanao zavatra sy hampipoitra fifaninanana tsy misy antra. Ny boky iray momba ny zatovo dia manamarika fa ireo mpianatra hanohy hatrany amin’ny fianarana ambony no tena mety ho “tratra ao anatin’ny rafitra misafotofoton’ny fifaninanana izay manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny naoty sy ny laharana ao an-dakilasy, fa tsy ny fianarana”. Ho vokatr’izany, araka ny Dr. William Glasser, ‘aloha be ireo mpianatra dia efa mianatra any an-tsekoly ny hanontany hoe inona no hivoaka ao amin’ny fitsapam-pahaizana ka (...) tsy mianatra afa-tsy izay ihany’.
Nampitandrina toy izao i Solomona Mpanjaka: “Hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.” (Mpitoriteny 4:4). Zava-poana ny fifaninanana tsy misy antra, na ho amin’ny harena ara-nofo izany na ho amin’ny mari-pankasitrahana any am-pianarana. Ireo tanora matahotra an’Andriamanitra dia mahita fa ilaina ny miezaka mafy any an-tsekoly. Kanefa, tsy manao ny fahitana fianarana ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany izy ireo, fa mikatsaka ireo zavatra ara-panahy kosa, ary matoky fa hikarakara izay ilainy eo amin’ny ara-nofo Andriamanitra. — Matio 6:33; jereo ny Toko faha-22 momba ny fifidianana asa hatao eo amin’ny fiainana.
Fanampin’izany, ny fahitana fianarana dia midika ho mihoatra noho ny fanangonana naoty tsara amin’ny fitsapam-pahaizana fotsiny. Izany dia midika hoe fampitomboana ilay nantsoin’i Solomona hoe “fahaiza-misaina”, izany hoe ny fahaizana handray fanazavana sy ny fanatsoahana hevitra mirindra sy azo ampiharina avy aminy. (Ohabolana 1:4, NW ). Ny tanora iray izay mahavita mahazo naoty hifindrana kilasy amin’ny alalan’ny fanombantombanana, na ny fianarana vonjy tavan’andro, na ny fanaovana fraude mihitsy aza, dia tsy tena hianatra ny fomba fisaina na oviana na oviana. Ary inona no ilana naoty ambony amin’ny matematika raha toa any aoriana any ianao ka tsy hahay hanamarina kaonty any amin’ny banky akory?
Zava-dehibe àry ny hiheveranao ireo naoty, tsy ho toy ny zava-kendrena tokony hotratrarina, fa ho toy ny fitaovana manampy anao hitsara ny fandrosoanao any an-tsekoly. Ahoana anefa no ahafahanao mahazo naoty izay manome taratr’ireo fahaizanao?
Raiso ny andraikitra hianatra!
Araka an’ilay mpampianatra atao hoe Linda Nielsen, ireo mpianatra tsy mahay dia mirona “hilaza fa anton-javatra tsy azon’ny tenany fehezina no mahatonga azy hahazo vokatra ratsy [any an-tsekoly]: fanontaniana tsy ara-drariny amin’ny fitsapam-pahaizana, mpampianatra manavakavaka, haratsiam-bintana, ny anjara, ny toetr’andro”. Hoy anefa ny Baiboly: “Ny fanahin’ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo”. (Ohabolana 13:4). Eny tokoa, ny hakamoana matetika no tena anton’ny fahazoana naoty ratsy.
Ireo mpianatra mahay anefa dia mandray ny andraikiny hianatra. Indray mandeha, ny gazetiboky ’Teen dia nitsapa ny hevitry ny mpianatra sasany nahazo vokatra tsara tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Inona no tsiambaratelon’izy ireo? “Raha manana antony manosika manokana ianao, dia manampy anao hanohy izany”, hoy ny iray. “Ny fanarahana fandaharam-potoana sy ny fandaminana ny fotoananao”, hoy ny hafa iray. “Tsy maintsy mametra zava-kendrena ho an’ny tenanao ianao”, hoy ny hafa iray koa. Eny tokoa, ny fahazoanao naoty tsara dia miankina amin’ny ampahany lehibe indrindra, tsy amin’ny anton-javatra tsy azonao fehezina akory, fa AMINAO — amin’ny fahavononanao mafy hianatra sy hanao fiezahana any an-tsekoly.
‘Tena mianatra anie aho e’
Izany no mety hambaran’ny tanora sasany. Mihevitra amim-pahatsorana izy ireo fa efa mikely aina tsy misy ohatra izany ny tenany, nefa tsy mahazo vokatra. Taona vitsivitsy lasa izay, anefa, dia nisy mpanao fikarohana tao amin’ny Oniversiten’i Stanford (Etazonia) nitsapa ny hevitry ny mpianatra 770 teo ho eo ary nanontany hoe nanao ahoana ny fiezahana noheveriny fa nataon’ny tenany tany am-pianarana. Mahavariana fa ireo mpianatra nanana naoty ratsy dia nihevitra fa niezaka mafy toy ny hafa rehetra ny tenany! Kanefa, rehefa nodinihina ny fahazarany teo amin’ny fianarana, dia hita fa, raha ny tena izy, dia kely lavitra noho ny an’ireo iray kilasy taminy nahazo vokatra tsara ny entimody nataon’izy ireo.
Ny fianarana tsoahina avy amin’izany? Angamba koa ny tenanao tsy mianatra mafy araka ny iheveranao azy, ary ho tsara ny hanaovana fiovana sasantsasany. Ny lahatsoratra iray tao amin’ny Journal of Educational Psychology dia nampiseho fa ‘ny fampitomboana fotsiny ny fotoana lanina hanaovana entimody dia efa misy vokatra tsara eo amin’ny naotin’ny mpianatra iray any amin’ny ambaratonga faharoa’. Raha ny marina, “raha mandany adiny iray ka hatramin’ny adiny telo isan-kerinandro mba hanaovana ny entimodiny ny mpianatra iray latsaka ny moyenne, dia afaka mahazo naoty mitovy amin’ny an’ny mpianatra iray mahazo moyenne izay tsy manao ny entimodiny.”
Tsy maintsy ‘nanisy mafy ny tenany ho mangana’ tamin’ny heviny ara-panoharana ny apostoly Paoly mba hanatratrarana ny zava-kendreny. (1 Korintiana 9:27). Mety ho voatery hampihatra fitsipika henjana toy izany amin’ny tenanao koa ianao, indrindra fa raha mora voasariky ny televiziona na ny zava-manelingelina hafa ny sainao mba tsy hianatra. Mety ho azonao atao mihitsy aza ny hanisy taratasy eo ambonin’ny vata fahitalavitra milaza hoe: “Tsy mahazo mijery tele raha tsy vita ny entimody!”
Ny toerana ianaranao
Handray soa ny ankamaroantsika raha manana toerana mangina natokana ho amin’ny fianarana. Raha miray efitrano amin’olon-kafa ianao na voafetra ny toerana ao an-tranonao, dia mitadiava hevitra! Angamba ny lakozia na ny efitrano iray dia azo ambara ho toeram-pianaranao mandritra ny adiny iray eo ho eo isan-kariva. Na ny fitadiavana fanampiana farany dia ny fanandramana mankany amin’ny trano famakiam-boky na ny tranon’ny namana iray.
Raha mety, dia mampiasà birao na latabatra malalaka hahafahana hamelatra ny zavatra ilainao. Ataovy mora raisina ny zavatra rehetra ilaina mba hanoratana mba tsy hahavoatery anao hitsangana lava. Ary malahelo izahay milaza aminao fa mazàna ny televiziona sy ny radio mandeha dia tsy manampy anao hifantoka, toy izany koa ny antso an-telefaonina sy ny olona mamangy.
Ataovy azo antoka koa fa ampy tsara sady tsy mamono maso ny fahazavana ampiasainao. Ny fahazavana mety tsara dia mampihena ny fahasasarana eo am-pianarana sady miaro ny masonao. Ary raha mety, dia jereo tsara ny fidiran’ny rivotra sy ny hafanan’ilay efitra. Ny efitra mangatsiatsiaka dia manosika hianatra kokoa noho ny efitra mafana.
Ahoana raha tsy te hianatra tsotra izao ianao? Mahalana ny fiainana vao mamela antsika hanome fahafaham-po ny tenantsika amin’izay tiantsika sy tsy tiantsika hatao. Rehefa miasa ianao, dia ho voatery handeha hiasa isan’andro — na te hiasa ianao na tsy te hiasa. Koa raiso ho toy ny fianarana mba hahay hifehy ny tenanao ny fanaovana entimody, ho toy ny fanazaran-tena ho amin’ny fotoana rehefa hiasa ianao any aoriana any. Ataovy ho toy ny asa ny entimodinao. Manipy hevitra toy izao ny mpanabe iray: “Raha mety, dia tokony hatao amin’ny toerana mitovy ihany sy amin’ny fotoana mitovy ihany isan’andro ny fianarana. Amin’izay, dia ho tonga fahazarana ny fianarana tsy tapaka, ary (...) hampihena ny fanirianao hanohitra ny fianarana.”
Ny fahazaranao manao fianarana
Ao amin’ny Filipiana 3:16 (NW ), dia mampirisika ny Kristiana mba ‘hanohy handeha amim-pilaminana amin’io lalana efa mahazatra io ihany’ i Paoly. Niresaka ny amin’ny lalana efa mahazatran’ny fomba fiaina kristiana i Paoly eto. Kanefa, ny lalana efa mahazatra, na fomba fanaovan-javatra arahina iray, koa dia manampy eo amin’ny fomba fianatrao. Manandrama, ohatra, mandamina izay hianaranao. Halaviro ny fianarana foto-kevitra mitovy (toy ny teny vahiny roa) misesy. Asio fiatoana eo anelanelan’ireo foto-kevitra ianaranao, indrindra fa raha be dia be ny entimodinao.
Raha misy famakian-teny be dia be anisan’ireo zavatra tokony hataonao, dia mety hanandrana izao fomba fanaovan-javatra izao ianao. Voalohany aloha, dia DINIHO AMIN’NY ANKAPOBENY ilay natao hovakinao. Topazo maso ilay izy, amin’ny famakiana ireo lohatenikely, faritra voafefy, sy ny sisa, mba hahazoanao hevitra amin’ny ambangovangony. Manaraka izany, dia mamoròna FANONTANIANA miorina amin’ny lohatenin’ireo toko na fehezanteny fototra. (Izany dia hampifantoka ny sainao amin’izay vakinao.) Izao dia ATAOVY NY FAMAKIAN-TENINAO, amin’ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Isaky ny avy mamaky fehintsoratra na fizarana iray ianao, dia TONÒNY, na avereno amin’ny tenanao, izay vao avy novakinao, kanefa tsy hijery ilay boky. Ary rehefa avy namaky ilay tokony hovakinao manontolo ianao, dia MANAOVA FAMERENANA amin’ny fijerena ireo lohatenikely sy amin’ny fiezahana hitadidy izay tao anatin’ny fizarana tsirairay. Misy milaza fa io fomba fanaovan-javatra io dia nanampy ireo mpianatra mba hitadidy ny 80 isan-jaton’izay novakiny!
Milaza toy izao koa ny mpanabe iray: “Zava-dehibe ny fanampiana ilay mpianatra hahafantatra fa ny zava-misy iray dia tsy mandeha irery mihitsy fa mifandray amin’ny fahalalana hafa foana.” Miezaha àry mampifandray izay ianaranao amin’izay efa fantatrao sy niainanao. Tadidio ny antony maha-azo ampiharina ilay zavatra ianaranao.
Mahaliana fa ny tanora iray matahotra an’Andriamanitra dia manana tombony lehibe. Milaza tokoa ny Baiboly hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana”. (Ohabolana 1:7). Ny fianarana ireo lalàna momba ny fizika, ohatra, dia mety hanorisory aoka izany. Kanefa ny fahafantarana fa ‘ny toetra tsy hita mason’Andriamanitra dia hita mazava tsara’ amin’ny zavatra noforonina, dia manome heviny fanampiny an’izay ianaranao. (Romana 1:20, NW ). Toy izany koa, ny tantara matetika dia mahakasika ny fahatanterahan’ireo fikasan’i Jehovah. Ireo herim-panjakana fito nifandimby teo amin’izao tontolo izao (anisan’izany ny herim-panjakana anglisy amerikana mitambatra ankehitriny), ohatra, dia resahina ao amin’ny Baiboly mihitsy! — Apokalypsy 17:10; Daniela, toko faha-7.
Rehefa mampifandray izay ianaranao amin’izay efa fantatrao na amin’ny finoanao kristiana ianao, dia manomboka misy heviny aminao ireo zava-misy ianaranao, ary dia miova ho fahatakaran-javatra ilay fahalalana. Ary hoy ny nomarihin’i Solomona: “Ho an’ny manana fahatakaran-javatra dia zavatra mora ny fahalalana.” — Ohabolana 14:6, NW.
‘Hisy fitsapam-pahaizana amin’ny herinandro ambony’
Tsy voatery hampitaintaina anao ireo teny ireo. Voalohany indrindra aloha, dia iezaho fantarina avy amin’izay lazain’ny mpampianatra hoe karazana fitsapam-pahaizana manao ahoana ilay izy, ohatra hoe fanoratana lahatsoratra sa valim-panontaniana maro azo isafidianana. Fanampin’izany, mandritra ireo andro mialoha ilay fitsapam-pahaizana, dia henoy raha misy famantarana ny amin’izay hivoaka ao amin’ilay izy. (Ny hoe “Tena zava-dehibe izao hevitra manaraka izao”, na hoe “Tadidio tsara izany” dia famantarana tsara ny amin’izany, hoy ny gazetiboky Senior Scholastic.) Manaraka izany, dia avereno jerena indray ireo zavatra noraisinao an-tsoratra sy ireo bokinao ary ireo entimodinao.
“Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany”, hoy ny ampahatsiahivin’i Solomona antsika. (Ohabolana 27:17). Angamba ny namanao iray na ny rainao na ny reninao dia ho faly hanadina anao amin’ny alalan’ny fanontaniana na hihaino anao hamerina tsianjery ny zavatra nianaranao tany an-tsekoly. Avy eo, ny alina alohan’ilay fitsapam-pahaizana, dia aoka ianao ho tony ary miezaha hatory tsara. “Iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?”, hoy i Jesosy. — Matio 6:27.
Ireo tsy fahombiazana
Mety handrava tanteraka ny fahatsapanao fanajan-tena ny tsy fahombiazana amin’ny fitsapam-pahaizana iray — indrindra fa rehefa avy niezaka mafy mba hahomby amin’izany ianao. Mampahatsiahy antsika toy izao anefa ilay mpanabe atao hoe Max Rafferty: “Raha mbola velona koa isika, dia omena naoty araka izay fantatsika, araka izay vokatra azontsika (...) Ny sekoly iray izay mamitaka ireo ankizy mba hino fa mandeha ho azy tsy ilana fiezahana ny fiainana, dia tsy sekoly, fa trano mpamokatra nofinofy.” Mety hahasoa ny henatra noho ny tsy fahombiazana amin’ny fitsapam-pahaizana iray raha mandrisika anao handray fianarana avy amin’ireo fahadisoanao sy hihatsara, izany.
Ahoana anefa ny amin’ny fiatrehana ny ray aman-dreninao diso fanantenana noho ny bulletin ratsy? Ny tahotra an’izany indraindray dia nitarika ho amin’ny fitadiavana tetika feno hafetsena. “Napetrako teo ambony latabatry ny lakozia ny bulletin-ko, avy eo aho dia nankany an’efitra ary nanandrana natory mandra-paha-marainan’ny andro”, hoy ny tsaroan’ny ankizy iray. “Ny nataoko”, hoy ny hafa iray, “dia ny niandry hatramin’ny minitra farany vao nampiseho azy tamin’i Neny. Nentiko tany aminy ilay izy tamin’ny maraina rehefa handeha hiasa iny izy, ary nilazako izy hoe ‘Intỳ misy zavatra tsy maintsy hataonao sonia.’ Tsy nanam-potoana hitenenana ahy izy tamin’izay” — tamin’izay ihany aloha. Nisy aza ankizy sasany nanova ny naoty tao amin’ny bulletin-ny!
Manana zo hahafantatra izay ataonao any an-tsekoly anefa ny ray aman-dreninao. Mazava ho azy fa manantena izy ireo fa hanome taratry ny fahaizanao ireo naotinao, ary raha latsaka ny moyenne ireo naotinao, dia afaka manampo ny hahazo famaizana mendrika anao ianao. Koa milazà ny marina amin’ny ray aman-dreninao àry, ary “mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. (Ohabolana 1:8). Raha mihevitra ianao fa manantena be loatra aminao izy ireo, dia resaho aminy izany. — Jereo ilay lahatsoratra fanampiny hoe “Ahoana no Hilazako Izany Amin’ny Ray Aman-dreniko?” ao amin’ny Toko faha-2.
Zava-dehibe ireo naoty, kanefa tsy izy ireo akory no hitsarana farany ny fahamendrehanao amin’ny maha-olona anao. Na dia izany aza, dia mahaiza manararaotra ny fotoana andehananao any an-tsekoly, ary mianara zavatra betsaka araka izay azonao atao. Mazàna izany ezaka izany dia ho hita taratra amin’ireo naotinao, izay hahatonga anao — sy ny ray aman-dreninao — ho faly sy afa-po.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona no zava-kendren’ireo naoty, ary nahoana no zava-dehibe ny fananana fomba fihevitra voalanjalanja momba azy ireo?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny handraisanao ny fianarana ho toy ny andraikitrao manokana?
◻ Inona avy no zavatra sasantsasany tokony hodinihina raha ny amin’ireo zavatra fanao ivelan’ny ora fianarana?
◻ Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao manatsara ireo naotinao?
◻ Ahoana no ahafahanao miomana ho amin’ny fitsapam-pahaizana?
◻ Ahoana no tokony hiheveranao ny tsy fahombiazana, ary tokony hafeninao amin’ny ray aman-dreninao ve ny tsy fahombiazana toy izany?
[Teny notsongaina, pejy 141]
Ny tanora iray izay mahavita mahazo naoty hifindrana kilasy amin’ny alalan’ny fanombantombanana, na ny fianarana vonjy tavan’andro, na ny fanaovana fraude mihitsy aza, dia tsy tena hianatra ny fomba fisaina na oviana na oviana
[Efajoro/Sary, pejy 144, 145]
Ahoana ny Amin’ireo Zavatra Fanao Ivelan’ny Ora Fianarana?
Tanora maro no mihevitra fa ahitany fahafaham-po ireo zavatra fanao ivelan’ny ora fianarana. “Saiky tao amin’ny club rehetra mihitsy aho”, hoy ny tsaroan’ny ankizilahy iray any Baltimore (Maryland, Etazonia). “Nahatonga ahy ho faly tamin’ny tenako ny nanao zavatra tiako. Tao amin’ny club-na mpamily fiara aho satria tiako ny niasa tamin’ny fiarakodia. Tiako ny ordinatera, dia niditra tao amin’io club io aho. Tiako ny mozika, dia niditra tao amin’io club io koa aho.” Ireo mpianatra maniry hanohy hatrany amin’ny fianarana ambony no tena ampirisihina handray anjara amin’ny zavatra fanao ivelan’ny ora fianarana.
Kanefa, nilaza toy izao ho an’ny Mifohaza! ny manam-pahefana iray ao amin’ny fitondram-panjakana amerikana — izay mpampianatra taloha: “Azo inoana fa mandany fotoana betsaka kokoa hanaovana ireo zavatra fanao tsy anisan’ny fianarana any an-tsekoly, noho ny amin’ny entimodiny ireo mpianatra, ka izany dia mahatonga ho sarotra ny fihazonany naoty tsara.” Eny tokoa, tsy mora ny fihazonana fandanjalanjana raha ny amin’ireo zavatra fanao tsy anisan’ny fianarana any an-tsekoly. Hoy ny ankizivavy iray antsoina hoe Cathy izay anisan’ny ekipana softball tany an-tsekoly taloha: “Taorian’ny fanazaran-tena, dia vizana loatra aho ka tsy afaka nanao na inona na inona intsony. Nisy fiantraikany teo amin’ny fianarako izany, hany ka tsy nisoratra anarana aho tamin’ity taona ity.”
Eo koa ireo loza ara-panahy. Hoy ny lehilahy kristiana iray mahatsiaro ireo taona fony izy zatovo: “Nihevitra aho fa ho afaka ny hampifanaraka zavatra telo: ny fianarako sy ny fanazaran-tena tao amin’ny ekipam-panatanjahan-tena ary ireo zavatra ara-panahy. Kanefa ny lafiny ara-panahy tamin’ny fiainako foana no nandefitra isaky ny nisy fifanoherana teo amin’izy telo ireo.”
I Themon, ankizilahy iray izay anisan’ny ekipam-panatanjahan-tena roa tany an-tsekoly, dia mitovy hevitra amin’izany koa: “Tsy afaka nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano [Fanjakana, anomezana fampianarana ara-panahy] aho satria ny talata izahay tsy teo an-toerana, ny alakamisy izahay tsy teo an-toerana, ny asabotsy izahay tsy teo an-toerana ary tsy nody raha tsy tamin’ny roa maraina.” Na dia ‘mahasoa kely ihany aza ny fampiasana ny tena’, dia tena zava-dehibe ny hitadidiana fa “ny fifikirana amin’Andriamanitra dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra”. — 1 Timoty 4:8, NW.
Eritrereto koa ireo loza eo amin’ny ara-pitondran-tena. Hifanerasera amina namana madio amin’ny lafiny rehetra izay hanana fitaomana tsara eo amin’ny ara-pitondran-tena ve ianao? Inona no ho fototry ny resaka hifanaovana any? Hety hisy heriny ratsy eo aminao ve ireo iray ekipa na iray club aminao? “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”, hoy ny 1 Korintiana 15:33.
Mahaliana fa tanora maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nifidy ny hampiasa ny fotoanany ivelan’ny ora fianarana hanaovana zavatra iray mahasoa kokoa noho ny fanatanjahan-tena: ny fanampiana ny hafa hahafantatra ny Mpamorona azy. Manoro hevitra toy izao ny Kolosiana 4:5: “Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.”
[Sary, pejy 143]
Matetika ny vidiny aloan’ny mpianatra noho ny fianarana tsizarizary dia (...) naoty ratsy
[Sary, pejy 146]
Tsy mora ny mampifandanja ireo zavatra fanao aorian’ny sekoly amin’ny fanaovana ireo entimodinao
[Sary, pejy 148]
Azo antoka fa ho tezitra noho ny bulletin ratsy ny ray aman-dreninao. Kanefa raha mihevitra ianao fa manantena be loatra aminao izy ireo, dia resaho aminy izany