LESONA 29
Toetran’ny Feo
TSY izay lazaina ihany no hisy vokany eo amin’ny olona, fa ny fomba ilazana azy io koa. Tsy marina ve fa te hihaino kokoa ianao raha feo mahafinaritra ka maneho fitiavana sy hatsaram-panahy no iresahana aminao fa tsy feo tsy misy fitiavana, na mampangintsin-tsofina?
Tsy fanarahana fitsipika aman-dalàna ranofotsiny akory no ilaina mba hanatsarana ny toe-peo. Mety ho tafiditra amin’izany koa ny toetran’ilay olona. Rehefa mandroso izy eo amin’ny fahalalana sy ny fampiharana ny fahamarinana, dia manjary hita eo amin’ny fomba fiteniny izany. Re amin’ny feony fa namboly toetra tsara toy ny fitiavana sy ny fifaliana ary ny hatsaram-panahy izy. (Gal. 5:22, 23) Voamarika amin’ny feony, fa tena miahy marina ny hafa izy. Fantatra amin’izay lazain’ny olona iray sy ny toe-peony, hoe tsy mitaraina lava intsony izy fa manjary feno fankasitrahana. (Fitom. 3:39-42; 1 Tim. 1:12; Joda 16) Na dia teny vahiny tsy hainao aza no itenenan’ny olona iray, dia fantatrao amin’ny feony raha miavonavona sy tsy mahay milefitra, sy manakiana, ary masiaka izy, na manetry tena, sy manam-paharetana, sy tsara fanahy, ary be fitiavana kosa.
Mety ho vokatry ny aretina nanimba ny lohatraokany no maharatsy ny feon’ny olona iray, na efa takaitra hatrany an-kibon-dreniny. Mety ho tsy azo sitranina tanteraka ny kilema toy izany, raha tsy any amin’ny tontolo vaovao. Mazàna anefa no hitondra vokatra tsara ny fianarana mampiasa tsara ireo taovam-pitenenana.
Tena ilaina voalohany indrindra ny mahafantatra fa tsy mitovy ny feon’ny olona. Tsy ny hanana feo mitovy amin’ny an’olon-kafa àry no tokony ho tanjonao. Hatsarao kosa ny toe-peonao izay manana ny mampiavaka azy manokana. Inona no hanampy anao amin’izany? Zava-dehibe tena ilaina roa.
Mahaiza mifoka rivotra tsara. Mila tahirin-drivotra ampy tsara sy fahaiza-mifoka rivotra tsara ianao. Raha tsy izany, dia mety ho toa malemy ny fandrenesana ny feonao, ary hitsatotsatoka ny fiteninao.
Tsy ny tapany ambony amin’ny tratranao akory no misy ny tapany lehibe indrindra amin’ny havokavokao; ny taolan’ny sorokao fotsiny no mahatonga azy io ho toa lehibe kokoa. Ilay eo ambony kelin’ny elabakaka kosa no tapany mivelatra indrindra amin’ny havokavokao. Ny elabakaka dia hozatra manify miraikitra amin’ny taolan-tehezana farany ambany, ka mampisaraka ny tratra amin’ny kibo.
Vetivety ianao dia ho sempotra raha ny tapany ambony amin’ny havokavokao ihany no fenoinao rivotra. Tsy ho ampy hery ny feonao, ary ho mora vizana ianao. Mba hifohana rivotra tsara, dia mipetraha na mijoroa mahitsy ary ataovy mankany aoriana ny sorokao. Aza ny tratra fotsiny no abontsina rehefa mifoka rivotra alohan’ny hitenenana, fa miezaha aloha mameno rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavoka, izay vao ny tapany ambony. Rehefa feno rivotra iny tapany ambany iny, dia hivelatra kokoa ny tehezanao eo amin’ny andaniny roa. Hidina koa ny elabakaka, ka hanosika kely ny vavoninao sy ny tsinainao, ary ho tsapanao fa manery ny kibonao ny pataloanao na ny ziponao. Tsy any ambany any anefa no misy ny havokavokao, fa ao anatin’ilay faritra fefen’ny taolan-tehezana. Ataovy eo amin’ny tehezana ny tananao roa, mba hahitana izany. Mifoha rivotra lalina. Raha mety tsara ny fanaovanao izany, dia tsy hihena kely ny kibonao, na hiakatra ny sorokao, fa tsapanao miakatra sy mivelatra moramora kosa ny taolan-tehezanao.
Hatsarao amin’izay ny famoahana rivotra avy any amin’ny havokavokao. Ho lanilany foana ny tahirin-drivotrao raha avoakanao haingana loatra. Avoahy tsikelikely izy io. Tsy ny hoza-tendanao anefa no angejanao azy, satria hahatonga ny feonao ho farina na ho kely loatra izany. Ny faneren’ny hozatry ny kibo sy ny hozatra eo anelanelan’ireo taolan-tehezana no mamoaka ny rivotra, fa ny elabakaka kosa mifehy ny hafainganan’izany fivoahany izany.
Manaova fanazaran-tena, toy ny mpihazakazaka, mba hifehezana tsara ny fifohana sy famoahana rivotra rehefa handaha-teny. Mijoroa mahitsy tsara, ka ataovy mankany aoriana ny soroka; fenoy rivotra ny tapany ambany amin’ny havokavokao; avoahy tsikelikely ilay izy no sady manisà moramora sy lavitra araka izay vitanao, nefa tsy maka aina. Avy eo dia mamakia teny amin’ny feo avo, amin’ny fifohana sy famoahana rivotra toy izany ihany.
Aza henjanina ny hozatra. Dingana faharoa tena ilaina mba hanatsarana ny feo ny hoe: Aza mihenjana! Tena mahagaga ny fihatsarana hita, rehefa mianatra ny ho tony ianao rehefa manao anjara na lahateny. Voakasik’izany na ny saina na ny vatana, satria raha tsy tony ny saina dia hihenjana koa ny hozatra.
Hevero araka ny tokony ho izy ny mpihaino anao, raha tianao ho tony ny sainao. Izao no tadidio rehefa mitory, na dia vao volana vitsivitsy monja aza no nianaranao ny Baiboly: Efa misy zava-tsarobidy momba ny fikasan’i Jehovah fantatrao ka azonao zaraina amin’ny hafa; ary mitsidika azy ireo ianao, satria mila fanampiana izy, na fantany izany na tsia. Raha any amin’ny Efitrano Fanjakana kosa no itenenanao, dia anisan’ny vahoakan’i Jehovah ny ankamaroan’ny mpihaino. Namanao izy ireo, ary maniry ny hahombiazanao. Tsy misy mihitsy, any ivelany any, mpandahateny manana mpihaino sariaka sy be fitiavana foana toy izany.
Afantohy amin’ny hoza-tendanao ny sainao, ka miezaha mafy tsy hampihenjana azy ireo fa hampilefitra azy ireo kokoa. Tadidio fa mihovitrovitra ny tadim-peonao rehefa andalovan’ny rivotra. Miova ny toe-peo, arakaraka ny ihenjanan’ny hoza-tenda na tsia, toy ny iovan’ny feon-gitara na feom-baliha rehefa henjanina na lefahina ny tadiny. Rehefa lefahinao ny tadim-peonao, ohatra, dia ho be feo kokoa ianao. Hisokatra koa ny atioronao rehefa tsy henjaninao ny hoza-tendanao, ka hisy vokany tsara eo amin’ny feonao izany.
Aza avela hihenjana ny vatanao manontolo: ny lohalikao, ny tananao, ny sorokao, ny hatokao. Hampanako kokoa ny feonao izany, ka hahalasa azy lavitra kokoa. Izany no vokatra azo, rehefa toy ny vata mampigoboka feo ny vatana manontolo. Tsy ho azo kosa anefa izany, raha mihenjana ianao. Tsy ao amin’ny atiorona ihany ny feo avoakan’ny lohatraoka no hanakoako, fa eo amin’ny taolan-tratra, ny nify, ny lanilany ary ny lavaky ny handrina koa. Samy manatsara ny fanakon’ny feo avokoa ireo rehetra ireo. Raha asianao zavatra mavesatra eo amin’ny lamosin’ny gitara iray, dia tsy hanako ny feony; tsy tokony hisy hanelingelina azy izy io, mba hampanako tsara ny feony. Toy izany koa ny amin’ireo taolana ao amin’ny vatantsika, izay hazonin’ireo hozatra mafy. Ho afaka hanovaova tsara ny feonao ianao ary haneho lafiny samihafa amin’ny fihetseham-po tsirairay, noho ny fanakon’ny feo. Ho afaka hiteny amin’ny mpanatrika maro be koa ianao, nefa tsy ho farina ny feonao.