Tonga ny ‘Ora Fitsarana’
MILAZA amintsika ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, fa misy anjely iray manidina eny afovoan’ny lanitra manana “vaovao tsara mandrakizay, dia vaovao mahafaly.” Izao no toriny amin’ny feo mafy: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany.” (Apokalypsy 14:6, 7) Amin’io ‘ora fitsarana’ io no hanambarana sy hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Fotoana fohy ihany io “ora” io. Ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra no hamarana “ny andro farany”, ary efa miaina amin’ny andro farany isika izao.—2 Timoty 3:1.
Vaovao tsara ho an’ireo tia ny marina ilay ‘ora fitsarana.’ Io no fotoana hamonjen’Andriamanitra ny mpanompony, izay mijaly eto anivon’ity tontolo feno herisetra sy fankahalana ity.
Horavana ity tontolo ratsy ity amin’ny faran’ilay ‘ora fitsarana.’ Mialoha izany anefa, dia ampirisihina isika hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy.” Manao izany ve ianao amin’izao fotoana izao? Tsy ampy ny milaza hoe: “Mino an’Andriamanitra aho.” (Matio 7:21-23; Jakoba 2:19, 20) Raha tena matahotra an’Andriamanitra isika, dia hanaja azy sy hanalavitra ny ratsy. (Ohabolana 8:13) Hanampy antsika izany mba ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy. (Amosa 5:14, 15) Hankatò ny Tenin’Andriamanitra isika raha manome voninahitra azy. Tsy tokony ho variana amin-javatra hafa isika, ka hanao tsirambina ny famakiana Baiboly tsy tapaka. Tokony hatoky azy amin’ny fontsika rehetra koa isika, amin’ny fotoana rehetra. (Salamo 62:8; Ohabolana 3:5, 6) Ireo tena manome voninahitra an’Andriamanitra dia manaiky fa izy no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, satria izy no Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Noho izany, dia Andriamanitra no tian’izy ireo hibaiko ny fiainany. Tsy tokony hangataka andro mihitsy isika raha mahatsapa fa mbola tsy mampihatra an’ireo zavatra ireo.
Antsoina hoe “andron’i Jehovah” koa ny fotoana hampiharana ilay didim-pitsarana nolazain’ny anjely. Efa nisy “andro” toy izany tany Jerosalema fahiny, tamin’ny 607 Talohan’i Kristy (T.K.). Tsy nihaino ny fampitandremana nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny mantsy ny mponina tao. Niharan-doza izy ireo satria nihevitra fa mbola ho ela ny andron’i Jehovah. Nampitandrina azy ireo i Jehovah hoe: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.” (Zefania 1:14) Nisy “andron’i Jehovah” koa tany Babylona fahiny, tamin’ny 539 T.K. (Isaia 13:1, 6) Natoky ny mandany sy ny andriamaniny ny Babylonianina, ka tsy niraharaha ny fampitandremana nomen’ireo mpaminanin’i Jehovah. Resin’ny Medianina sy Persanina tao anatin’ny indray alina monja anefa i Babylona.
Inona no miandry antsika ankehitriny? Mbola hisy “andron’i Jehovah” iray, lehibe lavitra noho ny hatramin’izay. (2 Petera 3:11-14) Efa namoaka didim-pitsarana ho an’i “Babylona Lehibe” Andriamanitra. Hoy ny anjely iray, araka ny Apokalypsy 14:8: “Nianjera i Babylona Lehibe.” Efa nitranga izany. Tsy afaka manakantsakana ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe. Efa fantatra maneran-tany ny asa ratsiny sy ny fitsabahany amin’ny ady. Kely sisa dia horinganina tanteraka izy io. Noho izany, dia mampirisika ny olona rehetra ny Baiboly hoe: “Mivoaha ao [amin’i Babylona Lehibe] ... raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy. Fa efa niavosa hatrany amin’ny lanitra ny fahotany, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny tsy rariny nataony.”—Apokalypsy 18:4, 5.
Iza moa i Babylona Lehibe? Izy io dia ny fitambaran’ireo fivavahana rehetra misy itovizany amin’i Babylona fahiny. (Apokalypsy, toko 17, 18) Diniho ny sasany amin’izany fitoviana izany:
• Niditra lalina tamin’ny raharaha politika ireo mpitondra fivavahana tany Babylona fahiny. Fahita koa izany amin’ny ankamaroan’ny fivavahana ankehitriny.
• Ny mpitondra fivavahana tany Babylona matetika no nampirisika ilay firenena hiady. Ireo mpitondra fivavahana amin’izao andro izao koa no tena mitso-drano ny miaramila rehefa hiady ny firenena.
• Nanjakan’ny fitondran-tena maloto i Babylona fahiny noho ireo fampianarana sy fombafomba teo aminy. Tsy miraharaha ny fitsipika momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly koa ny mpitondra fivavahana, hany ka samy ratsy fitondran-tena avokoa na izy ireo na ny mpivavaka tsotra. Tsara homarihina fa antsoina hoe mpivaro-tena i Babylona Lehibe ao amin’ny Apokalypsy, noho izy mitsabaka amin’ny raharahan’ity tontolo ity sy ny politikany.
• Milaza koa ny Baiboly fa miaina ‘ao anatin’ny renty izay efa tsy mahamenatra azy intsony’ i Babylona Lehibe. Nanan-karem-be ny fivavahana tany Babylona fahiny, ary nandray anjara lehibe tamin’ny raharaham-barotra ny mpitondra fivavahana. Manana fomba maro ahazoam-bola koa i Babylona Lehibe ankehitriny, sady manana trano sy tany maro be. Mampanan-karena azy sady mampandroso ny varotra eran-tany ireo fampianarany sy fetiny.
• Fanaon’ny olona tany Babylona fahiny ny nampiasa sarivongana sy nanao mazia ary ody ratsy, toy ny fahita any amin’ny faritra maro amin’izao andro izao. Ninoan’ny Babylonianina fa mifindra ho amin’ny fiainana hafa ny olona rehefa maty. Feno tempoly sy toeram-pivavahana ho an’ny andriamani-diso tany Babylona, kanefa nanohitra ny mpivavaka tamin’i Jehovah ny mponina tao. Izany finoana sy fombafomba izany koa no mampiavaka an’i Babylona Lehibe.
Nampiasa firenena natanjaka ara-politika sy ara-tafika i Jehovah fahiny, mba hanasaziana ireo olona ninia tsy niraharaha azy sy ny sitrapony. Noravan’ny Asyrianina àry i Samaria tamin’ny 740 T.K. Notafihin’ny Babylonianina koa i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ary noravan’ny Romanina tamin’ny taona 70. I Babylona kosa resin’ny Medianina sy Persanina tamin’ny 539 T.K. Miresaka ny zavatra hitranga amin’izao androntsika izao koa ny Baiboly. Lazainy fa hanafika an’ilay “mpivaro-tena” ireo fitondrana politika, izay oharina amin’ny bibidia, ka hampitanjaka azy, izany hoe hampiharihary ny zavatra ratsy ataony. Handringana azy tanteraka izy ireo.—Apokalypsy 17:16.
Tena hanao izany tokoa ve ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao? Lazain’ny Baiboly fa ‘hataon’Andriamanitra ao am-pon’izy ireo’ izany. (Apokalypsy 17:17) Ho tampoka sy hanaitra ary hahatsiravina izy io. Hitranga haingana izany, ary tsy hisy hanampo.
Inona no tokony hataonao? Manontania tena hoe: ‘Moa ve ny fivavahako manaraka ny fampianarana sy ny fombafomban’i Babylona Lehibe?’ Na dia tsy mpivavaka any aza ianao, dia manontania tena hoe: ‘Avelako hanan-kery eo amiko ve ny toe-tsain’i Babylona Lehibe?’ Inona moa izany toe-tsaina izany? Toe-tsaina manala tsiny ny fitondran-tena ratsy, na tia harena sy fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra, na minia tsy miraharaha ny Tenin’i Jehovah (na dia amin’ny zavatra toa madinika aza). Saintsaino tsara ny valin-teninao.
Mba hahazoantsika ny fankasitrahan’i Jehovah, dia mila asehontsika amin’ny ataontsika sy ny fanirian’ny fontsika, fa tena tsy anisan’ny Babylona Lehibe tokoa isika. Tsy tokony hangataka andro isika amin’ny fanaovana izany. Mampitandrina antsika ny Baiboly fa ho tonga tampoka ny farany. Hoy izy: ‘Hatsipy mafy i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.’—Apokalypsy 18:21.
Misy zavatra hafa koa hitranga. Amin’ilay ‘ora fitsarana’ koa no hitsaran’i Jehovah ireo fitondrana politika rehetra eran-tany, sy ny mpitondra azy, ary ireo rehetra tsy mankatò ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay nasainy notantanan’i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 13:1, 2; 19:19-21) Misy sarivongana lehibe iray vita tamin’ny volamena, volafotsy, varahina, vy, ary tanimanga ny faminaniana ao amin’ny Daniela 2:20-45. Mampiseho an’ireo fitondrana politika rehetra io sary io, nanomboka tamin’i Babylona fahiny ka hatramin’izao andro izao. Hoy ilay faminaniana momba ny androntsika: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay.” Ary izao no lazain’ny Baiboly momba izay zavatra hataon’ilay Fanjakana mandritra ny ‘ora fitsaran’i Jehovah’: “Ireo [fanjakan’olombelona] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.
Mampitandrina an’ireo Kristianina marina ny Baiboly mba tsy ho tia “ny zavatra eo amin’izao tontolo izao”, izany hoe ny fomba fiainan’ny olona eto amin’ity tontolo lavitra an’Andriamanitra ity. (1 Jaona 2:15-17) Hita amin’ny fanapahan-kevitra raisinao sy ny zavatra ataonao ve fa manohana tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra ianao? Izy io ve no tena zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao?—Matio 6:33; Jaona 17:16, 17.
[Efajoro, pejy 14]
Rahoviana no ho Tonga ny Farany?
“Amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.”—Matio 24:44.
“Miambena hatrany ... satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”—Matio 25:13.
“Ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.”—Habakoka 2:3.
[Efajoro, pejy 14]
Ho Tsara Kokoa ve Raha Fantatrao Ilay Fotoana?
Raha azonao antoka fa mbola afaka taona maromaro vao hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra, hanova ny fomba fiainanao ve izany? Raha tsy tonga tamin’ny fotoana noeritreretinao ny fandravana an’ity tontolo ity, nampihena ny zotom-ponao tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ve izany?—Hebreo 10:36-38.
Afaka manaporofo isika fa ny fitiavana an’Andriamanitra no antony anompoantsika azy, rehefa tsy fantatsika ny fotoana hiavian’ny farany. Ny olona mahalala an’i Jehovah, dia mahafantatra fa mahita ny ao am-po izy, ka tsy hekeny mihitsy raha efa amin’ny fotoana farany isika vao mody miezaka mafy manompo azy.—Jeremia 17:10; Hebreo 4:13.
I Jehovah no hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana, raha tena tia azy isika. Marina aloha fa tsy maintsy miasa toy ny olon-drehetra ny tena Kristianina. Tsy ny hanan-karena anefa no tanjon’izy ireo, fa ny hahazo izay ilainy amin’ny fiainana, sy hanana ambiny kely hozarainy amin’ny hafa. (Efesianina 4:28; 1 Timoty 6:7-12) Mampifalifaly tena koa izy ireo indraindray, ary miova kely amin’ny zavatra fanaony andavanandro. Ny hiala voly anefa no tena tadiaviny, fa tsy ny hanaraka ny fanaon’ny olona fotsiny. (Marka 6:31; Romanina 12:2) Manahaka an’i Jesosy Kristy izy ireo, ka faly amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.—Salamo 37:4; 40:8.
Manantena ny ho velona sy hanompo an’i Jehovah mandrakizay ny Kristianina marina. Na dia voatery miandry elaela kokoa noho ny noeritreretin’ny sasany aza izy ireo, dia sarobidy aminy foana izany fanantenana izany.
[Efajoro/Sary, pejy 15]
Ilay Adihevitra Momba ny Zo Hitondra
Ho takatsika ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana maro be hisy, raha mazava amintsika ilay adihevitra momba ny zo hitondra. Mila fantarintsika àry hoe iza no manana zo hanjaka amin’izao rehetra izao.
I Jehovah no manana zo hanjaka amin’ny tany sy izay monina eo aminy, satria izy no Mpamorona. Hazavain’ny Baiboly anefa fa vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona, dia efa nisy nilaza fa tsy manana zo hitondra izy. Nilaza i Satana fa be fameperana loatra i Jehovah. Lazainy koa fa nandainga tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany Andriamanitra rehefa nilaza hoe ho faty izy ireo raha mandika ny lalàny sy manao izay tian’izy ireo fotsiny. Nilaza mihitsy i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olona raha tsy misy an’Andriamanitra.—Genesisy, toko 2, 3.
Tsy ho voalamina ilay adihevitra raha naringan’Andriamanitra avy hatrany ireo mpikomy, na dia ho nampiharihary ny heriny aza izany. Tsy nandringana an’ireo mpikomy teo no ho eo àry i Jehovah, fa namela ny anjely sy ny olombelona rehetra kosa hahita ny vokatry ny fikomiana. Nahatonga fahoriana izany, kanefa tsy ho teraka isika raha tsy izay.
Nanao fandaharana feno fitiavana ho an’ny olombelona koa i Jehovah, na dia tena novidiny lafo aza izany. Izay rehetra mankatò azy sy maneho finoana ny soron’ny Zanany àry, dia ho afaka amin’ny fahotana sy ny voka-dratsin’izany, ka hiaina ao amin’ny Paradisa. Hatsangana amin’ny maty mihitsy izy ireo raha ilaina izany.
Namela fotoana hamahana ilay olana Andriamanitra. Amin’izay dia ho afaka hankasitraka ny fitiavan’Andriamanitra ny mpanompony, sady ho afaka hanaporofo fa tsy hivadika amin’i Jehovah izy ireo na inona na inona mitranga. Tena ilaina ny mandamina ilay adihevitra hoe iza no manana ny zo hitondra, sy hoe tsy hivadika amin’Andriamanitra ve ny olombelona. Raha tsy izay mantsy, dia tsy ho voahaja ny lalàna sy fitsipika mifehy an’izao rehetra izao, ary tsy hisy mihitsy ny tena fiadanana.a
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hazavaina amin’ny an-tsipiriany ireo adihevitra ireo ao amin’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary]
Horavana ireo fitondrana politika maneran-tany