TOKO FAHA-6
“Mba Ankatoavy re ny Tenin’i Jehovah!”
1, 2. Inona matetika no toe-tsain’ireo manaraka “ny fanaon’ny besinimaro”, ary nahoana ianao no tsy tokony hanahaka azy ireo?
TSY tia mankatò ny olona ankehitriny. Rehefa hanapa-kevitra ny olona maro dia tsy mba mieritreritra hoe tsara sa ratsy ny zavatra tiany hatao. Izao kosa no toe-tsain’izy ireo: ‘Ataovy izay tianao!’ na ‘Ataovy ilay izy, raha tsy mitondra voka-dratsiny ho anao!’ Izany no mahatonga ny mpamily tsy hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana. Izany koa no mahatonga ny manam-pahefana handika lalàna, na dia mety ho anisan’ny nanao an’ilay lalàna aza izy. Ratsy sady mampidi-doza ny manaraka “ny fanaon’ny besinimaro” toy izany. Izany koa anefa no fanaon’ny olona tamin’ny andron’i Jeremia.—Jer. 8:6.
2 Tsy tokony hanaraka fotsiny “ny fanaon’ny besinimaro” izay te hahazo sitraka amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Nilaza i Jeremia fa tsy mitovy ny olona ‘tsy mankatò ny tenin’i Jehovah’ sy ny mankatò azy. (Jer. 3:25; 7:28; 26:13; 38:20; 43:4, 7) Tokony handini-tena àry isika tsirairay hoe: ‘Mankatò ve aho sa tsia?’ Nahoana? Mihamahery vaika ny fanafihan’i Satana ny mpanompon’i Jehovah mba hahatonga azy ireo hivadika. Toy ny bibilava mamitsaka miandry ny rembiny izy, ary mamely tampoka ka mety hahafaty. Tsy ho voakaikitr’izy io isika raha tapa-kevitra ny hankatò ny tenin’i Jehovah. Inona àry no azontsika atao mba ho tapa-kevitra kokoa hankatò? Hanampy antsika ny boky nosoratan’i Jeremia.
MENDRIKA HANKATOAVINTSIKA I JEHOVAH
3. Nahoana i Jehovah no mendrika ny hankatoavintsika?
3 Nahoana isika no tokony hankatò tanteraka an’i Jehovah? Nilaza antony iray i Jeremia. Hoy izy: “Izy no Mpanao ny tany, ary tamin’ny heriny no nanaovany azy. Izy koa no nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny.” (Jer. 10:12) Mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah, ka izy no tokony hatahorantsika mihoatra noho ny mpitondra hafa rehetra. Manana fahefana fara tampony izy, ka manana zo hitaky amintsika hoe ankatoavy ny didiny. Tena hahita soa isika raha manao izany.—Jer. 10:6, 7.
4, 5. a) Inona no lasa fantatry ny Jiosy rehefa nisy hain-tany? b) Nahoana no azo lazaina fa narian’ny Jiosy fotsiny ny “rano velona” nomen’i Jehovah azy? d) Inona no tokony hataonao mba hisotroanao ny “rano velona” avy amin’i Jehovah?
4 Tsy hoe Mpitondra an’izao rehetra izao fotsiny i Jehovah. Izy koa no mahatonga antsika ho velona foana. Nahita ny fahamarinan’izany ny Jiosy. Betsaka ny rano tany Ejipta, satria teo ny Reniranon’i Neily. Tsy maintsy niandry ranonorana anefa izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary matetika aza no nanangona ranonorana tao anaty lavaka fanangonan-drano. (Deot. 11:13-17) I Jehovah ihany no afaka mandatsaka orana hampahamando ny tany ka hahatonga azy io hamokatra. Afaka misakana ny orana koa anefa izy. Izany no nahatonga an’ireo hain-tany nifanesy namely an’ireo Jiosy tsy nankatò, tamin’ny andron’i Jeremia. Lasa karakaina ny sahany sy ny tanimboalobony, ary ritra ny lavadrano sy ny lavaka fanangonan-dranony.—Jer. 3:3; 5:24; 12:4; 14:1-4, 22; 23:10.
5 Sarobidy tamin’ireo Jiosy ireo ny rano. Nolavin’izy ireo anefa ny “rano velona” be dia be nomen’i Jehovah azy. Hita izany rehefa ninia tsy nankatò ny Lalàny izy ireo, ary niantehitra tamin’ny fifanekena nataony tamin’ny firenena manodidina. Toy ny olona nanangon-drano tao anaty lavaka fanangonan-drano triatra sy tsy mahatana rano izy ireo, ka niharan’ny voka-dratsin’izany. (Vakio ny Jeremia 2:13; 17:13.) Azo antoka fa tsy hanahaka azy ireo isika ka hampidi-doza ny tenantsika. Manome antsika tari-dalana na “rano velona” be dia be amin’ny alalan’ny Teniny foana i Jehovah. Tsy hitondra soa ho antsika anefa izy ireny, raha tsy ianarantsika tsy tapaka sy ampiharintsika.
6. a) Nanao ahoana ny toe-tsain’i Zedekia, raha ny fankatoavana an’i Jehovah no resahina? b) Araka ny hevitrao, nahoana no azo lazaina hoe nanao hadalana io mpanjaka io rehefa tsy nankatò?
6 Rehefa nihananatona ny fotoana handravana an’i Joda, dia vao mainka tena nilaina ny nankatò. Tsy maintsy nibebaka sy nankatò ny Jiosy mba hahazoana sitraka sy fiarovana tamin’i Jehovah. Tsy nanao toy izany anefa i Zedekia Mpanjaka. Niovaova hevitra izy fa tsy mba niezaka hanao ny tsara foana. Tsy sahy nanohitra izy rehefa niera taminy ny olona sasany teo ambany fahefany hoe hamono an’i Jeremia. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha, fa novonjen’i Ebeda-meleka io mpaminany io. Nilaza tamin’i Zedekia indray i Jeremia tatỳ aoriana hoe: “Mba ankatoavy re ny tenin’i Jehovah!” (Vakio ny Jeremia 38:4-6, 20.) Raha te handray soa io mpanjaka io, dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra.
Nahoana i Jeremia no nampirisika ny Jiosy imbetsaka mba hankatò an’Andriamanitra?
ILAINA MAIKA NY MANKATÒ AN’I JEHOVAH
7. Inona no toe-javatra mety hitranga ahitana raha hankatò ianao na tsia?
7 Tena ilaina ny mankatò an’i Jehovah ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Jeremia. Tapa-kevitra hanao izany ve ianao? Ahoana, ohatra, raha sendra mahita sary vetaveta amin’ny filma na Internet ianao? Hijery eo foana ve ianao sa hifehy tena ka hanova ny zavatra jerenao? Ahoana raha misy mpiara-miasa na mpiara-mianatra tia anao ka te hiaraka aminao? Hanana herim-po ve ianao handavana izany? Ary ahoana ny bokin’ny mpivadi-pinoana sy ny zavatra avoakany ao amin’ny Internet? Ho liana ve ianao raha mahita azy ireny sa ho rikoriko? Tadidio foana ny Jeremia 38:20 raha sendra an’izany ianao na sendra toe-javatra hafa.
8, 9. a) Nahoana no ilaina ny mankatò rehefa miezaka manampy anao ny anti-panahy? b) Ahoana no tokony ho fiheveranao ny torohevitra miverimberina omen’ny anti-panahy?
8 Naniraka an’i Jeremia imbetsaka i Jehovah mba hampirisika ny vahoakany hoe: “Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, ka ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.” (Jer. 7:3; 18:11; 25:5; vakio ny Jeremia 35:15.) Miezaka mafy koa ny anti-panahy ankehitriny mba hanampiana antsika tsy handeha amin’ny lalan-dratsy. Ankatoavy àry izy ireny, raha manoro hevitra anao momba ny zavatra hitany hoe tsy fahendrena, na tena ratsy mihitsy. Toy ny an’i Jeremia ny tanjon’izy ireo.
9 Mety hampahatsiahy anao toro lalana ara-baiboly efa noresahiny taminao izy ireo. Tadidio fa tsy mora ny miverimberina manome torohevitra olona iray, indrindra raha mitovy toe-tsaina amin’ireo Jiosy nanarin’i Jeremia ilay olona. Raiso ho toy ny fanehoam-pitiavana avy amin’i Jehovah ireo torohevitra miverimberina omen’ny anti-panahy. Tadidio koa fa tsy nila namerimberina nampitandrina an’ireo Jiosy i Jeremia raha nankatò izy ireo. Raha tsy tiantsika àry ny hahazo torohevitra miverimberina, dia mila manaraka torohevitra avy hatrany isika.
VONONA HAMELA HELOKA I JEHOVAH NEFA TSY MAMELA HELOKA BEFAHATANY
10. Nahoana i Jehovah no tsy mamela heloka befahatany?
10 Tsy ho vitantsika ny hankatò tanteraka an’i Jehovah eto amin’ity tontolo ity, na hiezaka mafy toy inona aza isika. Misaotra azy àry isika satria vonona izy hamela ny fahotantsika. Tsy mamela heloka befahatany anefa izy. Nahoana? Satria maharikoriko azy ny fahotana. (Isaia 59:2) Tiany ho azo antoka àry raha mendrika hahazo famelan-keloka isika.
11. Nahoana isika no tsy afaka manafina ny fahotantsika?
11 Jiosy maro no zatra tsy nankatò an’Andriamanitra ka nanararaotra ny faharetany sy ny famindram-pony. Mety hanao toy izany koa ve ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny? Eny, raha tsy miraharaha ny fampahatsiahivan’i Jehovah izy ka mihazatra manota. Hita miharihary izany indraindray. Misy, ohatra, misaraka amin’ny vadiny, ary tsy ara-baiboly ny anton’izany, nefa manambady olon-kafa izy avy eo. Mety tsy ho fantatry ny olona koa anefa ilay fahotana. Na izany aza, dia mampidi-doza foana ny tsy fankatoavana. Mety hieritreritra ny olona manafina fahotana hoe tsy hisy hahalala ny ataony. Hitan’i Jehovah anefa ny ao an-tsain’ny olona sy ny ao am-pony ary ny zavatra miafina indrindra. (Vakio ny Jeremia 32:19.) Inona àry no tokony hataon’ny olona iray raha tsy nankatò an’Andriamanitra izy?
12. Inona indraindray no tsy maintsy ataon’ny anti-panahy mba hiarovana ny fiangonana?
12 Imbetsaka i Jehovah no nanampy ny Jiosy tamin’ny alalan’i Jeremia. Tsy niraharaha anefa ny maro tamin’izy ireo. Mety tsy hibebaka koa ny olona nanao fahotana lehibe ankehitriny ka tsy hanaiky ny fanampian’ny anti-panahy. Tsy maintsy manaraka ny toromariky ny Soratra Masina ny anti-panahy amin’izay fotoana izay, ka handroaka an’ilay nanao ratsy, mba hiarovana ny fiangonana. (1 Kor. 5:11-13; jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-73.) Midika ve anefa izany hoe tsy ho afaka hahazo sitraka amin’i Jehovah intsony ilay olona? Tsia! Nikomy nandritra ny fotoana naharitra ny Israelita, nefa mbola nilaza tamin’izy ireo i Jehovah hoe: “Miverena, ry zanako mpikomy ô, fa hanasitrana ny fikomianareo aho.” (Jer. 3:22)a Manasa an’ireo nanao ratsy i Jehovah mba hiverina aminy, ary mandidy azy ireo mihitsy aza mba hanao izany.
Nahoana no fahendrena ny mangataka famelana amin’Andriamanitra rehefa manota?
ANKATOAVY I JEHOVAH ARY MIVERENA AMINY
13. Inona no tsy maintsy heken’ny olona iray raha te hiverina amin’i Jehovah?
13 Nilaza i Jeremia hoe tokony hanontany tena toy izao ny olona iray te hiverina amin’Andriamanitra: ‘Fa inona ity nataoko?’ Tokony hiaiky izy hoe tsy mety ny nataony rehefa ampitahaina amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy nety nandini-tena toy izany ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia. Tsy niaiky izy ireo hoe nanao fahotana lehibe. Tsy afaka namela azy ireo àry i Jehovah, ary tsy namela ny helok’izy ireo tokoa. (Vakio ny Jeremia 8:6.) Tsy toy izany kosa ny olona tena mibebaka. Manaiky izy fa nanala baraka ny anaran’Andriamanitra sy ny fiangonana, rehefa tsy nankatò. Malahelo be koa izy satria mety ho nisy vokany ratsy tamin’ny olona tsy manan-tsiny ny nataony. Tokony ho takany fa rehefa ekeny daholo ny vokatry ny ratsy nataony, izay vao hisy dikany amin’i Jehovah ny fangatahany famelan-keloka. Mbola misy zavatra hafa ilainy hatao anefa, raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah izy.
14. Inona no tokony hataon’ny olona iray raha te “hiverina amin’i Jehovah”? (Jereo ny efajoro hoe “Inona no Atao hoe Mibebaka?”)
14 Mila mandinika ny fahazarany sy ny faniriany ary ny antony manosika azy ny olona tena mibebaka. (Vakio ny Fitomaniana 3:40, 41.) Tokony hodinihiny hoe amin’ny lafiny inona izy no manana fahalemena. Amin’ny fifandraisany amin’ny vehivavy ve raha lehilahy izy, na amin’ny lehilahy raha vehivavy izy? Sa amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola na fampiasana sigara sy paraky, na ny fijerena Internet, na ny fanaovana raharaham-barotra? Tokony hiezaka mafy izy hanadio ny sainy sy ny fomba fiainany manokana, toy ny vehivavy manadio tsara ny lakoziany, ka misikotra ny loto any amin’ny faritra tsy taza-maso mba hahatonga an’ilay trano hadio sy hahasalama. Tokony hanao izay takin’Andriamanitra sy hanaraka ny fitsipiny izy mba ‘hiverenany amin’i Jehovah.’ “Nihatsaravelatsihy” ny Jiosy sasany tamin’ny andron’i Jeremia, ka mody niverina tamin’i Jehovah. Mody nanenina izy ireo nefa tsy nanova ny toe-pony sy ny fomba fiainany. (Jer. 3:10) Tsy manandrana mamitaka an’i Jehovah sy ny fiangonana ny olona tena maniry ho voavela heloka. Tsy hoe te hiaro ny lazany fotsiny izy na te hifanerasera indray amin’ny havany na ny mpiara-manompo. Te hiova tanteraka izy ka ho mendrika ny hahazo sitraka sy famelana amin’Andriamanitra.
15. Vavaka manao ahoana no ataon’ny olona iray tena mibebaka?
15 Tena mila mivavaka koa ny olona mibebaka. Zatra nanandra-tanana ny olona fahiny rehefa mivavaka. ‘Manandratra ny fony sy ny tanany amin’Andriamanitra’ kosa ny olona tena mibebaka ankehitriny rehefa mivavaka. (Fitom. 3:41, 42) Manenina izy ka miezaka mampifanaraka ny zavatra ataony amin’ny fitalahoany famelan-keloka. Tena avy amin’ny fo ny vavaka ataony.
16. Nahoana no fahendrena ny miverina amin’i Jehovah?
16 Mety ho tsy maintsy mandresy ny hambom-pony koa ny olona iray tena miaiky ny fahotany. Tadidio fa tian’i Jehovah hiverina aminy ny mpanota. Tohina ny fony rehefa mahita olona tena manenina. Te hamela ny fahotan’izay rehetra mibebaka izy, toy ny namelany ny fahotan’ireo Israelita niverina avy tany amin’ny fahababoana. “Mangotikotika” àry “ny tsinainy” rehefa mahita olona mibebaka, izany hoe tena mangoraka izy. (Jer. 31:20) Mampahery tokoa ny mahalala fa manome fiadanana sy fanantenana an’izay mankatò azy izy. (Jer. 29:11-14) Afaka ny ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra tsy mivadika indray izy ireo.
MIARO ANAO NY FANKATOAVANA
17, 18. a) Iza ireo Rekabita? b) Inona no tena ahafantarana an’ireo Rekabita, araka ny aseho an-tsary eo amin’ny pejy faha-77?
17 Voaro isika raha mankatò tanteraka an’i Jehovah. Izany no nitranga tamin’ireo Rekabita, izay taranak’i Jonadaba Kenita, ilay nanampy an’i Jeho. Nanome didy azy ireo i Jonadaba razambeny, 200 taona talohan’ny andron’i Jeremia, ka tsy nahazo nisotro divay izy ireo. Notsapain’i Jeremia anefa izy ireo: Nentiny tao amin’ny efitra fisakafoana iray tao amin’ny tempoly, ary norosoany divay. Nilaza anefa izy ireo hoe: “Tsy hisotro divay izahay.”—Jer. 35:1-10.
18 Maty efa ela i Jonadaba tamin’izay, nefa mbola nankatò azy ny Rekabita. Tsy tokony hazoto kokoa noho izy ireo ve isika hankatò an’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona? Nanohina ny fon’i Jehovah ny nahita hoe tapa-kevitra ny hankatò ny Rekabita. Tena tsy nitovy tamin’ireo Jiosy izy ireo. Nampanantena àry Andriamanitra fa hiaro an’ireo Rekabita amin’ilay loza ho avy taorian’izay. Afaka matoky koa ireo olona mankatò tanteraka an’i Jehovah ankehitriny hoe harovany amin’ny fahoriana lehibe.—Vakio ny Jeremia 35:19.
Nahoana no mila mibebaka izay nanao fahotana lehibe, raha mankatò? Nahoana isika no tsy ho tonga amin’izany hoe mila mibebaka izany, raha mankatò foana?
TSY IRERY IREO MANKATÒ AN’I JEHOVAH
19. Inona no fiarovana omen’Andriamanitra anao raha mankatò ianao?
19 Tsy taloha ihany i Jehovah no niaro ny vahoakany. Miaro an’ireo mankatò koa izy ankehitriny, mba tsy hiharan’ny loza ara-panahy. Toy ny manda miaro ny tanàna amin’ny fahavalo ny lalàn’Andriamanitra. Voaro izay mianatra sy mampihatra azy io foana. Hijanona ao anatin’io manda io ve ianao? Hahita soa ianao raha manao izany. (Jer. 7:23) Maro no efa nahatsapa izany.—Jereo ny efajoro hoe “Miaro Antsika ny Fankatoavana An’i Jehovah.”
20, 21. a) Inona no azo antoka fa hataon’i Jehovah noho ianao manompo azy? b) Inona no nataon’i Joiakima rehefa nandre ny hafatra nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jeremia?
20 Sarotra ny manompo an’i Jehovah rehefa misy manohitra, na havana io na mpiara-miasa na mpiara-mianatra na manam-pahefana. Matokia anefa fa raha mankatò tanteraka an’i Jehovah ianao amin’ny toe-javatra rehetra, dia hanampy anao izy na amin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza. Aza hadinoina fa nampanantena hanampy an’i Jeremia i Jehovah rehefa misy fanoherana mivaivay. (Vakio ny Jeremia 1:17-19.) Nanao izany tokoa izy. Hitantsika, ohatra, izany tamin’ny andron’i Joiakima.
21 Vitsy ny mpitondra teo amin’ny Israely nanohitra mafy ny mpaminanin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Joiakima. Nasainy nenjehina hatrany Ejipta, ohatra, i Oria mpaminany, mpiara-belona tamin’i Jeremia. Nasainy novonoina izy rehefa tonga tany aminy. (Jer. 26:20-23) Izao indray no nitranga tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima: Nasain’i Jehovah nosoratan’i Jeremia tamin’ny horonam-boky ny teny rehetra nolazainy taminy, ary nasainy novakina tao amin’ny tempoly izany avy eo. Lasan’i Joiakima ilay horonam-boky tatỳ aoriana, ary nasainy novakin’ny tandapa iray. Raha mbola teo am-pamakiana anefa ilay tandapa, dia nalain’i Joiakima ilay horonam-boky. Norovitiny ilay izy ary natsipiny tsirairay tao anaty afo, na dia niangavy azy tsy hanao izany aza ny andriana sasany. Naniraka olona hisambotra an’i Jeremia sy Baroka izy avy eo. “Nafenin’i Jehovah anefa izy roa lahy.” (Jer. 36:1-6; vakio ny Jeremia 36:21-26.) Tsy navelany hanisy ratsy an’ireo lehilahy tsy nivadika ireo i Joiakima.
22, 23. Inona no azon’i Jehovah atao mba hanampiana antsika, araka ny tantaran’i Gulistan?
22 Afaka manafina ny mpanompony ihany koa i Jehovah ankehitriny, raha hitany fa ilaina izany. Ny tena mpitranga anefa dia izao: Omeny herim-po sy fahendrena izy ireo mba hahafahany hankatò azy sy hitory foana. Toy izany i Gulistan, vehivavy tokan-tena manan-janaka efatra. Izy irery no Vavolombelona any amin’ny faritra iray midadasika any Azia afovoany, ary manohitra ny fitoriana ny manam-pahefana any. Efajato kilaometatra miala eo amin’ny misy azy vao misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mahalana izy vao afaka mifandray amin’ny Kristianina matotra. Na eo aza ny fanoherana sy ny olana hafa, dia mitory isan-trano izy ka mahita olona liana maro. Mampianatra olona 20 izy araka ny tatitra voaray farany, ary mikarakara an’io andian’ondrin’i Jehovah io, izay mihabetsaka hatrany.
23 Vonona hanampy anao sy izay mpanompony hafa mankatò i Jehovah, toy ny nanampiany an’i Jeremia sy Gulistan. Izy no Mpitondra antsika, ka tokony ho tapa-kevitra isika hankatò azy fa tsy olona. Raha manao izany ianao, dia tsy hahasakana anao tsy hitory ny fanoherana sy ny vato misakana, ary ho afaka hidera an’ilay tena Andriamanitra ianao eo amin’ny faritaninao.—Jer. 15:20, 21.
24. Inona no soa raisinao ankehitriny noho ianao mankatò?
24 Tsy tena ho faly sy ho afa-po amin’ny fiainana isika, raha tsy miraharaha ny Mpamorona. (Jer. 10:23) Mila mieritreritra toy izao àry ianao, taorian’izay fandinihantsika ny tenin’i Jeremia momba ny fankatoavana izay: ‘Inona no azoko atao mba hampisehoana fa mamela an’i Jehovah aho hitondra bebe kokoa ny fiainako?’ Ny didiny ihany no afaka manampy antsika ho sambatra tanteraka sy tena hahomby. Mampirisika antsika àry i Jehovah hoe: ‘Ankatoavy ny teniko, mba hahita soa ianareo.’—Jer. 7:23.
Ahoana no azonao ampiharana an’ireo lesona momba ny fankatoavana an’i Jehovah ao amin’ny bokin’i Jeremia?
a Ireo foko folon’ny Israely tany avaratra no niresahan’i Jehovah teo. Efa babo nandritra ny 100 taona teo ho eo izy ireo tamin’izay. Niaiky i Jeremia fa tsy nibebaka mihitsy ireo foko ireo hatramin’io fotoana io. (2 Mpanj. 17:16-18, 24, 34, 35) Mbola afaka ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra anefa izy ireo, ary hiverina avy any amin’ny fahababoana mihitsy aza.