FROMAZY
Teny poetika no nilazalazan’i Joba ny niforonany tao an-kibon-dreniny. Hoy izy tamin’ilay Mpamorona: “Tsy nararakao toy ny ronono ve aho, ary nataonao mandry toy ny fromazy?”—Jb 10:10.
Ronono nahontsankontsana no fanaovana dibera. Toy izao kosa ny fanaovana fromazy fahiny: Hoditra anatiny manify mandrakotra ny vavonin’ny biby, na rano azo avy amin’ny ravina na fakan-javamaniry sasany, no nampiasaina mba hampivaingana vetivety ny ronono. Nesorina ny ranony avy eo ary nohanina ilay fromazy.
Nasaina nanateran’i Davida “fromazy folo” ny lehiben’ny 1000, izay nifehy ny rahalahiny tao amin’ny tafik’i Saoly. (1Sa 17:17, 18) “Ampahana ronono folo” (mety hidika hoe “fromazy folo vao natao”) no dikany ara-bakiteny tany am-boalohany. Ny Vulgate latinina kosa manao hoe “fromazy kely folo natao tanaty lasitra.” Nanateran’ny namany sakafo sy “fromazy [malemilemy] vita tamin’ny rononon’omby” i Davida, rehefa nahatonga ady an-trano i Absaloma.—2Sa 17:29.