DERBE
(Derbè).
‘Tanànan’i Lykaonia’, tany Azia Minora. Nankany indroa na intelo ny apostoly Paoly.
Nankany Derbe i Paoly, rehefa avy notoraham-bato saika maty tao Lystra, tanàna teo akaiky teo. Toa talohan’ny ririnina taona 47-48 izy no nankany, tamin’ny dia misionera voalohany nataony. “Nitory ny vaovao tsara” tao Derbe izy sy Barnabasy, ka “nanampy olona maro ho tonga mpianatra”, anisan’izany angamba i “Gaio avy any Derbe”, izay voalaza fa anisan’ireo mpiara-dia tamin’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Araka ny tantara, dia i Derbe no tanàna atsinanana indrindra nofehezin’ny faritanin’i Galatia, taorian’ny taona 41. Nilaza anefa i Lioka hoe ‘tanànan’i Lykaonia’ i Derbe. Azo inoana fa ny faritra nisy an’i Derbe na ny kolontsaina nanjaka tao no tiany holazaina. (As 14:6, 19-21; 20:4) Volana maro tatỳ aoriana, dia niverina tany Derbe i Paoly, tamin’ny dia misionera faharoa nataony, rehefa avy nalamina tany Jerosalema ilay adihevitra momba ny famorana (t. 49). (As 15:36; 16:1) Na tsy voatonona aza i Derbe tamin’ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly, dia toa nijanona tao izy rehefa nampahery ny mpianatra rehetra nanerana “ny faritr’i Galatia.” (As 18:23) Tsy nisy filazana mihitsy hoe nisy nanohitra i Paoly tany Derbe. Tsy notononiny koa i Derbe, taona maro tatỳ aoriana, tamin’izy nitantara ny fijaliany tany amin’ireo tanàna teny amin’ny manodidina.—2Ti 3:11.
Fantatra ankehitriny hoe i Derbe ilay hoe Kerti Hoyok, 21 km any avaratra avaratratsinanan’i Karaman (Laranda fahiny) ary 100 km eo ho eo any atsimoatsinanan’i Konya (Ikonioma fahiny). Anisan’ireo fiangonana nolazain’i Paoly hoe “fiangonana any Galatia” ve ny fiangonana tany Derbe? Manazava izany ny GALATIANINA, TARATASY HO AN’NY.—Ga 1:2.