VARAVARANA
‘Fidirana’ (heb.: petah; Ge 18:1) amin’ny efitra na trano, ary ahitana: 1) ‘Tataom-baravarana’ (heb.: mashkôhf; Ek 12:7), izay hazo na vato mitsivalana eo ambonin’ny varavarana manaraka ny sakany, ary manohana ny rafitra eo amboniny; 2) ‘tolàna’ roa mitsangana (heb.: mezozôt; Ek 12:7) eo amin’ny andaniny roa ary ipetrahan’ny tatao; ary 3) ‘tokonana’ (heb.: saf [Mpts 19:27]) eo ambanin’ny varavarana. Nadika koa hoe varavarana ny teny hebreo hoe delet sy ny teny grika hoe tyra.
Nohosoran’ny Israelita ran’ny biby novonoina tamin’ny Paska ny tataom-baravaran’ny tranony sy ny tolàna (heb.: mezozah; mr.: mezozôht) tany Ejipta. Nandalovan’ny anjely fotsiny àry ny tranon’izy ireo ka tsy novonoiny ny lahimatoa tao. (Ek 12:7, 22, 23) Milaza ny Lalàna fa raha nisy mpanompo (lahy na vavy) tsy te handao ny tompony, dia nankinin’ny tompony teo amin’ny varavarana na tolàna izy, ary notevehiny tamin’ny haolo ny sofiny. (Ek 21:5, 6; De 15:16, 17) Resahin’ny Baiboly koa ireo tolàm-baravaran’ny tempoly naorin’i Solomona (1Mp 6:31, 33; 7:5), sy ny an’ny tempoly an’ohatra hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana.—Ezk 41:21; 45:19; 46:2.
Ny teny hebreo hoe mezozah (“tolàna”) no lasa iantsoana ny boaty kely vita amin’ny hazo, metaly, na fitaratra fantsihan’ny Jiosy ortodoksa eo amin’ny tolàm-baravarany havanana. Somary mitongilana mankany amin’ny varavarana ny tapany ambony amin’ilay boaty. Ao anatin’izy io ny horonam-boky hoditra efajoro misy ny voalazan’ny Deoteronomia 6:4-9 sy 11:13-21, izay amin’ny teny hebreo ary misy andalana 22. Tazana matetika eo amin’ilay sarony fitaratra ny ambadik’ilay horonam-boky ahitana ny teny hebreo hoe Shaddai (“Mahery Indrindra”). Be haingonkaingony ny boaty sasany. Mikasika an’ilay boaty ny Jiosy ortodoksa mafana fo rehefa miditra na mivoaka ny trano, sady mivavaka hoe: “Andriamanitra anie hiambina ahy, na mivoaka aho na miditra, manomboka izao ka ho mandrakizay.” (Ampit. Sl 121:8.) Asian’izy ireo an’io boaty io ny tolànany, satria raisiny ara-bakiteny ny didy ao amin’ny Deoteronomia 6:9 sy 11:20.
Hazo ny varavarana mazàna, ary nihodina teo amin’ny savily nitsatoka teo amin’ny tatao sy ny tokonana. (Oh 26:14) Hazo koa ny savilim-baravarana matetika, fa savily metaly kosa indraindray no nampiasain’ny Ejipsianina. Napetany teo ambony sy teo ambany izy ireny, ary nitsatoka teo amin’ny vavin-tsavily ka afaka nihodina ny varavarana. Volamena ny vavin-tsavilin’ny varavaran’ny tempolin’i Solomona.—1Mp 7:48, 50.
Kely sady tsy nisy haingony ny ankamaroan’ny varavarana. Varavarana roa samy nisy lelany roa vita tamin’ny hazo zenevrie kosa ny fidirana nankao amin’ny tempolin’i Solomona, ary varavarana roa vita tamin’ny hazo mitera-menaka ny fidirana nankao amin’ny Masina Indrindra. Nisy sarina kerobima sy hazo palmie ary felam-boninkazo natao sokitra izy rehetra ireo, ary nopetahana takela-bolamena. (1Mp 6:31-35) Nampiasa varavarana lehibe kopa-droa na mihoatra ny firenena sasany. Nosokafan’i Jehovah teo anoloan’i Kyrosy Mpanjaka, ohatra, ny “varavarana kopa-droa” tao Babylona.—Is 45:1, 2.
Hazo na vato mazàna ny tokonana. Nopetahana volamena kosa ny tokonan’ny “tranon’i Jehovah” naorin’i Solomona.—2Ta 3:1, 7.
Nisy bara hidiny hazo na vy (Is 45:2; De 3:5; 2Ta 8:5; 14:7) ny varavarana na vavahady indraindray, ary nisy lavaka nitsofohany teo amin’ny tolàna. Bara sy karetsaka no hidin’ny vavahadin’ny tanàna sasany. (Ne 3:3; 7:3) Hazo natsofoka tao amin’ny lavaka teo amin’ny tokonana tatỳ anatiny angamba ilay karetsaka. Nisy hidiny (De 33:25) toy ny an’ny varavarana ny vavahadin’ny tanàna sasany.—2Sa 13:17, 18; Lk 11:7; jereo HIDIN-TRANO; VAVAHADY.
Nisy vy fandondonana ny varavarana sasany, nefa tsy resahin’ny Baiboly raha nampiasa izany ny Hebreo. Nandondòna teo am-baravarana na teo am-bavahady izay te hihaona tamin’ireo tao an-trano.—To 5:2; As 12:13.
Heviny an’ohatra. Hoy i Jesosy Kristy rehefa nampirisika ny mpianany haneho fikirizana: “Dondòny foana, dia hovohana ianareo.” (Mt 7:7) Nilaza koa izy fa ‘mijoro eo am-baravarana izy ka mandondòna.’ Hankafy ny fiarahana aminy sy hahazo fitahiana ireo manokatra varavarana ka mandray azy.—Ap 3:20.
Raha toy ny ‘varavarana’ atositosika ilay tovovavy solemita, izany hoe tsy dia tsara fitondran-tena ary niovaova ny fitiavany, dia ‘hosakanan’ny anadahiny amin’ny hazo fisaka sedera’ ka tsy hivoha isaky ny misy te hitsofotsofoka.—To 8:8, 9.
Toy ny hoe ‘varavaran’ny tavan’ny’ mamba (voaibe) ny valanoranony roa. (Jb 40:25, Prot.; 41:5, 6, Prot.) Voalaza fa ‘mikatona ireo varavarana mankeny an-dalana’ na ny vavan’ny be taona, satria tsy misokatra firy na tsy misokatra mihitsy mba hilaza hoe inona no ao an-trano (na vatana).—Mpto 12:1, 4.
Nampirisihin’i Jesosy Kristy hiezaka mafy dia mafy “hiditra amin’ny varavarana tery” izay te ho voavonjy. (Lk 13:23, 24; Fi 3:13, 14; ampit. Mt 7:13, 14.) Nilaza i Jesosy fa izy no varavarana na vavahadin’ny valan’ondry. Izy mantsy no mpiandry tsara mitarika ny “ondry vitsy” hifandray amin’i Jehovah sy hiditra ao amin’ny fifanekena vaovao izay manan-kery noho ny ran’ny tenany ihany. (Lk 12:32; Jn 10:7-11) Amin’ny alalany sy noho ny sorom-panavotana nataony koa no ahafahan’ny ondriny manatona an’Andriamanitra sy manantena ny hahazo famonjena sy fiainana.—Jn 14:6.
I Jehovah no nanokatra ny “varavaran’ny finoana” ho an’ny hafa firenena. (As 14:27) Nijanona elaela tany Efesosy i Paoly, satria novohana ho azy ‘ny varavarana lehibe nisokatra ho amin’ny asa’ fitoriana ny vaovao tsara.—1Ko 16:8, 9; As 19:1-20; ampit. 2Ko 2:12, 13; Kl 4:3, 4.
Nahita “varavarana nisokatra tany an-danitra” i Jaona tao amin’ny fahitana, ka toy ny hoe nankeo anatrehan’i Jehovah, ary nahita izay hitranga amin’ny hoavy.—Ap 4:1-3.