Ny vehivavy-mpitory mahatoky dia loharanom-pitahiana ho an’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao
“Ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hoderaina.” — Ohabolana 31: 30, AC.
1. Inona no toetra mampiavaka ny vehivavy “izay hoderaina’’, ary ahoana ny hitondrany soa ho an’ny fikambanana kristiana?
NY VEHIVAVY matahotra an’Andriamanitra, dia loharanom-pitahiana lehibe. Na tanora izy na efa zokiolona, na tokan-tena na manam-bady, na matanjaka sy salama na osa ara-tena, ny vehivavy matahotra an’i Jehovah sy manompo azy amin-kitsim-po sy tsy fivadihana “no hoderaina”. (Ohabolana 31:30, AC). Soa manao ahoana moa no azon’ny vehivavy manam-bady matahotra an’Andriamanitra entina ho an’ny vady aman-janany! Na manam-bady ny vehivavy toy izany na tokan-tena, dia afaka hitondra soa ho an’ny fikambanana kristiana. Eny, feno fankasitrahana marina tokoa ny vavolombelon’i Jehovah noho ny fisian’ny vehivavy-mpitory mahatoky eo aminy amin’izao fotoana izao! Ny hafanam-pony sy ny fijoroany mafy amin’ ny fahamarinana, dia mamporisika antsika. Ny toetra mampiavaka ny vehivavy toy ny fangoraham-po sy ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa, dia mampandroso ny fikambanana sady manampy antsika hiasa miaraka amin’ny firaisana, mba hitady sy hamahana ny “ondry”.
2. Nahoana no tsy miankina amin’ny hatsaran-tarehy amam-bika ny tena hatsaran’ny vehivavy?
2 Tsara tokoa ireny vehivavy mahatoky ireny eo imason’i Jehovah sy ny olona matahotra Azy. Manintona ny maso ny hatsaran-tarehy. Ny hasoan’ny vehivavy dia tsy isalasalana fa zavatra faniry ary ho hafahafa ihany, raha misy vehivavy tsy maniry ny hahafinaritra. Izao no ambaran’ny Ohabolana (11:16, AC): “Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera.” Kanefa io boky io ihany koa no milaza ankoatr’izany (31:30, AC): “Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hoderaina.” Raha tsy misy ny tahotra an’i Jehovah tokoa mantsy, dia an-kosotra sy fitaka ary zava-poana ihany ny hatsaram-bika sy ny hatsaran-tarehy. Tsy miankina amin’ireo zavatra ireo ary, ny tena hatsaran-tarehin’ny vehivavy. Mety tsy hanintona akory ny vehivavy tsara tarehy amam-bika amin’ny lehilahy matotra sy mahay mamakafaka zavatra. Raha tia ady, ohatra, ny vehivavy, na dia manintona amin’ny lafiny hafa aza izy, dia mety hahasorisorena ny vadiny toy ny rano mitete eo amboniny avy arain’ ny tafon-trano loaka, amin’ny andro avy orana! — Ohabolana 27:15.
NY TOERANA ARAKA AN’ANDRIAMANITRA NATAO HOAN’NY VEHIVAVY
3. Inona no toerana araka an’Andriamanitra nomen’i Jehovah ho an’ny vehivavy?
3 Tsara tarehy ny zavatra raha jerena eo amin’ny tena toerany. Manjary vasoka izy raha amin’ny toerana hafa, ary mety tsy hanaitra na ho ratsy tarehy aza. Jehovah anefa efa nanomana toerana ho an’ny vehivavy ao anatin’ny fandaminana araka an’Andriamanitra. Tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no nanoratan’i Paoly toy izao ao amin’ny I Korintiana 11:3 (MN): “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; (...) ny lehilahy no lohan’ny vehivavy; ary (...) Andriamanitra no lohan’i Kristy.”
4. Nahoana no nampisy fampiharam-pahefana ao anatin’ny fandaminany Jehovah, ary moa ve fanazimbana ny vehivavy ny ilazana fa ny lehilahy ny lohany?
4 Ho sarotra amin’ny vehivavy sasantsasany angamba ny hanaiky izany fitsipika voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fifandraisana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy izany. Ireo mpankasitraka ny “famelana ny vehivavy hizaka tena”, dia mahita ho lazaina ny amin’izany ka hihevitra fa mampiverina ilalana io fitsipika io. Kanefa raha nanoratra ireo an-dalana ireo ny apostoly, dia tsy nihevitra velively ny hanazimba ny vehivavy, toy ny tsy nanambaniany ny lehilahy raha nilaza izy fa Kristy no lohany. Ary na Kristy koa aza, dia tsy isalasalana fa tsy tezitra noho ny maha-filohany an’i Jehovah. Marina fa tsy Kristy ny lehilahy, toy ny tsy maha-Andriamanitra an’i Kristy koa. Na izany aza anefa, “Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana fa an’ ny fiadanana”. Tsy mety hisy filaminana anefa raha tsy misy fampiasana fahefana, raha tsy misy olona miandraikitra ny fitarihana ny asa samihafa hataon’ny fitambaran’olona. — I Korintiana 14:33, MN.
5. a) Ahoana no hahitan’ny vehivavy fifaliana sy fahasambarana raha manaja izany fitsipik’i Jehovah izany izy? b) Manjary maninona ny vehivavy mitady haka ny toeran’ny lehilahy amin’ny maha-filoha azy?
5 Eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy, dia nahary ny lehilahy aloha Andriamanitra, nametraka azy ho lohan’ ny vehivavy sy ny ankohonany ary nanome azy ny andraikitra miaraka amin’izany. Izany fandaharana izany, dia natao mba hitondra fitahiana, fiadanana sy fahasambarana ho an’ny mpianakavy rehetra. Ny vehivavy manam-bady izay manaiky izany toe-javatra izany ka manana vady kristiana mitana tsara ny maha-lohany azy, dia tena voatahy tokoa. Mijanona amin’ ny toerana natokan’Andriamanitra ho azy izy ka rariny raha faly sy sambatra noho izany. Feno fankasitrahana ny vehivavy manan-tsaina mahatsapa izany zavatra izany. Fa ny vehivavy miala amin’ny toerana nametrahan’i Jehovah azy kosa, ka mitady hifaninana amin’ny lehilahy amin’ ny maha-lohany azy, izany vehivavy izany dia manary ny hatsaran-tarehiny. Tsy “fanaka malemy” intsony izy amin’izany. (I Petera 3:7, MN). Marina fa nivatravatra fiteny ilay lehilahy hendry fahizay, kanefa nilaza ny marina izy raha nanoratra hoe: “Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.” — Ohabolana 11:22, AC.
6. Ahoana no nilazan’i Petera ny hasoan’ny vehivavy kristiana manam-bady, araka an’Andriamanitra?
6 Raha manaiky izany fandaharana izany sy manaraka azy an-tsitrapo ny vehivavy kristiana, dia hahita fifaliana sy firavoravoana ary ho saro-bidy amin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao. Raha ny momba ny toeran’ny vehivavy araka an’ Andriamanitra, dia toy izao no nilazan’ ny apostoly Petera ny hasaro-bidy sy ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy kristiana manam-bady: “Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza raha tahiny misy tsy manaiky ny teny, rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ ny fanajana feno. Aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana, fa aoka ho toetra miafina ao am-po amin’ny fitafiana tsy mety lo, dia ny saina tony sy malefaka izay saro-bidy tokoa eo imason’Andriamanitra.” — I Petera 3:1-4, MN.
FITAFIANA MAHAMENDRIKANY VEHIVAVY-MPITORY
7. Moa ve ratsy raha mamboa-tena ny vehivavy, kanefa inona no tokony hotandremany voalohany indrindra?
7 Moa ve ny hevitr’ireo tenin’i Petera ireo, dia hoe: ratsy raha mikajakaja ny fitafìny ny vehivavy? Tsy izany velively. Tsy nilaza ny apostoly fa ratsy ny mirandram-bolo, ny mitondra firava-bolamena, toy ny tsy naniniany ny fiakanjoana. Tamin’ny andron’i Petera, ary na dia talohan’izany aza, dia nahazatra ny vehivavy ny nanana volo lava dia lava ary norandraniny izany tsy hoe: mba hahatsara tarehy azy fotsiny, fa mba hanavanana azy koa. Kanefa tamin’izany andro izany, toy ny amin’izao androntsika izao koa, dia nisy vehivavy sasany nandany fotoana be loatra tamin’ny fanamboaram-bolo ka nandravaka volamena ny volony matetika, hany ka nanjary zavatra nolalainy andro aman’alina ny fomba fitafy ary nahavariana azy nihoatra noho ny toetra anaty. Noho izany dia nosoritan’i Petera ny amin’izay tokony hotandremantsika voalohany dia: “ny toetra miafina ao am-po amin’ny fitafiana tsy mety lo, dia ny saina tony sy malefaka”.
8. Nahoana no tokony hahay mandanjalanja ny vehivavy-mpitory amin’ny fomba fitafiny?
8 Rehefa mitety trano manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny vehivavy-mpitory, dia solon-tenan’i Kristy toy ny mpitory lehilahy koa. Noho izany antony izany sy noho ny fahatsiarovany ny fahamendrehan’ny asa fitoriany, dia tokony handanjalanja tsara izy amin’ ny fifidianana ny fitafiany, mba tsy hahatonga fahatafintohinana amin’ireo izay mihaino ny hafatra entiny. Noho ny asa fitoriany atao ampahibemaso, dia fanta-bahoaka izy. Ireo izay mandinika azy, dia mitsara ny hafatra entiny araka ny fomba fitafiny.
9. Inona no fahazarana hita eo amin’ny vehivavin’izao tontolo izao izay tsy tokony hotahafin’ny vehivavy kristiana, ary nahoana?
9 Na dia mahazo fahaiza-mifidy zavatra toy ny ananan’ny vehivavy aza izy eo amin’ ny fomba fitafy, dia tokony ho alavirin’ny vehivavy-mpitory kosa ny fanahafana ny vehivavy amin’izao tontolo izao, izay te- hanamarika ny hatsaran-tarehy amam-bika amin’ny fampiasana tafahoatra ny zavatra fihosotra ary amin’ny fitafiany manaitra sy mihantsy. Raha tsy izany dia tsy hitokisana izy amin’ny maha-mpitory kristiana azy, ary mety ho ratsy eo imason’ny olona (Isaia 3:16-23). Noho izany izy, dia tsy mba maka tahaka ny vehivavin’izao tontolo izao izay mihevitra ny hatsaran-tarehy amam-bika ho fototry ny fiainana. Tsy manaiky ho voatarika amin’ izany ny vehivavy kristiana ary tsy variana loatra amin’ny fanatsarana ny tarehy amam-bika sady tsy manao izay hanintona ny maso amin’ny haingo madera kanefa tsy manendrika.
10. Moa ve ny mifanohitra lavitra amin’izany no tokony hatao, ary inona no anatra nomen’i Paoly ao amin’ny I Timoty 2:9, 10?
10 Eo an-danin’izany anefa, dia tsy tiantsika ny tsy hihainoana ny hafatra ambarantsika noho ny fitafiana tsy zarizary entintsika. Tsy mandrara ny fanaovana firavaka na fihaingoana hafa hanatsarana ny tarehy amam-bika ny Baiboly raha entina amim-pahamaotinana sy amim-pandanjandanjana izany (Genesisy 24:22; Eksodosy 35:22). Paoly, mpitandrina kristiana, dia nanambara toy izao ny fomba tsara tokony harahina: “Ary toy izany koa, tiako raha miravaka amin’ny fitafiana milamina tsara ny vehivavy, amin’ny fahamaotinana sy ny fandanjalanjana, tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena sy ny vato soa na fitafiana saro-bidy, fa amin’ny fomba manaiky ny fanajana an’ Andriamanitra, dia amin’ny asa tsara.” (I Timoty 2:9, 10, MN). Na aiza na aiza tany misy azy, na inona na inona fomba fitafy mahazatra any, dia tokony hiankina amin’ny fahamaotinany sy ny fanajany an’ Andriamanitra ny vehivavy-mpitory. Arak’ izany dia tokony hahay mitafy tsara izy na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.
11. a) Inona no tena fototry ny hasoan’ny vehivavy sady mampiseho fa manompo an’Andriamanitra izy? b) Ahoana izany hoe: “saina tony sy malefaka’’?
11 Ny asa tsara vitany eo amin’ny fitoriana indrindra no manaporofo fa manompo an’Andriamanitra ny vehivavy iray. Ny “fitafiana tsy mety lo dia saina tony sy malefaka” no mandravaka azy amin’ny tena hatsaran-tarehy sy hasoa. Izany fitafiana izany no mampiavaka ny vehivavy kristiana amin’ny vehivavy hafa. Ny vehivavy manana “saina tony sy malefaka” dia tsy mba miovaova toetra, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Manana fifaliana izy, ka tsy mba feno fitsiriritana sy fiavonavonana ary hasomparana ny fony. Vonona ny hanao ny sitrapon’i Jehovah miaraka amin’izany izy ary miara-miasa amim-pifaliana amin’ireo hafa anisan’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao. Ny vehivavy tsara fo sy manana saina malefaka, dia mitondra soa mandrakariva ho an’ny manodidina azy. Ary mbola zava-dehibe noho izany koa, dia mahazo sitraka amin’i Jehovah izy ka amin’izany no hahazoany ny fiainana mandrakizay ao amin’ ny fandaran-javatra vaovao sy marina nampanantenain’ Andriamanitra.
VEHIVAVY NAHATOKY FAHINY
12. Tamin’ny lafiny inona no nanomezan’i Saraha ohatra tsara, ary inona no fitahiana noraisiny?
12 Raha nampahatsiahy ny andro lasa ny apostoly Petera, dia nanohy ny fitantarany toy izao: “Fa tahaka izany no niravahan’ny vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny, dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nanao azy hoe: ‘tompoko’. Ary tonga zanany hianareo raha tsy mitsahatra ny manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana inona na inona.” (I Petera 3:5, 6, MN). Fitahiana manao ahoana moa no noraisin’i Saraha tamin’i Jehovah! Dia ny naha-vadin’i Abrahama patriarka nahatoky azy, nahatonga azy ho renin’i Isaka, zanaka “araka ny fanahy”, ary nanisana azy ho isan’ny razamben’i Jesosy Kristy (Galatiana 4:29). Ny vehivavy kristiana amin’izao androntsika izao, izay maneho toetra toy ny an’i Saraha, indrindra fa ireo toetra nolazain’i Petera, dia ny fahatokisana sy ny fahatsoran’ny vehivavy manaiky, dia atao hoe: “zanak’i Saraha”, toy ny nilazana ireo nanana ny finoan’i Abrahama fa “zanany”. — Galatiana 3:7.
13. Inona no toetra tsara hita tamin’i Rebeka ka nahatonga azy ho vady mendrika an’Isaka?
13 Ary inona koa no holazaina momba ity razamben’i Jesosy iray, dia Rebeka izay nambara tamintsika fa “zavavavy tena tsara tarehy tokoa”, fony izy nihaona tamin’ny mpanompon’i Abrahama? Kanefa tsy tamin’ny ivelany fotsiny ny hatsarany, ary tsy ny hasoany ara-bika aman-tarehy no fototry ny nandraisany fitahiana. Ny fahazotoan’i Rebeka niasa sy ny fahamaotinany no nahatonga ny mpanompon’i Abrahama hahafantatra, fa izy no ho vadin’Isaka.
14. Inona no fizahan-toetra natao tamin’i Rebeka ka nandreseny, ary nampisehoany tamin’izany fa manana ny toetra nilaina izy?
14 Tsy nisy fifandraisana velively tamin’ny hatsaran-tarehy amam-bikany ny fizahan-toetra nataon’ilay mpanompo tamin-drazazavavy. Izao no nambarany: “Koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba atongilano kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho, dia izy no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao! ” Ary tsy nisy hafa tamin’izany tokoa no nitranga. Raha vao nangataka rano hosotroina tamin’i Rebeka ilay mpanompo, dia namaly azy tamim-panajana izy hoe: “Misotroa, tompokolahy”, ary nilaza fa hantsàka hosotroin’ny rameva “ambara-pahatapiny misotro”. Tsy raharaha kely izany, satria folo no isan’ny rameva. Tao aoriana kely, rehefa nambaran’ilay mpanompon’i Abrahama azy ny antony nanirahana azy, dia nanaiky an-tsitrapo ny tombon-tsoa nomena azy izy, dia ny ho tonga vadin’Isaka. Tsy mahagaga ny nandrenesana fa rehefa nihaona tamin’i Rebeka Isaka, dia “tia azy izy”. — Genesisy 24:14-21, 58, 67.
15. Nahoana no mifono anatra tsara ho an’ny zazalahy kristiana mihevitra ny hanambady ny tantaran’Isaka sy Rebeka?
15 Izany tantara ao amin’ny Baiboly izany, dia mifono anatra tsara ho an’ny zazalahy kristiana mihevitra hanambady, fa manoro azy ny toetra tokony ho hitany ao amin’izay hovadiny. Marina fa tsara tarehy Rebeka, kanefa fantatr’ilay mpanompon’i Abrahama fa tsy ampy izany. Notsapainy raha nanana tokoa ny toe-po mendrika ananan’ny vehivavy ho tonga vadin’ny zanaky ny tompony izy. Raha hendry ny zazalahy kristiana te-hanambady, dia hitady zazavavy izay manana toetra toy izany. Tokony ho efa matotra tsara izy mba ho afaka hanao izany fanapahan-kevitra izany, indrindra fa raha avelan’ny ray aman-dreniny hifidy malalaka. Any amin’ny tany maro tokoa mantsy, dia mahazo mifidy malalaka izay ho vadiny ny zazalahy, fa tsy mba afaka nanao toy izany Isaka tamin’ny fifidianana an’i Rebeka. Na izany aza anefa, dia azo heverina fa mato-tsaina ny zazalahy kristiana raha maka hevitra amin’ ireo zokiny, momba izany, ary indrindra fa amin’ny ray aman-dreniny raha kristiana mato-tsaina ireo, na dia milaza fa tompon’ ny fanapahan-kevitra farany aza.
16. a) Inona no tombon-tsoa nananan’i Debora? b) Inona ireo tombon-tsoa nananan’i Miriama, kanefa nahoana no mitondra fampiomanana koa izay niseho taminy?
16 Nisy vehivavy nahatoky hafa koa fahiny izay nanana tombon-tsoa manokana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Debora, ohatra, dia tonga mpaminanivavy. Nanana tombon-tsoa lehibe izy tamin’ny niarahany tamin’i Baraka mpitsara, mpitarika ny tafik’Isiraely, izay nandringana ny tafik’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, noho ny fanampian’i Jehovah, ary nampitsahatra ny fampahoriana izay naharitra roa-polo taona (Mpitsara 4:1 ka hatramin’ny faha-5:31). Miriama koa dia nanana tombon-tsoa noho izy nanao asa soa niaraka tamin’i Mosesy anadahiny nandritry ny nitarihany ny firenen’Isiraely nivoaka avy tao Egypta sy namaky ny efitra. Afa-tsy ny asa hafa, dia nanao ny asan’ny mpaminanivavy sy mpitarika ny vehivavy mpihira izy (Eksodosy 15:20). Kanefa mitondra anatra koa izay niseho taminy. Rehefa nanao mihoatra noho ny anjara nomen’Andriamanitra azy izy ka nanome tsiny an’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra, dia tonga boka. Izany aretina mahatsiravina izany, dia nifanaraka tamin’ny haratsian-toetrany teo imason’i Jehovah sy Mosesy, dia toetra izay nitarika ny fandroahana azy tany ivelan’ny tobin’Isiraely nandritry ny fotoana vitsivitsy. — Nomery 12:1-16.
17. Inona no toetra tsara nasehon’i Dorkasy sy Lydia ary inona no fitahiana noraisin’izy ireo?
17 Hevero koa ny amin’ireo vehivavy nahatoky sasany izay notahina tamin’ny andron’i Jesosy sy ny fikambanana kristiana voalohany. Tsarovy Tabita na Dorkasy, fantatra tamin’ny fahalalaha-tanany. Io vehivavy kristiana tany amin’ny tananan’i Jopa io, dia mpanjaitra izay niasa mafy ka “nanao asa soa sy fiantrana betsaka’’. Indray andro dia narary izay ka maty. Kanefa fitahiana mahagaga toy inona moa no noraisiny! Natsangan’ny apostoly Petera tamin’ny maty izy (Asan’ny Apostoly 9:36-42, MN)! Tsarovy izay niseho tamin’i Lydia, “mpivarotra lamba volomparasy” tany Tyatira izay niasa mafy koa. Nandray ny vaovao tsara notorin’i Paoly ny fony ary nampiseho fahazotoana mampiantrano vahiny izy tamin’ny nampiantranoany ny apostoly sy ireo misionary niaraka taminy, hany ka nanoratra toy izao momba azy Lioka: “Dia nanery anay ho tonga izy.” Taty aoriana dia toa tonga trano fivorian’ireo mpino ny tranony. Notehirizin’ny Baiboly ny anarany ho vavolombelon’ny asa tsara nataony. — Asan’ny Apostoly 16:14, 15, 40, MN.
18. Tokony hotahafin’iza moa Prisila, inona no ohatra tsara nomeny ary inona no anjara asa nomena azy?
18 Prisila dia vehivavy hafa koa izay voatonona imbetsaka ao amin’ny Soratra Masina kristiana tamin’ny teny grika. Haina ny manamarika fa amin’ny toerana enina ilazana ny momba an’i Prisila, dia voatonona miaraka amin’ny vadiny hatrany izy. Nandray tsara an’i Paoly izy ireo raha namangy an’i Korinto ny apostoly, ary tsy isalasalana fa nandray anjara lehibe tamin’ ny fampandrosoana ny fikambanana vaovao naorina tao amin’io tanàna io izy ireo. Indray maka fara-faharatsiny, dia “nanao vy very ny ainy” ireo kristiana mahatoky roa ireo mba hamonjena an’i Paoly, izany no nahazoany fisaorana avy tamin’ny fikambanana rehetra. Niaraka tamin’ny vadiny sy Paoly nankany Efesosy Prisila, ary nahazo tombon-tsoa fa nanampy an’i Apolosy, lehilahy nahay niteny, ho tonga amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana ary tonga toerana fivorian’ny fikambanana tany Efesosy ny tranon’izy mivady ireo. Arak’izany Prisila, dia ohatra tsara dia tsara ho an’ny vehivavy kristiana amin’ izao androntsika izao, izay manana tombon-tsoa noho izy manam-bady lehilahy nanolo-tena ka manao ny asan’ny mpikarakara ao amin’ny fikambanana, na mpitory mitetitety tany, na misionary any amin’ny tany hafa. Ny fanohanan’izy ireny ny vadiny amin-kitsim-po, dia mitondra anjara asa mahafaly ho azy. — Asan’ny Apostoly 18:2, 18, 26; Romana 16:3-5; I Korintiana 16:19; II Timoty 4:19.
19. Nandritry ny nitorian’i Jesosy teny, inona ireo zavatra roa nataon’i Maria rahavavin’i Marta, ka nahatonga fitahiana ho azy?
19 Raha miresaka ny amin’ireo vehivavy nahatoky tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy azo atao ny tsy hahatsiaro an’i Maria tany Betania, Maria rahavavin’i Marta sy anabavin’i Lazarosy. Iza no tsy mbola nandre ny zavatra niseho raha niditra tao an-tranon’i Marta Jesosy? “Nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny” Maria, fa tsy mba niahy be loatra ny amin’ny zavatra ara-nofo. Noderain’i Jesosy izy tamin’izany. Taty aoriana, tao an-tranon’i Simona boka, dia nanosotra menaka manitra saro-bidy an’i Jesosy, Maria. Nisy olona sasany toa an’i Jodasy Isikariota naniny izany fomba izany, kanefa notenenin’i Jesosy toy izao izy ireo: “Asa soa no nataony tamiko. (...) Efa nanao izay azony natao izy. (...) Lazaiko aminareo marina tokoa, na aiza na aiza amin’izao tontolo izao hitoriana ny vaovao tsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.” — Lioka 10:38-42; Marka 14:3-9; Jaona 12:1-8, MN.
20. a) Misy vehivavy toy izany ve ao anatin’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao ankehitriny? b) lnona no anjara asa nomena azy?
20 Ahoana kosa ny amin’ny vehivavy amin’izao fotoana izao? Misy vehivavy kristiana sahala amin’ireo vao noresahintsika teo ve ao amin’ny fikambanana kristiana amin’izao fotoana izao? Mahita vehivavy toa an’i Saraha izay nanome ohatra tsara tamin’ny fanekeny amin’ny maha-vehivavy azy ve isika ao, na toa an’i Rebeka tsara tarehy sady mazoto miasa, toa an’i Lydia fantatra tamin’ny fahazotoany nampiantrano vahiny ary Dorkasy nalaza tamin’ny fahalalaha-tanana, afa-tsy izany koa Prisila be hitsim-po sy mahatoky, na Maria ilay nanao “izay azony natao” mba hampandrosoana ny fivavahana marina? Isaorana anie Jehovah fa eny no valin’ izany! Fa tombon-tsoa toy inona tokoa moa ny an’ireo vehivavy mahatoky amin’ izao fotoana izao! Toy ny lehilahy mpino koa, dia mahazo manolo-tena ho an’i Jehovah izy mba hanao ny sitrapony, sy hatao batisa ary ho tonga mpitory ny vaovao tsara. Mahazo manao fampianarana ny Baiboly any an-tokantranon’ny olona be zotom-po izy ary manomana ny zanany ho tonga mpitory manolo-tena koa. Mahazo manao ny asan’ny mpitory mandava-taona koa izy, na ho misionary any an-tany hafa na hiasa ao amin’ny Betela, izany hoe ao amin’ny trano misy ny foiben’ny fikambanana ao amin’ny tany iray.
21. Ahoana no tokony ho fihevitry ny vehivavy nanolo- tena ny fahazoany manompo an’i Jehovah?
21 Arak’izany voalaza rehetra teo aloha izany, dia tsy tokony hisy ny vehivavy nanolo-tena ka hihevitra fa diso anjara raha ny amin’ny fanompoana an’i Jehovah no jerena. Fa afaka hanitatra ny anjara asany kosa ny vehivavy-mpitory tsirairay. Noho izany dia tokony hanao “izay azony hatao” ny vehivavy kristiana mba handroso hihamatotra sy hanatanteraka amim-pahatokisana ny andraikiny miaraka amin’ny olon’Andriamanitra. Raha manao toy izany izy, dia ho saro-bidy eo imason’Andriamanitra ary ho mendrika ny hoderain’ ny anadahiny kristiana.