Inona no ho anjaranao ny “fiadanana ao amin’ireo olon’ny fankasitrahana” sa haramagedona?
“Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olon’ny fankasitrahana”—Lioka 2:14 Li.
1. Inona no tombon-tsoa ananantsika raha anisan’ireo “olon’ny fankasitrahana isika’’?
MOA VA HIANAO lehilahy na vehivavin’ny fankasitrahana? Raha eny, dia anisan’ireo izay nolazain’ny andian’anjelin’ny lanitra hianao, efa ho roa arivo taona lasa izay. Nahoana no niseho sy niteny ireo anjely ireo? Satria nisy zavatra vao nitranga izay hitondra, tsy ho ela, fiadanana tsy hanam-pahatamperana ho an’ny tanintsika atahorana hipoahan’ny ady lehibe fahatelo ankehitriny.
2. Inona no zava-dehibe niseho ary nahoana no azontsika antoka tsara ny fitantanàn’ny Dr Lioka?
2 Izany zava-niseho izany dia ny nahaterahan’ny zazalahy iray tany Atsinanana. Tsy angano na arira izany, satria nisy vavolombelona, dia fitambaran’olona tia asa, niasa teny amin’ny tendrombohitra manodidina. Namarinin’ny mpitsabo iray koa izany zava-niseho izany tamin’ny “fitantarana zavatra izay efa inoana tokoa eo amin-tsika’’. Izao no nambarany tamin’ilay nandefasany ny fitantaràny: “Nanapa-kevitra koa aho, rehefa avy namototra tsara ny zavatra rehetra, hatramin’ny fiandohany, fa hanoratra izany aminao araka ny filaharany (...), mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao am-bava.” Lioka no anaran’ilay mpitsabo nanao izany fitantarana izany. Efa nisy sivin-jato sy arivo taona mahery izay no nanoratany ary hatramin’ny namoronana ny fanontàna printy tamin’ny taon-jato fahadimy ambin’ny folo, dia votahiry tao amin’ny kopia sora-tanana natao tamin’ny fiteny tranainy maromaro, ny bokiny. Azonao raisina tsara ary, izay nambaran’ny anjely fahiny momba ny olon’ny fankasitrahana, ao anatin’izany hianao.—Lioka toko voalohany, andininy voalohany ka hatramin’ny fahaefatra, MN.
3. Nahoana no manondro daty malaza eo amin’ny tantaran’ny siansa ara-pitsaboana, ny nahaterahan’io zaza io, ary ahoana no fanambarana ampahibemaso natao ho an’ny Rain’io zazalahy io?
3 Manondro daty malaza tokoa eo amin’ny tantaran’ny fitsaboana ny nahaterahan’io zazalahy io, satria io ihany no hany zaza nateraky ny virijiny. Tsy nisy lehilahy nahatonga ny fisian’io zaza io, satria avy any an-danitra ny Rainy. Raha tsy izany dia tsy ho niraharaha ny nahaterahany ny anjelin’ny lanitra. Raha toa zazasary io ka nanana ray nanao zava-mahamenatra satria tsy nitonona anarana mba hialany amin’ny adidiny, dia tsy ho niondrika ny anjely masina ka nitsaoka ny nahaterahany. Raha tsy izany dia tsy nisy antony akory tokony hifaliana tamin’ny fahaterahan-jazalahy tsy nirina izay tsy afaka nitondra soa na inona na inona ho an’ny olombelona. Mba hanaporofoana kosa fa fahaterahana mahagaga, mendri-kaja sy mahasoa izany, dia nisy andian’anjely niseho tamin’ireo fitambaran’olona ka nampahafantatra ny rain’ilay zaza vao naterak’ilay virijiny madio. Nidera an’Andriamanitra ireo anjely ary nampahafantariny tamin’izany ny Rain’io zaza mahagaga io, any an-danitra.
4. Tanàna taiza, tamin’ny fotoana toy inona ary tamin’ny fizaran-taona inona, no tonga teto amin’izao tontolo izao ilay zaza?
4 Nanapaka tany Atsinanana ny Fanjakana Romana, tamin’izany fotoana izany. Tsy mbola nanaraka ny fivavahana silamo ny Arabo tamin’izany. Tany Betlehema, tanàna tao anatin’ny faritany romana tany Jodia, no teraka ilay zaza resahintsika. Noho ny tsy fahampian’ny trano nitoerana, dia voatery nampandry azy tao am-pihinanam-bilona Maria, renin’ilay zaza. Teo an-tenantenan’ny tisry, volana jiosy, tamin’izay, izany hoe teo amin’ny voalohan-dohan’ny volana oktobra, fizaran-taona tsara, fanaovana fanisam-bahoaka, fotoana nahazoan’ny mpiandry ondry nijanona tany an-tsaha nandritry ny alina mba hiandry ny ondriny. Nanangona fanazavana amin’ny antsipiriany ny Dokotera Lioka, momba izay niseho ary toy izao no nosoratany, mba hahasoa ny “olon’ny fankasitrahana” (Lioka 2:8-20, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao):
5, 6. a) Inona no hafatra nambaran’ny anjely, ary tamin’iza? b) Ahoana no nahatonga ireo olona ireo ho vavolombelona nanatri-maso izany fahaterahana izany, ary inona no vokatr’izany tamin’izy ireo?
5 “Nisy mpiandry ondry koa tamin’izany fari-tany izany izay niaina tany an-tsaha, ka niaritory teo akaikin’ny ondriny tamin’ny alina. Tsitapitapitr’izay dia tonga teo amin’izy ireo ny anjelin’i Jehovah, ary nanjelajelatra nanodidina azy ny voninahitr’i Jehovah ka raiki-tahotra indrindra izy. Fa hoy ny anjely taminy: ‘Aza matahotra fa indro milaza ny vaovao tsara aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra satria Mpamonjy no teraka ho anareo anio, dia Kristy Tompo, ao an-tanànan’i Davida. Ary izao no ho famantarana ho anareo: Hahita zazakely voahodidina lamban-jaza mandry eo am-pihinanam-bilona ianareo’. Ary niaraka tamin’izay dia nisy anjely marobe koa avy any an-danitra niaraka tamin’ilay anjely teo, nidera an’ Andriamanitra nanao hoe: ‘Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra ary fiadanana etỳ an-tany eo amin’ireo olon’ny fankasitrahana.’ Ary rehefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia nifampiresaka toy izao ireo mpiandry ondry: ‘Andeha hankany Betlehema isika hijery izay niseho ka nampahafantarin’i Jehovah antsika.’ Dia nandeha haingana izy ireo ka nahita an’i Maria sy Josefa ary ny zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
6 “Rehefa nahita azy izy ireo, dia nampahafantatra ny teny nolazaina taminy momba ilay zazakely. Ary gaga izay rehetra nandre ny zavatra nolazain’ny mpiandry ondry, fa Maria nitahiry izany teny rehetra izany ka nandray fehin-kevitra tao am-pony. Rehefa izany, dia niverina ny mpiandry ondry ka nanome voninahitra sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra efa hitany sy reny, arak’izay efa nolazaina taminy.”
7. Araka ny fanambaran’ny anjely, inona no tsy tapaka tamin’izany fotoana izany?
7 Tamin’izany fotoana izany, efa ho roa arivo taona lasa izay, dia nanome voninahitra an’Andriamanitra avo indrindra, Ambony indrindra any an-danitra, ny anjely. Nankalaza an’Andriamanitra ireo mpiandry ondry nahatoky, vavolombelona nanatri-maso izany zava-niseho izany, noho ny nataony ho an’ny olona, satria naniraka ny Mesia nampanantenaina na Kristy Tompo Izy, dia ilay taranak’i Davida ara-piandrianana, noho Maria taranak’i Davida koa. Tsy tapaka ary ny fiderana, fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, any amin’ny avo indrindra.
8. Araka ny zavatra tena nisy, iza no nanana “ny fiadanana tetỳ an-tany’’, tamin’izany?
8 Fa ahoana kosa ny amin’ny “fiadanana etỳ an-tany” ? Tsy isalasalana fa “olon’ny fankasitrahana” ireo mpiandry ondry ary koa Josefa sy Maria. Toy izany koa Simeona anti-dahy sy Ana mpaminany vavy antitra, satria samy nahita an’i Jesosy zaza izy ireo rehefa nentin’i Josefa sy Maria tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy, efa-polo andro taorian’ny nahaterahany tany Betlehema. Nisaotra an’Andriamanitra ireo zoki-olona roa ireo noho izay efa hataony. Nanjaka tao amin’ireo “olon’ny fankasitrahana” rehetra ireo ny fiadanana. Fa ny mpanjakan’i Jerosalema kosa, dia tena hafa lavitra noho ny olon’ny fankasitrahana. Idomiana na Edomita izy io, dia Heroda Lehibe natsangan’i Roma ho mpanjaka. Tsy mba nahalala izany fiadanana izany izy, fa nitady hamono an’i Jesosy zaza kosa, rehefa roa taona te ho eo izy. Fotoana fohy taorian’izany, dia matin’ny aretina nahatsiravina Heroda, fa mbola velona kosa Jesosy ary tonga “Kristy Tompo”.—Lioka 2:25-40; Matio 2:1-23.
ZAVATRA MISY AMIN’IZAO FOTOANA IZAO
9. Nandritry ny taon-jato maro efa lasa hatramin’izay, moa ve niaina tamim-pilaminana ny olona milaza azy ho kristiana izay nanonona matetika ny teny hoe: “fiadanana etỳ’ an-tany eo amin’ny olon’ny fankasitrahana’’? Inona no asehon’ny zavatra tena misy?
9“Fiadanana etỳ an-tany eo amin’ireo olon’ny fankasitrahana.” Notononin’ny olona im-betsaka io andalan-teny malaza io nandritry ny taon-jato sivy ambin’ny folo lasa. Kanefa inona no vokany tamin’izao tontolo izao? Vitsy ny taom-piadanana, teo amin’ny raharaha iraisam-pirenena hatramin’izay nanononan’ny anjely voalohany izany teny feno fampaherezana izany. Amin’izany lafiny izany dia tsy nanova ny toe-javatra eran-tany, ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema. Notoherin’ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny taniny Jesosy, ka niafara tamin’ny famporisihin’izy an’i Pontio Pilato governora romana hampamono azy izany, tamin’ny taona faha-33 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao. Nandritry ny taon-jato maro tatỳ aorian’ny nahafatesany, dia nisy olona betsaka nihambo ho mpianany, kanefa nisy tsy fifankahazoana ara-pivavahana teo amin’izy ireo. Nilaza azy ho kristiana izy ireo, kanefa nandray anjara tamin’ny ady nandatsahana ny ran’ireo Silamo, ary namono Jiosy an-arivony maro. Izy samy izy mihitsy aza no niady, ady natao tamin’ny firehetam-po izany, mikasika ny ara-pivavahana indraindray, kanefa ara-politika koa matetika. Tsy mba tia fandriam-pahalemana na kely akory aza, ireny milaza azy ho kristiana ireny; tsy mba nanao izay tratry ny heriny akory izy ireny hampisy fiadanana teto amin’izao tontolo izao.
10. Araka ny tarehi-marika azo avy tamin’ny fanadihadiana, firy no taona nisy fandriam-pahalemana hatramin’ny andron’i Mosesy mpaminany?
10 Nisy mpanoratra tantara nanisa ny taona nisy fandriam-pahalemana sy ny nisy ady, nandritry ny fotoana lava teo anelanelan’ny taona 1481 talohan’izao fanisan-taona arahintsika izao sy ny fiafaran’ny Ady Lehibe faharoa. Egypta, firenena nanana ny tafiny, no Herim-panjakana nanapaka teto amin’izao tontolo izao tamin’ny 1481 talohan’i J.K. Tany amin’ny fari-tany akaikin’i Sinay, Mosesy sy ny olona tamin’izany fotoana izany. Teo ambanin’ny Didy Folo noraisin’i Mosesy tamin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Nandritr’izany 3426 taona izany, nanomboka tamin’io daty io ka hatramin’ny fiafaran’ny Ady Lehibe voalohany tamin’ny taona 1945, dia tsy nisy taonan’ny fandriam-pahalemana afa-tsy 268 monja. Nandritr’ireo telo arivo taona eo ho eo nisy ady ireo, dia maherin’ny 8000 no isan’ny fanekem-pihavanana tapaka. Raha atao ara-keviny, arak’izany, dia taona iray no nisy fandriam-pahalemana isaky ny taona 12,8 nisy ady. Fa ahoana kosa ny amin’ny fandriam-pahalemana eto amin’izao tontolo izao hatramin’ny taona 1945, taona nampijoroana ny Firenena mikambana, naorina mba hitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana iraisam-pirenena? Tandindomin-doza, mihoatra lavitra noho ny teo aloha ny fandriam-pahaleman’izao tontolo izao, ankehitriny.
11. Inona no venti-kevitra hiraina ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana amin’ny Noely, nefa taon-jato enina ambin’ny folo atỳ aoriana, inona no loza mananontanona lazain’ny mpitondra?
11 Nandritry ny arivo taona mahery, dia faly ny fitambaramben’ny kristiana anarana, isaky ny Noely, mihira ny hoe: “Voninanitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany ho an’ny olon’ny fankasitrahana.” (Li) Kanefa hamarinin’ny pejin’ny tantara fa tsy nitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao io hira io. Hatramin’ny nankalazan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana ny andro firavoravoana amin’ny Noely, nanomboka tamin’ny taon-jato fahaefatra, dia hita amin’alahelo fa tsy nisy vokany ny fikelezan’ain’izao tontolo izao lazaina fa kristiana, mba hampitsahatra ny ady. Efa taon-jato enina ambin’ny folo izao no nankalazana ny Noely, kanefa ankehitriny ny mpitondra eo amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, dia milaza ny amin’i Haramagedona mananontanona.
12-14. Inona no fitenenana momba an’i Haramagedona: a) nataon’ny mpanoratra ao amin’ny “New York Times’’ tamin’ny 1962? b) nataon’Atoa Eisenhower Filoham-pirenena taloha tamin’ny taona 1961? d) natao tamin’ny dinika tany Moscou tamin’ny taona I960?
12 Izao no nosoratan’ny mpanoratra iray ao amin’ny New York Times, tamin’ny 6 May 1962: “Noho ny antony marina sy ny apingan’ny herin’ny tafika mpiaro nohamafisin’ny fanandramana ataomika nataontsika, dia mitady fifanarahana amin’i Rosia Sovietika, ankehitriny, ny filoham- pirenena Kennedy, mba hisakanana Haramagedona ataomika. Manaraka ny nataon’ ny filoham-pirenena Roosevelt, Truman ary Eisenhower izy amin’izany.”
13 Volana vitsivitsy talohan’izay, izany hoe tamin’ny 16 Septambra 1961, dia nandray ny fitenenana Atoa Eisenhower filoham-pirenena taloha, tao amin’ny fanasana iray. Nilaza izy fa ny fandringanana mananontanona antsika, dia ho avy amin’ny ady ataomika ary noho izany, dia efa “telopolo minitra sisa tsy ho tonga ao Haramagedona i Chicago”.
14 Izao no nolazain’ny New York Times tamin’ny 6 Novambra 1960, tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe: “Ny dinika tany Moscou”: “Ny fahasamihafan’ny fihetsika tena nampiavaka ireo renivohitra roa [any Rosia sy any Sina], dia eo amin’ny fahafantaran’i Moscou mazava ny fandringanana lehibe mety hateraky ny ady “thermonucléaire” eo amin’ny olona rehetra, kanefa i Pekin kosa milaza fa tsy hampatahotra azy akory, na dia ny Haramagedona ataomika aza.”
15, 17. a) Nohon’ny baomba avy amin’ny hydrogène, inona no anarana nomena ny ady lehibe fahatelo mety hipoaka? b) Inona no nolazain’ny mpanoratra iray momba ny ho fiafaran’ny “ady mangatsiaka”? d) Araka ny filazan’ny mpamakafaka raharaha iraisam-pirenena iray, dia voatarika ho aiza izao tontolo izao?
15 Satria mety hampiasaina ny baomba avy amin’ny “hydrogène”, dia lazaina fa Haramagedona “thermonucléaire” ny ady lehibe fahateloa”.
16 Izao no nosoratan’ny mpanoratra iray, momba ny “ady mangatsika” misy eo amin’ireo fanjakana miankina amin’ny tafika any Atsinanana sy any Andrefana: “Tsy fampielezan-kevitra araka ny filozofia, mikasika ny ho avy nofinofisina akory izany. Izany dia ady amin’ny herin’ny ratsy rehetra eto amin’izao tontolo izao, karazana Haramagedona izay hiafara amin’ny fandresena na ny faharesena tsy ho an’ny firenena iray ihany na ny firaisam-pirenena iray ihany, fa ho an’ny olombelona rehetrab”.
17 Izao no fampiomanana omen’ny mpamakafaka raharaha iraisam-pirenena iray amintsika: “Tsy afaka ny tsy ho voatarika ho any Haramagedona isika noho ny tsy fisian’ny olona fotsiny izay mety hisahirana hanatrika ny zava-tsarotra tena misy anefa. Raha tsy dinihina haingana izany zava-tsarotra izany, dia tsy maintsy hisy loza amin’atambo miandry antsikac.”
18. Na dia niandoha tamin’ny fampanantenana aza ny faha-dimam-polo taona taorian’ny niandohan’ny Ady Lehibe voalohany, nahoana no misy ny tahotra ny hitrangan’ny ady lehibe fahatelo?
18 Tamin’ny taona faha-dimam-polo taorian’ny niandohan’ny Ady Lehibe voalohany, dia nanomboka ny fampielezan-kevitra momba ny fandriam-pahalemana, notarihin’ireo lehiben’ny mpanao politika eto amin’izao tontolo izao. Na dia ny Pontifex Maximus any Vatican aza tany Moyen- Orient, dia nanao fivahiniana masina izay noheverina fa ho amin’ny fandriam-pahalemana sy ny firaisana. Nandray ny asany indray ny Mpikarakara ny amin’ny fampihenana ny fitaovam-piadiana ao amin’ny Firenena mikambana tamin’ny 21 Janoary 1964. Nitohy ny adi-hevitra nandritry ny volana maromaro, kanefa tsy mbola misy fampihenana fitaovam-piadiana ihany hatramin’izao. Mbola mifampiandany ihany ireo antoko lehibe roa ao amin’ny kaomonista ary ao amin’ny tsy kaomonista kosa, dia lazaina fa tsy hitsahatra akory ny ady mangatsiaka eo amin’ny firenena kaomonista sy kapitalista, “amin’izao androntsika izao”. Koa dia mbola manohy mivavaka ihany ny fiangonana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana sy ny jodaisma, mba hahombiazan’ny Firenena mikambana amin’ny fitànana ny fandriam-pahalemana. Antahorana tokoa mantsy ny hisian’ny ady lehibe fahatelo.
19. Inona no heviny mety raha omena ny teny hoe: “Haramagedona’’ ary moa ve handray anjara amin’io ady io ny “olon’ny fankasitrahana’’?
19 Ao amin’ny fanambarana rehetra ataon’ny mpitondra fivavahana, ny mpanao politika, ny miaramila ary ny manam- pahaizana, momba ny Haramagedona, dia misy zavatra adinony foana. Inona izany? Tsy heveriny izay ho toetoetran’i Haramagedona. Ireo mpandahateny sy mpanoratra voatonona etsy ambony ireo, dia nindrana io teny io avy tao amin’ny Baiboly masina, ilay Boky milaza ny amin’ny anjely marobe niseho tamin’ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema ary nitondra ny hafatra mikasika ny voninahitra natolotra an’Andriamanitra sy ny fiadanana ao amin’ny olon’ny fankasitrahana. Noho izany, dia tokony ho fantatra amin’ny heviny nomen’ny Baiboly azy, ny teny hoe Haramagedona fa tsy araka ny fampiasan’ny olon-kendrin’izao tontolo izao azy. Heveriny fa ady farany hataon’ny herin’ny tsara sy ny ratsy izany, dia tena ady ara-miaramila hataon’ny tafika etỳ an-tany. Te-hihevitra izy ireo fa ny andaniny misy azy no herin’ny tsara izay handresy. Kanefa ampahafantarin’ny Baiboly mazava ny hery mifanohitra izay hiady ao amin’ny adin’i Haramagedona. Ary ny amin’ny “olon’ny fankasitrahana”, dia tsy handray anjara amin’izany izy, satria ny Andriamaniny no hiady avy any an-danitra ho an’ny marina rehetra.
20. Impiry no hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe: “Haramagedona’’, aiza no nilazana ny aminy ary mikasika ny inona?
20 Mba hahafantarantsika tsara izay tena ho toetoetr’io adin’i Haramagedona io, dia hovakintsika ny tantara ara-paminaniana milaza azy. Io teny manaitaitra hoe Haramagedona (na Hara-Magedona) io, dia tsy hita afa-tsy indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly, dia ao amin’ny boky farany mitondra ny lohateny hoe: Fanambarana na Apokalypsy. Nomena an’i Jaona, apostoly kristiana tamin’ny tsindrimandry io fanambarana io mba hampisehoana amin’ny kristiana mahatoky “izay zavatra efa ho avy haingana”. Nomena io fahitana ara-paminaniana momba an’i Haramagedona io, raha nolazaina ny fahaenina amin’ny loza fito. Voalaza mazava fa “farany ireo loza fito ireo, satria tonga amin’ny fara-tampony ny fahatezeran’Andriamanitra”. (Fanambarana 1:1; 15:1; 16:12, MN). Rehefa nampidinina ny loza fahaenina, dia nampiseho zavatra nahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra. Izao no hitan’i Jaona rehefa nampidinina ny tao amin’ny lovia fahaenina:
21. Araka ny Fanambarana toko fahaenina ambin’ny folo, inona no hitan’i Jaona tamin’ny fahitany momba an’i Haramagedona?
21 “Ary nahita fitenenana maloto telo nisy nampanao sahala amin’ny sahona, nivoaka avy tamin’ny vavan’ny dragona sy ny vavan’ny bibi-dia ary ny vavan’ny mpaminany sandoka aho. Fitenenana nampanaovin’ny demonia izany ary mahavita famantarana sady mankany amin’ny mpanjakan’ny tany onenana rehetra, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha. (...) Ary nangoniny ho any amin’ny toerana atao amin’ny teny hebreo hoe: Hara-Magedona ireny.”—Fanambarana 16:13-16, MN.
22. Iza no voangona ao Haramagedona ary nahoana no azo lazaina fa tsy misy miandany amin’Andriananitra Tsitoha izy ireo na dia iray aza?
22 Azo avahina tsy ho anisan’ny “mpanjakan’ny tany onenana rehetra” ve ny mpitondra ara-politika sasantsasany amin’izao fotoana izao? Tsia, mahafaoka ny rehetra io fitenenana io, na mpanjaka izy, na filoham-pirenena, na entim-bahoaka na kaomonista, na tsy mpiandany amin’ny atsy na ny aroa. Nangonina ho amin’ny ady, ao amin’ny toerana atao hoe Hara-Magedona izy rehetra. Fa inona no loka amin’io ady io? Tsy izy samy izy no miady ary tsy miandany amin’Andriamanitra Tsitoha ny sasantsasany amin’ireo mpitondra ara-politika sy ny tafiny. Inona no mahatonga antsika hilaza izany? Aza adinoina fa nahita ny “mpanjakan’ny tany onenana rehetra” nangonin’ny fahavalon’Andriamanitra Tsitoha ho amin’ny ady, ny apostoly Jaona. Nangonina tamin’ny fitenenana nampanaovin’ny demonia tokoa mantsy, mpanjaka ireo, ary hita marina fa tsy sakaizan’Andriamanitra Tsitoha ny demonia. Ho porofon’izany dia horaisintsika ny tenin’i Jakoba mpianatra. Izao no nosoratany ho an’ireo mpino anarana fotsiny: “Hianao mino fa iray ihany ny Andriamanitra, tsy va izany ? Tsara ny ataonao. Kanefa mino koa ny demonia, ary mangovitra izy.”—Jakoba 2: 19, MN.
23.Hiady ho an’iza “ny mpanjakan’ny tany onenana rehetra” voangona ao Haramagedona?
23 Ny “mpanjakan’ny tany onenana rehetra” (ao anatin’izany ireo ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana), dia mamela ny demonia, izay mangovitra rehefa mieritreritra ny amin’Andriamanitra Tsitoha, hanangona azy ireo ao Haramagedona, mba hiady miaraka amin’ny demonia. Noho izany dia hiady ho an’ilay “filohan’ny demonia”, na Satana, Devoly, koa izy ireo. (Matio 12:24, MN). Oharina amin’ny Dragona, Satana, Devoly ao amin’ny Fanambarana nomena an’i Jaona, ary avy amin’ny vavan’io Dragona io no mivoaka ny “fitenenana nisy nampanao” sahala amin’ny sahona izay manangona ny mpitondra ara-politika ho amin’ny adin’i Haramagedona.
24. Hampiseho inona ny bibi-dia an-ohatra manana vava ivoahan’ny “fitenenana nisy nampanao’’ sahala amin’ny sahona?
24 Mivoaka avy amin’ny vavan’ny bibi-dia an-ohatra ny iray amin’ireo fitenenana avy amin’ny demonia ireo. Milaza amintsika ny Fanambarana (toko fahatelo ambin’ny folo, andininy faharoa ka hatramin’ny fahafito), fa ny Dragona, Satana, Devoly no manome ho an’io “bibi-dia” io ny heriny, ny seza fiandrianany ary ny fahefany lehibe, dia fahefana ampihariny amin’ny foko rehetra, sy ny vahoaka rehetra, ny samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra. Arak’izany, ny “bibi-dia” dia mampiseho ny fandaminana ara-politika etỳ an-tany, eo ambany fanapahan’i Satana, Devoly, tsy hita maso.
25. Fandaminana inona no asehon’ny mpaminany sandoka?
25 Ny fitenenana fahatelo nampanaovin’ny demonia, dia nivoaka avy tamin’ny vavan’ny “mpaminany sandoka”. Ny anarany fotsiny, dia ahitana fa mpamitaka io fandaminana ara-paminaniana io, ary noho izany dia tsy mpaminanin’Andriamanitra Tsitoha, raha ny amin’ny raharaha politika no jerena. Hita marina fa ny fampielezan-kevitra ara-paminaniana mivoaka ny vavany, dia manampy amin’ny fanangonana ny mpanjakan’ny tany ao Haramagedona.
26. a) Ho Haramagedona “thermonucléaire’’ ve ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha’’, ary inona no toa nampiseho fa hifanohitra amin’izany? b) Hiafara amin’ny inona anefa ny fanangonana ireo mpanjaka ao Haramagedona?
26 Ny kristiana izay mianatra tsara ny Baiboly, dia mamantatra ny zava-miseho sy ny toe-javatra amin’izao fotoana izao ary mandinika ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Voamariny fa ny filoha ara-politika sy ny tafiny, dia voangona tokoa ao Haramagedona ankehitriny, ho amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Tsy milaza akory izany fa tsy maintsy hiangona ho amin’i “Haramagedona ‘thermonucléaire’ ’’, na ady lehibe fahatelo, izy ireo. Araka ny miseho, ny fikelezan’aina rehetra ataon’ny olona amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny Firenena mikambana, sy ny Fanorenana ho amin’ny fandriam-pahalemana eto amin’izao tontolo izao, ary ny Mpilatsaka an-tsitrapo ho amin’ny fandriam-pahalemana sy ny fikambanana hafa toy izany, dia toa mikendry zavatra iray ihany: hanova ny toe-javatra eran-tany ka hahazoan’ny olona hiteny hoe: “Fiadanana sy fandriam-pahalemana!” (I Tesaloniana 5:3, MNd). Na dia ao aza anefa ireny fikelezan’aina hampijoro fandriam-pahalemana iraisam-pirenena ireny, dia manohy manangona ny mpanjakan’ny tany ao Haramagedona ny demonia, mba hiadian’izy ireo amin’Andriamanitra Tsitoha.
27. Inona no voalaza ao amin’ny Fanambarana toko fahafito ambin’ny folo momba ny fifandraisan’ny “mpanjaka’’ amin’ny tany sy Babylona Lehibe?
27 Tsy maninona na dia tsy tian’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana aza izay lazainay momba ny mpanjakan’ny tany miangona ao amin’ny egliziny, ny Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry dia milaza mazava ny amin’ny famindran’ireo mpanjaka ireo ho any Haramagedona. Andeha hojerentsika ary ny toko manaraka, ao amin’ny Fanambarana na Apokalypsy, izany hoe ny toko fahafito ambin’ny folo. Voalaza ao ny amin’ny Babylona Lehibe, izay hijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, ara-pivavahana. Voalaza mazava ao fa Babylona Lehibe izay tsy afa-po amin’ny fifampiraharahana amin’ny mpanjakan’ny tany, dia mitoetra “eo amin’ny olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny” (Fanambarana 17:1,2,15, MN). Tsy mahagaga izany, satria Babylona Lehibe dia ny fanjakan’ny fivavahan-diso eran-tany. Niandoha tany Babylona fahiny io fivavahana io, izany no mahadiso azy. Azo lazaina marina fa mitatra eran’izao tontolo izao, ankehitriny ny fanjakan’ny fivavahan-diso avy tao Babylona. Fikorontanana ara-pivavahana saro-dazaina re izany!
ILAY ADY FARANY
28. Na dia mifandray amin’ny fivavahana aza ireo “mpanjakan’ny’’ tany, dia miady amin’iza, araka ny Fanambarana 17:13, 14?
28 Manana fifandraisana amin’ny fivavahana daholo ny “mpanjakan’ny tany onenana rehetra”. Ny tsy mikasika ny fivavahana angamba hilaza fa izany firaisan’ny fivavahana amin’ny politika izany, dia mitondra ny firenena ho amin’Andriamanitra. Araka ny hevitra izay miely fatratra, dia mivavaka amin’Andriamanitra iray ihany ny olona rehetra, saingy amin’ny fomba ivelany sy samihafa. Hevitra tsy mety hahatafintohina na iza na iza izany, kanefa moa marina ve? Ahoana no voalaza ao amin’ny Fanambarana (17:13, 14, MN) momba ireo mpanjaka mifandray amin’i Babylona Lehibe ara-pivavahana? Izao no azo vakina ao: “Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ny bibi-dia. Hiady amin’ny Zanak’ondry izy ireo, kanefa ny Zanak’ondry handresy azy satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ ny mpanjaka izy.” Zanak’ondry inona moa izany ary iza moa no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka? Jesosy Kristy any an-danitra irery ihany, ilay teraka ho olona fahiny tany Betlehema.
29. Nahoana no tena mety amin’i Jesosy Kristy ny anarana hoe: “Zanak’ondry’’, ary miady amin’iza ireo mpanjaka, raha ny tena marina, rehefa miady aminy?
29 Antsoina hoe ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao” koa izy. (Jaona 1:29, MN). Niharan’ny fahatesana mba ho sorona io Zanak’ondry io tetỳ an-tany, kanefa novelomin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana tsy ahitana fahafatesana any an-danitra izy, ho voahary ara-panahy. Ankehitriny dia efa nanangana azy ho Mpanjaka any an-danitra, mitafy ny fahazoa-manapaka eo amin’ny tany rehetra, Andriamanitra. Tsy mba nijangajanga ara-pivavahana mihitsy tamin’i Babylona Lehibe Jesosy Kristy nandritry ny nivahiniany tetỳ an-tany, toy ny nataon’ireo “mpanjakan’ny tany onenana rehetra”. Noho izany, rehefa miady amin’ny Zanak’ondry ireo mpanjaka ireo araka ny fanosehan’i Babylona Lehibe azy, moa ve miandany amin’Andriamanitra Tsitoha izy ireo sa manohitra azy? Tsy misy isalasalana ny valiny: miady amin’Andriamanitra izy ireo.
30.Oharina amin’ny inona ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, ao amin’ny Fanambarana 19:11-16?
30 Izay vakintsika ao amin’ny Fanambarana 17:14, dia filazana fotsiny ny amin’ny ady tarihin’ny mpanjakan’ny tany ao Haramagedona. Ny fitantarana amin’ny an-tsipiriany momba io ady io, dia hita ao amin’ny Fanambarana 19:11-21 (MN). Araka ny fitantaran’ny apostoly Jaona dia nisokatra ny lanitra ary niseho ny Zanak’ ondrin’Andriamanitra toy ny miaramila mpiady mitaingina soavaly fotsy. Nolazain’i Jaona mazava fa: “Ny anarana iantsoana azy dia Ny Tenin’Andriamanitra. Ary nanaraka azy ny tafika any an-danitra, nitaingina soavaly fotsy sady niakanjo rongony fotsy madinika sy madio. Ary nisy sabatra maranitra nivoaka ny vavany mba hamelezany ny firenena ary hiandry ireo amin’ny tehim-by izy. Manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha koa izy. Ary manana anarana voasoratra eo amin’ny feny izy, hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” Izy io no miady ho an’Andriamanitra. Kanefa amin’iza no miady izy?
31, 32. Iza no iadiany, ary araka ny Fanambarana 19:17-21, iza no handresy?
31 Manome ny valin’izany ho antsika ny apostoly Jaona ao amin’ny fitantaràny momba ilay ady. Izao no nambarany: “Hitako ny bibi-dia sy ny mpanjakan’ny tany ary ny tafiny niangona mba hiady amin’ilay nitaingina soavaly sy ny tafiny.” Amin’ny fanaovana izany ady izany, dia ho tonga any Haramagedona ireo mpanjakan’ny tany sy ny tafiny. Ho voangona amin’ny fitenenana nampanaovin’ny demonia izy ireo amin’izany. Iza no handresy amin’io adin’i Haramagedona io, izay “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”? Toy izao no navalin’i Jaona:
32 “Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ireo efa nandray ny mariky ny bibi-dia sy ireo miankohoka eo anoloan’ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa. Fa ny sisa kosa, dia matin’ny sabatra lehiben’ilay mitaingina ny soavaly, dia sabatra mivoaka avy amin’ny vavany. Ary voky ny nofony ny vorona rehetra.”—Fanambarana 19:11-21, MN.
33. Inona no anjaran’ny fandehan-javatra ara-politika, ny filoha sy ny tafiny, amin’ny adin’i Haramagedona?
33 Azo antoka ary ny ho fiafaran’ny adin’i Haramagedona izay efa akaiky. Hitan’i Jaona ny vokatr’io ady io, tamin’ny fahitana ara-paminaniana nomena, sivin-jato sy arivo taona lasa izay. Koa dia fantatsika tsy misy isalasalana izay handresy amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Ilay Mpiadin’Andriamanitra izany, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo ary ny tafik’ireo anjelin’ny lanitra. Ny fandehan-javatra ara-politika etỳ an-tany oharina amin’ny bibi-dia, sy ny sarin’io biby io ary ny mpaminany sandoka, dia ho levona tanteraka toy ny natsipy tao anaty farihy afo sy solifara. Tsy hisy intsony ny fifanekem-pihavanana natao hitanana ny firaisam-pirenena samihafa, toy ny misy amin’izao androntsika izao. Ho ringan’ny tafiky ny lanitra ireo filoha ara-politika sy ny tariny, na miaramila na tsia. Tsy hisy hanome azy ireo ny voninahitra farany, ary tsy halevina ao amin’ny fasana fahatsiarovana izy ireo. Ho voky ny nofony ny vorona. Ho ringan’ny “sabatra lehibe” mivoaka avy amin’ny vavan’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka izy. Ho vavolombelona hanatri-maso izany fandringanana izany “ny olon’ny fankasitrahana” etỳ an-tany.
34. Inona no hanjò antsika raha mandray anjara amin’izany ady izany isika, ary nahoana?
34 Aoka tsy ho diso hevitra isika! Raha mandray anjara amin’ny adin’i Haramagedona isika, dia hiady amin’Andriamanitra Tsitoha, satria izany dia ady ataon’ireo filoha ara-politika eto amin’izao tontolo izao amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Fandringanana no tsy maintsy ho hitantsika amin’izany, ka tsy hisy fanantenana ny hitsanganana amin’ny maty ho eo ambanin’ny Fanjakana mpandresin’Andriamanitra intsony, mandritry ny fanjakana arivo taonan’ny Zanany mpandresy, dia Jesosy Kristy.
ILAY LALANA HAFA
35. a) Inona no fanontaniana ho tapaka amin’i Haramagedona? b) Nahoana no ho voatery hampiasa hery Andriamanitra ?
35 Raha vao fantatsika ireo andaniny roa amin’io ady faran’i Haramagedona (na Hara-Magedona) io, dia mazava amintsika fa ny fanjakana amin’ny tany no loka amin’io ady io. Ireto no fanontaniana ho tapaka amin’i Haramagedona: Iza no manana zo hanapaka ambonin’ny tany rehetra? Iza no hanapaka ny tany, dieny izao ary ho mandrakizay, ny filoha ara-politika eo amin’izao fandehan-javatra ratsy izao ve, sa Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra? Tamin’ny Ady Lehibe voalohany (1914-1918) izay ny firenena ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana no filohan’ ny mpiady, dia ny fanapahana ara-politika sy ara-barotra manerana ny tany, no loka. Toy izany koa tamin’ny Ady Lehibe faharoa (1939-1945) izay nifandonan’ny firenena ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana indrindra. Ny zava-drehetra dia mampiseho fa raha misy ady lehibe fahatelo, dia hanapahana ilay fanontaniana teo ihany, dia momba ny fanapahana manerana ny tany. Mampiseho izany fa manaraka ny demonia, fahavalon’Andriamanitra ny olombelona mpitondra etỳ an-tany ka tsy manaiky hanome ny fanjakana amin’ny tany ho an’ilay Mpanjaka natsangan’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Tsy maintsy ho voatery hampiasa hery Andriamanitra ao Haramagedona. Arak’izany, ny firenena dia mitarika fandringanana ho an’ny tenany ihany, avy amin’Andriamanitra Tsitoha ao Haramagedona izay ho fotoam-pahoriana tsy mbola nisy toa azy teo amin’ny tantaran’olombelona.—Matio 24:21, 22.
36. Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika ihany, ary inona no valiny omena antsika no amin’ny Baiboly?
36 Arak’izany voalaza teo aloha izany, dia tokony hanontany tena toy izao isika: Te-ho ringana miaraka amin’ny firenena ao amin’io adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha io ve isika? Tiantsika ve ny hiady amin’Andriamanitra Tsitoha ao Haramagedona? Raha tsy izany, inona no tokony hataontsika? Iray ihany ny lalana misokatra eo anoloantsika. Inona izany? Mamaly izany ny Baiboly masina, ny Tenin’Andriamanitra: Tadiavo ny “fiadanana eo amin’ny olon’ny fankasitrahana”.
37. Iza no manome izany “fiadanana eo amin’ny olon’ny fankasitrahana’’ izany, ary antoky ny inona ho antsika izany filaminana izany?
37 Ny teny hoe: “fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olon’ny fankasitrahana”, dia ny anjely amin’ny tafiky ny lanitra no nanonona azy voalohany. Kanefa izao no nolazainy talohan’izay: “Voninahitra ho an’ Andriamanitra any amin’ny avo indrindra”. Miharihary fa tsy nampijoro izany fiadanana izany ny Firenena mikambana na Babylona Lehibe, fanjakan’ny fivavahan-diso eran-tany avy amin’ny finoana tao Babylona fahizay. Fiadanana omen’Andriamanitra avo indrindra izany, dia Ilay lazaina ao amin’ny Salamo 83:19, araka ny Baibolin’i Crampon (1905) hoe: “Aoka ho fantany fa ny anaranao, fa hianao irery ihany Jehovah no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra!” Tsy tiantsika ny hoheverin’i Jehovah ho toy ny fahavalony ao Haramagedona, ka hiady amintsika izy amin’io ady io. Ny irintsika kosa, dia ny hifanarahan’Andriamanitra amintsika, amin’io fotoan-tsarotra io. Izany fifanarahana izany no ho antoka haha-tafita velona sy hahavonjy antsika. Ny fiadanan’Andriamanitra dia omena ny “olon’ny fankasitrahana”, araka ny fepetra omeny.
38. a) Hatramin’ny oviana no nisian’ireny “olon’ny fankasitrahana’’ ireny? b) Nahoana no tsy anisan’ireny ny mpiady ho an’ny fandriam-pahalemana eto amin’izao tontolo ankehitriny?
38 Izao dia misy fanontaniana hafa iray koa mipetraka amintsika tsirairay avy, dia ny hoe: Iza moa ireo “olon’ny fankasitrahana” ary ahoana no hahazoana hiaraka amin’izy ireo? Tsy vao ity taranaka misy antsika ity ihany no voalohany nahitana “olon’ny fankasitrahana” toy izany. Nisy foana izy ireny tetỳ an-tany nandritry ny taon-jato sivy ambin’ny folo izay niandoha tamin’ny nilazan’ny anjelin’ny lanitra momba azy ireny, tamin’ireo mpiandry ondry natahotra an’Andriamanitra, tamin’ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema. Mbola misy ihany izy ireny amin’izao fotoana faramparany amin’ny tantaran’olombelona izao, na dia vitsy dia vitsy aza, fa toy izany hatrany koa moa izy ireny. Olona fanta-bahoaka ve izy ireo ka mikarakara fampielezan-kevitra betsaka momba ny fandriam-pahalemana? Ny amin’ireo ao anatin’ny fandaminana ara-politika noforonina hitanana ny fandriam-pahalemana iraisam-pirenena, toy ny Firenena mikambana ve no resaliintsika? Tsia! Satria nahoana? Satria ireny olona rehetra ireny, dia mitady hampijoro ny fandriam-pahalemana iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny olombelona, fa tsy managataka fifanarahana amin’Andriamanitra, araka ny fepetra omeny.
39. Ahoana no maha-olon’ny fankasitrahana ireny olona ireny?
39 Amin’ny lafiny ahoana no maha-“an’ny fankasitrahana” ny olona nolazain’ny anjelin’ny lanitra? Moa ve noho izy ireo manana fankasitrahana an’Andriamanitra ka vonona ny handray azy amim-pitiavana sy hamoram-po? Sa milaza ny fankasitrahan’Andriamanitra azy ireo kosa io fitenenana io, ka nahitany ny fitiavan’Andriamanitra? Hita miharihary fa ny fankasitrahan’Andriamanitra ny olona mendrika izany, no lazaina. Raha ny tena izy, dia ny fankasitrahan’Andriamanitra no antony maharaiki-javatra sady fototry ny aina, fa tsy ny fankasitrahantsika azy, satria izy ihany no mandidy izay ho tonga sakaizany sy manapaka ny fepetra amin’izany. Mba hanatanterahana izany fepetra izany, dia tsy ampy ny miseho ho mpivavaka sy miangona matetika ao aimin’ny eglizin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana na ny synagogan’ny jodaisma.
40. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tsy ampy ny miseho ho tia fivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra fotsiny, toy izay hita tamin’ireo Jiosy ara-nofo?
40 Sivin-jato sy arivo taona lasa izay, ohatra, tamin’ny firenena rehetra, dia ny Jiosy no niseho ho mpivavaka indrindra ary nireharehany ny tempoly kanton’i Jehovah Andriamanitra tao Jerosalema. Kanefa ny apostoly Paoly izay Fariseo koa teo aloha, dia nanambara toy izao momba ny Jiosy ara-nofo: “Ry rahalahy, ny tena irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ireny, dia ny famonjena. Fa vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana marina; fa noho ny tsy fahalalany ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fitadiavany hampijoro ny azy, dia tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra izy. Fa Kristy no faran’ny Lalana ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.” (Romana 10:1-4, MN). Farany dia voatery nilaza ny hafatra momba ny famonjena tany amin’ny tsy Jiosy na Jentilisa, ny apostoly Paoly. Noho ny Jiosy nandà ny fahamarinan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia nolavin’Andriamanitra io firenena io.
41. a) Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra fa nandà ny firenena Jiosy Izy? b) Iza moa ireo “olon’ny fankasitrahana” tamin’izany fotoana izany?
41 Fito amby telopolo taona taty aorian’ny namonoana an’i Jesosy Kristy tsy ara-drariny, tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema, dia nasehon’Andriamanitra niharihary fa nandà io firenena io izy. Tamin’ny taona 70 dia navelany handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny, ny miaramila romana, ka hitondra ireo 97 000 sisa velona, ho babo saiky hatraiza hatraiza teo amin’ny Fanjakana romana. Tsy fanehoam-pankasitrahana velively izany fa fanehoana mpahory ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra avo indrindra. Tamin’izany fotoana izany ihany anefa, dia naneho ny fankasitrahany tamin’ireo anisan’ny Jiosy sisa sy tamin’ny Jentilisa tonga mpianatr’i Jesosy Kristy Zanany, Andriamanitra. Ireo no “olon’ny fankasitrahana” tamin’izany fotoana izany. Afaka tamin’ny fandringanana tao Jerosalema sy tamin’ny fanandevozana nihatra tamin’ireo sisa velona nampangorakoraka, izy ireo. Niseho ho mendrika ny hatsangana amin’ny maty any aoriana, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireny olon’ny fankasitrahana ireny.
42. Ahoana no nanipihan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro io hevitra mikasika ny “olon’ny fankasitrahana’’ io?
42 Maro amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly no mampiharihary izany hevitra izany amin’ny fomba fandikany ireo teny notononin’ny anjely marobe tamin’ny nahaterahan’i Jesosy. Toy izao no nandikan’ny fandikan-tenin’i Segond ny Lioka 2:14: “Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny toerana avo indrindra, ary fiadanana etỳ an-tany eo amin’ny olona ankasitrahany!” Toy izao no nandikan’i Tricot io andalan-teny io, ao amin’ny fanontàna vaovao ny Baibolin’i Crampon: “Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny farany avo amin’ny lanitra ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olona mahazo sitraka aminy!” Toy izao io andininy io ihany ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema: “Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny farany avo amin’ny lanitra ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olona izay tiany!” Ny fandikan-teny vao haingana amin’ny fiteny hafa, dia mandika io teny io sahala amin’izany. Tsipihiny ny filazana fa ny fiadanan’Andriamanitra dia natokana ho an’ny olona izay ankasitrahany sy anehoany fankasitrahana.
43. a) Ahoana no nampihariharian’i Jesosy, tany Nazareta, fa naneho fankasitrahana tamin’ny Jiosy Andriamanitra? b) Inona no zavatra roa mifanohitra abaribarin’io faminaniana io?
43 Nandritry ny nivahiniany tetỳ an-tany, dia nampitodika ny sain’ny mpihaino azy Jesosy Kristy hahafantarany fa naneho fankasitrahana Andriamanitra tamin’izany, indrindra fa tamin’ny Jiosy izay tokony ho nanararaotra izany hamoram-pon’ Andriamanitra izany ka hahazo fitahiana mandrakizay avy amin’izany. Tao amin’ny synagogan’ny tananan’i Nazareta izay nanaovan’i Jesosy ny raharahan’ny mpandrafitra mandra-pahafenony telo-polo taona, dia natolotra azy ny bokin’ny mpaminany Isaia. Novakiny tao ny andalan-teny voalaza ao amin’ny toko faha-iraika amby enim-polo, andininy voalohany sy faharoa, izay nadika toy izao ao amin’ny Baibolin’i Crampon (1905): “Ny fanahin’ny Tompo, Jehovah, dia tao amiko, satria Jehovah nanosotra ahy hitory ny vaovao tsara amin’ny malahelo; naniraka ahy hitsabo ireo torotoro fo, hanambara fandefasana ho an’ny mpifatotra sy fiverenana amin’ny mazava ho an’ny mpigadra; hitory taonan’ny fahasoavan’i [fankasitrahan’i NW ] Jehovah ary andro famalian’ny Andriamanitsika.” Io faminaniana io dia mampiseho ny fahasamihafan’ny fahasoavana na fankasitrahan’i Jehovah, amin’ny famaliany; mampiseho izany fa tsy maneho ny fankasitrahany amin’ny olona rehetra Andriamanitra (Lioka 4:16-19). Amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” efa akaiky, na Haramagedona, dia haneho ny famaliany amin’izay rehetra nanohitra azy tamin’io ady io izy.
44. a) Araka ny Isaia 49:8, 9, iza no nanehoan’Andriamanitra ny fankasitrahany, taon-jato sivy ambin’ny folo lasa izay? b) Ahoana no nahatanterahan’ny tapany amin’io faminaniana, noho ny fankasitrahan’Andriamanitra?
44 Ny fankasitrahan’Andriamanitra dia nasehony tamin’i Jesosy Kristy Zanany, raha mbola tetỳ an-tany, toy ny olona izy. Nanambara izany mialoha ny faminanian’io, Isaia, arak’izao: “Izao no lazain’i Jehovah: Tamin’ny andro fahasoavana [fankasitrahana, New World Translation, fanontana tamin’ny taona 1958, fanazavàna erỳ ambany] no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao; niaro anao aho ka nampijoro anao ho fanekena ho an’ny olona, mba hanangana ny tany indray, sy hizara ny lova izay efa rava, ka hanao amin’ny mpifatotra hoe: ‘Mivoaha!’, ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: ‘Misehoa!’” (Isaia 49:8, 9, ACe). Noho ny fankasitrahana nasehon’Andriamanitra tamin’i Jesosy Kristy, Zanany mahatoky, izay nivavaka taminy mba hamonjeny azy, dia namonjy azy Andriamanitra Tsitoha tamin’ny nananganany azy tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Noho izany fitsanganany tamin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay any an-danitra izany, dia afaka nanatanteraka ny tapany amin’ny faminanian’Isaia, Kristy tafatsangana.—Hebreo 5:7-9.
45. a) Inona no azon’ny “olon’ny fankasitrahana’’ hifaliana? b) Ahoana no teny nanamafisan’ny apostoly Paoly izany ao amin’ny II Korintiana 6:1, 2?
45 Antony lehibe tokony hahasambatra izany, raha toa tiantsika ny ho anisan’ireo “olon’ny fankasitrahana’’ ka hahita fiadanana dieny izao sy amin’ilay ora farany amin’i Haramagedona. Mandritry ny fotoana fohy izay manelanelana antsika amin’io “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” io izay hanatanterahany ny famaliany ny fahavalony, dia mbola ao anatin’ny “fotoana fankasitrahan’Andriamanitra”, sy “andro famonjena” ihany isika, izay ahazoantsika manararaotra ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hamonjena antsika amin’ny fandringanana. Manintona ny saintsika ho amin’izany zavatra izany ny apostoly Paoly raha nanoratra toy izao: “Noho izahay miara-miasa aminy, dia mangataka aminareo koa mba tsy hanekenareo foana ny fahasoavan’Andriamanitra ka hanadinoanareo ny zavakendriny. Fa hoy izy: ‘Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao.’ Indro, ankehitriny indrindra no andro fankasitrahana. Indro ankehitriny ny andro famonjena.”—II Korintiana 6:1, 2, MN.
46. Arak’ireo tenin’i Paoly ireo, inona no tokony hataontsika, ary inona no ho vokatr’izany amintsika?
46 Taon-jato sivy ambin’ny folo lasa izay, dia naka io faminanian’Isaia (49:8) io ny apostoly Paoly ka nampihatra izany tamintsika. Vao maika tokony hahafaly antsika ireo teny ireo noho ny fotoana efa tena antomotra! Hanararaotra tsara ny fahasoavana asehon’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ve isika, raha mbola ao anatin’ny andro fankasitrahany? Antoky ny famonjena antsika izany.
AHOANA NO HAHAZOANA NY FANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA
47, 48. Ahoana no azon’ny olona atao hahatongavany ho “olon’ny fankasitrahana’’ toy ireo hafa an-hetsiny maro?
47 Amin’izao fotoana izao dia misy olona an-hetsiny maro avy amin’ny firenena sy fiteny sy foko samihafa ao amin’ny tany fantatra 194, fara-fahakeliny, tonga “olon’ny fankasitrahana”. Manao izay rehetra azony atao izy ireo mba hitanana ny sitraka avy amin’Andriamanitra. Ahoana no nahatonga azy ireo ho “olon’ny fankasitrahana”? Tamin’ny fanarahana ny fahendrena voatahiry ao amin’ny Baiboly masina. Izao no voasoratra ao amin’ny Ohabolana 8:35 (AC), momba ny fikatsahana ny fahendrena avy any an-danitra: “Izay mahita ahy dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah.”
48 Misy zavatra tokony hataontsika mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, satria izao no voalaza ao amin’ny Ohabolana 11:27: “Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mahazo sitraka [amin’Andriamanitra], fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’izany.” Tsy hoe tokony ho tonga batista isika, na metodista, na presbyteriana na mpanaraka ny iray amin’ireo fivavahana hafa ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, fa tokony ho tonga anisan’ny tena olon’Andriamanitra. Izany ihany no fomba hahazoana sitraka amin’ Andriamanitra, satria izao no nambaran’ny Salamo 149:4 (AC): “Fa sitrak’i Jehovah ny olony, ravahany famonjena ny mpandefitra.” Ny Salamo 147:11 (Je) dia milaza mazava toy izao: “Mankasitraka izay matahotra azy Iaveh, dia izay manantena ny fitiavany.” Raha tia antsika Jehovah, dia haneho ny fankasitrahany amintsika.
49. a) Inona no hikelezan’ny “olon’ny fankasitrahana’’ aina, amin’izao androntsika izao? b) Inona no fomba ampiasainy?
49 Ny tena “olon’ny fankasitrahana”, na izay manana fanantenana ny ho any an- danitra, na izay manantena hiaina eo amin’ny tany paradisa, dia miasa mafy amin’izao fotoana izao, mba hanampy ny olona izay te-hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Mitondra ny Baiboly amin’ny fiteniny ho azy ireo izy, ary koa boky natao hanampiana azy amin’ny fahafantarana ilay Boky masina sy hahalalany izay tadiavin’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy. Mba tsy hahavoatarika antsika amin’ny fitenenana avy amin’ny demonia, sahala amin’ny sahona, mivoaka avy amin’ny Dragona, sy ny bibi-dia ary ny mpaminany sandoka, dia ilaintsika ny fahendrena avy any an-danitra, voasoratra ao amin’ny Baiboly izay nosoratana tamin’ny tolo-tsain’ny fanahy masin’Andriamanitra. Amin’izany, ny “olon’ny fankasitrahana”, dia manompo an’Andriamanitra, ankehitriny, amin’ny fanaovana fampianarana ny Baiboly maimaim-poana, any an-tokantranon’ny olona tsara. Manasa ireny mpianatra ny Baiboly ireny izy mba hanatrika ny fivoriana atao ao amin’ny fikambanany, hahazoan’izy ireny mifanerasera amin’ny “olon’ny fankasitrahana”.
50, 51. Iza moa no tena “olon’ny fankasitrahana’’ amin’izao androntsika izao, ary iza no tahafiny?
50 Ny tena “olon’ny fankasitrahana” dia ireo izay nihavana tamin’Andriamanitra tamin’ny nanolorany tena ho azy tamin’ny alalan’i Kristy sady naneho ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao amin’ny rano. Nahatalanjona ny olona tokoa ny nahita azy ireo naroboka anaty rano, misy an-arivony no indray miaraka indraindray, toy izany, ohatra, ireo 7136 natao batisa tamin’ny Fivoriambe niraisam-pirenena, ho amin’ny sitrapon’Andriamanitra, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny lohataonan’ny taona 1958, tao amin’ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds tany New York.
51 Nahoana no natao batisa ireny olona ireny? Tsy noho inona, fa mba hanahafana ilay olon’ny fankasitrahana lehibe indrindra tamin’ireo nanompo an’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Naniraka ny mpianany handeha eran’ny tany rehetra Jesosy Kristy, mba hanaraka izao baiko izao: “Mandehana àry, ka manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny anaran’ny Zanaka ary ny anaran’ny fanahy masina, sady mampianatra azy hitandrina ny zavatra rehetra izay nandidiako anareo. Ary indro izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’ny fandehan-javatra.” (Matio 28:19, 20, MN). Tamin’ny nanekeny hatao batisa, dia nampiseho Jesosy fa nanolo-tena ho an’ Andriamanitra mba hanao ny sitrapony. Toy izany koa amin’izao fotoana izao, ny “olon’ny fankasitrahana”, mpitory voatokan’i Jehovah, dia mampiseho ampahibemaso ny fanoloran-tenany tanteraka ho an’Andriamanitra, amin’ny batisa.
52. Amin’ny toe-tsaina manao ahoana moa no iandrasan’ireny “olon’ny fankasitrahana’’ ireny an’i Haramagedona? Inona no fanambarana ataony, ary nahoana?
52 Noho izany, amin’ny maha-kristiana nanolo-tena sy vita batisa azy, dia miandry tsy amin-tahotra ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, dia Haramagedona, izay ho avy, izy ireo. Fantany fa ny zavatra izay ho tapahina amin’io ady farany io, dia mikasika ny fanapahana ny tany manontolo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mpanjaka sady Tompon’ny tompo. Sivin-jato sy arivo taona lasa izay, dia efa nahatsinjo mialoha ny hilàna ny fitarihana ny sain’ny taranaka ankehitriny, ho amin’izany zavatra izany Jesosy Kristy. Izany no nilazany tao amin’ny faminaniany momba ny fiafaran’izao fandehan-javatra izao hoe: “Hotorina amin’ny tany rehetra onenana ity filazan-tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena; avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Ny “olon’ny fankasitrahana” mpanompon’Andriamanitra, dia manaraka izany baiko ara-paminaniana izany nanomboka tamin’ny nahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny taona 1914, ary indrindra fa hatramin’ny niafaran’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny taona 1918. Arak’izany, dia efa nampandrenesina daholo ny firenena rehetra, indrindra fa ny ao anatin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana izay tia kokoa ny Firenena mikambana noho ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra.
53, 54. a) Arakaraky ny hitohizan’ny fitoriana, inona no ataon’ny olona mihamaro tsikelikely, ary tonga inona izy? b) Araka ny Ohabolana roa, dia ahoana no ahazoany sitraka amin’ny Mpanjaka efa nandray fiandrianana?
53 Ny “vaovao tsara” momba ny fijoroan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra sy ny nandraisan’ny Mpanjaka Mesiany ny fiandrianana, dia mbola hambara hatrany mandra-pahatongan’ny faran’izao fandehan-javatra voaheloka izao. Arakaraky ny hitohizana sy hitaran’ny fitoriana, dia mitombo tsikelikely ny isan’ny olona mihaino ny vaovao tsara, ka miasa arak’izany. Aleony mitady fihavanana amin’Andrimanitra, toy izay ho ringana miaraka amin’ny firenena ao Haramagedona.
54 Amin’ny fanolorany tena ho an’Andriamanitra sy ho an’ny asany, ary amin’ny fanehoany ampahibemaso izany fanoloran-tena izany amin’ny batisa ao amin’ny rano, dia mitady izay hahazoany sitraka amin’Andriamanitra ireny olona ireny. Efa eo an-dalan’ny fahatongavana ho “olon’ny fankasitrahana” izy. Mihevitra an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka vao nandray fiandrianana izy ireo, ary mandatsaka am-po ny teny nome-tsindrimandry, arak’ireto ohabolana ireto: “Ny fankasitrahan’ny mpanjaka dia amin’ny mpanompo malina.” “Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, ary izay miteny mahitsy no tiany.” (Ohabolana 14:35; 16:13). Amim-pahamalinana sy famakafakana no hahafantaran’ireny olona nanolo-tena ireny fa manana adidy hampiasa ny molony ho enti-manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra vao teraka izy, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. Amim-pankatoavana no andraisany anjara amin’ny fitoriana.
55. a) Ahoana no anehoan’ny “ondry’’ ny fitiavany ireo rahalahy ara-panahin’ilay Mpanjaka efa manjaka? b) Inona moa ireo “ondry’’ ireo, noho izy notahin’ny Rain’ny Mpanjaka?
55 Ireny olona oharina amin’ny ondry ireny, dia tia, tsy Jesosy Kristy Mpanjaka ihany, fa ireo rahalahiny ara-panahy koa, izay mbola misy sisa kely etỳ an-tany, mitarika ny asa fitoriana ny vaovao tsara. Maniry haneho ny fitiavany ny Mpanjaka ireny “ondry” ireny amin’ny fampisehoany hatsaram-po amin’ireo rahalahiny ara-panahy. Fantany fa azony atao izany, indrindra fa amin’ny fanampiany ny rahalahin’i Kristy ara-panahy, amin’ny fanatanterahana ny asa fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, dia miara-mandray anjara amin’izy ireo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy amin’ny fijaliana mihatra amin’ny vavolombelon’ny Fanjakana izy. Tsy handriny izay hahatongavan’ny andro hahavitan’ny fanambarana any amin’ny firenena rehetra, satria amin’izay dia hilaza aminy ny Mpanjaka hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao (...) Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto, no nataonareo tamiko.” Noho ireo “ondry” ireo notahin’ny Rain’ny Mpanjaka any an-danitra, dia heverin’Andriamanitra ho toy ny “olon’ny fankasitrahana” izy ireo. Izany no antony nametrahan’ny Mpanjaka azy eo an-kavanany.—Matio 25:31-40, MN.
56. Inona no hanjò ireo “osy’’ amin’ny adin’i Haramagedona, kanefa inona no lova ho azon’ny “ondry’’ voalahatra eo an-kavanan’ny Mpanjaka?
56 Amin’izay andro izay ny fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra oharina amin’ny osy, dia hiharan’ny famaizana, ny fanafoanana mandrakizay na fanesorana ny fiainana manontolo na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Ny olona mahitsy na “ondry” dia handray ny “fiainana mandrakizay” eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 25:46, MN). Mbola hanana ny “fiadanan’[Andriamanitra] eo amin’ny olon’ny fankasitrahana” ihany izy ireo. Efa tsinjon’Andriamanitra taloha elabe fa hisy olon’ny fankasitrahana toy ireny. Noho izany, hatramin’ny fanorenan’izao tontolo izao, enina arivo taona lasa eo ho eo izay, dia efa nanomboka nanomana izay ho azy ireo Andriamanitra. Manomana Paradisa ao amin’ny tany voadio ho azy ireo izy, eo ambanin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy, Zanany malalany. Ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, ny Mpanjaka dia hiaraka amin’ireo rahalahiny ara-panahy izay hiara-manjaka aminy sy hitahy ny olombelona rehetra. Fa ny tany voadio ho afaka amin’ireo tsy “olon’ny fankasitrahana”, amin’i Haramagedona, dia ho faritry ny Fanjakan’ny lanitra etỳ an-tany. Hanosika ny olona hidera sy hisaotra ny Fanjakan’Andriamanitra, ny toe-piainana kanto toy ny tao Edena, izay hisy etỳ an-tany. Fa Satana sy ny demoniany kosa tsy havela hanembatsembana izany fiadanana izany.
57. Amin’ny fanarahana fitsipi-pitondratena inona, no hahazoanao anjara amin’ilay Paradisa izay haverina indray etỳ an-tany?
57 Ho fonenana manan-daza sy milamina ho an’ny “olon’ny fankasitrahana” io Paradisa an-tany io, mandrakizay! Te-hiaina ao ve hianao ? Ho azonao hatao izany raha dieny izao hianao, dia manao izay handosirana ny fandringanana hihatra amin’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra, ao Haramagedona, ary koa raha manapa-kevitra amin’ny fonao rehetra fa ho tonga iray amin’ireny “olon’ny fankasitrahana” izay omen’Andriamanitra ny fiadanany ireny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “New York Times” tamin’ny 26 Oktobra 1961, tao amin’ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe: “Ny fanontaniana mipetraka ao Moscou”.
b “New York Times” tamin’ny 18 Oktobra 1959, tao amin’ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe: “Ny Lalan’ny fampihenana fitaovam-piadiana”.
c C. L. Sulzberger, tao amin’ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny “New York Times” tamin’ny 1 Jona 1960.
d Izao no nambaran’Atoa Johnson, filoham-pirenena ao Etazonia, tamin’ny kabariny fitokanana tamin’ny fisokafan’ny foara niraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 22 Avrily 1964: “Raha tsy afaka hanatanteraka ny foto-kevitra amin’ity foara ity, dia ny hoe—‘Fiadanana vokatry ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa’—isika, raha mbola tsy afaka hampiasa ny fahaizana sy ny fahendrentsika handresena ny fifampiandaniana ihany isika, toy ny nandresentsika ny siansa, raha izany dia hanjavona amin’ny fandrigamma ho avy ny fanantenantsika ankehitriny sy ny zava-tsoa vita rehetra izay hitantsika eto.
“Ambarako fa mety hisy ny fandriam-pahalemana, amin’izao taranaka misy antsika izao; mihoatra noho izany aza, dia milaza mialoha aho fa akaiky izany. Raha marina ny voalazako, dia hahita Amerika tena hafa dia hafa ny Foara Iraisam-pirenena manaraka ho hafa toy ny maha-samihafa an’i Amerika ankehitrinv sy izy tamin’ny taona 1939. (...)
“Tsy ho tanteraka izany nofinofy sy fanantenana izany raha tsy ao amin’ny tany tsy misy ady mananontanona (...).’’—“New York Times’’ tamin’ny 23 Avrily 1964, pejy faha-26.
e Toy izao no hita amin’ny fanazavana erỳ ambanin’ ny pejy ao amin’ny Baibolin’i Darby (1885): “Hoy ny Mandrakizay: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao.’’ Toy izao manaraka izao no ilazan’ny “Fandikan-teny Synodala’’ io andininy io ihany: “Izao no lazain’ny Mandrakizay: Nihaino anao tamin’ny fotoana ankasitrahana aho, ary namonjy anao tamin’ny andro famonjena.’’