Manompoa ny Andriamanitry ny fananganana amin’ny maty
1. Inona no tokony inoana ary ahoana no teny nanambanin’ny renin’i Samoela izany finoana izany?
ILAINA ny hahafantaranao izay efa fantatry ny kristiana rahateo: fa tsy afaka mamono afa-tsy ny tena ny olombelona; tsy afaka mamono ny fanahy izy(Matio 10:28). Nampanantena fitsanganana amin’ny maty i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Teniny voasoratra. Tamin’ny andron’i Nebokadnezara, dia nanana sombiny tamin’ny Soratra Masina ny Jiosy ka nino izany. Ary isika kosa dia manana ireo Soratra ireo ihany, ary mbola marina mandrakariva izy ireo. Nahafantatra ny fampianaran’ireo razany hebreo ny naman’i Daniela telo lahy. Ohatra anankiray, fantany fa Hana renin’ny mpaminany Samoela dia nanambara hoe: “Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah fa tsy misy afa-tsy Hianao no Andriamanitra, ary tsy misy vatolampy tahaka an’Andriamanitsika. (...) Jehovah no mahafaty sy mahavelona, Izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsy hita ary mampitsangana.” — I Samoela 2:1, 2, 6 , AC.
2, 3. Moa mba nino izany fiainana ho avy izany va ireo olona nahatoky tamin’ny fotoana tany aloha?
2 Izay mino ny Tenin’Andriamanitra dia mahalala fa Andriamanitra dia manana fahefana hamoaka antsika avy ao amin’ny Sheola na ny fasan’ny olombelona. Zavatra tsy vitan’ny olombelona izany. Nino fa hisy ny fananganana amin’ny maty, ireo Hebreo telo lahy. Noho izany, ny maty martiora tao anaty lafaoro mirehitr’afo, taminy dia matory ao amin’ny fahafatesana mandritra ny fotoana izay tsy fantatra ny halavany, hiandry ny fananganana amin’ny maty. Fantany tsara ny fitsapana mafy nahazo an’i Joba ary tokony ho tadidiny ireto teny nambarany ireto: “Iza no hanafina ahy any amin’ny sheola [ny fasana] ka hampierenao ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao, ary hanendry fetr’andro ho ahy mba hahatsiarovanao ahy?” (Joba 14:13, Li). Tsy natahotra ny hidina ho any amin’ny sheola na ny fasana i Joba, satria fantany fa amin’ny ora voatendry ary araka ny fampanantenany, Andriamanitra dia hanangana ny maty. Nanambara tamin’i Abrahama Jehovah fa avy amin’ny alalany sy ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany. Nefa, amin’ny fomba ahoana moa no hahazoan’ny firenena mandray izany fitahin’Andriamanitra izany, raha tsy natsangana amin’ny maty izy? Tahaka ireo olona marina izay mianatra ny Baiboly ankehitrio, Abrahama, Joba sy ireo Jiosy telo lahy dia nahalala fa ny fasana no toerana izay halehin’ireo maty, ary ireo maty ireo dia mitoetra ao anatin’ny tsi-fahatsiarovan-tena. Izany no nahatonga an’i Davida hanoratra hoe: “Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana, any amin’ny sheola iza no hidera Anao?” (Salamo 6:5, Li). Ankoatr’izany, ny Baiboly dia milaza hoe: “Mandrenesa izao, ry firenena rehetra, mihainoa, ry mponina amin’izao tontolo izao, (...) ny sheola no fonenany.” “Hovonjeko ho afaka amin’ny Sheola va izy ? Havotako tsy ho azon’ny fahafatesana va izy?” (Salamo 49:2, 15, Li; Hosea 13:14, Li. Arivo taona taorian’ny nahafatesan’i Davida dia fantatry ny apostoly Petera fa mbola ao anatin’ny fasana izy, matory ao amin’ny fahafatesana eo am-piandrasana ny fananganana amin’ny maty. Vakio amin’izany ny Asan’ny Apostoly 2:29, 34, 35 ary ny Hebreo 11:25.
3 Natoky i Davida fa hanavotra azy amin’ny fasana ny Andriamaniny, dia Jehovah izany. Nataon’i Jehovah ho azo tanterahina ny fananganana amin’ny maty tamin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy Kristy izay nanolotra ny tenany ho avotra ho an’ny rehetra (I Timoty 2:5, 6). Amin’ny ora voatendry dia hitsangana amin’ny maty Davida sy ireo olona arivo tapitrisany hafa, ao anatin’izany: Daniela sy ireo Hebreo telo lahy; hitsangana izy ireo ka hiaina ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, aorian’ny adin’i Haramagedona. Ireto no teny farany ao anatin’ny bokin’ny faminaniana nosoratan’i Daniela: “Ary hianao, mizora ho amin’ny fiafarana, ka mialà janona, fa ho tafatsangana handray ny lovanao hianao, amin’ny fahataperan’ny andro.” (Daniela 12:13, Jé). Daniela sy ireo Hebreo telo lahy dia nahafantatra fa raha mbola velona koa ny aina dia tokony hanaraka ity toro-hevitra tsara dia tsara ity: “Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy mandritry ny fiainanao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny sheola izay alehanao (Mpitoriteny 9:10, Li). Fantany ny toetry ny maty ary fantatry ny kristiana ankehitriny koa izany. Nahalala ny faminanian’Isaia ireo Hebreo telo lahy ireo, izay nahatonga azy hanana fanantenana raha natsipy tao anatin’ny lafaoro mirehitr’afo; torak’izany koa, Daniela sakaizany raha natsipy tao an-davaky ny liona izy. Efa namaky ireo tenin’i Jehovah izy: “Fa indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka tsy ho tsarovana intsony ny zavatra taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17). Mivavaka ny kristiana mba hahatongavan’io andro io rehefa miteny hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Amin’izay andro izay dia haverina amin’ny toetry ny paradisa tany Edena, ny tany ka hitsangana ny maty.
4. Inona no fanamarinana nomen’i Jesosy ho antsika momba ny fananganana amin’ny maty?
4 Nahazo fanamarinana tamin’ny tenin’i Jesosy ny kristiana fa hisy ny fananganana ny maty: “Aza gaga amin’izany hianareo, fa ho avy ny ora izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana-fahatsiarovana ny feony, dia hivoaka izy avy ao: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana, fa izay nanao ratsy dia ho any amin’ny fitsanganana ho fitsarana.” (Jaona 5:28, 29, MN). Rehefa hatsangana amin’ny maty ireo hebreo telo lahy nahatoky ireo ho ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, dia ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, dia tsy isalasalana fa hanao ny tsara izy mandritra ny fanjakan’i Jesosy Kristy. Amin’ny manaraka, raha mitohy amin’ny fanolokoloany ny finoany izy ka mampiseho fahatokiana hatrany an’i Jehovah Andriamaniny, dia handray ny fahatanterahan’ny teny fikasana avy tamin’ Andriamanitra. — Hebreo 11:34, 39, 40.
5, 6. a) Araka ny Asan’ny Apostoly 24:15, hanao ahoana ny velaran’izany fitsanganana amin’ny maty izany? b) Mandritra ny fotoana toy inona no mety anomezan’Andriamanitra alalana izay nitsangana tamin’ny maty hanao ota, ary inona no ho anjaran’ny mpanota toy izany ?
5 Hanao ahoana no ivelaran’ny fananganana amin’ny maty noresahin’i Jesosy raha nambarany fa, “ny olona rehetra izay ao amin’ny fasana-fahatsiarovana dia handre ny feony ka hivoaka”. Miharihary fa ho lehibe izany, satria ny apostoly Paoly koa nanambara hoe: “Manantena amin’Andriamanitra aho izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:15, MN). Kanefa moa va izany milaza fa ireo izay manao ny ratsy aorian’ny fananganana azy amin’ny maty, dia mbola hahazo hiaina ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao? Ny Soratra Masina dia mampiseho mazava fa izay tsy manaiky hiova, ka hanao ny tsara rehefa natsangana eto an-tany dia ho fongorana fotoana fohy aoriana. Na izany aza, dia hanana fotoana hianarana ny fahamarinana izy ireny mba hahafantarany ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fampianarana izay hatondraka eo aminy.
6 Isaia, izay nanoratra hoe: Jehovah hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao, dia nilaza koa ny hafohezan’ny andron’ny mpanota eo anoloan’ny fiainana mandrakizay. Naminany izy hoe: “Fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza dia hahatratra zato taona vao hozonina.” (Isaia 65:20, AC). Tsy maintsy ho tonga izany araky ny nambaran’i Jaona apostoly dieny mialoha, amin’ny fahitany hoe: “Ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy, dia samy notsaraina tsirairay araka ny asany izy.” (Fanambarana 20:13, MN). Raha toa ny asany miampanga fa tsy manam-pinoana ny sasany amin’ireny olona ireny, ao amin’ny “tany vaovao”, ka tsy tia ny fahamarinana ary milady hanao ny ratsy, dia ny farihy afo sy solifara no ho anjarany. Izany dia ny fahafatesana faharoa.—Fanambarana 20:14, 15, MN; Jaona 5:29.
7. Inona avy no fotoana omena ireo natsangana tamin’ny maty, azony araraotina, alohan’ny hanamelohana ny sasany aminy, ho amin’ny fandringanana mandrakizay ?
7 Noho izany, dia azo ambara fa, ireo izay tsy mankasitraka ny hahazoany mandray anjara amin’ny fiainana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao izay hanjakan’i Kristy, dia tsy havela ho velona ao mandrakizay tsy akory. Ho tsy maintsy mandroso eo amin’ny lalana tsara daholo ireo olona hivoaka ny fasana, na antitra izy na tanora teo am-piandohana, rehefa nampahafantarina azy ny zavatra hitranga sy ny fepetry ny fiainana tsy maintsy hekena eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Aorian’ny fotoana nahafantarany ny Tenin’i Jehovah, ka nahalalany ny vokatry ny fahotana nahazo ny taranak’olombelona nandritra ny enina arivo taona, ary nahafantarany fa ny sorona fanavotana natolotr’i Jesosy Kristy ihany no alalana tokana hahazoany ny fiainana mandrakizay; raha tsy mety handray ny fiainana arak’ireo fepetra ilain’i Jehovah izy ireny aorian’izany rehetra izany, dia ho voaheloka ho amin’ny fandringanana mandrakizay. Noho izany, no hahatonga ny fananganana azy ireo amin’ny maty ho “fitsanganana ho fitsarana”, satria ho nanao ny zava-dratsy izy.
8. Ahoana no fomba mety ahitan’ireo maty ankehitriny tombon-tsoa, raha manomboka miala amin’ny fanao ratsy rehetra izy dieny amin’izao fotoana ankehitriny izao?
8 Ny olona izay nifankazatra tamin’ny Tenin’Andriamanitra nandritra izao fiainana ankehitriny izao, ka nanomboka niendaka tamin’ny fanao ratsin’ny fandehan-javatra maloto ankehitrio, dia handroso moramora kokoa rehefa hitsangana amin’ny maty. Marina tokoa fa hanana ny fahazotoana hanao zavatra tsara hatrany izy ireny ary hiezaka mandrakariva ho mendrika ny fananganana azy izay natao hoe: “fitsanganana ho fiainana”.
FANDAHARAM-PAMPIANARANA
9, 10. a) Ahoana moa no hianaran’ireo hitsangana amin’ny maty ao amin’ny fanjakan’i Kristy mandritra ny arivo taona, ny fepetra nataon’Andriamanitra arahina? b) Inona no fomba ampisehoan’i Jehovah ny faharetana ananany, ny amin’izany?
9 Fandaharam-pampianarana lehibe tokoa no hajoro, eo ambanin’ny fanjakan’i Kristy mandritra ny arivo taona. Izay rehetra mivoaka avy tao amin’ny Sheola na ny Hadesy dia ho tolorana alalana hianatra, kanefa ny sasany aminy hiseho tsy ho azo ahitsy ka handà ny fanompoana madio. Ny tenany ihany no ho tompon’andraikitra amin’izany. Na izany aza dia hanana fotoana hifidianany izay tiany izy: na ho fiainana na ho fitsarana tsy hisy fankasitrahana. Izay hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra ihany no hahazo ny fiainana. Aza adinoina ilay faminanian’Isaia hoe: “Ary ny mpanota aza, dia haharitra zato taona vao hozonina.” Misy hilaza angaha fa ho lava loatra ny zato taona hamantarana ny fahatsarana na ny faharatsian’ny olona iray. Kanefa manana faharetana Jehovah.
10 Hoy ny Soratra Masina: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy. Eny, fa na dia manao ratsy in-jato aza ny mpanota ka mifikitra amin’izany, dia fantatro kosa fa hisy fahasambarana ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, satria matahotra eo anatrehany izy. Fa tsy ho an’ny ratsy fanahy ny fahasambarana ary tsy hampitombo ny androny toy ny aloka izy satria tsy matahotra an’Andriamanitra.”—Mpitoriteny 8:11-13.
11. Ahoana no fomba hahazoan’ny olona mampitombo ny androny eo amin’ny fandehan-javatra vaovao? Inona no anjaran’ny mpanota latsa-paka ary rahoviana no hiharan’ny fitsarana aminy fara-fahaelany?
11 Tokony ho tahatahaka izany no fitsipi-pitondrana mandritra ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa raha te-hampitombo ny androny ny olona, dia tsy maintsy hanao ny tsara. Izay hanao zava-dratsy, hatrany am-piandohan’ny fiainany, izany hoe alohan’ny hahafeno zato taona ny tenany, dia hiharihary fa mpanota tena latsa-paka. Hipoaka amin’ireny mpanota ireny ny fitsaran’Andriamanitra amin’ny ora hofidin’Izy irery ihany. Koa na tratra zato taona aza ny sasany, dia ho lazaina maty tanora ihany izy. Tsy azontsika atao ny manome izay fe-potoana marina hamelana ireny mpanota ireny hanohy ny zava-dratsy fanaony; azo heverina fotsiny fa ho lavalava ihany izany fotoana izany mba hisehoan’ny tsi-fitiavany hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Fa marobe no tsy hiseho ho mpikomy sy ratsy akory, alohan’ny faran’ny arivo taona rehefa hivaha ny fatoran’i Satana hizahany toetra ny olona rehetra ety ambonin’ny tany mandritra ny fotoana fohifohy (Apokalypsy 20:7-10). Izay haharitra amin’ny tsara dia hiaina hatrany amin’ny faran’ny arivo taona. Raha mijoro tsara amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra izy ireny eo amin’ny fitsapana farany, dia ho isan’ “izay nanao ny zavatra tsara” ary ho “fitsanganana ho fiainana” no ho fitsanganany. — Jaona 5:29, MN.
12, 13. Koa inona ary ny lalam-pahendrena amin’izao fotoana izao, ary nahoana no maha-zava-dehibe ny fanarahana ny toro-marika voalaza ao amin’ny Fanambarana 18:4, 5?
12 Koa raha izany, inona no tombon-tsoa hizàrana amin’ny ratsy ka hiarahana mamindra amin’ny fandehan’ny toe-javatra ankehitrio izay ho rava, eo amin’ny adin’i Haramagedona? Tsy tsaratsara kokoa ve, tsy aleo ve mifankazatra amin’ny Tenin’ Andriamanitra ka hianatra azy isan’andro hahazoanao mamaly ny fiantsoana anao handray anjara amin’ny fanamarinana ny anarana sy ny Tenin’Andriamanitra? Hoy Paoly: “Miara-miasa aminy koa izahay ka mangataka aminareo mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra natolotra anareo tsy noho ny fahamendrehana, ka tsy hahatratra ny marika napetraka. Fa hoy izy: ‘Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao.’ Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana. Indro, ankehitriny no andro famonjena.” — II Korintiana 6:1, 2 , MN.
13 Amin’izao fotoana izao dia heverin’ny olona betsaka fa moramora kokoa sady tsara ny manaraka ny fikambanana ao anatin’ny fivavahan-diso, izay mandrisika azy hifangaro amin’ny fanjakana ka hivavaka aminy aza. Ny Tenin’Andriamanitra voasoratra anefa dia manambara hoe: “Mivoaha aminy hianareo, ry oloko, raha tsy te-hiombon-keloka aminy ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika amin’ny lanitra ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” — Fanambarana 18:4, 5 , MN.
14. Na dia an-tapitrisany aza ny olona mandre ny fahamarinana, ahoana no fihetsiky ny maro aminy, ary iza ireo olona tamin’ny andron’i Jesosy nihemotra toy izany ?
14 Miharihary fa izao ankehitriny izao no tokony handaozana an’i Babylona Lehibe, ilay fanjakan’ny fivavahan-diso. Raha tsy te-ho isan’ireo hiharan’ny fandringanana hataon’Andriamanitra amin’ny fivavahan-diso hianao, dia mandosira! Olona an-tapitrisany maro no nahita fotoana, hihainoana ny hafatra ankehitriny, momba ny Fanjakan’Andriamanitra ary amporisihina izy ireny hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Kanefa ny ankamaroany dia mandà ny hafatra ho toy ny zavatra kely vidy. Nitory nandritra ny telo taona sy tapany i Jesosy ary naniraka ny mpianany hitory koa. Fa hianao kosa, mitandrema sao hiharan’ny nahazo ny mponina tany Korazina sy Betsaida ary Kapemaomy; fa nanana tombon-tsoa handre ny fahamarinana ireny, kanefa nandà hanova ny fombam-pitondrantenany. Nety ho tonga mpianatr’i Jesosy izy, kanefa tsy nihaino ny antso ka nahavery ny tombon-tsoa nivelatra teo anoloany ho tonga mpikambana eo amin’ny Fanjakana any an-danitra.
15. Fanambarana inona nataon’i Jesosy no hita ao amin’ny Matio 11:20-24?
15 Misokatra eo anoloanao koa anio, ny fotoana mety hahatonga ho mpianatr’i Kristy anao, ho tena kristiana marina, afaka handray anjara amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Vakio kely ny Matio 11:20-24, dia ho hitanao ao ny vokatry ny fitondrantenan’ny tsirairay, araky ny voalazan’i Jesosy. Nambarany fa amin’ny fananganana amin’ny maty, ny mponina tany Tyro sy Sidona ary Sodoma izay tsy mba nanana tombon-tsoa mihitsy handre ny fitorian’i Jesosy dia hahita fitia kokoa ka hanana toerana tsara kokoa noho ireo tany Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy, toerana izay nitorian’i Jesosy. Tao amin’ireo tanàna telo ireo no namitan’i Jesosy ny asany mahery, kanefa tsy nampisy fibebahana taminy izany hahatonga azy ho mpianany. Inona anefa no ho avy amin’ny fananganana amin’ny maty, rehefa miverina daholo ireny olona ireny, tahaka ilay jiolahy nilazan’i Jesosy hoe: “Hihaona amiko any am-paradisa hianao.” Namaly izany fanontaniana izany sahady Jesosy raha niteny tamin’ny mponina tao Korazina sy Betsaida, toy izao: “Fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny Andro Fitsarana noho ny ho aminareo.” Ary nambarany mazava tamin’i Kapernaomy hoe: “Ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny Andro Fitsarana noho ny ho aminao.”—Matio 11:22, 24, MN.
16. Inona no tokony ho fantarina amin’ireo tenin’i Jesosy ireo?
16 Arak’izany fanambaran’i Jesosy izany, dia toa hibebaka moramora kokoa ny mponina tao Tyro sy Sidona ary Sodoma noho ireo Jiosy izay vavolombelon’ny asa lehibe nataon’i Jesosy teo amin’ny tanànany; hahalala hanenina ny ratsy vitany izy ka hanaiky ny fepetra tsy maintsy arahina ny amin’ireo mponina ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana sy ny olona sasany miaina amin’izao taon-jato faharoa sasany miaina amin’izao taon-jato faharoapolo izao? Inona no fanampoizana mivelatra eo anoloany?
VOKATRA AZO TAMIN’NY FIZARANA FAMPIANARANA MAHAVELONA
17, 18. Manao ahoana ny fitatry ny asa araka ny tena marika voaray tamin’ny roa-polo taona farany teo? Ary manao ahoana no nanehoan’ny vavolombelon’i Jehovah ny fahatokiany sy ny fandavan-tenany, amin’ny fanatanterahana ny asa nomen’Andriamanitra hataony?
17 Mbola tsy nisy fitoriana ho vavolombelon’ny Fanjakan’Andriamanitra toy ny tamin’ny roa-polo taona farany teo, na oviana na oviana teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Tamin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy Kristy no nanambaran’i Jehovah ny hitoriana “ity filazantsaran’ny fanjakana ity”. Nandray izany andraikitra izany ny vavolombelon’i Jehovah ka nitory izy. Roapolo taona lasa izay dia 128.976 monja no mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana teo amin’izao tontolo izao, voavory tao anatin’ny fikambanana 6.727 izay niely patrana tamin’ny tany 62 samihafa. Tamin’ny taom-piasana 1964 teo kosa, dia nisy 1.075.523 no isa ambony indrindra tratra. 194 samihafa no tany nitorian’ireo vavolombelon’i Jehovah ireo. Nandany 162.808.312 ora izy tamin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana” ary ny Bokin-Andriamanitra misy ny fahamarinana, ny Baiboly masina, no fiasana teny an-tanany nanampy azy. Ankoatr’izany, dia nanao fitsidihina vaovao ny olona hita mangetaheta fanampiana, nahatratra 55.954.267 koa izy no sady nanao fampianarana ny Baiboly any an-tokatrano 741.367.
18 Mba hanampiany ny olona hahafantatra bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra, dia 4.553.282 no boky voaeliny ary 13.181.871 kosa no boky kely any am-pelatanan’ireo nankasitraka tamin’ny fandalovan’ny vavolombelon’i Jehovah. Nahazo famandrihana 1.551.436 tamin’ny gazety La Tour de Garde (Ny Tilikambo Fiambenana) sy ny Réveillez-Vous!, ary ambonin’izany dia nampiely 127.055.165 amin’ireo gazety ireo izy. Tamin’ny taon-dasa iny ihany dia namoaka 11.194.768 tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy 104.003.980 tamin’ny Réveillez-Vous! ny fanontàna printin’ny Fikambanana.
19. Ahoana no nampisehoan’ny olona marobe ny fankasitrahana ny hafatry ny Baiboly?
19 Maro ny olona nihaino ny hafatra. Ny porofo dia izay niseho tamin’ny asabotsy 28 Marsa 1964, fa olona 1.809.476 no nivory tamin’ny fikambanana 23.483 eran’izao tontolo izao hankalaza ny nahafatesan’ny Tompo, kanefa 11.953 monja tamin’ireo no nandray anjara tamin’ny marika famantarana hahalalana fa mpikambana amin’ny sisa tavela amin’ny vadin’i Kristy izay mbola eto an-tany izy. Ny rapaoron’ny tany samihafa teto amin’izao tontolo izao dia aseho amin’ny andinidininy eo amin’ny pejy faha-234-237.
20. a) Inona no fanavaozana mitranga amin’ny fiainan’izay miala amin’ny Babylona? b) Iza no tsy maintsy tiany ho tahafina, ary inona no antony?
20 Mazava amin’izany fa, olona an’arivony no nandao an’i Babylona Lehibe. Eo am-pandosirana tokoa ny olona. Tsy te-hiandry ny Andron’ny Fitsarana izy vao hanapa-kevitra, na hanompo an’Andriamanitra na tsia. Raha mikenona loatra ny fihetsiny dia mety ho tratry ny fandringanana an’i Babylona izy ka ho voaringana mandrakizay miaraka aminy. Izany no hihainoany ny filazantsara mandrakizay ka hiasany arak’izany antony izany. Mandray anjara amin’ny asam-pitoriana izy. Olona 68.236 no nandray batisa tamin’ny taon-dasa hampisehoany ny fanolorany ny tenany hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Te-hitory araka ny modelin’i Kristy ireo vao vita batisa ireo. Koa nibebaka izy ka niamboho ireo fanaony ratsy teo aloha. Tsy te-hitovy amin’ireo mponina tany Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy izy, izay hananosarotra kokoa amin’ny fivoarana ho tsara noho ireo mponina tany Sodoma sy Gomora, aorian’ny fananganana amin’ny maty. Taon-jato sivy ambin’ny folo lasa izay, raha tetỳ an-tany i Jesosy, dia nanana toetra nikomy izy ireo ary mety mbola ho ratsy kokoa noho izany aza, ireo mponina tamin’ireo tanàna telo ireo, rehefa ho tafatsangana amin’ny maty, ary tsy haha-faly azy akory ny toe-piainana hanjaka. Kanefa tsy hanembatsembana ireo te-hanao ny tsara izany fa hiezaka hanao izay hahamendrika ny fananganana azy tamin’ny maty, avy tao amin’ny fasam-pahatsiarovana ho fananganana ho amin’ny fiainana izy.
21. Ho toy inona no fiaimpiainan’ny mpanota ary inona no vokany eo aminy?
21 Ireo izay hankasitraka ny fiverenany amin’ny fahavelomana kosa dia hanao izay azony hanampy ireo tsy mba nandre ny Zanak’Andriamanitra fahiny, sy ireo tsy nahalala mihitsy an’i Jehovah. Kanefa ny mpanota izay manao ratsy, in-jato na imbetsaka arak’izay tian’ny fony dia tsy mahazo mandingana ny fetra iray, satria raha manota izy dia hahafohy ny androny. Ho tahaka ny aloka ny androny ka ho levona ao amin’ny fahafatesana faharoa izy.
22, 23. Inona no lalam-pahendrena ho antsika na dia misy fanoherana aza, ary nahoana no azontsika atao ny mamaly “eny” ny fanontaniana hoe: “Ny fanompoana an’Andriamanitra va mialoha ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao?”
22 Betsaka ny asa tokony atao ankehitriny, ary noho ny fahasoavan’Andriamanitra tsy hita ho lazaina zarainy, dia naniry hanao izany asa fitoriana ny vaovao tsara hatraiza hatraiza izany, ny vavolombelon’i Jehovah. Ankehitriny izao no fotoanan’ny famonjena. Dieny izao ankehitriny izao hianao no tokony hifidy toy ny nataon’izy telo lahy Hebreo sahy nanandrina an’i Nebokadnezara hoe: “Tsy hanompo ny andriamanitrao izahay.” (Daniela 3:18, NC). Manahafa ireo apostoly izay nanaraka ny dian’i Jesosy Kristy. Tamin-kerim-po no nitenenany hoe: “Andriamanitra no tokony hekenay ho filoha noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 5:29, MN.
23 Izay rehetra mandre ny vaovao tsara mandrakizay dia tokony hifankazatra amin’ny Tenin’Andriamanitra, hianatra azy ary hitory izany “amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny ary ny olona rehetra, hanao amin’ny feo mahery hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, satria tonga ny Andron’ny Fitsarany ary mivavaha amin’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano’”. (Fanambarana 14:6, 7, MN.) Tsy fotoana hanemorana ny fanapahan-kevitra hanompoana an’Andriamanitra izao, noho ny tahotra, na ny fanerena samihafa, na ny fanenjehana, na ny fanoherana, na ny latsa na ny eso, na ny antony hafa maro. Tokony hahatsiaro ny tenanao ho matanjaka eo amin’i Jehovah hianao ka ho vonona hanao ny sitrapony. Mialoha ny zavatra rehetra ve ny fanompoana an’Andriamanitra, eo amin’ny fiainanao? Raha “eny”, dia afaka hilaza amin’izao tontolo izao hianao fa: “Tsy hanompo ny andriamanitrao izahay, ary (...) tsy handohalika eo anoloan’ny tsangambato volamena izay natsanganao.’’ Afaka hiteny tsara izany hianao satria tsy hatahotra “ireo izay mamono ny tena nefa tsy afaka hamono ny fanahy”; “Izay afaka mamono ny tena sy ny fanahy ao amin’ny Gehenaa” no hatahoranao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ity lohateny mikasika ny fitsanganana amin’ny maty ity dia mbola ho dinihina amin’ny andinidininy ao amin’ny lahatsoratra dimy izay haseho amin’ny pejin’ny “Tilikambo Fiambenana” amin’ny manaraka.
[Tabilao, pejy 234-237]
RAPAORIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ERAN’IZAO TONTOLO IZAO TAOM-PIASANA 1964
(Jereo ny gazety)