Fizarana faharoa
1. Inona no atao hoe Gehena tamin’ny andron’i Jesosy, ary famaizana toy inona no noharina taminy?
INDROA ambin’ny folo no voateny ny Gehena na ny lohasahan’i Hinoma ao amin’ny Soratra grika kristiana. Gehena dia lohasaha tao ivelan’ny tambohon’i Jerosalema, nisy afo nirehitra lava, tamin’ny fotoana naha-tety an-tany an’i Jesosy Kristy. Nanjary nentina anoharana ny sazy mafy indrindra mety hihatra amin’ny olona anankiray izany. Ohatra iray azo raisina, izay nolazain’i Jesosy tao anatin’ny Tori-teny teo ambony tendrombohitra, araka ny Matio 5:22, MN: “Fa izaho milaza aminareo hoe: na zovy mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny dia tokony hampamoahina eo amin’ny fitsarana; ary izay manao teny tsy mendrika amin’ny rahalahiny hanao tsinontsinona azy [Raca] dia miendrika hohelohina amin’ny Fitsarana Ambony; fa izay manao hoe: ‘Foka ialahy!’ dia miendrika hohelohina ao amin’ny Gehena mirehitra afo.” Arak’izany, Jesosy dia nampiseho ny “Gehena mirehitra afo” ho ny famaizana fahatelo, dia ny sazy mafy indrindra. Marina tokoa fa izay olona milaza ny rahalahiny ho foka tsy misy antony dia voaheloka ho any amin’ny Gehena mirehitra afo ary hovonoina, nefa tsy halevina akory ao ambanin’ny tany. Nodorana tao amin’ny afon’ny Gehena ny fatiny nefa tsy notahirizina akory tamin-javatra ny lavenony. Koa tsy mba nolazaina fa nidina any amin’ny Hadesy izy akory.
2, 3. Inona no lazain’ny Matio 5:29, 30 momba ny fatin’ny mpanota?
2 Nasehon’i Jesosy fa ny fatin’ny mpanota dia natsipy tao amin’ny Gehena, toy ny tao anaty lafaoro iray fandoram-paty tamin’ny ady (atao hoe: four crématoire), eo amin’ny andininy vitsivitsy aoriana kely, ao amin’io Toriteniny teo an-tendrombohitra io ihany. Izao no nambaran’i Jesosy, arak’izay nosoratan’i Matio 5:29, 30 (MN):
3 “Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario lavitra anao. Fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ny Gehena. Ary koa: raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho izy, ka ario lavitra anao [fa tsy hoe: ampangirifirio izy]. Fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa any amin’ny Gehena.”
4. Hevitra manao ahoana no nampiasan’i Jesosy ny teny “Gehena’’? Ary inona no manamarina izany?
4 Mamela antsika hahatakatra izay tian’i Jesosy ho lazaina io fanambarana io, raha nanao fanoharana ny amin’ny Gehena tao ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema izy. Tsy tiany ho lazaina akory fa tokony ho loaran’ireo mpianany ara-bakiteny ny masony na ho tapahiny ny tanany. Ny zavatra toa saro-bidy mety hamporisika antsika hanota amin’ny maso sy ny tanana no nolazainy tamin’izany. Koa raha ara-panoharana no tokony andraisana ny maso sy ny tanana, dia tokony ho arak’izany koa ny amin’ny Gehena.
5. Inona no nampifanoherin’i Jesosy amin’ny Gehena ara-panoharana, araka ny Matio 18:8, 9?
5 Amin’ny toeran-kafa dia nampifanoherin’i Jesosy amin’ny hoe: “miditra amin’ny fiainana” ny hoe: “atsipy (...) ao amin’ny Gehena”. Ahazoana an-tsaina tsara izany fa ny Gehena an-ohatra dia toerana tsy misy fiainana. Koa arak’izany no nilazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:8, 9 (MN) hoe: “Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao ,tapaho izy ka ario lavitra anao, fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana, noho ny manana tanana roa sy togotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay. Ary raha ny masonao koa no manafintohina anao, loary hiala izy hario lavitra anao [fa tsy hoe: ampangirifirio]; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny mana-maso roa, nefa hariana any amin’ny Gehena mirehitra afo.” Fa ao amin’io Gehena mirehitra afo io mantsy no irehetan’ny “afo mandrakizay” ara-panoharana.
6, 7. a) Inona koa no tao amin’ny Gehena akaikin’i Jerosalema, an-koatry ny afo? b) Ahoana no anamafisan’i Jesosy izany hevitra izany, araka ny teny ao amin’ny Marka 9:43-48?
6 Nampahatsiahivin’i Jesosy teo koa fa ao amin’ny Gehena tao ivelan’i Jerosalema, dia nisy kankana na olitra tamin’ireo nofom-biby na olona mihalo sy ny antontan-javatra maimbo teny an-tsisin’ny afo, fa tsy tao anatin’ny afo tsy akory. Tsara ny manamarika fa tsy ny kankana izay mikiky ny faty ao am-pasana akory no lazaina amin’izany. Kankana toy ireo voalaza fa namely ny mpanjaka Heroda Agripa voalohany no lazain’i Jesosy eo ary izao no teny anambaran’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly an’izany (12:23, NM): “Ary niaraka tamin’izay dia namely azy ny anjelin’i Jehovah, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty.” Ny teny grika hoe: (skôlêx) ihany koa no nampiasain’i Jesosy tamin’izao fanambarana manaraka izao:
7 “Ary raha sanatria ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa ho any amin’ny Gehena, any amin’ny afo tsy mety maty. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongorta roa nefa hatsipy any amin’ny Gehena. Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, fa tsara ho anao ny hiditra amin’ny maso tokana amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny Gehena, any ny kankana [skôlêx] tsy mba maty ary ny afo tsy vonoina.” — Marka 9:43-48, MN; Isaia 66:24.
8. Toerana manao ahoana ny Gehena, ary ahoana no filazan’ny Encyclopédie-n’ny Baiboly anankiray, ny momba azy?
8 Koa arak’izany, raha misy faty iray atsipy ao amin’ny Gehena ao ivelan’ny tambohon’i Jerosalema, ka tsy kila ao anatin’ny afo mirehitra amin’ny solifara, dia tsy maintsy ho lanin’ny olitra foy avy amin’ny atodin-danitra mitangorona aminy rehefa mihasimba izy. Toeran’ny fandringanana tanteraka izany ny Gehena. Natsipy tao ny fatin’ireo noheverina ho tsy mendrika ny fasam-pahatsiarovana na ny fasana manokana misy tsangambato voasoratra. Indro misy fanambarana hita ao amin’ny Encyclopedien’ny Baiboly nosoratan’i M’Clintock sy Strong (tamin’ny teny anglisy), boky faha-III, pejy faha-764, ny amin’ny Gehena:
Nolotoin’i Josia ilay lohasaha noho ireny zava-maloto natao tao ireny (II Mpanjaka 23:10); ka nanjary fanariam-pako ho an’ny tanàna izy tato aoriana, hany ka natsipy tao daholo na ny fatin’ny olo-meloka, na ny fatim-biby na ny fakofako isan-karazany. Araka ny fototra nahazoana filazana tamin’ny fotoana tsy dia ela loatra, nefa koa tsy azo inoana manontolo, dia nodorana tao ny fakofako mety mirehitra rehetra. Hadilalana tery, nefa lalina, nanangonana izao karazan-javatra lo sy maimbo rehetra izao, sy izay zavatra nandoto ny tanàna masina, ka nandrehetana afo tsy tapaka mihitsy angamba tao. Ary nanjary natao sary nentina anoharana ny toeran’ny famaizana maharitra mandrakizay, “izay misy ny kankana tsy maty sy ny afo tsy vonoina’’. Vavan’ny Afobe no ilazan’ireo Jiosy mpanaraka angano (talmudistes), io toerana io: “Marihina eto fa misy hazo (palmiers) roa fototra mijoro ao amin’ny lohasahan’i Ben-Hinnom, ary toy ny miakatra avy eo anelanelany ny setroka raha jerena indray mitopy maso; io no fidirana ao amin’ny gehinnoma.’’
IZAY ASEHONY ARA-PANOHARANA
9. a) Inona no fanambarana nomen’i Jesosy ny amin’ny Gehena, araka ny Matio 10:28 sy ny Lioka 12:4, 5? b) Inona no ho vokany raha Andriamanitra no mandringana ny tena sy ny aina?
9 Tsy mampaninona izay fanazavan’ireo boky nandraisana hevitra azo nampitahaina momba ny Gehena, fa andeha ho dinihintsika kosa izay nambaran’i Jesosy Kristy, ny Zanak’Andriamanitra, ny amin’izany. Araka ny heviny, inona no anjara voa-tokana ho an’ny olona izay nohelohin’Andriamanitra Tsitoha ka nalefa ao amin’ny Gehena ara-panoharana ? Nanome valiny mazava tamin’izany fanontaniana izany Jesosy, fony izy naniraka ny apostoliny roa ambin’ny folo hanomboka ny asa misionera. Hoy izy taminy: “Ary aza matahotra izay mamono ny tena fa tsy afaka mamono ny fanahy; fa aleo matahotra izay mahay mandevona ny fanahy sy ny tena ao amin’ny Gehena.” (Matio 10:28, MN). Izao koa no nataon’i Jesosy antso avo teo anatrehan’ny olona an’arivony maro, indray maka: “Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: aza matahotra izay mamono ny tena, nefa ao ambadik’izay, dia tsy afaka manao mihoatra noho izany. Fa hasehoko anareo izay tokony hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny Gehena rehefa novonoiny. Eny, hoy izaho aminareo: Matahora Azy.” (Lioka 12:4, 5, MN). Inona tokoa moa no sisa hijanona amin’ny voahary olombelona anankiray raha, Andriamanitra Tsitoha no mandevona ny tenany sy ny ainy? Levona tanteraka izy, ary satria izany fandringanana ny tena sy ny aina izany dia varo-tsy mifody, izany no maha-famaizana mandrakizay azy. Tsy mba hitsangana na oviana na oviana izay voaheloka ho levonina toy izany.
10. Amin’ny hevi-teny inona no andraisana ny Gehena an-ohatra ho ny “afo mandrakizay’’?
10 Ny Gehena izany, tamin’i Jesosy, dia sarin-javatra enti-manohatra ny fandringanana tanteraka tsy misy fiafarany, toy ny fandevonana amin’ny afo. Mampiseho izany fa hisy hatrany ny Gehena. Tsy mba hamoaka na oviana na oviana ny maty ao aminy izy. Tsy mba ho foanana mihitsy ny ao anatiny ary tsy ho levonina na oviana na oviana toy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama sy ny Hadesy izy. (Fanambarana 20:13, MN). Hirehitra lalan-dava tsy miato ny Gehena, amin’ny hevi-teny an-ohatra ary, mandrakizay mandrakizay dia ho azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra izy ho enti-mandevona izay mikomy sy mihodina amin’Andriamanitra.
11. Nahoana no tsy mitsangana intsony izay ao amin’ny Gehena ara-panoharana?
11 Koa satria toeran’ny fandringanana ho mandrakizay ny Gehena an-ohatra, dia rariny tokoa raha ampifanoherin’i Jesosy ny hoe “atsipy (...)” sy ny hoe “miditra amin’ny fiainana”. Noho izany, ahoana moa no hahazoan’ny olona iray hiarina, amin’ny fitsanganan’ny maty ka handray ny tombon-tsoa hiditra ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra na, ho ao amin’ny Paradisa ho tafaverina eto an-tany indray fa eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa natsipy tao amin’ny Gehena an-ohatra izay andevonan’Andriamanitra ny tena sy ny aina izy? Tsia, tsy mitsangana amin’ny maty izay ao amin’ny Gehena ara-panoharana.
12, 13. a) Mety handoro inona ny lela ary mety handoto inona? b) Mety hamarina amin’ny inona ny lela, tahaka ny Gehena?
12 Rehefa mazava ary izao fa toeran’ny fandevonana tanteraka ny Gehena mirehitra afo mivaivay, dia ampitahain’i Jakoba, mpianatry ny Tompo aminy koa ny lela tsy voafehy. Izao no nosoratany: “Ahoana ary? afo ny lela [tahaka ny afo kely nefa mety handoro ny ala iray manontolo], Nanora-tena ho fanjakan’ny faharatsiana tsy hita lany eo amin’ireo rehetra momba ny vatana ny lela, satria izy no mandoto ny tena manontolo, ary mampirehitra ny fihodin’ny fiainana toy ny kodiarana, eto an-tany sady arehitry ny Gehena ny tenany.’’ — Jakoba 3:6, MN.
13 Hita arak’izany koa fa ny olona rehetra mihitsy dia tokony hiambina tsara ny fampiasana ny lela, fa tsy ny anankiray ihany akory satria, nateraka tao anatin’ny faharatsiana daholo ny olombelona. Mety hampirehitra ny antokon’olona maromaro amin’ny fahatezerana ny lela amin’ny fanaovany fary mitety reny etsy sy eroa, ary hanosika azy ireny hahavita zava-dratsy tsy mendrika ny fahamarinana. Mandoto ny vatana manontolo izy fa tsy ny vava irafetany ihany ka ho very hasina ny vatana na tsara hoatry ny inona aza amin’izay, raha tsy voafehy ny lela. Fa ny tena ratsy dia hahavery fitia eo imason’Andriamanitra, satria nolazain’i Jesosy tamintsika fa hohamarinina amin’ny tenintsika isika ary ho melohina amin’ny tenintsika koa (Matio 12:37, MN). Mety hamarina amin’ny fandevonana tsy azo ivalozana, toy ny Gehena, ny lela.
14. “Rehefa arehitry ny Gehena” ny lela, dia mety hitarika inona ho antsika?
14 Mety hiharan’ny do-miverina vokatry ny teny tsy voahevitra izay mandoto ny tena sy manosika azy hahavita asam-pandravana, ny androm-piainantsika rehetra. Izao no ambaran’i Jakoba ny amin’izany (3:8, MN): “Fa ny lela, tsy misy olombelona mahafolaka azy na iray aza. Zava-dratsy tsy mety manaiky izy sady feno poizina mahafaty.” Fa rehefa “arehitry ny Gehena” izy dia hihantsy ny fanamelohan’Andriamanitra amin’ny tompony ho any amin’ny Gehena ara-panoharana, satria mampiseho ny fo ratsy ny lela maloto. — Jereo ny Salamo 5:9 sy ny Romana 3:13.
NY “TOERANA TSY MISY FANANTENANA HIVERINA”
15. a) Ahoana no anoharana ny Gehena ao amin’ny Fanambarana? b) Inona no vokatra niseho tamin’i Sodoma sy Gomora noho ny afo sy ny solifara?
15 Tsy hita ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarana hoe: “Ny fanambarana ho an’i Jaona” akory ny teny hoe “Gehena”. Fa izay asehon’ny Gehena kosa dia oharina amin’ny “farihy midedadeda mirehitra amin’ny solifara”, “farihy afo” na “ny farihy mirehitra afo sy solifara” (Fanambarana 19:20; 20:10, 14, 15; 21:8, MN), ao amin’io boky io. Fantatsika tsara ny mahazo ny zavatra mety hirehitra raha atao ao anaty afo mideda- deda misy solifara izy. Araka ny Genesisy 19:24 amin’ny fandikan-tenin’i Abbé Crampon, tamin’ny andron’i Abrahama sy Lota zana-drahalahiny, “Jehovah (dia) nampilatsaka solifara sy afo tamin’i Sodoma sy Gomora, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra’’. Koa nampahafantarin’i Jesosy antsika tamin’izao teny izao, izay niseho nanaraka izany, tamin’i Sodoma sy Gomora: “Fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nirotsaka toy ny ranonorana avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.” — Lioka 17:29, MN.
16. a) Ahoana no niharoan’ny farihy sy ny afo ary ny solifara tamin’izay niseho tany Sodoma? b) Inona no vokatra nandalo sy ny vokatra farany nahazo ny mponina tamin’ireo tanàna teo amin’izany faritany izany, noho ny afo sy ny solifara?
16 Afa-tsy izany, Sodoma dia niorina teo akaikin’ny ranomasina Maty na ny ranomasina be Sira. Farihy lehibe teo anivon-tany io Ranomasina io ary tsy nisy zava-miaina afaka nivelona tao anatiny; ny fahalalana izany dia manamafy fa fahafatesana tanteraka ny fahafatesana vokatry ny afo sy ny solifara nilatsaka tamin’ireo tanàna, teo amin’izany faritany izany. Mbola farihy mahafaty mikambana amin’ny afo sy solifara ihany indray no ho resahintsika eto, tsy misy hafa amin’ilay voalaza ao amin’ny Fanambarana. Nety ho nangirifiry sy nijaly ireo olona nianjeran’ny afo sy ny solifara ireo, alohan’ny tsy nahatsiarovany teny intsony, kanefa ny vokatra farany nateraky ny afo sy ny solifara dia ny fandringanana ireny olona ireny ihanyb. Ao amin’ny Fanambarana 14:10, 11 sy ny Salamo 11:5, 6 indray no ho hitantsika io fandringanana ialohavan’ny fampijaliana io, kanefa tsy azo isalasalana fa an-ohatra no nilazana ny afo sy solifara teo.
17. Inona no harotsak’Andriamanitra hanafotra ny tafik’i Gogan’i Magoga ary inona no ho vokany?
17 Araka ny Ezekiela 38:22 dia isan’ny hery mandringana harotsak’Andriamanitra hamely ny tafik’i Goga any amin’ny tanin’i Magoga ny “afo sy ny solifara” rehefa hananika ny olon’i Jehovah efa tafaverina izy. Mety hampijaly sy hampangirifiry ny tafik’i Goga mandritra ny fotoana fohy ireny herin’ny natiora ireny, kanefa dia ho levoniny ihany izy amin’ny farany amin’ny famonoana tanteraka ireny fahavalon’Andriamanitra ireny ho faty. Ny toko manaraka (39:11-20) no manamarina tsara izany, satria asehony ao ny fomba handevenana ny miaramilan’ny tafik’i Gogan’i Magoga, hatramin’ny taolana farany indrindra.
18. Ahoana no amoahan’ny Fanambarana 20:14 ny mahasamihafa ny Hadesy na Sheola sy ny farihy afo sy solifara?
18 Koa mazava tsara mihitsy izao ary tsy azo lavina fa, hafa noho ny Hadesy na Sheola, ny Gehena na “farihy mirehitra afo sy solifara” tamin’ireo famadibadihana mialoha ireo. Raha tsy izany dia tsy azon’ny olona ny antony ho nilazan’ny Fanambarana (20:14, MN) hoe: “Ary ny fahafatesana sy ny Hadesy dia natsipy tany amin’ny farihy afo.” Mbola io andininy io ihany koa no mamboraka amintsika izay asehon’ny “farihy afo” amin’izao teny izao: “Ny fahafatesana faharoa no hevitry ny hoe farihy afo.”
19. a) Moa hamoaka ireo natsipy tao aminy koa ny “fahafatesana faharoa’’ (na ny “farihy afo”)? b) Koa arak’izany, inona no asehon’ny Gehena na ny farihy afo sy solifara am-panoharana?
19 Arak’izany, ilay fahafatesana izay nahatratra ny olona rehetra amin’ny maha-taranak’i Adama azy dia hatsipy ao amin’ny “fahafatesana faharoa” io fahafatesana io fa tsy hijaly ao mandrakizay akory izy. Tsy hijaly ao amin’ny “fahafatesana faha-roa” mandrakizay tsy manam-piafarana koa tsy akory ny Hadesy; ho levonina mandrakizay ao amin’io “farihy afo” ara-panoharana io izy. Tsy hamoaka na oviana na oviana kosa “ny fahafatesana sy ny Hadesy” izay natsipy tao aminy, ny “farihy afo” dia ilay “fahafatesana faharoa”. Koa hita amin’izany fa ny Gehena na farihy midedadeda amin’ny afo sy solifara dia sary na ohatra ihany ataon’ny Baiboly ampisehoana ny fandringanana mandrakizay na tanteraka, tsy misy fanantenana ho afaka hiverina amin’ny alàlan’ny fitsanganan’ny maty intsony. Koa izay nitsangana tamin’ny maty navoakan’ny fahafatesana nolovana sy ny Hadesy, dia mbola mety ho voaheloka hatsipy ao amin’ny “farihy afo” ary hiharan’ny “fahafatesana faharoa”, raha tsy mendrika ny anarany voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana izy. — Fanambarana 20:15, MN.
20. Aiza, rahoviana ary mandritra ny hafiriana no hatsipy ny “bibi-dia” sy ny “mpaminany sandoka’’? b) Inona no aseho am-panoharana amin’izany?
20 Araka ny Fanambarana 19:20 (MN), ny “bibi-dia’’ sy ny “mpaminany sandoka” ara-panoharana dia “hatsipy ho any amin’ny farihy midedadeda mirehitra amin’ny solifara izy roa”. Mandritra ny “adin’ny andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” no hahatanteraka izany, kely foana alohan’ny hamatorana an’i Satana, Devoly sy ny anjeliny dia ireo demonia, sy ny hanipazana azy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandra-pifaran’ny arivo taonan’ny fanjakan’i Kristy. Rehefa tapitra ny arivo taona, ny “bibi-dia” sy ny “mpaminany sandoka” an-ohatra dia mbola ho ao amin’ny “farihy mirehitra afo sy solifara” an-ohatra ihany. Tsy hivoaka ao izy, na dia ho valiana amin’ny gadrany, ilay lavaka tsy hita noanoa aza i Satana sy ny demonia, hanandrana hamitaka indray ny olona. Tsy ho tafavoaka mandrakizay ao amin’io toeram-pandringanana na ny “fahafatesana faharoa” io ny “bibi-dia” sy ny “mpaminany sandoka”; ho ao foana izy ireo na rehefa hanampy azy ao koa aza ireo izay tokony hatsipy ao anaty “farihy afo” aty aoriana. (Fanambarana 20:10, 15, MN). Koa ny “bibi-dia” sy ny “mpaminany sandoka” an-ohatra, arak’izany, dia ho levonina mandrakizay, tsy hisy fanantenana hafa hitsanganany amin’ny fahafatesana intsony.
21. a) Hatsipy aiza Satana, Devoly rehefa novahana kely avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa nigadrany, ary ahoana no fomba tena hahatanteraka ny andalan-tenin’ny Hebreo 2:1-1? b) Ahoana no anoharana an’io famaizana io ao amin’ny Matio 25:41?
21 Hovahana hiala amin’ny tranomaizina nifatorany Satana sy ireo demonia anjeliny amin’ny faran’ny arivo taona itondran’i Kristy ny fanapahan’ny fanjakana fahasambarana eo amin’ireo voavotra. Dia tsy hisy intsony amin’izay io lavaka tsy hita noanoa io rehefa nofoanana ny tao anatiny. Hilofo mafy hamitaka ny vahoaka eto an-tany amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra ireny, mba hahazoany babo marobe arak’izay tratry ny heriny, mandritra ny fotoana fohy hivahan’ny fatorany, ary hitarihany an’ireny amin’ny fandringanana hiaraka aminy. Dia hatsipy ao amin’ny “fahafatesana faharoa”, toerana izay efa hisy ny “bibi-dia” sy ny “mpaminany sandoka” rahateo izy rehefa izany (Fanambarana 20:1-3, 7-10, MN). Izany no fomba ho entin’i Jehovah Andriamanitra manatanteraka ny fikasany be voninahitra, amin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy Kristy izay nanolotra ny tenany ho sorona “mba hahazoany mandevona amin’ny fahafatesany, an’ilay manana ny fomba hamelezana amin’ny fahafatesana, izany hoe ny Devoly” (Hebreo 2:14, MN). Izany “fandringanana ho mandrakizay” izany no famaizana aseho am-panoharana amin’ny “afo mandrakizay nomanina ho an’ny Devoly sy ny anjeliny”. Araka ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 25:31-33, 41, 46 (MN) ny osin’ny tany, na ny olona voaozona dia hiharan’io famaizana io koa amin’ny Haramagedona.
TSY MENDRIKA NY FITSANGANANA AMIN’NY MATY
22, 23. a) Inona no fampiomanana efa nomen’i Jesosy ireo filoham-pivavahana jiosy, kanefa inona no nataon’ireny ho setrin’izany? b) Nihaino ny fampiomonana tamin’i Jesosy va ireo mpitsara jiosy, araka ny tenin’i Stefana teo anatrehan’ny Synedriona?
22 Taon-jato sivy ambin’ny folo lasa izay, nandritra ny fotoana nandalovany teto an-tany, ilay lehilahy nantsoina hoe Jesosy Kristy dia efa nampandre ireo Jiosy indray niaina taminy, ny loza hamely azy amin’ny fandringanana mandrakizay oharina amin’ny Gehena. Mpihatsaravelatsihy no nilazany an’ireo filoham-pivavahan’ny Jiosy ireo, ary ataonareo “zanaky ny Gehena indroa mihoatra noho hianareo” ny proselyta jentilisa vao niova fo azonareo, hoy izy taminy. “Bibilava, taranaky ny menarana” no niantsoany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ka naharihariny ny maha-zanaka na taranak’i Satana, Devoly ilay “menarana tany am-boalohany” azy. Koa noho izy ireo tsy nitsahatra nanohitra an-tsitrapo ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny mpitory io Fanjakana io, no nametrahan’i Jesosy taminy ny fanontaniana hoe: “Ahoana no hahafahanareo mandositra ny fitsarana ho any amin’ny Gehena?” Nanatanteraka ny asa mandainga sy ny asa famonoan’olona nataon’ny “Devoly rainy” ihany izy. (Jaona 8:44, MN). Hoy ny nambaran’i Stefena “lehilahy feno finoana sy ny fa- hany masina” taminy, alohan’ny namonoan’ireo mpitsara jiosy azy:
23 “Ry olona mafy hatoka sady tsy voa- fora fo sy sofina, manohitra ny fanahy masina mandrakariva hianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa. Mpaminany iza no tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny ireo izay nanambara mialoha ny fihavian’ilay Marina izay efa navadikareo sy novonoinareo indray ankehitriny, dia hianareo olona na- hazo ny lalàna nampitondraina ny anjely, nefa tsy nitandrina izany.” — Asan’ny Apostoly 6:5 ; 7:51-60, MN.
24. a) Aiza no nalehan’ireo mpitari-pivavahana mafy hatoka, tamin’ny fahafatesany? Ary afaka manantena ny fitsanganana va izy ireny? b) Araka ny teny ao amin’ny Matio 15:12-14, iza no hiara-dia aminy ho any amin’ny Gehena?
24 Koa na iza na iza mpitari-pivavahana teo amin’ny Jiosy, tsy nety hibebaka amin’ny nanoherany ny fanahy masina sy ny nitsanganany ho fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesiany, ary ny nanenjehany an’ireo mpitory io Fanjakana io dia, tsy ho “afa-mandositra ny fitsarana ho any amin’ny Gehena”. Nijonjona ho any amin’ny Gehena ireny mpitarika ireny rehefa maty, na inona fahafatesany na inona. Izany no tsy hiarenany intsony avy ao amin’ny torimasom-pahafatesana, hiaina eto ambonin’ny tany indray, rehefa mby amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanaovana lanonam-pandevenana makotroka ho voninahiny angamba izy nefa tsy nidina ho any amin’ny Hadesy na ny Sheola kosa izy. Niharan’ny “fitsarana ho any amin’ny Gehena” avy amin’Andriamanitra izy. “Mpitarika jamba” izy ary ny Jiosy sy ny proselyta — izay jamba koa amin’ny ara- pivavahana — dia nanjohy ireny mpitarika nihatsaravelatsihy ireny, ka nianjera any amin’ny Gehena niaraka taminy. Araka ny Matio 15:12-14, MN dia “hianjera any an-kady” na ny mpitarika na ny tarihina. Hiharan’ny “fahafatesana faharoa’’ izy ary tsy mba hampahazo alàlana azy akory hitsangana amin’ny maty ny avotr’i Kristy. Tsy ho an’izay mankany amin’ny Gehena no nahafatesan’i Kristy. — Matio 23:16, 17, 19, 24, 26.
25, 26 a) Inona no fanontaniana mipetraka, mikasika ny fikambanan’ny Jiosy niara-belona tamin’i Jesosy? b) Iza no hanameloka io taranaka io, araka ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 12:39-42?
25 Ahoana kosa ny amin’ny ankapoben’ny taranaka jiosy niely patrana eran’ny tany onenana fantatra tamin’izany fotoana izany, tamin’ny taon-jato voalohany, amin’izao fanisantsika taona izao izany? Raha tsy niova ho kristiana hanana ny fanantenana any an-danitra va izy ireny, dia tsy maintsy miombon’andraikitra amin’ireo Jiosy maro nohelohina ho any amin’ny Gehena, ary noho izany tsy ho mendrika ny fitsanganana daholo va izy? Jesosy dia nanohatra io taranaky ny Jiosy io tamin’ny olona hafa sasantsasany voalaza ao amin’ny Baiboly, mba hanampy antsika indray hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo. Raha nampahatsiaro ny amin’ny mpaminany Jona sy ny mpanjakavavin’i Seba izy, dia izao no nolazainy:
26 “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia hitady famantarana tsy miato, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona mpaminany. Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia ho toy izany tokoa no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana [anastesontai] amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana [krisis] ka hanameloka azy, satria nibebaka izy tamin’ny nitorian’i Jona teny, nefa, indro misy lehibe mihoatra an’i Jona eto. Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria avy tany amin’ny faran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Solomona nefa, indro misy lehibe mihoatra an’i Solomona eto.” — Matio 12:39-42; Lioka 11:29-32, MN.
27. Mba hahafaka ireo Asyriana tany Ninive manatanteraka ireo tenin’i Jesosy ireo, inona no tokony no voarainy mifanaraka amin’ny andalan-teny hafa ao amin’ny Soratra Masina?
27 Tsy maintsy hitsangana amin’ny maty “ireo olona tany Ninive” raha hanatrika ny fitsarana, ho vavolombelona. Renivohitr’ireo mpanjakan’i Asyria fahizany Ninive. Tsaroana eto tokoa fa izao no voalaza ao amin’ny Ezekiela 32:21, 22 momba ny Sheola na Hadesy: “Ao koa Asyria mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; ary manodidina azy ny fasany.” (Jereo, Da). Koa satria araka ny efa hita dia hamoaka ny maty rehetra ao aminy ny Hadesy na Sheola amin’ny Andro Fitsarana (Fanambarana 20:11-15, MN), dia azo heverina arak’izany fa, hitsangana avy ao amin’ny fasany tao anatin’ny tany ireo mponina tao Ninive, amin’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy.
28. Raha tsy nitsangana tamin’ny maty ireo Jiosy tamin’io taranaka io, moa ho afaka hanameloka azy ny Ninivita? Ary fomba ahoana no hanamelohany azy?
28 Raha dinihina akaiky ny tenin’i Jesosy dia hahamarika isika fa nolazainy “hiaraka” hitsangana ho amin’ny fitsarana amin’ity taranaka ity fa tsy “hifanohitra” aminy ireo olona tao Ninive. Manondro indray kosa izany fa tsy voaheloka daholo ho any amin’ny “fitsarana ho any amin’ny Gehena” akory ireo Jiosy niara-belona tamin’i Jesosy sy ireo apostoliny, rehefa maty. Tsy ary niova fo ho amin’ny kristianisma daholo izy talohan’ny nahafatesany, nefa kosa nidina any amin’ny Hadesy na Sheola izy, noho ny famindrapon’Andriamanitra. Koa hiarina amin’ny fahafatesana izy ary hiseho eo anoloan’ny “seza fiandrianana fotsy sady lehibe” mba ho tsaraina, toy ireo Ninivita sy ny Asyriana sasany. Amin’izay, dia hanameloka ireny Jiosy niaina tamin’ny andron’i Jesosy ireny ireo Ninivita velona valon-jato taona talohany, na dia tamin’ny fitondrantenany tamin’izany ihany aza, tamin’ny fotoanan’i Jona. Inona no antony? Marina koa fa tsy niova ho amin’ny finoan’ny Jiosy, ho tonga proselyta akory ny Asyriana tany Ninive, nefa tsy nisakana ny nampibebeka azy izany rehefa nandre ny toritenin’i Jona mpaminanin’i Jehovah izy. Fa ny Jiosy kosa tsy mba nety ho voatarika tamin’ny fibebahana tamin’ny fitorian-tenin’i Jesosy Kristy, izay lehibe sy ambony lavitra noho i Jona anefa.
29. a) Moa tsy maintsy ho any amin’ny Gehena va ny Jiosy nohelohin’ny Ninivita? b) Inona no hampiseho sy hanapaka ny ho anjarany sao nifoha ho amin’ny fanamelohana
29 Toy izany no hanamelohan’ny Ninivita ireo Jiosy tamin’io taranaka io noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, nefa kosa tsy handefa azy ho any amin’ny Gehena akory izy. Tsy misy afa-tsy ny Mpitsara any an-danitra dia Jehovah Andriamanitra sy ny Mpanampy azy, Jesosy Kristy ihany no afaka mamoaka didim-pitsarana toy izany. Izay ho fitondrante- nan’io taranaka voaheloka io mandritra ny fotoana sisa iainany ao amin’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy no hanapaka izay ho anjarany: na ny fitsarana mendrika azy ho any amin’ny Gehena, ny “farihy afo” na ny “fahafatesana faharoa”, na, ny fifaliana hahita ny anarany voasoratra ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana”. Tokony hasehony na, ho fitsanganana ho fiainana na ho fitsanganana ho fitsarana tsy ahitana fitia, no hametrahany ny tenany rehefa nivoaka ny Hadesy na Sheola izy. — Jaona 5:28, 29, MN.
30. a) Iza koa no hanameloka io taranaky ny Jiosy io, afa-tsy ny Ninivita? b) Inona no tokony ho voarain’ny mpanjakavavin’i Sheba mba hahafahany manao izany?
30 Afa-tsy ireo Asyriana tany Ninive, dia hanameloka ny Jiosy tamin’ny taranaka indray niaina tamin’i Jesosy koa, ny “mpanjakavavy tany atsimo”. Araka ny I Mpanjaka 10:1-10 sy ny II Tantara 9:1-9 dia ny mpanjakavavin’i Sheba no lazaina amin’izany. Diman-jato sy arivo kilometatra mahery kely tao atsimon’i Jerosalema no nisy an’i Sheba na ny tanin’ny Sabeana, ary tao atsimo-andrefan’i Arabia, angamba tao amin’ny faritra mifanandrify amin’ny ilany atsinanan’ilay antsoina ankehitriny hoe Yémen. Ary na dia tsy mba voatonona ao amin’ny Ezekiela toko faha-31 sy ny faha-32 aza ny vahoakany ho isan’ireo firenena manana ny maty aseho ho toy ny ao anaty Sheola na Hadesy, dia tao anatin’io faritra voalaza eo amin’ireo toko ireo tokoa izy. “Hatsangana ho amin’ny fitsarana miaraka [fa tsy mifanohitra] amin’io taranaka io”, io mpanjakavavy avy tany atsimo na Sheba io. Koa tsy maintsy hitsangana izy, ary tsy mety ny iheverana fa izy irery teo amin’ny vahoakany no hitsangana ho tsaraina eo anoloan’ny “seza fiandrianana fotsy sady lehibe” mandritra ny arivo taona hanjakan’i Kristy. Hitovy voninahitra sy laharana amin’ireo firenena hafa voatonona eo amin’ny Ezekiela ireo, ny mpanjakavavy avy tany atsimo sy ny vahoakany, ka ao anaty Sheola na Hadesy, ary noho izany dia hanana anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty koa izy ireny.
31. a) Nahoana ny fitondrantenan’ilay mpanjakavavy avy tany atsimo no nanameloka ny taranaky ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy? b) Inona no tokony ho vokatr’izany aminy eo amin’ny Andro Fitsarana?
31 Ny mpanjakavavy irery ihany, amin’ireo vahoakany hitsangana no hanameloka ny taranaky ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, na dia noho ny fitondrantenany ihany aza, arivo taona talohan’i Jesosy Kristy. Nanao izany dia lavitra be izany izy araka ny fombam-pitaterana tamin’ny androny, mba hihaino ny fahendren’i Solomona mpanjaka ary hijery maso sy hidera ny zava-bitany tao Jerosalema; izany no nitarika azy hahalala sy hankasitraka ny Andriamanitr’i Solomona mpanjaka. Lehibe kokoa sady ambony noho i Solomona anefa Jesosy Kristy, kanefa nandà tsy hihaino ny fahendreny avy tany an-danitra ny ankabeazan’ny Jiosy tamin’ny taranaka niara-niaina taminy. Koa amin’ny andron’ny Fitsarana, dia tokony ho menatra sy hanetry tena ny Jiosy raha milahatra amin’ny mpanjakavavy avy tany atsimo noho ny fifanoheran’ny toetrany, izay antenaina hanampy azy hankatò ny Fanjakana arivo taonan’ilay Solomona Lehibe amin’izay.
32. Inona no fanontaniana mikasika an’i Solomona ary ahoana no fomba anampian’ny andalan-teny toy ny I Mpanjaka 11:43 sy ny II Tantara 9:31 antsika hamaly izany?
32 Sambatra ny mpanjakavavin’i Sheba amin’ny fitsanganany avy ao amin’ny Sheola na Hadesy. Fa ahoana kosa Solomona mpanjaka izay novangiany? Isan’ireo voatonotonona ho vavolombelon’ny fotoana fahizay, nahazo sitraka tamin’i Jehovah i Davida rainy, ao amin’ny Hebreo 11:32, fa tsy mba hita ao kosa ny anaran’i Solomona, ilay mpanjaka hendry indrindra tany amin’ny Fahagola sady mpanoratra ny telo tamin’ireo bokin’ny Baiboly. Tsy ela loatra taorian’ny famangian’ny mpanjakavavin’i Sheba dia nety ho tarihin’ireo vadiny sy vaditsindranony aman-jatony maromaro Solomona, ka niodina hanaraka ny fanompoana adala an’ireo andriamanitry ny mpanompo sampy (I Mpanjaka 11:1-8; Nehemia 13:25, 26; Romana 1:25). Nefa kosa voalaza mazava ao amin’ny I Mpanjaka 11:43 sy ny II Tantara 9:31 fa “lasa nodi-mandry any amin’ny razany Solomona” ary “nalevina tao an-tanànan’I Davida rainy izy”. Koa raha izany, satria nandry ao amin’ny torimason’ny fahafatesana miaraka amin’ny razany ihany izy, isan’izany koa Davida. Noho izany, dia tokony ho ao anatin’ny Sheola na Hadesy izy, ary mahazo manantena hivoaka avy ao, amin’ny Fanjakan’ilay Solomona Lehibe. — Jereo Deoteronomia 31:16; II Samoela 7:12; I Mpanjaka 1:21; II Mpanjaka 20:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo vakina ao amin’ny pejy faha-18-n’ny leksika araka ny litera amin’ny abidy, diksioneran’ny Testamenta vaovao, natonta ho fanampin’ny “Emphatic Diaglott” amin’ny teny anglisy, nataon’i Benjamin Wilson ny hoe: “ ‘GEHENNA’ teny nadika hoe ‘enter’ ao amin’ny “fandikan-teny araka ny mpanjaka Jacques” dia ampiasaina in-12 ao amin’ny lahateny. Teny ampiasaina amin’ny fiteny grika andikana ireto teny hebreo adika hoe ‘lohasahan’i Hinoma’. “Tophetl” na fankahalana na fahavetavetana. Narehitra tsy niato, toy ny mandrakizay, ny afo tao mba handevona ireny. Taty aoriana. ny teny hoe “Gehena” dia nampiasaina hilazana an-ohatra ny “fahafatesana’’, ny “fandringanana tanteraka’’ araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary tsy mampiseho toerana misy fampangirifiriana mandrakizay velively io anarana io na aiza na aiza.
Izao indray no lazain’ny Encyclopédie-n’ny Baiboly araka an’i M’Clintock sy Strong (amin’ny teny anglisy) eo ambanin’ny teny hoe HINOMA:
“Araka an’i Josèphe, dia tao amin’io toerana io no nifanoheran’ny Jiosy sy ny Romana tamin’ny ady mahatsiravina farany (Ady VI, XLII, 2-5) ary tao no nanipazana ny faty rehetra taorian’ny fahirano (V, XXVII, 3). (...) Ny mpanao hevi-teny maro moa dia manaraka an’i Buxtorf, Lightoot sy ny namany ka milaza marina fa karakaraina fatratra ny afo tao mba handevonana ny fatin’ny olo-meloka, ny fatim-biby sy ny zavatra hafa mety mirehitra natao tao: kanefa toa tsy ampy loatra ho enti-manohana io hevitra io ireo loharanom-panazavana ireo.’’ — Edisiona tamin’ny taona 1891, boky faha-IV, pejy faha-266.
Satria ny 90% amin’ny tenan’ny olombelona dia rano, koa mila hafanana mahery dia mahery mahatratra ny an’ny volkano izay misy hatramin’ny “1650 ka hatramin’ny 2800 degrés centigrades’’ raha tena handevona azy. Izany no manazava ny antony nanampiann soli-fara ny afo tao amin’ny Gehena izay tao ivelan’ny tambohon’i Jerosalema fahizany. Nentina hanafaingana ny firehitry ny faty natsipy tao izany, sody mba hahazoana antoka koa ny fahalevonany tanteraka raha azo natao.
b Ny Dr Wilton Krogman, mpampianatra ambony momba ny toetry ny olombelona ara-nofo, tao amin’ny Oniversity any Pennsylvanie, dia nilaza sy nanamarina fa nandinika faty nodorana tao amin’ny lafaoro nampiasaina tamin’ny ady (four crématoire) izay mba nahatratra 1100 degrés centigrades ihany ny hafanany. Adiny valo mahery no nitanehana ny faty tamin’izany, kanefa tsy levona akory ny taolana na iray aza, mba tsy ho azo fantarina amin’ny maha-taolan’olona azy. Marina tokoa fa may ireny taolana ireny kanefa tsy mbola lasa lavenona na vovoka akory. Raha tsy nakarina nihoatra be ny 1650 degrés ny hafanana vao hitany niempo sy nitsonika ny taolana, ary nanidina ho entona.
— Jereo ny lahateny mitondra ny lohateny hoe: “The Baffling Burning Death’’ nosoratan’i Allan W. Eckert ao amin’ny Revio “True Tile Man’s Magazine’’ tamin’ny volana May 1961, pejy faha-33, 105-112.