Ahoana no Hiarovan’ny Kristianina ny Tenany Amin’ny Mpanaratsy?
NOSORATANA ho anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny fitambaran’ny fampianarana kristianina. Izy io no “fahamarinan’ny filazantsara” na ny “marina.” (Gal. 2:5; Rom. 2:8) Somary vitsy ihany anefa ny olona nanaiky izany, nandritra ireo taonjato. Maro no nohajambain’i Satana Devoly, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, ka nanohitra ny “fahamarinan’ny filazantsara.” Noharatsin’izy ireo ny tena Kristianina sy ny fampianarany ary ny antony manosika azy.—2 Kor. 4:3, 4.
Ho an’ny Kristianina, dia anisan’ny porofo izany fanaratsiana izany, fa tena mandeha araka ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo. Faly àry izy ireo, satria fantany fa hitondra fitahiana mandrakizay ho azy ny fifikirany amin’ny fahamarinana. Hoy mantsy i Jesosy Kristy tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”—Matio 5:11, 12.
Marina aloha fa tsy mahafaly ny hoe haratsin’ny olona. Angamba hisy olona hino ilay fanaratsiana, ka mety hatahotra isika sao hisy voka-dratsy eo amin’izy ireo izany. Mety ho vao mainka te hanohitra ilay fanaratsiana isika, raha toa ilay izy ka avy amin’ny olona mody nandeha araka ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany ve anefa no tokony hatao?
Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa olona maro no tsy te hahafantatra tsotra izao ny fahamarinana. Misy olona mihevitra fa sarotra loatra ny manaraka ny fitsipika ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mitady fialan-tsiny àry izy ireo mba tsy hihainoana ny hafatra entin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Aleon’ireny olona ireny mino ny fanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanamarinana izany fihetsiny izany. Hoy ny 2 Tesaloniana 2:11, 12 amintsika: “Izany no ampanateran’ Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.” Tsy hanampy an’ireny olona ireny mihitsy àry ny fiezahan’ny mpanompon’i Jehovah hanohitra ny fiampangana diso rehetra. Mbola hino ilay fiampangana diso foana izy ireny.
Mety ho tafalatsaka ao amin’ny fandrik’i Satana Devoly, ilay mpanaratsy lehibe, koa ny Vavolombelon’i Jehovah, raha mandany fotoana hanoherana ny fiampangana diso rehetra atao aminy. Fa nahoana? Satria azo antoka fa ho faly i Satana, rehefa hitany fa tsy mandroso ny asa fanampiana ny olona tso-po hianatra ny fahamarinana. Mety hitranga tokoa anefa izany. Raha variana manohitra ireny fiampangana diso ireny ny mpanompon’i Jehovah, dia ho very fotoana sarobidy. Mety ho azo nanampiana olona tso-po hianatra momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany ho an’ny olombelona izany fotoana izany.
Mety hampikorontan-tsaina ny olona iray mora foana koa ny fandaniana fotoana hamakiana ny fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitadiavana hevitra hanoherana azy ireny. Mety ho kivy izy, satria raha ny olombelona fotsiny, dia tsy ho afaka hampangina tanteraka ny mpanaratsy rehetra mihitsy. Vao mainka hampiely fotsiny an’ilay fanaratsiana ny fiezahana manazava izany amin’ny olona rehetra. Mety hanjary hihevitra mihitsy aza ny olona sasany fa zava-dehibe ilay fiampangana, matoa isika miezaka mafy manohitra ilay izy.
Toy izay hiezaka mafy hanohitra ny fanaratsiana, dia misy fomba hafa azo atao. Inona izany? Nisarika ny saina ho amin’izy io ny apostoly Petera rehefa niteny toy izao tamin’ny Kristianina namany: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy. . . . Fa toy izany no sitrapon’ Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa.” (1 Pet. 2:12-15) Afaka mahita avy hatrany ny mpandinika tso-po, fa tsy marina ny fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsikariny mantsy fa miaina mifanaraka amin’ny fitsipika marina ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra tokoa izy ireo. Ary tena fiahiana sy fitiavana ny olona no mahatonga ireo Kristianina ireo hanao ny asany.
Tsy misy antony tokony hatahorana àry, raha misy olona tsy faly ka miampanga lainga antsika Vavolombelon’i Jehovah. Hiady amintsika sy hanimba ny firaisan-tsaina sy ny asantsika fotsiny mantsy no tanjon’izany olona izany. Afaka mahazo fanazavana mivantana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay olona te hahafantatra ny zavatra ataon’izy ireo sy ny fampianarany. Mizara boky aman-gazety an-tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah, isam-bolana, mba hanazavany fa avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoany. Azon’ny besinimaro atrehina ny fivorian’izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ireo fivoriambeny. Vonona foana koa ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay hanazava ny anton’ny finoany amin’ny olona tena liana amin’izany.
Tsy maintsy hizaka ny vokany anefa izay olona mifidy ny hino fiampangana lainga, fa tsy namotopototra tsara. Hoy mantsy i Jesosy Kristy: “Raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.”—Matio 15:14.
Tsy miady hevitra be àry ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy miampanga lainga azy. Hitan’izy ireo fa matetika no tsara lavitra, raha avela hanaporofo ny fiampangany ireo mpiampanga azy. Ohatra tsara amin’izany ny apostoly Paoly. Tsy nitady hanohitra ireo mpivavaka nanohitra azy i Paoly, rehefa niampanga lainga azy teo anatrehan’i Feliksa, governora romanina, izy ireo. Nilaza fotsiny izy fa tsy afaka nanamarina ny ‘zavatra iampangany azy’ izy ireo. (Asa. 24:13) Mitovy amin’izany koa, fa nanontany ny mpanohitra azy i Jesosy Kristy, indray mandeha, hoe: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?”—Jaona 8:46.
Tsy maintsy miaro tena anefa ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray, na dia mety tsy hahazo rariny aza izy. Mety hangata-panazavana aminy, ohatra, ny manam-pahefana, toy ny mpitsara. Tsy tokony ho tezitra na ho sorena ny Vavolombelon’i Jehovah, raha toa ka manambany azy na ny hafatra toriny ny fomba ametrahana ireo fanontaniana. Tokony ho tony sy halemy fanahy izy rehefa mamaly. Fantany koa fa “ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina.” Mety àry ny hanehoany fanajana lalina satria toy ny hoe manatrika eo Andriamanitra. (1 Pet. 3:12) Mifanaraka amin’ity fananarana ao amin’ny 1 Petera 3:15 ity izany fihetsika izany: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.”
Manasarotra ny tarehin-javatra fotsiny ny adihevitra. Tsy azo iadian-kevitra kosa anefa ny fitondran-tena tsara. Ny olona misaina dia tsy hilaza mihitsy fa feno fankahalana ireo olona manana toetra toy ny fitiava-namana, hatsaram-panahy, tia manampy, ary mahay miara-miory. Ny fomba tsara indrindra iarovan’ny tena Kristianina ny tenany amin’ny mpanaratsy àry, dia ny fitondran-tena mendri-piderana asehony. Eo koa ny firesahany amim-pahatoniana hatrany sy amin’ny fomba mazava ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Afaka mampangina ny tsy fahalalan’ny olona ny fitondran-tena tsara. Anisan’ny manampy ny olon-kafa hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra koa izany.