Aiza no hahitana ny fahamarinana izay mety hanafaka antsika?
“Dia hoy Jesosy (...): ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo”. — Jaona 8:31, 32.
1. Fahafahana inona avy no andrasan’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra?
FAHAFAHANA! Izany dia teny manaitra ny saina sy ny fon’ny olombelona hatramin’ny taonjato maro. Nisy ady natao tamin’ny anarany. Olona an-tapitrisany maro no maty noho izany. Maro no mitovy fihetseham-po amin’i Patrick Henry, ilay olom-panjakana amerikana izay nihiaka toy izao: “Omeo .ahy ny fahafahana na omeo ahy ny fahafatesana!” Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, i Franklin Roosevelt, prezidan’i Etazonia, tetsy ankilany, dia niresaka ny amin’ny “fahafahana efatra”. Tsy hoe nanisy fitenenana ny amin’ny fahafahana miteny sy ny fahafahana ara-pivavahana fotsiny izay, fa ny amin’ny toe-piainan’ny olombelona afaka amin’ny fahantrana sy ny tahotra ihany koa.
2, 3. Milaza inona moa ny tena fahafahana?
2 Kanefa ny tena fahafahana amin’ny heviny lalina kokoa, dia tokony hisy dikany mihoatra noho izany. Marina tokoa ve fa ny fahafahana vao avy notanisaintsika teo dia mety hanafaka antsika amin’ny tsy fahatanterahana na hanavotra antsika amin’ny aretina? Ankoatr’izany, na manao ahoana na manao ahoana toe-pahasalamantsika, dia mifanehatra amin’ity zava-misy mafy ity daholo isika rehetra: na ho ela na ho haingana, dia mihantitra isika ary maty. Nefa inona no soa mety ho azo any am-pasana? Mamaly ny Baiboly hoe: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” Noho io antony io ihany koa no ilazany hoe: ”Ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.” — Mpitoriteny 9:4, 5.
3 Mba ho afaka, amin’ny hevitry ny teny feno, dia tokony ho afaka amin’ny fanandevozan’ny tsy fahatanterahana àry isika, amin’ny aretina sy amin’ny fahafatesana. Ankoatr’izany, dia tsy maintsy hafahana amin’ny fahantrana, ny fampahoriana, ny heloka bevava sy ny ady koa isika, amin’ireny loza rehetra izay nanamatroka ny Tantara ireny. Nefa iza no mety hanome fahafahana antsika toy izany? Moa ve ianao mahafantatra dokotera iray afaka miantoka ny fahasitranan’ny homamiadana, ny fikorontanan’ny fo na aretina hafa? Moa ve misy mpahay siansa izay afaka manakana anao tsy ho antitra na ho faty, na hamerina anao ho amin’ny fiainana raha maty ianao? Moa ve ianao mahafantatra mpitondra ara-politika izay afaka milaza marimarina aminao fa hanjaka eto an-tany ny fiadanana ka tsy hisy ady intsony mihitsy? Moa ve misy lehiben’ny tanàna na dia iray aza na kaomiseran’ny pôlisy iray monja, na aiza na aiza tanàna eto amin’izao tontolo izao izay mety hanafaka tanteraka anao amin’ny heloka bevava? Ary fandehan-javatra ara-toe-karena inona no hahavita hanafaka ny taranak’olombelona amin’ny fahantrana, ny tsy fananana asa ary ny fisondrotan‘ny vidim-piainana, sady hanome ho an’ny olona rehetra tena fahafinaretana maharitra?
4. Tokony hifototra amin’inona moa ny tena fahafahana?
4 Raha misy fanantenana hanaisotra ireo loza maro be mandripaka ny taranak’olombelona, izany dia tokony hifototra amin’ny fahamarinana. Ny tena fahafahana tokoa dia tsy mety hanana fitaka na lainga ho fotony. Araka izany, raha misy lehilahy mpanao politika, manam-pahaizana, mpandinika ny toe-karena, mpitondra fivavahana na iza na iza manome ny heviny ny amin’ny fomba hanatrarana ireo fahafahana irina fatratra, dia tokony hanontany tena toy izao isika: “Milaza ny marina ve izy?” Kanefa ny taranak’olombelona dia nanana fotoana be dia be nahitana ny niafaran’ireo hevitra, fampanantenana ary fiezahan’ny olona teo amin’ny tena izy.
Fanantenana sandoka
5. Nafahana marina tamin’ny aretina ve ny olombelona?
5 Ohatra, ampolo taonany vitsivitsy lasa izay, dia maro no nanantena fa ireo fandrosoan’ny fitsaboana dia hanafaka ny taranak’olombelona amin’ny aretina. Tsy azo lavina fa nanao fandrosoana ny fitsaboana, nefa voaro tamin’ny aretina ve ny olombelona na dia izany aza? Tsy izany velively. Mifanohitra amin’izany fa ny loza toy ny homamiadana sy ny aretim-po dia nahatratra ny ara-kevin’ny aretina mahazo ny besinimaro. Nisy koa fotoana ninoana fa ny aretina mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia mety ho fongotra noho ireo ‘fanafody mahagaga’ vaovao. Nefa ny boky ara-pitsaboana anglisy malaza iray (The Lancet) dia nanambara toy izao momba io foto-kevitra io: “Ny Fandaminana maneran-tany momba ny fahasalamana dia manambara isan-taona eo amin’ny olona 250 tapitrisa vaovao voan’ny angatra ary olona 50 tapitrisa vaovao voan’ny tety maneran-tany. Mety hisy aretina mifindra hafa momba ny lay sy ny vavy hiely kokoa ihany ankoatr’izany.” — Jereo Ohabolana 7:10, 21-23.
6. Nahoana no azo atao ny milaza fa niteraka fahadisoam-panantenana ny siansa sy ny fanaovan-taozavatra?
6 Inona no holazaina momba ireo fanantenana lehibe nateraky ny siansa taonjato iray na roa lasa izay? Ho ohatra, dia noraisina ho toy ny fandrosoana lehibe ny fiarakodia. Na dia izany aza, tamin’ny lafiny sasany, dia izany tokoa izy io. Nefa nandray anjara koa tamin’ny fangejana ireo tanàn-dehibe, tamin’ny fifanjevona, ny tabataba ary ny fandotoana izany. Ankoatr’izany, manerana ny tany manontolo, dia olona maherin’ny 200 000 no maty isan-taona noho ny lozam-piarakodia, fa an-tapitrisany maro hafa kosa no maratra avy amin’izany. Orville Wright, ny anankiray amin’ireo mpanoka-dalana momba ny fandehanana ana habakabaka, dia efa nahatsapa sahady ny fahadisoam-panantenana nitondran’ny teknolojia. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanoratra ireto andalana vitsivitsy tena mahaliana tokoa ireto tamin’i Henry Ford izy: “Ny tenako sy Wilbur dia nihevitra fa hanafaingana ny fahatongavan’ny fandriampahalemana ny fiaramanidina. Ny mifanohitra amin’izany no toa nitranga. Mino aho fa rehefa namoaka ny fanamboarana mitohitohy ianao, ny anankiray amin’ireo fahitana zava-baovao lehibe indrindra teo amin’ny taonjato, dia tsy nampoizinao velively fa io fomba io dia hoentina hanamboarana “tanks” ary handray anjara amin’ny fandravana izao tontolo izao. Toa tsy azo atao ny mamorona na inona na inona mahasoa ka tsy hamiliana io famoronana io amin’ny zava-kendreny.
7. Moa ve eo amin’izao tontolo izao misy fandaharana ara-toe-karena afaka hanome fahasambarana ho an’ny olona rehetra?
7 Moa ve ireo taonjato lasa rehefa nanandramana fandaharana ara-toe-karena nampiseho anankiray monja izay nateza ary afaka nanome fahafinaretana ny olona rehetra? Tsy izany velively. Marina tokoa fa ny fihilangilanana ara-toe-karena no fahita ankehitriny. Jack Weldon, mpampianatra momba ny toe-karena any amin’ny Oniversite McGill any Montréal dia nanambara hoe: “Izay rehetra mety ho mpikarakara toe-karena mahay sy marina dia hanaiky fa tsy fantatsika velively ny fomba handaminana ireo zava-manahirana lehibe mamely ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe mandroso amin’ny fanaovan-taozavatra.” Mbola mampahatahotra kokoa ny toerana misy ireo tany tsy mandroso kokoa. Araka ny gazety an-tsary Time, any amin’ny anankiray amin’ireny tany ireny “dia misy zaza maherin’ny roa tapitrisa narian’ireo ray aman-dreniny mahantra ary efatra ambin’ny folo tapitrisa hafa miaina ao amin’ny tsy fananana tanteraka, any ka aleo aza mahita azy ireny ariana”. Any amin’ny faritra hafa iray amin’ny gilaoby, ny Daily Express any Philippines dia nanambara hoe: “Tombanana ho dimanjato tapitrisa eo ho eo ny mponina any Azia nahatratra ny faritry ny ‘fahantrana tanteraka’, ary heverina fa mety mbola hitombo foana hatrany ny isan’izy ireo.”
8. Moa ve ny mponina any amin’ny tany entim-bahoaka mahita ny tena tsy fananana ahiahy?
8 Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ny sasany dia nilaza fa niady ‘hiarovana izao tontolo izao ho amin’ny fitondram-bahoaka’. Nefa vitsy ankehitriny ny fitondram-bahoaka. Ary na dia any amin’ireo firenena lazaina fa entim-bahoaka aza, moa ve tena mandry fahizay ny mponina? Any Etazonia, dia fianakaviana iray amin’ny telo no nahita loza noho ny endriky ny ditran’ny tanora isan-karazany. Warren Burger, prezidàn’ny Fitsarana tampony any Etazonia dia nanambara hoe: “Manakaiky ny endriky ny fitambaran’olona izay ny fahaizany mitandro ny tsy fananana ahiahy faran’izay tsotra eny amin’ny arabe, any an-tsekoly ary any an-tokantrano dia mampisalasala.” Nanampy izy hoe: “Hatramin’ny folo taona izao, ireo mpitondra antsika sy ny an’ireo tany hafa dia miresaka ny amin’ny fampihorohoroana iraisam-pirenena. Nefa ny ara-kevin’ny fampihorohoroana mahazatra isan’andro saika amin’ny fitambarany any amin’ireo tanàn-dehibe any Etazonia dia mampidi-doza bebe kokoa noho ny mpampihorohoro iraisam-pirenena rehetra fantatra na tamin’ny taona firy na taona firy.” — Jereo Mpitoriteny 8:11.
9. Inona no azo lazaina momba ireo fanambarana mialoha natao nandritra ny taonjato misy antsika momba ny fahafoanan’ny ady?
9 Naseho ho toy ny ‘ady hamarana ny ady rehetra’ koa ny Ady Lehibe Voalohany. Ny Encyclopédie amerikana dia nanao ity fanamarihana ity: “Nandritra ny ady, ireo olona mpanao politika sy mpanao gazety dia niresaka ny amin’ireo andro tsara ho avy, izay tsy hisian’ny ady, ny fiadiana, ary ny fifandonana eo amin’ireo firenena intsony.” Raha ny tena izy, dia ny mifanohitra amin’izany indrindra no nitranga. Ny zavatra vita an-tsoratra any any Afrika Atsimo anankiray (Mercury any Natal) dia nanambara tsy ela akory izay hoe: “Ny prezidà Woodrow Wilson dia nilazalaza ny Ady Lehibe Voalohany ho toy ‘ny ady izay hamarana ny ady rehetra’. Ho marina kokoa ny filazany mialoha raha [niantso] azy hoe ‘ny ady izay hamarana ny fiadanana’ izy”. Manampy ilay lahatsoratra hoe: “Hatramin’ny 1914, izao tontolo izao dia azo inoana fa nahita herisetra sy fikorontanana bebe kokoa noho ny tamin’ny fe-potoana hafa rehetra teo amin’ny tantara voasoratra.” Ireo fandaniana ara-tafika eo amin’izao tontolo izao dia tafakatra mihoatra ny 500 000 trapitrisa dôlara (35 000 000 tapitrisa ariary) ankehitriny. Amin’izao fotoana izao, ireo firenena dia manana fiadiana noklehera ampy mba hikosehana eo amin’ny sarin-tany, tanàn-dehibe mihoatra ny iray tapitrisa, izany hoe mihoatra lavitra izay misy.
10. Inona no tsy maintsy ekena momba ny fandrosoana vitan’ny olona tamin’ny lafiny isan-karazany?
10 Tsia, ny fandrosoana rehetra vitan’ny siansa tokoa toy ny tamin’ny lafiny hafa dia tsy nanafaka ny olombelona tamin’ny fametsifetsena, ny fanaintainana, ny fahantrana, ny heloka bevava, ny ady, ny tahotra, ny aretina na ny fahafatesana. Ireo taonjato lasa dia nanaporofo miharihary fa ireo fihambohamboana, ireo fampanantenana ary ireo hevitry ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao dia tsy nifototra tamin’ny fahamarinana. Izany dia mampahatsiahy antsika ity fanambarana ao amin’ny Baiboly voarakitra ao amin’ny II Petera 2:19 ity: “Fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana”.
Aoka hosedraintsika ny “fahamarinana” ara-pivavahana
11. Ahoana no mety hamaritana raha mampianatra ny fahamarinana na tsia ny fivavahana iray?
11 Isika dia maniry hafahana, tsy amin’ny toe-piainana sarotra manjaka ankehitriny fotsiny, fa amin’ny fanandevozana ara-tsaina avy amin’ireo fampianarana feno fitaka koa. Kanefa ireo antokom-pinoana eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ireo an’izao tontolo izao manontolo dia mihambo daholo fa mahaforona ny “fahamarinana” ny zavatra inoan’izy ireo. Marina fa mora ny milaza, nefa inona moa no asehon’ireo zavatra misy? Manambara ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26). Tetsy andanin’izany, ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy.” Marina tokoa fa tsy noho ny fihamboany, fa amin’ny asany no mety hahitana raha marina na diso ny fivavahana anankiray. Nanao izao fampiomanana izao Jesosy ho an’ireo mpamitaka: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” — Matio 7:15-20.
12. Inona no ahariharin’ny toe-javatra eo amin’ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
12 Raha mitana ny fahamarinana àry ny fivavahana anankiray, dia antenaina, fara fahakeliny, ny hahaforonany hery mampiray ho an’ny mpikambana ao aminy. Io no vokatra voalohany tokony hoentiny. Marina tokoa fa araka ny voalazan’i Jesosy, izay rehetra manana ny fahamarinana dia tsy maintsy “ho iray”. (Jaona 17:21.) Tetsy andanin’izany, ny apostoly Paoly dia nanoratra hoe: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy (...) mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo, hiray saina sy hevitra.” (I Korintiana 1:10). Ireo tena solontenan’Andriamanitra dia tokony hitondra tena toy izany, satria “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana. (I Korintiana 14:33.) Nefa ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia voazarazara ho antoko an’arivony maro. Tsy hoe samy hafa fotsiny ny fampianarana sy fanao amin’ny fivavahana iray raha mitaha amin’ny hafa, fa hita ihany koa matetika ny fifanoheran-kevitra miharihary eo anivon’ny finoana iray ihany. Ny fisafotofotoana sy ny fahadisoana vokatr’izany dia tsy mety ho avy amin’Andriamanitra. Ny gazety mivoaka ara-potoana iray any Aostralia (Leader’s Vision) dia miaiky toy izao: ‘Araka ny Baiboly, ny miaina ao amin’ny fisaratsarahana dia miaina ao amin’ny fahotana. Raha mbola anisan’ny finoana maromaro isika sady finaritra amin’izany toerana izany, dia mahaforona ny fandavana hita maso ny fiasan’ny Fanahy Masina.’
13. a) Inona avy no vokatry ny fisaratsarahana manjaka ao amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao? b) Avy aiza àry ireo fivavahan-diso?
13 Tsia, tsy mety hanana ny fahamarinana ireo fivavahana ireo. Tsy avy amin’Andriamanitra izy ireo. Ho hita ny porofo hafa rehefa jerena ireo vokatry ny fisaratsarahan’izy ireo. Raha mampianatra ny fahamarinana ny fivavahana anankiray, dia antenaina fara faharatsiny ny tsy hifamonoan’ny mpikambana ao aminy. Raha tsy izany, ho toy inona ny fahamarinany na ny firahalahian’izy ireo? Ary anefa ny Tantara dia mampiseho fa ireo mpikambana ao amin’ny fivavahana iray ihany dia matetika no nifandringana an-tapitrisany maro tamin’izy samy izy amin’ny fotoan’ny ady, noho ny antony tsotra fotsiny, dia satria miaina any amin’ny tany samy hafa izy ireo. Indraindray, ireo mpiray finoana dia mifamono ho faty ao amin’ny tany iray ihany, mandritra ny fikomiana na fiovan-dehibe amin’ny fitondram-panjakana. Kanefa ao amin’ny I Jaona 3:10-13, ny Baiboly dia milazalaza an’ireo mamono ny “rahalahiny” ho “zanaky ny Devoly” (Jereo Genesisy 4:8.) Ireo zanak’Andriamanitra dia tsy mba manao toy izany. Mifanohitra amin’izany, izy ireo dia manana fifankatiavana tsy mety levona amin’izy samy izy. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanambara mazava aoka izany hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.
14. Araka ny fitsipika naorin’i Jesosy, izay milaza hoe ‘amin’ny voany no ahafantarana ny hazo’, manao ahoana ny vidin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
14 Araka izany àry, noho ireo vokatra ratsy, ary indrindra ny fisaratsarahany, ny adiny, ny faharatsiam-pitondrantenany ary ny fihatsarambelatsihiny mibaribary manjaka eo amin’izy ireo, dia hita mazava tsara fa tsy mampiseho na ny fahamarinana na an’Andriamanitra ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Izy ireo dia hazo tsy misy vidiny izay mamoa vokatra lo, hazo ‘fanapaka sy fanipy any anaty afo’.
Aoka isika hatoky ilay Andriamanitry ny fahamarinana
15. Amin’iza no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika rehetra ary nahoana?
15 Ny tsy fananan’ny olona hery hahazo ny tena fahafahana amin’ny lafiny lehibe eo amin’ny fiainana dia tsy manao afa-tsy ny manamarina ity fanambarana ao amin’ny Baiboly ity, izay hita ao amin’ny Jeremia 10:23, manao hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Tsia, tsy nanome ho an’ny olombelona fiasana mba hahombiazana tsy misy ny fitarihany Andriamanitra. Ankoatr’izany, raha noleferin’Andriamanitra nandritra ny an’arivony taona maro ny fanapahan’ny olombelona tsy miankina, dia mba hampisehoana indrindra indray mandeha monja fa io fanapahana io dia tsy afaka hitondra ny fahafahana sy fahasambarana marina. Izany no antony amakiantsika ao amin’ny Salamo 146:3 hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Nefa amin’izay àry izany isika no afaka hiankina? Mamaly ny Baiboly hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” — Ohabolana 3:5, 6.
16. Hatraiza no ahafahantsika mitoky amin’i Jehovah?
16 Nahoana isika no afaka hanana fitokisana tanteraka an’Andriamanitra toy izany? Satria, araka ny lazain’ny Salamo 31:5, Jehovah dia “Andriamanitry ny fahamarinana”. Raha maniry marina hahafantatra ny fahamarinana amin’ny zava-dehibe rehetra momba ny fiainana sy hahalala ireo valin’ny fanontaniana izay mamela ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao mihitsy ho very hevitra isika, dia tokony hitodika any aminy. Ambonin’izany, koa satria ‘Andriamanitra tsy mahay mandainga’, izay lazainy dia ho tanteraka. “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy”. — Hebreo 6:18; Isaia 14:24.
17. Amin’ny fomba ahoana no ampitan’i Jehovah ny fahamarinana amin’ireo izay mitady izany amim-pahatsorana?
17 Tsy manadino tokoa ny manambara ny fahamarinany amin’ireo izay mitady azy amim-pahatsorana Andriamanitra. Ambonin’izany, araka ny Jaona 8:32, Jesosy dia nanambara hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Nilaza tamin’Andriamanitra izao teny izao koa izy: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Nefa aiza no hahitana ny ‘tenin’Andriamanitra’, ny fahamarinany? Mamaly ny apostoly Paoly hoe: “Ny Soratra rehetra dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.” (II Timoty 3:16, MN). Ilay Mpamorona Tsitoha an’izao rehetra izao àry dia milaza ho Mpanoratra ny Baiboly. Nanosika olona mahatoky izy hilaza ny heviny an-tsoratra tamin’ny alalan’ny heriny miasa na fanahy masina. Noho izany, rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia tsy hoe Andriamanitra no miresaka amintsia. — I Tesaloniana 2:13; II Petera 1:20, 21.
18. Nahoana no tsy ho ara-dalàna ny hiheverena fa tsy mety ho Andriamanitra no Mpanao ny Baiboly?
18 Nefa misy sasany milaza fa tsy Andriamanitra no Mpanao ny Baiboly. Kanefa, ny olombelona dia afaka manoratra boky. Nefa Andriamanitra no nanao ny olombelona. Ilay Fisiana fara tampony izay Mpamorona ny olombelona àry dia tsy hahay hanao izay azon’ireo zavaboariny tsinontsinona tanterahina? Amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika, ireo mpahay siansa dia mampita tokoa toromarika amin’ireo zanabolana any amin’ny habakabaka mba hitarihany ny dian’izy ireo. Ny mpanolotra iray ao amin’ny radiô dia miteny amin’ny fanamafisam-peo, ary ny teniny dia voaray hatrany amin’ny an’arivony kilaometatra manodidina. Noho ny televiziona, dia angamba isika nijery tao an-tranontsika, sary nalaina teny amin’ny volana. Fa raha ny amin’i Jehovah, dia izy no mpanao ny sofina, ny maso, ny herim-baratra sy ny feo. Moa ve àry ny “haben’ny fahatanjahany” tsy hahafahany mampita ny heviny amin’ireo mpanompony mahatoky izay etỳ an-tany? Marina tokoa àry fa ilay Mpamorona an’izao rehetra izao mahatalanjona manodidina antsika dia tsy sahirana kely akory manao boky anankiray! — Isaia 40:26.
19. Nahoana no sarotra vao azo ny andalan-teny sasany ao amin’ny Baiboly, na dia hoe asan’Andriamanitra aza io boky io?
19 Nefa hilaza ny sasany hoe: “Tsy mora azo ny Baiboly.” Marina fa sarotra ny andalan-teny sasany (II Petera 3:16). Nahoana Andriamanitra no nampanoratra azy toy izany? Satria izy no manapaka ny hoe iza no afaka mahita ny fahamarinana. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly momba ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.” (I Korintiana 3:6). Momba ny fahendrena sy ny zava-miafina masin’Andriamanitra dia nanambara koa izy hoe: “Isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy.” (I Korintiana 2:10). Andriamanitra àry no manana zo tsy hanambara ny fikasany afa-tsy amin’ireo maniry marina hahafantatra izany ary vonona hiaina mifanaraka amin’izany sy hanompo azy amim-pahatokiana. “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — Amosa 3:7; Daniela 2:28, 47.
20. Aiza àry no hahitantsika ny fahamarinana izay mety hanafaka antsika?
20 Eny, ilay Andriamanitry ny fahamarinana dia misy marina tokoa. Ireo fahamarinana avy aminy dia voarakitra ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly Masina. Ambonin’izany, manome ho an’ny mpanompony manetry tena sy miray ny fahaizana ny Soratra Masina izy. Nefa inona moa raha ny tena izy ireo fahamarinana fototra ambaran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny amin’ireo olona tia fahamarinana, indrindra amin’izao androntsika izao? Handinika sasantsasany amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao ve ireto hevitra vitsivitsy ireto?
□ Fahafahana inona no tena ilain’ny taranak’olombelona?
□ Tamin’ny fomba ahoana ary nahoana ireo fanantenan’izao tontolo izao ankehitriny no niharihary ho namitaka?
□ Ahoana no ahafahana manavaka ny fivavahana marina amin’ireo diso?
□ Inona no antony hitokiantsika tanteraka amin’i Jehovah?
□ Amin’iza no anambaran’Andriamanitra ny fahamarinany?
[Sary, pejy 11]
Mila hafahana marina tokoa amin’ny fahoriany maro be ny olombelona.
[Sary, pejy 13]
Ho an’ireo fivavahan-diso, dia nilaza izao fampitandremana izao Jesosy: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.”